Zoma 3 Desambra 2021

Tohàny aho araka ny teninao, mba ho velona, ary aoka tsy ho menatra amin’ny fanantenako aho. Salamo 119:116

Faly aho noho ny teninao tahaka ny mahazo babo be. Salamo 119:162

 

Andriamanitra ve mba afaka ho Raiko koa ?

Ramatoa Li dia zokiolona nipetraka tany Chine, tany amina zanany lahy iray. Nahantra dia nahantra izy ireo, ka tao an-tranom-biby izy no natory, niaraka tamin’ny osy, nefa izany tsy nahasakana azy tsy ho sambatra. Tamin’ny fiandohan’ny taona 1960 no voalohany nandrenesany resaka momba an’i Jesosy, fony vao avy tapaka ny tongony, tamin’ny izy niasa tany an-tsaha. Dia voatery izy nijanona tao am-pandriana nandritra ny valo volana. Nefa indray andro izy dia nanamboatra tehina roa, mba handehanany tany amina olom-pantany tao amina tanàna akaiky azy, ka tafahaona tamina lehilahy kristiana iray izy tao. Vanimpotoana nampamaivay ny revolisiona ara-kolontsaina tamin’izay, ka voarara mafy ny fivavahana kristiana.

Nanohina lalina an-dramatoa Li ny fijoroan’io lehilahy io ho vavolombelona. Toy ny niresaka amina ray feno fitiavana izy io, niteny amin’Andriamanitra. Rehefa nifarana ny fotoam-bavaka, dia nametraka fanontaniana maro ilay vaviantitra : „Iza moa izany Andriamanitra izany ? Mba afaka ho Raiko koa ve Izy ?” Nandray an’i Jesosy ho Mpamonjiny izy, ary tatỳ aoriana dia tsy tapaka nanatrika fivoriana miafina, namakina andalan-tSoratra Masina ao amin’ny Baiboly. Tsy mahay namaky teny izy, nefa naniry mba hanana ilay boky sarobidy.

Taona maro tatỳ aoriana, efa ho 96 taona izy no nahare fa nisy fizarana Baiboly tany amina fiangonana iray. Tsy nisalasala izy nankany, na dia lavitra ihany aza ny lalana. Nony teny an-tanany ny Baiboliny, rehefa ela ny ela, dia namirapiratra tsiky be ny tavany, ary hoy izy : „Mba manana Baiboly ahy manokana aho izao, ka afaka hangataka amin’ny ankohonako mba hamaky azy ho ahy isanandro.”