Alarobia 28 Desambra 2022

Tsy an’ny olombelona ny làlan-kalehany. Jeremia 10:23

Avy amin’i Jehovah no mahalavorary ny dian’ny olona, ka Izy no mankasitraka ny làlany. Na dia lavo aza izy, tsy dia mikarapoka, fa Jehovah no mitantana azy. Salamo 37:23, 24

 

Dingana iray manaraka

Indro fa tazantsika ny faran’ity taona ity. Dingana vitsivitsy sisa, dia ho tonga eo isika. Dingana vitsivitsy hanampy ireo rehetra efa vita hatreto, nandritra ireo volana maro efa lasa ireo. Marika inona no navelan’ireny ? Azo antoka fa nisy hadisoana tamin’izy ireo. Fahadisoana, fitaka, lainga (kely !)… Fahadisoana mametraka antsika eo anoloan’ny fitsaran’olombelona, tsy fankatoavana an’Andriamanitra…

Nefa tsy maintsy miroso hatrany, miroso mandrakariva, manao dingana iray aorianan’ilay teo. Angamba dingana iray monja no tsy ampy, mba hananana herimpo hihavanana amina mpiara-miasa iray, amina mpifanolobodirindrina, amin’ny vady ; mba hahatrarana tanjona nonofinofisina hatry ny ela ; mba hanapahan-kevitra hamangy iny olona sahirana iny ; mba hialana amina fiankinan-doha iray. Angamba koa, mifanohitra amin’izany, dingana iray hahalasa lavitra loatra, hiteraka vokatra tsy azo iverenana…

Angamba dingana iray monja no tsy ampy, ho amin’ny fiafaran’ny fiainantsika eto an-tany, satria eo ny taona, na tsy eo intsony ny fahasalamana.

Angamba dingana iray monja no tsy ampy, mba hanatonana an’Andriamanitra… Dingana ho amin’ny finoana, izany hoe dingana fatokiana ny fitiavany, izay niseho teo amin’ny sorona nataon’i Jesosy Kristy, Izay maty noho ireo fahotantsika ; dingana fatokiana ireo fampanantenany. Dingana finoana, dingana kely dia kely, nefa hanokatra ho antsika sehatra midadasika, dia fiainana miaraka amin’i Jesosy, mba hifandraisana amin’Andriamanitra fantatra hoe Ray, dieny izao ary ho mandrakizay !

Dingana inona no hataoko anio ?