Alatsinainy 17 Febroary 2020
Tonga tetỳ ambonin’ny tany Kristy Jesosy hamonjy ny mpanota. 1 Timoty 1:15
— Nomena fahitana ny mpaminany Isaia : hitany Jehovah, nipetraka teo ambony sezafiandrianana tao amin’ny tempolin’Andriamanitra. Nisy anjely, feno fanajana, nanambara ny fahamasinany sy ny fiandrianany. Dia nahatsapa i Isaia fa mpanota, ka niantsoantso hoe : “Lozako ! maty aho !” (Isaia 6:1-7).
— Nanarato nandritra ny alina Simona Petera, mpianatr’i Jesosy, nefa tsy nahazo na inona na inona. Nasain’i Jesosy nandatsaka ny haratony indray izy, rehefa antoandro. Nankatò i Simona, ka nahazo hazandrano marobe. Dia niankohoka teo an-tongotr’i Jesosy izy ary niantsoantso hoe : “Tompoko, mialà amiko, fa olo-meloka aho” (Lioka 5:8).
Misy fitoviana mendrika hosinganina eo amin’ireo zava-nitranga roa ireo.
Ny fahamasinana sy fiandrianan’i Jehovah dia nahatonga saina an’i Isaia hoe very izy. Ny herin’i Jesosy dia nitarika an’i Simona hanambara fa olo-meloka izy.
Izany dia manamafy ny ambaran’ny Baiboly manontolo, hoe iray ihany Ilay Jehovah nameno ny tempoly tamin’ny voninahiny, sy Jesosy, Ilay sakaiza-na mpanarato tsotra dia tsotra tany Galilia. Iray ihany Jesosy sy Ilay Jehovah ao amin’ny Testamenta Taloha ! Nambaran’i Jaona evanjelista fa i Isaia dia nahita ny voninahitr’i Jesosy (Jaona 12:41).
Teo anatrehan’i Jesosy i Simona dia niantsoantso hoe : “Mialà amiko…”, nefa nanatona Azy sy niankohoka teo an-tongony ! Ary dia nampahery sy nampitony azy Jesosy, hoe : “Aza matahotra”. Tsy tonga tsy akory Jesosy mba hampitahotra antsika noho ny fahalehibeazany, amin’ny maha Andriamanitra Azy, na hanameloka antsika. Tonga Izy nitondra “ny fahasoavana sy ny fahamarinana” (Jaona 1:17).