Asabotsy 2 Septambra 2023

Indro, avy ny andro, hoy Jehovah Tompo, izay hanaterako mosary amin’ny tany, tsy fanirian-kanina anefa, na hetahetan-drano, fa faniriana handre ny tenin’i Jehovah… Eny, hivezivezy hitady ny tenin’i Jehovah izy, nefa tsy hahita. Amosa 8:11-12

 

Aiza ireo Baiboly ?

Any amina firenena maro tsy misy fahalalahana ara-pivavahana, dia boky tsy fahita firy ny Baiboly. Ity vondrona kristiana iray, misy mpikambana an-jatony, nefa ny pasitera irery no manana Baiboly.

Eo akaikinay anefa, misy tokantrano izay tsy isalasalana fa manana Baiboly dimy na enina. Aiza avokoa izy ireny ? Ny iray angamba any anaty vata any amin’ny fitehirizana entana tonta ; ny iray any anaty fitoerana akanjo ; ny hafa… tsy fantatra intsony izay nasiana azy.

— Nefa ny alahady, rehefa handeha hamonjy fanompoam-pivavahana, tsy tokony hitondra Baiboly ve ?

— Fanompoam-pivavahana hoe ? Tsy mankany izahay ka. Ny alahady no hany andro ahafahana matory maraina.

— Ary rehefa manana fotoana kely malalaka, na ny hariva rehefa tafody ao an-trano ny tsirairay, tsy mamaky ny bokin’Andriamanitra mihitsy ve ianareo ?

— Tsia, fa samy mamaky ireo hafatra ao amin’ny findainy avy, na mizaha zavatra ao amin’ny internet…

Ao an-trano ny Baiboly, saingy tsy misy manokatra azy. Jerena tsy tapaka ny finday, fa ny Baiboly kosa tsy mba jerena mihitsy.

Ry kristiana, hilaozantsika ny volantsika, ireo asantsika, ireo tranontsika. Aza ataontsika tsinontsinona ny tenin’Andriamanitra, izay maharitra mandrakizay.

Mazava ho azy, tsy ny fananana Baiboly tsy akory no mahavonjy, nefa tokony hinoana izay raketin’io boky io.

Ary ny Baibolinao moa, aiza tokoa izy izay ? Mba mamaky azy ve ianao ?