Alarobia 22 Septambra 2027
Mahatoky ka tokony hekena amin’ny fankasitrahana rehetra izao teny izao : tonga tetỳ ambonin’ny tany Kristy Jesosy hamonjy ny mpanota. 1 Timoty 1:15
Nandritra ny „ady mangatsiaka” (teo amin’ny Firaisana sovietika fahizany sy Etazonia), ankoatra ny savorovoro vokatr’ireo fitifirana balafomanga napetraka tany Cuba, dia tsy nisy fotoana nampidi-doza kokoa noho ny alin’ny 25 hifoha 26 septambra 1983. Namely fiaramanidina koreana tatsimo ny tafika ana habakabaka sovietika, ka nahafaty olona 269. Ary tanaty tontolo manodidina sarotra teo amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena, taoriana kelin’ny misasakalina, dia nisy zanabolana fanaraha-maso rosiana nanambara fandehanana fitifirana bala manora-tena amerikana dimy : fiara mifono vy dimy samy nanana tsokiloha mamotika lavitra noho ny baomba atômika tany Hirosima sy Nagasaki, nizotra nankany Rosia. Mbola nisy 25 minitra nialoha ny valim-panafihana atômika.
Ny kolonely Petrov, izay niandry raharaha teo an-toerana fanaraha-maso, ary mahimahina tamin’ny kalitaon’ny fitiliana nataon’io zanabolana io, dia nanapa-kevitra tsy hampita tamin’ny lehibeny izany zavatra hita izany. Fotoana fohy taorianan’izay dia voamarina fa diso ny vaovao nampitain’ilay zanabolana. Nantsoina hoe „ilay lehilahy namonjy izao tontolo izao” ny kolonely Petrov.
Izao dia ndao hosainina ny Tompo Jesosy Kristy. Ambaran’ny Baiboly, momba Azy, fa Izy dia tonga „hamonjy izao tontolo izao” (Jaona 12:47).
Ny kolonely Petrov dia nanakana trangan-javatra mampivarahontsana tsy hiseho, tsy isalasalana izany. Fa Jesosy Kristy kosa dia tonga teto amin’izao tontolo izao, mba hamonjy ny olona rehetra mino Azy, tsy hiharan’ny fahafatesana mandrakizay. Fahasamihafana tena goavana ! Avy eo i Petrov dia nomena voninahitra noho izy „namonjy izao tontolo izao”. Fa Jesosy Kristy kosa, mba efa nisaotra Azy ve ianao ? tamin’ny nahatongavany mba ho faty ho anao, mba hamonjy anao. Efa nandray izany famonjena maimaimpoana izany ve ianao ?