Alarobia 2 Janoary 2019

Tonga Izy (Jesosy Kristy) ka nitory teny soa mahafaly milaza fihavanana. Efesiana 2:17

Andriamanitry ny fiadanana anie ho aminareo rehetra. Romana 15:33

 

Tratry ny taona, mirary soa !

Araka ny fanao, dia marobe ny hafatra fifampiarahabana hoe “Tratry ny taona” ifanaovan’ny mpihavana, mpinamana, mpiara-miasa, mpiara-monina, raha vao manomboka ny taona. An-tapitrisany ny hafatra ampitaina amin’ny alalan’ny finday, ary misy foibe internet manolotra fomba firariantsoa hafakely mba hahazoan’ny olona tsirairay mirary “zava-tsoa” ho an’ny tapaka sy namana, ho amin’ny fiainany ho avy, na dia mety tsy tena mino izany tanteraka akory aza izy.

Ny Baiboly kosa dia mitondra hafatra manambara zavatra tsara sy azo antoka, ho an’ireo rehetra manaiky handray izany :

— Ny vaovao mahafaly momba ny nahaterahan’ny Mpamonjy, dia Jesosy Kristy (Lioka 2:10). Andriamanitra dia tonga olona teo anivon’ny olombelona. Zava-dehibe fototra ho an’ny fahasambarantsika izany tranga izany.

— Ny vaovao mahafaly milaza fihavanana (Romana 5:1 ; Efesiana 2:17). Azo antoka ny fihavanana amin’Andriamanitra, ho an’izay mino ny asa nataon’i Jesosy Kristy, Izay maty teo amin’ny hazofijaliana mba ho famelana ny fahotan’io olona mino io. Ambonin’izany, ny fiadanana anaty dia mitoetra ao anatin’izay manankina ny fiainany amin’ny Mpamonjiny.

— Ny fanantenana tsara (2 Tesaloniana 2:16), ho an’ny mpino tsirairay, dia ny fanomezan-toky momba ny any ankoatra feno voninahitra, ao am-paradisan’Andriamanitra, miaraka amin’i Jesosy (Lioka 23:43).

Mandraka ankehitriny, ny olona mitoky amin’Andriamanitra dia hanjary toy ny hazo ambolena eo amoron-drano —araka ny kisarisary omen’ny Baiboly—, hazo tsy hitsahatra hamoa, na dia mandalo toe-javatra sarotra aza (Jeremia 17:7-8). Fantatry ny kristiana fa ataon’Andriamanitra hitondra soa ho azy ny zavatra rehetra (Salamo 57:2, DIEM). Noho izany izy dia afaka miatrika am-pilaminana ny zava-tsy fantatra entin’ny taona vaovao, eo am-piandrasana an’i Jesosy, Izay hiverina indray.