MAHATAKATRA

 ny Epistily ho an’ny Romana

 

Raha te handalina bebe kokoa, dia jereo ireo asasoratra samihafa ao amin’ny https://www.bibliquest.net/Commentaires_liste_etudes.htm

 

 

Topimaso

1 Fampidirana

2 Votoatin’ny Epistily

            2.1 Toko 1 hatramin’ny 5. 11 : Ahoana no andaminan’Andriamanitra ny momba ireo fahotana

            2.2 Toko 5. 12 hatramin’ny 8 : Ahoana no andaminan’Andriamanitra ny momba ny ota

            2.3 Toko 9 hatramin’ny 11 : Ny fitondran’Andriamanitra ny Israely, ilay vahoakany eto an-tany

  2.4 Toko 12 hatramin’ny 15 : Fampirisihana eo amin’ny fiainana andavanandro

 

3 Andininy tsara ho fantatra

 

 

 

1          Fampidirana

Ity taratasy ho an’ny Romana ity dia nosoratan’ny apostoly Paoly fony izy nipetraka tany Korinto, tao amin’i Gaio [« ilay itoeranay sy ny fiangonana rehetra » (16. 23)]: « Koa raha izaho, dia mazoto hitory ny Filazantsara aminareo izay any Roma koa aho » (1. 15). Naniry hamangy ny Romana i Paoly raha vao afaka (Asan’ny Apostoly 19. 21). Tsy lazain’ny Tenin’Andriamanitra ny fomba niforonan’ny fiangonana ao Roma. Mety ho tamin’ny alalana Jiosy nino ny Filazantsara tamin’ny nandalovan’izy ireo tany Jerosalema (Asan’ny Apostoly 2. 10).

Ny tanjon’ny apostoly dia ny hamelabelatra tamin’ireo mpino ireo ny Filazantsara, izay nambaran’i Kristy, Izy tenany mihitsy, taminy (Galatiana 1. 12). Ity taratasy ity dia mampiseho ny fomba afaka nampiverina indray ny fifandraisana teo amin’Andriamanitra sy ny olombelona. Izy ity dia mirakitra foto-pampianarana faran’izay lehibe, toy ny fanamarinana ny mpanota amin’ny alalan’ny finoana.

Porofoin’i Paoly ao amin’ity epistily ity tokoa mantsy fa ny olona rehetra, na Jiosy na tsy Jiosy, dia very ao anaty fahotany ary nanao tsirambina ny fanomezana voninahitra ny Mpahary azy. Araka ny didim-pitsaran’Andriamanitra dia meloka eo anatrehany avokoa izao tontolo izao (1. 18 – 3. 20). Tokana ihany ny fomba hahafahana ho « marina » eo imason’Andriamanitra : mino ny asan’i Kristy [izay mahatonga ny fanamarinana amin’ny alalan'ny finoana]. Ny ohatra omen’i Paoly hanazavana io fitsipika momba ny fanamarinana amin’ny alalan'ny finoana io dia i Abrahama, izay nekena ho « marina » noho ny finoany irery ihany, tsy misy asan’ny lalàna ary tsy misy famorana. Ny porofo omen’Andriamanitra momba ny fanamarinana antsika dia ny fitsanganan’ny Zanany tamin’ny maty (3. 21— 4. 25). Manokatra fitahiana lehibe ho antsika ny fanamarinana noho ny finoana ; tsy vitan’ny hoe voavela heloka isika, fa koa nafahana tamin’ny herin’ny ota ; koa manomboka izao isika dia tsy anisan’ny ankohonan’i Adama intsony, fa anisan’ny ankohonan’i Kristy (toko 5). Ny fampiharana io fahamarinana io dia ny fiaina amin’ny finoana : satria isika tena niara-maty tamin’i Kristy teo amin’ny hazofijaliana, dia tsy manana fahefana amintsika intsony ny ota, ka tonga «mpanompon’» Andriamanitra isika (toko 6) : tsy eo ambany ziogan’ny Lalàna intsony isika (toko 7), fa miaina « ao amin’i » Kristy, noho ny herin’ny Fanahy Masina, ka nahatonga antsika ho zanak’Andriamanitra sy mpandova Azy ; koa manana fanantenana feno voninahitra isika, ary amin’ny alalan’ny Fanahy sy ny herin’i Kristy no iainantsika ny fandresena ny toetrantsika taloha (toko 8).

