Talata 3 Desambra 2024

Fa antomotra ny faran’ny zavatra rehetra ; koa hendre ka mahonona tena ho amin’ny fivavahana. 1 Petera 4:7

Tompoko, mampianara anay hivavaka. Lioka 11:1

 

Ny vavaka ataon’ny tena manokana

Nisy vehivavy kristiana zokiolona iray, izay nipetraka tany amina trano fitaizana zokiolona, nitana an-tsoratra, teo amina alimanaka, ny zava-nitranga nanamarika ny andro tsirairay. Saika isaka alarobia : 7 ora sy sasany hariva : Fivoriam-bavaka. Tena zava-dehibe taminy tokoa mantsy ny mivavaka amin’Andriamanitra, Izay „Mpihaino vavaka” (Salamo 65:2).

Manao ahoana kosa ny momba ny fiainam-bavako manokana ?

— Indray maraina, niverina natory aho… tara loatra, nihazakazaka ny fotoana ! Tsy nisy vavaka nataoko, hiomanako ho amin’ny zavatra rehetra tsy ampoizina mety hiseho mandritra ny andro, na isaorako Ilay Andriamanitro noho ireo zavatsoa avy aminy !

— Ny antoandro, misakafo any amin’ny toeram-pisakafoana ao am-piasana aho, izaho irery na miaraka amin’olon-kafa… sarotra ny mivavaka.

— Ny takariva dia tena feno, azon’ny torimaso aho… vizana loatra ka tsy mahavavaka.

— Izao hariva izao aho dia miaraka amin’ireto namako kristiana mba hivory hivavaka, saingy vesaran’ny zava-manahirana ahy, ka mahatsapa ny tenako ho tsy mahavita mivavaka.

Ny Baiboly dia matetika mampirisika antsika hivavaka :

„Mahareta amin’ny fivavahana” (Kolosiana 4:2).

„Mivavaha, ka aza mitsahatra. Misaora amin’ny zavatra rehetra” (1 Tesaloniana 5:17-18).

„Mifampivavaha… ianareo” (Jakoba 5:16).

Ny apostoly Petera dia manafatrafatra ny mpivady kristiana, „mba tsy ho voasakana ny fivavahanareo” (1 Petera 3:7).

Ny vavaka ataontsika dia mety ho vavaka anaty koa, fohy kely (Nehemia 2:4).

Aoka hohenointsika ny fampianaran’i Jesosy hoe : „Fa ianao kosa, raha mivavaka, dia midìra ao amin’ny efitranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavaranao, dia mivavaha amin’ny Rainao, Izay ao amin’ny mangingina ; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin’ny mangingina, no hamaly anao” (Matio 6:6).