Alatsinainy 20 Septambra 2027
Vonjeo aho, Andriamanitra ô ; fa efa mihatra amin’ny aiko ny rano. Milentika amin’ny fotaka mandrevo aho, ka tsy misy hifaharana… Sasatry ny mitaraina aho, maimay ny tendako ; pahina ny masoko, raha miandry an’Andriamanitro aho. Salamo 69:1-3
Efa nahatsapa tena ho difotra ve ianao ? Zava-manahiran-tsaina any am-piasana, fahasarotana eo amin’ny fifandraisana amin’ny hafa, fahafatesana, loza tampoka, fanambaràna aretina mafy… na indraindray, ireo vokatra ateraka safidy ratsy na fahadisoana natao. Miavosa ny zava-mampijaly, tonga saina ny tena fa tsy vita intsony ny miatrika izany. Dia manomboka tsy mahita tory. Mahatsapa ho toy ny tsy afaka miarin-doha, tototra zava-manahirana tsy toko tsy forohana, izay mitarika lavitra sy ambany kokoa hatrany. Manontany tena raha mbola hifarana ihany, indray andro any, izany rehetra izany.
Meteza àry isika hokasihin’io Teny androany io. Angamba izy io nosoratan’i Davida fony izy nahatsapa tena ho difotra. Nefa misy fitanisana maromaro ao amin’ny Testamenta Vaovao an’io Salamo 69 io, mampiseho fa izy io dia milaza mialoha ireo fihetseham-pon’i Jesosy, rehefa nafoin’Andriamanitra teo amin’ny hazofijaliana Izy. Ny fotaka dia kisarisarin’ny otantsika, ny rano dia maneho ny fitsaran’Andriamanitra. Jesosy dia nanaiky hisolo toerana antsika, hizaka ny fitsarana ireo fahotantsika, ka nahatsapa mafy tsy takatry ny saintsika mihitsy ny hoe difotry ny fitsarana mampivarahontsana ataon’Ilay Andriamanitra masina.
Raha mahatsapa tena ho difotra aho, dia mahatakatra izany tanteraka Jesosy Kristy Tompoko ; irery Izy fony nandalo tao ambanin’ny ranon’ny fitsaran’Andriamanitra, mba tsy hizakako na oviana na oviana izany fitsarana izany. Ary ankehitriny aho dia tsy irery velively rehefa mandalo zava-tsarotra : „Raha mita ny rano ianao, dia homba anao Aho ; ary raha mita ny ony ianao, dia tsy hanafotra anao izy” (Isaia 43:2).