 

2          Votoatin’ny Epistily

2.1         Toko 1 hatramin’ny 5. 11 : Ahoana no andaminan’Andriamanitra ny momba ireo fahotana

 

Toko 1- Rehefa avy nampahafantatra ny tenany i Paoly (and 1-7), dia nanambara tamin’ireo mpino tao Roma ny faniriany hamangy azy ireo mba hanambarany ny Filazantsara (and 8-15). Io Filazantsara io dia mampiseho zavatra roa loha : ny fahamarinan’Andriamanitra sy ny fahatezeran’Andriamanitra. Ny fahamarinan’Andriamanitra dia omena (izay no atao hoe fanamarinana) ho an’ny finoana (izany hoe omena izay olona mino). Ny fahatezeran’Andriamanitra dia mihatra amin’ireo izay miaina tsy misy an’Andriamanitra ; manomboka amin’ny fandavana ny naharian’Andriamanitra izao tontolo izao izy ireo (« tsy manan-kalahatra ireo » amin’izany), ary avy eo dia milentika kokoa anaty fahalovana faran’izay ratsy. Izany no nanjo ny jentilisa fahiny, ary mbola manjo ankehitriny ny olona tsy misy an’Andriamanitra (and 18-32).

 

Toko 2- Ny olona milaza ny tenany ho efa « nivoatra » dia tsy tsara kokoa noho ny olona hafa tsy akory (and 1-16) ; mety ho kelikely kokoa angamba ny ratsy ataony, saingy mbola manao ihany izy ka mbola meloka. Ny Jiosy indray dia nahalala kely an’Andriamanitra satria manana ny lalànan’i Mosesy, nefa dia nodikainy izany (and 17-29).

 

Toko 3- Tsy nanamarina ny Jiosy ny tombontsoany nanana ny Tenin’Andriamanitra. Tsy maintsy asehon’Andriamanitra ny fahatezerany, satria efa nanota avokoa ny olona rehetra, ka tsy misy marina na dia iray akory aza (and 1-20). Saingy asehon’Andriamanitra ny fahamarinany, amin’ny anamarinany ny olona (= anomezany azy ny fahamarinana = andraisany io olona io ho toy ny marina) izay mino ny asa fanavotana nataon’i Kristy, ary ny ran’i Kristy latsaka no porofo fa vita ny asa (and 21-31). Io asan’i Kristy manamarina io dia ho an’ny olona rehetra (= atolotra ho an’ny olona rehetra), saingy ireo izay mino ihany no misitraka izany (and 22).

 

Toko 4- Ny olona dia tsy hamarinina na amin’ny lalàna, na amin’ny asa, fa amin’ny finoana ny asan’i Kristy irery ihany ; ny fitsanganany tamin’ny maty no porofo fa afa-po tamin’ny asan’i Kristy Andriamanitra (and 1-25). Izay fomba fanaon’Andriamanitra amin’ny olona izay dia efa nisy talohan’ny lalànan’i Mosesy, efa tamin’ny andron’i Abrahama.

 

Toko 5 and 1-11 – Mahazo fitahiana ny mpino nohamarinina : ny fihavanana amin’Andriamanitra, ny fankasitrahan’Andriamanitra, ny fanantenana ny voninahitra

2.2         Toko 5. 12 hatramin’ny 8 : Ahoana no andaminan’Andriamanitra ny momba ny ota (ny toetra maha mpanota ny olona)

Toko 5 and 12-21- Rehefa voalamina ny momba ireo fahotana, dia resahin’ny apostoly amin’izay ny momba ny ota. Ny ota dia niditra teo amin’izao tontolo izao noho ny tsy fankatoavan’ny olona iray, dia i Adama, ary niampita tamin’ny taranany rehetra. Toy izany koa, ny fanamarinana noho ny fankatoavan’ny olona iray, dia i Kristy, dia omena ireo olona rehetra mino (and 12-21).

 

Toko 6- Ny mpino dia niara-maty amin’i Kristy sy niara-natsangana tamin’ny maty taminy (ny batisa no kisarisarin’izany), ka tsy manan-draharaha amin’ny ota intsony (and 1-11). Noho izany dia ampirisihina izy hanolo-tena ho an’Andriamanitra, mba tsy ho eo ambany fanapahan’ny ota intsony (and 12-14). Satria ny mpino nafahana tamin’ny ota, izay miafara amin’ny fahafatesana, dia manompo ny fahamarinana, izay miafara amin’ny fiainana mandrakizay (and 15-23).

