MAHATAKATRA

ny Epistily Voalohany nosoratan’i Petera

Raha te handalina bebe kokoa, dia jereo ireo asasoratra samihafa ao amin’ny https://www.bibliquest.net/Commentaires_liste_etudes.htm

Topimaso

1   Fampidirana

2   Votoatin’ny epistily

2.1  Toko 1

2.2  Toko 2 hatramin’ny 3. 7

2.3  Toko 3. 8 hatramin’ny 4. 6

2.4  Toko 4. 7 hatramin’ny 5. 14

3  Andininy tsara ho fantatra

1    Fampidirana

Ny apostoly Petera no nandray ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra (Matio 16. 19) ; izy koa no nanokatra ny varavaran’ny fahasoavana ho an’ny jentilisa (Asan’ny Apostoly

10). Na izany aza anefa, ny sehatra nanaovany ny asa fanompoany amin’ny maha apostoly azy dia teo amin’ny vahoaka Israely (Galatiana 2. 8). Koa ity taratasy ity dia alefany ho

an’ireo mpino Jiosy izay niely tany amin’ny jentilisa, noho ny fanenjehana. Tena nampalahelo fatratra tokoa mantsy ny Jiosy kristiana niely tany ivelan’i Kanana, satria toa verin’izy ireo avokoa ny zavatra rehetra, teo amin’ny lafiny rehetra, na amin’ny maha Jiosy azy ireo, na amin’ny maha kristiana azy, na amin’ny maha am‐pielezana azy, na amin’ny maha olona azy, na amin’ny maha olom‐pirenena jiosy azy. Noho izany dia manoratra i Petera mba hampaherezany azy ireo (Lioka 22. 32), sy manafatrafatra azy ireo hiorina tsara ao amin’ny finoana, na eo aza ireo fitsapana. Ary mba handrisihany azy ireo, dia taominy izy ireo hitodika any amin’i Kristy, Ilay Mesia efa nomem‐ boninahitra, sy hisaintsaina hoe inona no nanaovan’Andriamanitra azy ireo.

2    Votoatin’ny epistily

2.1  Toko 1

Ny fanenjehana nahazo ireo mpino ireo dia nety hanozongozona azy ; koa mba hampaherezan’i Petera azy ireo, dia ampahatsahiviny, dieny ao amin’ny fiarahabany, ny nifidianana azy ireo. Olom‐boafidy mantsy ireo kristiana ireo, na dia very avokoa aza ny zon’ny firenena amin’ny maha vahoaka voafidin’Andriamanitra azy ; ny fahamasinan’izy ireo dia tsy fahadiovan’ny vatana ivelany, fa avy amin’ny Fanahy ; ny fankatoavany dia tsy fanajana fotsiny ny lalàna, fa fankatoavana toy ny an’i Jesosy Kristy ; ny ra niaro azy dia ny ran’i Jesosy Kristy (and 1‐2) ; ny fanantenany dia tsy tany nampanantenaina fotsiny, fa fanantenana velona mifototra amin’ny fitsanganan‐ko velona mandresy ny fahafatesana

(and 3) ; ny lovany dia tsy ampahana tany ao Kanana intsony, fa lova any an‐danitra ; tsy voaaro noho ny ezaka manokana nataony izy ireo, fa tamin’ny herin’Andriamanitra (and 4‐5) ; ny fahoriany dia ho vetivety ihany, fahoriana mba hanamafisana ny finoany ; ireo fizahan‐toetra ireo dia hanjary ho voninahitr’Andriamanitra (and 6‐7) amin’ny fiavian’i Kristy, fiaviana hamarana ny fijaliany (and 8‐9). Ny famonjena eo anoloany dia tsy fanafahana eto an‐tany tsy akory, fa famonjena fanahy. Izany fahasoavana ho anjaran’izy ireo izany dia efa nambaran’ireo mpaminany, izay nilaza mialoha ihany koa ny hijalian’i Kristy sy ny voninahiny ho avy ; ary nampitolagaga ny anjely izany (and 9‐12).

