Talata 27 Desambra 2022
Nahoana no ato amin’ny maty no itadiavanareo ny velona ? Tsy ato Izy (Jesosy), fa efa nitsangana. Lioka 24:5, 6
Aza matahotra ; Izaho no Voalohany sy Farany, dia Ilay velona ; efa maty Aho, nefa, indro, velona mandrakizay mandrakizay. Apokalypsy 1:17, 18
Velona Jesosy
Naniraka an’i Jesosy ho etỳ an-tany Andriamanitra,
Tonga Izy mba hitia, hanasitrana, hamonjy ;
Teo amin’ny hazofijaliana no nanefany ny fanafahana ahy ;
Ny fasany foana no porofo fa velona Izy.
Satria velona Izy, dia tsy misy atahorako,
Ankiniko aminy ny ampitsoko.
Satria Izy mahalala ny lalana tokony halehako,
Dia tsara ny miaina, satria velona Jesosy.
Ary raha ny momba ny ankohonako indray, io harena marefo io,
Dia tena mamiko ny mitia azy ireo,
Sy ny mahafantatra fa raha tonga ny tafiodrivotra,
Dia hiaraka aminy Jesosy, satria velona Izy.
Satria velona Izy, dia mandroso tsy misalasala aho,
Azo antoka ny hoaviko.
Hazoniny amin’ny tana-maheriny ny fiainako.
Amin’izao fotoana izao sy ho mandrakizay, fantatro fa velona Izy.
Ary rehefa mifarana ny diako,
Ka tsy maintsy hiatrika ny ady farany aho,
Ao amin’ny voninahitra, erỳ am-pita erỳ,
No iandrasan’i Jesosy ahy, ho hitako Izy, velona Izy !
(dikateny malalaka amin’ny hiran’i Bill Gaither)
„Mahavonjy tokoa izay manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany Izy, satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy” (Hebreo 7:25).