 

Toko 7- Toy ny anapahan’ny fahafatesana ny rohin’ny fanambadiana no mahatonga antsika ihany koa tsy ho eo ambanin’ny Lalàna intsony, satria miara-maty amin’i Kristy isika, ka an’i Kristy, eo ambany fahasoavana (and 1-6). Ny lalàna indray, amin’ny maha izy azy, dia tena tsara ary mampiseho fotsiny ihany ny toetra maha mpanota antsika (and 7-13). Ny mpino anefa dia miaina zavatra tena manahirana : na dia efa maty ny amin’ny ota aza izy, dia mbola ao anatiny ihany ny ota ary miseho (and 14-24). Mamoy fo izy, ary tsy velom-panantenana indray raha tsy efa nahatakatra fa manana toetra roa ao anatiny ao : ny nofo (toetran’i Adama) izay manota, ary ny toetra vaovao, toetran’Andriamanitra (satria naterak’Andriamanitra izy), izay tsy afaka manota. Dia tsapany amin’izay fa Andriamanitra no manafaka, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy (and 25).

 

Toko 8- Ny ahitana ny mpino dia izy napetraka teo amina toerana antsoina hoe « ao amin’i Kristy Jesosy », ka noho izany, tsy azo melohina. Ny Fanahy Masina, izay nomena ny mpino sy mitoetra ao aminy, no hery manafaka azy amin’ny fanagejan’ny nofo. Amin’ny alalan’ny Fanahy no ahafahany mihazona ny nofo ao anaty fahafatesana. Ambonin’izany, ampanandraman’ny Fanahy azy ny fifandraisana vaovao amin’ny maha zanak’Andriamanitra azy, mahalala an’Andriamanitra ho Ray (and 1-17). Nefa ny mpino dia mbola eto amin’ity tontolo ity, izay anjakan’ny ota, mahatonga mihitsy ny voary hisento aza, hany ka misento ny mpino eo am-piandrasana ny fanafahana farany. Ny zavatra rehetra nefa dia miasa hahasoa azy, ary ny Fanahy Masina no manohana azy, mifona ho azy, ary mampiseho aminy ny fanantenana ny voninahitra (and 18-30). Ambonin’izany, Kristy ao amin’ny voninahiny dia mifona ho antsika ary manome toky antsika fa tsy misy na inona na inona afaka hahasaraka antsika amin’ny fitiavany (and 31-39).

 

 

 

2.3         Toko 9 hatramin’ny 11 : Ny itondran’Andriamanitra ny Israely, ilay vahoakany eto an-tany

Manomboka eo amin’ny toko 9 hatramin’ny 11, dia lohahevitra vaovao no resahin’i Paoly : ny toerana manokana misy ny Israely mandritra ny vanimpotoanan’ny fahasoavana. Hazavain’ny apostoly fa ilaina nailika ny Israely, noho ny antony iray manokana : tsy maintsy misokatra ho an’ny olona rehetra ny làlan’ny famonjena. Nefa voafetra ihany ny fotoana ampihatahana ny Israely, satria Andriamanitra mbola hanarina azy tanteraka.

 

Toko 9- Masi-mandidy Andriamanitra amin’ny fomba itondrany ny Israely, ilay vahoakany eto an-tany. Tsy ny fahamendrehana (noho ny asa) ananan’io vahoaka eto an-tany io no nahazoany izany toerana izany, fa ny fahasoavan’Andriamanitra tsy refesi-mandidy no nanokana azy. Ny fahamarinana dia tsy azo avy amin’ny asa, fa avy amin’ny finoana, araka ny efa nampianarin’ny Soratra Masina ao amin’ny Testamenta Taloha, ka azon’ireo firenena tsy jiosy noraisina (and 1-33).

 

Toko 10- Israely dia miezaka hahazo ny fahamarinany manokana amin’ny asa, araka ny Lalàna ; eo am-pelatanany anefa ny Teny, azony henoina, ary ampy ny manaiky an’i Jesosy ho Tompo sy mino ao am-po mba hohamarinina amin’ny finoana. Torina amin’izy ireo izany teny izany, ary tsy maintsy torina, satria avy amin’ny teny ny finoana ; koa na tsy mino aza ny Israely, dia miely maneran-tany any ny Tenin’Andriamanitra (and 1-21).

 

Toko 11- Amin’ny maha vahoaka azy, ny Israely dia mbola tsy mino sy mafy fo ihany, nefa ny fifidianana noho ny fahasoavana dia mitoetra hatrany, na inona na inona mitranga, ary nanokana sisa tavela (and 1-10). Ny fametrahana ny Israely an-jorom-bala dia manokatra ny varavarana ho an’ny jentilisa (and 11-15). Nefa tokony hitandrina izy ireo tsy ho tafalatsaka anaty tsy fankatoavana sy tsy finoana toy ny Israely (and 16-24). Na izany aza, hitobaka ny fahasoavana ary hiasa any Israely indray Andriamanitra ka hamindra fo amin’izy ireo, toy ny nahazoan’ny jentilisa famindram-po talohan’izany (and 25-32). Ny fisaintsainana izany dia mitaona antsika hiankohoka hitsaoka, manoloana ny fihevitr’Andriamanitra sy ny lalany (and 33-36).

