Asabotsy 25 Septambra 2027

Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay. Jaona 3:16

Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin’izao tontolo izao. 1 Jaona 2:15

 

Inona moa ny hoe izao tontolo izao ?

Ao amin’ny Baiboly dia manana heviny telo ny fiteny hoe „izao tontolo izao”. Voalohany aloha izy dia manondro ny fahariana, ny tany : „Andriamanitra … nanao izao tontolo izao” (Asan’ny Apostoly 17:24). Tamin’izany Izy no tonga teto anivontsika : „Tonga tetỳ ambonin’ny tany (tetỳ amin’izao tontolo izao) Kristy Jesosy hamonjy ny mpanota” (1 Timoty 1:15).

Ny hoe „izao tontolo izao” dia maneho koa ny fitambaran’ny mponin’ity tany ity (andinin-tSoratra Masina voalohany androany). Eny, tia antsika Andriamanitra ! Tia antsika fatratra Izy, ka nanaiky ny hanoloran’ny Zanany ny ainy teo amin’ny hazofijaliana, mba hanafaka antsika amin’ny fahotantsika.

Ary ny heviny fahatelo farany, „izao tontolo izao” dia raisina ho rafitra, na fanorenana mandamina ny fifandraisana eo amin’ny samy olona. Nanomboka tamin’ny fahadisoana nataon’ilay olona voalohany, dia nandà an’Andriamanitra io izao tontolo izao io, ary nanohitra an’i Jesosy ka tonga hatramin’ny fanomboany Azy teo amin’ny hazofijaliana. Izany dia lazain’i Jesosy toy izao : „Izao tontolo izao… Izaho no hàlany” (Jaona 7:7). Lazainy koa fa efa voatsara io izao tontolo izao io, miaraka amin’ilay lehibeny, dia i Satana (Jaona 12:31). Ireo rehetra mandà ny hafatry ny Filazantsara dia anisan’io rafitra manohitra an’Andriamanitra io.

Ny andinin-tSoratra Masina faharoa androany dia mangataka antsika tsy ho tia izao tontolo izao. Izany dia izao tontolo izao araka io heviny farany io. Miantefa amin’ny mpino izany Teny izany. Hoy Jesosy : „Tsy naman’izao tontolo izao izy, tahaka Ahy tsy naman’izao tontolo izao” (Jaona 17:16). Ara-batana, ny mpino dia miara-miaina amin’ireo mpiara-belona aminy, nefa tsy an’izao tontolo izao, io rafitra nanombo ny Mpamonjiny teo amin’ny hazofijaliana io. Koa ahoana àry isika, ry kristiana, no hanaiky ho voababo-na izao tontolo izao toy izany, na hanaiky ireo marimaritra iraisana arosony ? Mifanohitra amin’izany kosa, antsoina isika ho tia ny olombelona eto amin’izao tontolo izao, sy hiresaka an’i Jesosy amin’izy ireo.