Fahiny dia tsy nanana fahalalana izy ireo, ary nampianarina zava‐poana, fa ankehitriny kosa dia manana an’Andriamanitra ho Ray ; novidina tamin’ny ran’i Kristy izy ireo, ka ny fenitry ny fahamasinany dia ny fahamasinan’Andriamanitra mihitsy ; ary tsy ny faharavan’ny vahoaka no hitan’izy ireo manoloana azy, fa ny fahasoavana lavorary hoentin’i Kristy amin’ny fiaviany. Koa tokony hihahery izy ireo, manantena io fahasoavana ho avy io, ary eo amin’ny fandehany etỳ an‐tany, dia tokony hitondra ny toetram‐pahamasinan’ny Rainy any an‐danitra (and 13‐17), satria mahafantatra ny sandany nividianana azy ireo (and 18‐21). Misy zavatra tena vaovao azon’izy ireo anampiana io fahamasinana io, dia ny fitiavana miredareda ao anaty fo madio. Ny fankatoavana ny fahamarinana no hihazona azy ireo ao amin’izany fitiavana izany, satria izy ireo dia efa nohavaozin’ny Tenin’Andriamanitra —na : efa nateraka indray (and 22‐25).


2.2  Toko 2 hatramin’ny 3. 7

Satria efa nateraka indray ireo kristiana ireo, dia tokony hamoy izay rehetra mety ho fisehoana ara‐nofo ary hivelona amin’ny Tenin’Andriamanitra (2. 1‐2). Tsy manatanteraka fombafomba ara‐pivavahana intsony, fa manandrana manokana fa tsara ny Tompo (2. 3).

Avy eo ny apostoly dia miditra amin’ny fiainana iombonana :

·    Momba ny tranon’Andriamanitra, ireo mpitarika ara‐pivavahana, ireo izay nanangana ny trano, dia nandà ny Tompo tsy ho vato velona ; ary ankehitriny ny tranon’Andriamanitra dia trano fanahy, ny mpino dia vato velona, ka Kristy no vato fehizoron’ny fanorenana.

·    Amin’ny maha kristiana sy olona voaely azy ireo, dia tsy nanana ny sorona sy mpisorona araka ny Levitikosy intsony izy ireo, fa kosa manana fanatitra ara‐panahy ankasitrahina, ary izy ireo mihitsy no fisoronana masina.

·    Ankoatra ny fisoronana araka an’i Arona, dia manana fanjakàm‐pisoronana izy ireo, miandraikitra ny fanambarana ny hatsaran’Ilay niantso azy ho amin’ny fahazavany mahagaga.

·    Israely dia tsy nantsoina intsony hoe vahoakan’Andriamanitra ary tsy namindrana fo intsony, araka an’i Hosea 1. 6‐9, fa ankehitriny kosa ireo mpino ireo no nekena ho vahoakan’Andriamanitra ary firenena masina, sady namindrana fo. Koa mba hampahery azy ireo, dia sarihin’i Petera ny masony hibanjina an’i Kristy sy ny nanaovan’Andriamanitra azy ireo. Izy ireo no niorina ho trano fanahy, ary Kristy no fototra. Ao amin’io trano io dia tokony hanompo an’Andriamanitra amin’ny fiderana izy ireo, ary hanasa ny olona hiditra ao, amin’ny alalan’ny fitoriana ny Filazantsara (2. 4‐10).

Nefa araka ny fijerin’ny olon’izao tontolo izao dia tsy inona izy ireo, fa mpifindra monina vahiny noharatsiana hatrany. Koa mba hanoherany izany, dia tokony hiavaka amina fitondrantena voamariky ny asa tsara izy ireo : tokony hiala amin’ny filan’izao tontolo izao, mba tsy hanamarina ny fanaratsian’izao tontolo izao azy (2. 11‐12).

Koa nojerena tsirairay ny fifandraisana isan‐karazany eo amin’ny fiarahamonina :

·    tokony hanaiky ireo mpitondra mahefa (2. 13‐16)

·    tokony hanaja ny olona rehetra (2. 17)

·    tokony hanoa ihany koa ireo mpanapaka ary hanaiky hijaly araka ny ohatra nasehon’i  Kristy (2. 18‐25)


·    ny vehivavy dia tokony hanaiky ny vadiny araka ny ohatra nasehon’i Sara sy Abrahama, ary hikatsaka ny hahazo azy ho an’i Kristy, raha ilaina izany —ny fanekeny ny vadiny sy ny fitondrantenany masina dia ho fijoroana mandresy lahatra ho vavolombelona (3. 1‐6)

·    ny lehilahy dia tokony hanaja ny vadiny, satria samy irotsahan’ny fahasoavana na ny lahy na ny vavy (3. 7).