 

2.4         Fampirisihana eo amin’ny fiainana andavanandro

Ao amin’ny toko 12 dia ampirisihin’ny apostoly ny rahalahy sy anabavy ao amin’ny fiangonana any Roma mba hanolo-tena tanteraka ho an’Andriamanitra ; resahiny ny fitondrantenan’ny kristiana amin’ireo rahalahy ao amin’ny finoana sy amin’ny olona rehetra ; ao amin’ny toko 13 dia lazainy ny tokony hanekena ny manampahefana ; ary farany ny fitiavana ny namana, indrindra ireo tsy mitovy fihevitra (14. 1 — 15. 13). Ao amin’ny famaranana dia manao veloma olona marobe i Paoly, ary mamita ny taratasiny amina vavaka fitsaohana mampitolagaga (15. 14 – 16. 27).

 

Toko 12- Ampirisihina ny mpino hanolo-tena tanteraka ho an’Andriamanitra, hanompo Azy araka ny sitrapony ary hanompo ny mpino araka ny fanomezam-pahasoavana noraisiny sy am-panetrentena. Ny hoe mpino dia midika fa nisy fiovana tanteraka, na dia amin’ny fomba fisainana aza (and 1-8). Manaraka izany ireo fampirisihina maro azo ampiharina momba ny fitondrantena manoloana an’Andriamanitra, manoloana ireo olona masina ary manoloana ny olona rehetra ; mampiely ny soa ny mpino sady mampiseho fahasoavana, ary mamela ho an’Andriamanitra ny famaizana ny ratsy (and 9-21).

 

Toko 13- Misy fampirisihana omena, momba ny fitondrantena manoloana ny manampahefana eto amin’izao tontolo izao (and 1-7), ary momba ny namana (and 8-10). Tokony ho fahazavana eo anivon’ny haizina isika, indrindra moa fa manakaiky ny andro (and 11-14).

 

Toko 14- Satria nafahana isika, dia olona afaka. Nefa tsy mitovy ny fahatakaran’ny tsirairay ny hevitr’izany, ka tokony hitsimbina ny hafa isika ary hitandrina mba tsy hahatonga fanafintohinana (and 1-23).

 

Toko 15- Apetraka eo anoloantsika i Kristy ho ohatra, mba hanampiana antsika hanatanteraka ireo fampirisihana ireo (and 1-13). Dia miresaka ny asa fanompoany sy ny vinavinany ny apostoly, ary mangataka ny vavak’ireo rahalahy any Roma (and 14-33).

 

Toko 16- Mampamangy mpino maromaro i Paoly, ary tononiny manokana ny anaran’izy ireny sady asongadiny ny tsara manamarika azy ireo tsirairay (and 1-16). Dia mampitandrina izy amin’ireo olona sasany mahatonga fisarahana (and 17-20). Avy eo, ireo olona manodidina ny apostoly indray no mampita ny fiarahaban’izy ireo (and 21-24), alohan’ny hifaranan’ny epistily amina hiakam-pitsaohana rehefa mihevitra ny fahatsaran’ny Filazantsara (and 25-27).

 

 

3          Andininy tsara ho fantatra

« Ny marina amin’ny finoana no ho velona» (1. 17)

 

« Ny fahamoram-panahin’Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka » (2. 4)

 

« Tsy misy marina na dia iray akory aza... nefa hamarinina maimaimpoana amin’ny fahasoavany izy » (3. 10, 24)

 

« Koa amin’izany, satria efa nohamarinina tamin’ny finoana isika, dia manana  fihavanana amin’Andriamanitra » (5. 1)

 

« Fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra, ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika » (6. 23)

 

« Fa fantatro fa tsy misy zavatra tsara mitoetra ato amiko » (7. 18)

 

« Ary amin’izany dia tsy misy fanamelohana ho an’izay ao amin’i Kristy Jesosy » (8. 1)

 

« Ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra » (8. 28).

 

« Na inona na inona amin’izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika» (8. 39)

 

« Ny finoana dia ... avy amin’ny tenin’i Kristy » (10. 17)

 

« Fa ny fanomezam-pahasoavana sy ny fiantsoan’Andriamanitra dia tsy misy hanenenany » (11. 29)

 

« ... ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahina no marina » (12. 2)

« Fa itafio Jesosy Kristy Tompo » (13. 14)

 

« Fa ota izay rehetra tsy avy amin’ny finoana » (14. 23).

 

LGEA