Alahady 19 Septambra 2027

Ao an-tranon’ny Raiko misy fitoerana maro ; … handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho. Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa. Jaona 14:2-3

 

Ahoana no aminavinana ny paradisa any an-danitra ?

Napetraka imbetsaka io fanontaniana io. Maro ireo asa haikanto nanandrana nanoritsoritra izany toeram-pahafinaretana izany. Nefa isika tsy tokony hianina amina vinavina voafetra miely, momba ny lanitra. Inona moa no ambaran’ny Baiboly antsika, ny amin’ny fitodiana farany ho an’ny kristiana ?

— Jesosy Kristy mihitsy, any an-danitra, no mamboatra sy manomana toerana ho an’ny olona tsirairay nandray Azy ho Mpamonjiny (andinin-tSoratra Masina androany).

— Any an-danitra dia ho feno tanteraka ny fahasambarana, satria ho foana ny ota sy ireo vokany tetỳ an-tany, ny aretina, ny fankahalana, ireo fisarahana, ny maha manirery, ny ady, ny fahantrana sy ny fahafatesana, ary miaraka amin’ireo, ny fijaliana : „Ary hofafany (hofafan’Andriamanitra) ny ranomaso rehetra amin’ny masony ; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana” (Apokalypsy 21:4).

— Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra, no ho ivon’ny lanitra ! ho hitan’ireo rehetra nino Azy nandritra ny fiainan’izy ireo tetỳ an-tany, sady hahafaly indrindra azy ireo. „Fa izaho kosa, dia aoka hahita ny tavanao amin’ny fahamarinana ; aoka ny endrikao no hahafa-po ahy…” (Salamo 17:15).

— Any an-danitra dia hofoanana amin’izay ireo tsy fahatakarana teo amin’ny fiainantsika, ary hamirapiratra ny fahendren’ireo fanapahan-kevitr’Andriamanitra manontolo sy ireo asany. Hoy ny apostoly Paoly : „Ankehitriny sombintsombiny no fantatro ; fa rahatrizay dia ho fantatro tsara, toy izay nahafantarana ahy” (1 Korintiana 13:12).

Izany fahatsinjovana ny hoavy mahatretrika izany dia manosika ny tsirairay hanontany tena hoe : efa mba nanatona an’i Jesosy ve aho ? mba ho resy lahatra fa efa vonona ny toerako any an-danitra.