Alakamisy 3 Janoary 2019

Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay. Jaona 3:16

 

Hafatra ho an’ny olona ankehitriny

Ny Baiboly no boky be mpividy indrindra eran-tany, efa nandritra ny taonjato maro, ary mirakitra ny fanambarana mahagaga ataon’Ilay Andriamanitra mihevitra ny voariny. Tokana ny hafatra raketiny, ary tsy mamela antsika hamita-tena, na momba ny maha isika antsika, na momba izay heverintsika ho fahamendrehantsika. Nefa koa mifono fitiavana, fiadanana, fahamarinana ary fiainana. Ilazana izany fa tena ilaintsika rehetra tokoa ny Baiboly.

Izy io dia hafatra avy amin’Ilay Andriamanitra tonga olombelona tao amin’i Jesosy, mba hamonjy olona very, ory sy mijaly. Tonga Izy mba hampahafantatra azy ireo ny dikan’ny teny hoe fitiavana, fiadanana, fahasambarana, fanantenana. Io Andriamanitra io dia te hampisy dikany ny fiainan’ny olona, te hanazava aminy ny anton’ny fijaliana sy ny fahafatesana. Mampanantena azy Andriamanitra, tsy hoe hitsimbina azy tsy handalo zava-manahirana, fa hanome azy fomba hahazoany miatrika izany sy miaina fiainana mendrika hiainana.

Mahakasika anao izany hafatra avy amin’Andriamanitra izany. Tsy niova io hafatra io, efa nandritra ny roa arivo taona izao, kanefa ianao manokana dia afaka hahita fa mbola manankery izy io, amin’izao vanimpotoana izao. Ny andinin-tSoratra Masina etsy ambony dia milaza amin’ny olona tsirairay fa tia antsika Andriamanitra, na iza isika na iza, isika rehetra izay samy mizotra ho amin’ny fahaverezana. Tia antsika Andriamanitra, ary nasehony izany tamin’ny nanomezany ny Zanany. Tsy vitan’ny hoe nirahiny ho etỳ an-tany Jesosy, fa Jesosy mihitsy no nanaiky hanefa, teo amin’ny hazofijaliana, ny avotra sahaza ny fahotantsika. Rehefa mino isika (ary ho an’“izay rehetra mino”), dia “fiainana mandrakizay no omen’Andriamanitra antsika, ary ao amin’ny Zanany izany fiainana izany. Izay manana ny Zanaka manana ny fiainana ; izay tsy manana ny Zanak’Andriamanitra no tsy manana ny fiainana” (1 Jaona 5:11, 12).