2.3   Toko 3.8 hatramin’ny 4. 6

Ampahatsahivin’i Petera fa ny fifehezan’Andriamanitra dia mihatra amin’ny olona rehetra, ka tokony hitandrina izy ireo mba hanana fandeha tsara araka an’Andriamanitra (3. 8‐13). Ny fitondrantena toy izany, miaina ao anatin’ny fahamarinana, dia mety hahatonga antsika hijaly noho ny ataon’ny olona ; izany no lalana nandehanan’i Kristy (3. 14‐18).

Sisa kely tavela (= sisa nahatoky) i Noa sy ny ankohonany, novonjena tamin’ny rano nataon’Andriamanitra ho famaizana ; dia toy izany koa, ny mpino dia hovonjena ho afaka amin’ny fitsarana, satria Kristy efa nitondra io fitsarana io teo amin’ny hazofijaliana : ny fitsanganany tamin’ny maty dia manaporofo ny fahatanterahan’izany fitsarana izany (3. 19‐22).

Araka izany, satria Kristy efa nandravona ny momba ny ota ka tsy manana raharaha amin’ny ota, isika koa, toraka izany, dia tokony handeha tsy hanana raharaha amin’ny ota (4. 1‐6).

2.4   Toko 4. 7 hatramin’ny 5. 14

Izao i Petera dia manoro izay tena tokony hatao : mandeha amin’ny fitiavana, manambara manodidina antsika ny fahasoavana namonjena antsika, ary izany dia mba ho voninahitr’Andriamanitra (4. 7‐11).

Ampirisihin’i Petera ny mpino mba hitozo sy hiaina am‐pahamarinana eo anivon’ireo fanenjehana lehibe niainany (4. 12‐16), indrindra moa fa avelan’Andriamanitra hiseho ireny, satria anisan’ny fitondrany ny ankohonany mihitsy (4. 17‐ 19).

Mafy aoka izany ny nanjo ny vahoakan’Andriamanitra, ka nilaina hikarakara tsara ny andian’ondry ireo loholona (5. 1‐4). Ny fiheverana hoe eo ambanin’ny fifehezan’Andriamanitra dia tokony hitondra antsika lalandava ho amina fanetrentena lehibe ; ireo tanora kokoa dia mila hampirisihina manokana ho amin’izany. Na manao ahoana na manao ahoana, dia azo atao sady tokony hatao ny mametraka amin’ny Tompo ny fanahiana rehetra sy ny matoky Azy tanteraka (5. 5‐7). Rehefa mamaivay ny fizahan‐toetra, dia vonona i Satana handrombaka ireo izay lavo ; koa tena ilaina ny mihazona mafy ny finoana, ary izany no fomba hanoherana azy (5. 8‐9). Isika dia afaka matoky Ilay tsy hampitondra antsika mihoatra noho izay zakantsika, Izy no hampiditra antsika ho ao amin’ny voninahiny mandrakizay (5. 10‐11). Faranan’i Petera ny epistiliny amin’ny fanomezany toky ireo mpamaky azy, fa tena tao anatin’ny fahasoavan’Andriamanitra marina tokoa izy ireo (5. 12‐14).

3  Andininy tsara ho fantatra

“Ny Fanahin’i Kristy tao anatiny [nanambara] rahateo ny fijalian’i Kristy sy ny voninahitra manaraka izany” (1. 11)

“Tsy zavatra mety ho simba... no nanavotana anareo ... fa ny ra soan’i Kristy, toy ny ran’ny zanak’ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina, Izay fantatra rahateo, fony tsy mbola ary ny fanorenan’izao tontolo izao” (1. 18‐20)

“Atsangana koa ianareo… ho fisoronana masina, hanatitra fanati‐panahy sitrak’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy” (2. 5)

“Fa ianareo kosa dia ... fanjakà‐mpisorona... mba hilazanareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo

... ho amin’ny fahazavany mahagaga” (2. 9)

“Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany” (2. 21)

“Izy nitondra ny fahotantsika tamin’ny tenany, teo ambonin’ny hazo” (2. 24)

“Fa Kristy koa aza efa nijaly indray mandeha noho ny ota, ny Marina hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho amin’Andriamanitra” (3. 18)

“Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, Izay efa niantso anareo ho any amin’ny voninahiny mandrakizay ao amin’i Kristy... Izy no hahatanteraka sy hampiorina ary hampitoetra anareo” (5. 10)

“... izany no tena fahasoavan’Andriamanitra —tomoera tsara amin’izany ianareo” (5. 12).

LGEA