Talata 18 Febroary 2020
Ny raiko aman-dreniko efa nahafoy ahy ; fa Jehovah kosa no mandray ahy. Salamo 27:10
Ny Ray (Andriamanitra) dia tia anareo. Jaona 16:27
“Roapolo taona aho tamin’izay. Tiako ny ray aman-dreniko ary nohajaiko, saingy nisy resaka fanambadiana noterena. Naniry hoavy tsara ho ahy izy ireo, nefa tsy dia azoazoko loatra ilay fomba namehezany ahy. Notazoniko ho ahy samirery izany, satria tsy azo nanazavana na inona na inona izy mivady. Ny raiko mantsy dia nangatsia-po sady mpanao didy jadona. Nitanisa ilay vavaka silamo aho, rehefa nanana adin-tsaina, ary nahita fialofana tao. Amiko dia toa tsy hay hatonina Andriamanitra, na dia fantatro aza fa eo Izy. Nanana fahefana majika tamiko ny vavaka. Nanana toerana mpiaro Andriamanitra, nefa dia izay ihany.
Koa nandositra aho mba hiasa any Paris, dia nailikin’ny ray aman-dreniko. Namoy fo aho, ary te hamono tena. Tamin’izay indrindra no nifandraisako indray tamina namana iray niresaka tamiko momba an’i Jesosy sy Ilay Andriamanitra fitiavana mahafantatra ahy sy mahatakatra ny manjo ahy. Nanjary kristiana io namako io, nandritra ny fotoana tsy nifaneraseranay. Dia nampahafantariny ahy ny nataon’Andriamanitra teo amin’ny fiainany. Tena marina ny nolazainy, satria fantatro tsara hoe toy inona izy io taloha. Hitako niova izy, miramirana, nanam-piadanana. Ho afaka manampy ahy ve Ilay Andriamanitra noresahiny ahy e ? Tamiko, dia lavitra Andriamanitra. Mbola tsy nisy niresaka tamiko ny hoe Andriamanitra fitiavana, Izay mety ho akaiky ahy toy ny namana.
Fa fiovana toa inona moa no nitranga, rehefa nanjary kristiana aho ! Tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy Mpamonjiko, dia nahita Andriamanitra nihaino ahy sy niresaka tamiko aho, Andriamanitra azoko ivavahana amin’ny maha Ray Azy. Eny, takatr’Andriamanitra hatrao amin’ny lalina indrindra anatiko ao ny manjo ahy. Fiainam-baovao no niainako.”
araka an’i Djamila