Alahady 3 Septambra 2023
Ary ao aminy (Jesosy Kristy) no miaraka aorina koa ianareo, ho fonenan’Andriamanitra amin’ny Fanahy. Efesiana 2:22
„Niteraka fihetsehampo lehibe eran’izao tontolo izao ny fahamaizan’ilay katedraly efa taonjato valo. Ankoatra ny maha faneva ara-pivavahana ny katedraly Notre-Dame, dia heverina ho ivon’i Frantsa sy ny kolontsaina eoropeana koa izy. Tsy ho faty ny maha izy azy an’io tsangambato io !”
Izany no namoaboasana gazety iray ny fahamaizan’ny Notre-Dame ao Paris. Inona no nahatonga hatairana toy izany ? Ny faharavana trano malaza ara-tantara ve ? sa ny faharavana toera-malaza fivavahana, mampahatsiahy fa nanorim-paka tamin’ny fivavahana kristiana ny firenena frantsay ?
Ny trano iray dia mety ho toeram-pivoriana ho ana mpino : katedraly, fiangonana, tempoly, efitra fivoriana tsotra. Nefa Ilay Andriamanitra Avo Indrindra dia „tsy mba mitoetra ao anaty tempoly nataon-tànana” (Asan’ny Apostoly 17:24). Monina ao am-pon’ny mpino Izy. Araka ny toetrantsika, dia tsy mendrika ny fanatrehany isika, nefa tiany hohamarinina noho ny finoana an’i Jesosy Kristy, mba hanatona Azy. Te honina ao anatintsika mpino mihitsy aza Izy. „Tsy fantatrareo va fa tempolin’Andriamanitra ianareo, ary ny Fanahin’Andriamanitra mitoetra ao anatinareo ?” (1 Korintiana 3:16). Trano fanahy tsy hay ravana io tempoly io. „Ao aminy no miaraka aorina koa ianareo, ho fonenan’Andriamanitra amin’ny Fanahy”. Jesosy Kristy no manorina azy io. Niteny Izy hoe : „Haoriko ny fiangonako ; ary ny vavahadin’ny fiainan-tsy hita tsy haharesy azy” (Matio 16:18). Ahazoan-tombony ny mitady izay ambaran’Andriamanitra momba izany ao amin’ny Baiboly, ao amin’ny Testamenta Vaovao.