Asabotsy 4 Desambra 2021

(Hoy Jesosy tamin’i Simona :) Voavela ny helony be, fa be fitiavana izy ; fa izay voavela tamin’ny kely dia kely fitiavana. Dia hoy Izy tamin-dravehivavy : Voavela ny helokao… Ny finoanao efa namonjy anao. Lioka 7:47, 48, 50

 

Ahoana no fijerintsika ? (4)

Tsara vakina : Lioka 7:36-50

Jesosy dia niara-nisakafo tamin’i Simona, tompon’andraikitra ara-pivavahana nanasa Azy. Dia indro nisy vehivavy iray tao an-tanàna, meloka be, mpanota araka ny fitsàran’i Simona, sahy niditra tao aminy ka nankeo an-tongotr’i Jesosy. Fantatr’io vehivavy io fa Jesosy avy any Nazareta dia afaka mamaly ny hetahetany hahazo famelan-keloka sy ny faniriany fanafahana. Nitondra tavoara feno menaka manitra izy, tsy niteny tsy nivolana, fa nitomany ary nankeo an-tongotry ny Tompo Jesosy, mba hampiseho aminy ny fankasitrahany, ny finoany, ary ny fitiavany. Tsy nanan-tahotra izy, ary nahafantatra fa voavela heloka sy afaka, satria nino ny famindrampon’Andriamanitra hitany tao amin’i Jesosy. „Voavela ny helokao”, hoy Jesosy taminy.

Ary isika ve mba efa nandre manokana ny tenin’i Jesosy hoe : „Ny finoanao no nahavonjy anao” ?

Ity tantara ity dia mampiseho fijery maromaro : ny an’i Simona mijery ilay vehivavy, fijery manameloka ; ny fijerin’ilay vehivavy an’i Jesosy, fijery feno fibebahana sy fanantenana ; ny fijerin’i Simona an’i Jesosy, fijery feno fisalasalana ; ny fijerin’i Jesosy ilay vehivavy : hitany ny fitiavany manontolo sy ny finoany ; ary ny fijerin’i Jesosy an’i Simona, manolotra aminy indrindra fiovana fijery, fiovam-po.

Simona ihany koa dia mila ny famafan’Andriamanitra ny trosan’ny fahotany. Tokony hanova ny fijeriny an’io vehivavy io izy, sady tokony hahita ny finoany sy ny fitiavany. Ary indrindra indrindra, ilainy ny mahita sy mamantatra fa Jesosy, Ilay Galiliana feno fanetrentena, no Ilay mahafantatra ireo eritreriny miafina indrindra sy manana fahefana hamela ny helony.

Ary izaho, fijery manao ahoana no mba ataoko amin’ny tenako, amin’ny hafa, amin’i Jesosy ?

(farany)