MAHATAKATRA

 ny Epistily Faharoa nosoratan’i Jaona

 

Raha te handalina bebe kokoa, dia jereo ireo asasoratra samihafa ao amin’ny https://www.bibliquest.net/Commentaires_liste_etudes.htm

 

1 Fampidirana

Ny Epistily Faharoa nolazaina fa nosoratan’ny apostoly Jaona dia miantefa amina vehivavy kristiana sy ny zanany. Ny fanalahidin’izy io dia ny teny hoe fahamarinana. Mampirisika handeha amin’ny fahamarinana sy amin’ny fitiavana izany taratasy izany, araka ny didy nomen’ny Ray. Toy ilay epistily voalohany, ny antony nanoratana azy koa dia ilay olana amin’ny fisiana fampianaran-diso momba ny maha Olona Ilay Zanaka mandrakizain’Andriamanitra ;  izy ity dia mampitandrina amin’ireo mpanangoly maro izay mamely ny fahamarinana. Toy ny hoe fanampin’ilay taratasy voalohany izy. Ho ana anabavy no nanoratana azy, ka mampiseho izany fa manana andraikitra toy ny rahalahy ihany ny anabavy, amin’ny fandehany manokana, raha ny momba ireo foto-pampianarana.

 

2 Votoatin’ny Epistily

Ao amin’ny fiarahabany dia tsindrian’ny apostoly ny toetran’ny kristiana, izay tokony hahafantatra sy hihazona ny fahamarinana (and 1-3). Sady faly i Jaona mahita ny zanak’ity anabavy ity mandeha amin’ny fahamarinana, no mampirisika azy hampiseho fitia mifamaly sy handeha amin’ny fahamarinana (and 4-6). Mampitandrina azy izy amin’ny fisiana mpampianatra sandoka mitady hampivily ny olona hiala amin’ny fahamarinana ka mampiseho Kristy sandoka (and 6-7). Tokony ho mailo io anabavy io amin’ireo tsy mpino manana ny toetra-na antikristy ireo : tsy tokony hampiantrano azy ireo izy, na hiarahaba azy akory aza (and 8-11). Momba ireo resaka hafa kosa, izay tsy maika loatra, dia aleon’ny apostoly miresaka mifanatrika momba izany (and 12). Farany izy dia mampita ny fiarahaban’ny zanaky ny anabavy iray ao amin’i Kristy, ary angamba ao amin’ny nofo ihany koa aza (and 13).

 

3 Andininy tsara ho fantatra

“Ary izao no fitiavana, dia ny handehanantsika araka ny didiny” (and 6)

“Izay mitoetra ao amin’ny fampianarana, dia izy no manana ny Ray sy ny Zanaka” (and 9).

 

 

LGEA