Alakamisy 23 Septambra 2027

Moa tsy fantatrareo fa … tsy tompon’ny tenanareo ianareo. Fa olom-boavidy ianareo. 1 Korintiana 6:19-20

 

Fanokanan-tena

Tamin’ny andron’ny apostoly Paoly, ny tompon’andevo dia nanana fahefana hahavelona na hahafaty azy ireo : novidiny vola izy ireo, ka noho izany dia azy. Toy izany koa, ankehitriny, ny kristiana : mba hanavotan’Andriamanitra azy tamin’ilay tompony voalohany mafy fo sady lozabe (i Satana), dia nanefa sarany tena lafo Izy : nanome an’i Jesosy Kristy Zanany !

Andriamanitra anefa dia Tompo tsara : namotsotra sy nanafaka antsika Izy, nanangana antsika ho zanany, ary nanao antsika ho mpandova Azy. Ho valin’izany fitiavan-dehibe izany, isika ve tsy mba te hanokan-tena manontolo hanompo Azy ? mba hampisehoana ny fankasitrahantsika Azy. Tsy manery antsika Andriamanitra. Raha toa isika te hanompo am-pitiavantena ny tombontsoantsika manokana, dia tsy manakana antsika amin’izany Izy. Fa ny Fanahy Masina kosa dia mitarika antsika hiteny hoe : „Andriamanitro ô, navotanao sy nafahanao aho ; nefa te ho mpanomponao, an-tsitrapo, satria tiako Ianao ary matoky Anao aho”.

Io dingan’ny finoana io no antsoina hoe „fanokanan-tena”. Ny hoe manokan-tena ho an’Andriamanitra dia miaiky fa Izy no hany Tompon’ny tenantsika, fanahintsika, ary saintsika. Raha ny tombontsoany no ataontsika alohan’ny antsika, dia hiaina ny tena fahafahana isika : ho afaka amin’ny fanjakazakan’ny Izaho (ny maha izaho ahy). Io Izaho io dia afaka mitady ny fahafaham-pony ao amina sehatra maro. Avelako malalaka ho an’ny Tompoko ve ny heriko, ny fananako, ny fotoanako ? ary ho amina tanjona inona ? Isika dia anisan’ireo „tsy ho velona ho an’ny tenany intsony … fa ho an’Izay efa maty sy nitsangana hamonjy azy” (2 Korintiana 5:15).