Alarobia 4 Desambra 2024

Faingàna hamaly ahy, Jehovah ô, fa reraka ny fanahiko. Salamo 143:7

Kanefa efa nihaino tokoa Andriamanitra ; efa nihaino ny feon’ny fivavako Izy. Salamo 66:19

 

Zotran-tsambo lay nivaona

„Nivaona nandritra ny 18 andro ny zotran’ny sambo lainay. Nidiran’ny rano kokoa hatrany tao anatin’ilay sambo kely, izay nahilangilana tafiodrivotra maromaro. Sady noana izahay no nangetaheta. Nisy sambo lehibe maro mpanondrana entana nandalo, tsy nahita anay. Tsy nilaina ny nivoy, manoloana ny herin’ny korian-dranomasin’ny Caraïbes miovaova foana.

Efa ho very ny heriko sy ny finoako an’Andriamanitra, na dia tsy namela fahalemena hiseho mihitsy aza aho, teo anatrehan’ny hafa. Sady tsy te hihira intsony aho no tsy te hidera an’Andriamanitra intsony. Nifantoka nijery ahy ireo namako, izay tsy mpino, nitily hahita ahy kivy.

Nivavaka mafy aho hoe : „Mirodana ny finoako, ry Tompo ; raha tsy vonjenao izahay androany, dia tsy ho afaka hanome ohatra intsony aho. Mahalala ahy Ianao, tsy zakako intsony !”

Io maraina io izahay dia nahita hazavana nanatona miadana anay. Mpanarato meksikana roa lahy izy ireo, nisintona ny haratony voasingotry ny tangolimihodin’ny sambonay. Nanjono anay ara-bakiteny izy ireo ! Dia toy izany no nahavotra anay.

Tsy dia maninona tsy akory na firy andro na firy andro no naharetan’ny fitsapana sy ireo toejavatra mampivarahontsana tsy maintsy niainanay. Nikarakara anay Andriamanitra. Tokony hahitsy fo eo anatrehan’Andriamanitra isika, ka tsy hitady hampiseho hery anaty tsy ananantsika akory ; Izy irery no manavao io hery io. Raha misy olona miandry hahita ny tsy fahombiazantsika sy ny famoizampontsika, dia tokony hijoro tsara amin’ny finoana isika. Na oviana na oviana Jesosy tsy hampisedra antsika fitsapana tsy zakan’ny herintsika. Na dia toa mivaona miala amin’ny lalantsika aza isika, dia eo ny haraton’ny fitiavany mba hamonjy antsika.”

Edislier