Alatsinainy 4 Oktobra 2027
Mijere Ahy, dia ho voavonjy ianareo, ry vazan-tany rehetra ! Fa Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy hafa. Isaia 45:22
„Teraka tamin’ny taona 1961 tany Cuba aho. Hatry ny fony vao zaza aho dia efa niharana tsy fahasalamana nahatonga ahy ho saro-kenatra. Nihalehibe aho, tsy nahatsiaro ho sambatra, tsy nahatsapa ho tiana, ary niaina natahotra ny raiko. Tatỳ aoriana dia tojo tsy fahombiazana maro ny fiainam-pitiavako, avy eo dia niharatsy ny toe-pahasalamako. Niditra nanao pôlitika aho, nefa tsy nisy na inona na inona nahafa-po ahy ; tsy nisy nandeha araka ny tokony ho izy, teo amin’ny fiainako. Nony 27 taona aho dia kivy noho ny zavatra rehetra, ka naniry mba ho faty…
Tamin’ny zavatra rehetra nanahirana ahy dia efa hatramin’ny fahazazako aho no niantso an’Andriamanitra hatrany. Nefa nanao fikaihana ny maty koa aho, ary avy eo nitodika tamina fombam-pivavahana iray mampiharoharo karazam-pinoana kristiana sy fanompoan-tsampy afrikana. Tsy fahombiazana tanteraka no vokatr’izany : nahatsapa ny tenako ho vao mainka nihevaheva aho, mandra-pahitako sy mandra-panekeko ho an’ny tenako ny sorona nataon’i Jesosy Kristy ! Ny 3 desambra 1994 dia nandray an’i Jesosy ho Mpamonjiko sy Tompoko aho, ary avy eo ny sakaizako koa. Dia niroso tamin’ny fisoratam-panambadiana izahay, ary nanomboka nanompo ny Tompo. Natao batisa izahay ny volana febroary 1995.
Roa taona tatỳ aoriana dia nitodika tamin’i Jesosy Kristy koa ny reniko. Fifaliana toy inona moa ny tao amin’ny fianakaviana ! taoriana-na taona maro tsy nahombiazana sy nijaliana.
Ankehitriny aho dia mbola manohy manompo ny Tompo, mitsidika zokiolona sy marary, ary mandray sasantsasany amin’ireny ao an-tokantranoko, mba hihaino ny Tenin’Andriamanitra. Te hijoro ho vavolombelona aho hoe Andriamanitra dia namonjy sy nanasitrana ahy, ary nanafaka ahy tamin’ny tahotra ny fanahy ratsy, haizina, mosavy, ary fahafatesana.
Mangataka amin’Andriamanitra aho mba ho maro amin’ny mpiara-belona amiko no hahita ny fitiavany sy ny fanampiany.”
Vilma