Alahady 26 Septambra 2027

(Hoy Jesosy tamin’ny Rainy :) Fantany marina tokoa fa avy taminao Aho ; ary nino izy fa Ianao no naniraka Ahy. Jaona 17:8

 

Nivoaka sy nirahina

Ny Teny androany dia mampahatsiahy lafiny roa amin’ny nahatongavan’i Jesosy Kristy tetỳ an-tany, roa arivo taona mahery lasa izay. Jesosy dia nivoaka avy tamin’ny Ray. Asehon’izany fa vonona Izy handao ny lanitra, mba ho etỳ an-tany. Nefa nirahin’Andriamanitra Rainy koa Izy, ary araka izany, dia nanoa tanteraka ny sitrapon’ny Rainy.

Ireo hevitra roa mitarika ireo dia namaritra ny fiainan’i Jesosy manontolo, hatramin’ny fahafatesany. Tonga an-tsitrapo Izy, nefa izay rehetra nataony sy nolazainy dia niankina tamin’ny sitrapon’ny Ray, Izay naniraka Azy : „Inty Aho tonga… hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô” (Hebreo 10:7). Dia toy izany koa, nanolotra an-tsitrapo ny ainy Izy : „Izaho manolotra ny aiko, mba handraisako azy indray. Tsy misy manaisotra ny aiko amiko, fa ny tenako ihany no manolotra azy” (Jaona 10:17-18). Ary miaraka amin’izany koa, dia tsy maintsy nanolotra ny ainy Izy : „Kristy [tsy maintsy] hiaritra ka hitsangana amin’ny maty amin’ny andro fahatelo” (Lioka 24:46).

Ireo tondro zotra roa ireo, mamaritra ny fiainan’ny Tompo Jesosy, dia mihatra ihany koa amin’ny tsirairay amin’ireo izay maniry hanompo Azy. Tsy misy „asa an-tery”, eo amin’ny asan’ny Tompo. Tsy misy afa-tsy asa tanterahina mpilatsaka an-tsitrapo, manolo-tena noho ny fitiavany ny Tompony. Na izany aza anefa dia tsy malalaka hanao izay tiany ireo mpilatsaka an-tsitrapo ireo, satria maniry hiankin-tena amin’ny Tompony, manao izay sitraky ny Tompony. Foto-kevitra tena manan-danja io, ary nasehon’i Jesosy sy niainany tanteraka, tamin’ny fahatongavany teto an-tany, ny fiainany, ary ny fahafatesany.