KATSAHO NY FAHAMASINANA

 

“...haharitra hiray amin’ny Tompo amin’ny fo minia fatratra”

Asan’ny Apostoly 11:23

 

Marc Tapernoux

 

Document disponible sur le site http://nybaiboly.net.

Pour toute adresse de Bibliothèque Chrétienne à Madagascar, cliquer ICI.

Pour Antananarivo, l’adresse de la Bibliothèque est :

LOT IV L 39 D, Anosivavaka, Ambohimanarina — Tel: 033 15 552 35

 

FANDAHARANA

1        Teny fanolorana

2        Toko 1 — Ny fanamasinana

2.1        Inona no atao hoe fanamasinana ?

2.1.1        Ny fahamasinana feno ananan’ny mpino ao amin’i Kristy

2.1.2        Ny fiainana izany toerana izany

2.2        Ahoana no hisian’ny fanamasinana eo amin’ny fiainana andavanandro ?

2.2.1        Amin’ny fiasan’Andriamanitra ao anatintsika

2.2.2        Amin’ny fanelanelanana ataon’i Kristy

2.2.3        Amin’ny fiasan’ny Fanahy Masina

2.2.4        Amin’ny fiasan’ny Tenin’Andriamanitra

2.2.5        Amin’ny fibanjinana ny voninahitr’i Kristy

2.3        Ny fampiharana ny fanamasinana

2.3.1        Amin’ny vatantsika

2.3.2        Amin’ny fisainantsika

2.3.3        Amin’ny tenintsika

2.3.4        Amin’ny fandehantsika

3        TOKO 2 — Ny fanafahana

3.1        Inona no atao hoe fanafahana

3.2        Ahoana no hahatanteraka ny fanafahana ?

3.2.1        a)

3.2.2        b)

3.2.3        c)

3.2.4        d)

3.3        Inona ny vokatry ny fanafahana ?

3.3.1        Ireo vokatry ny fahafatesana miaraka amin’i Kristy

3.3.2        Ny vokatry ny fitsanganana amin’ny maty miaraka amin’i Kristy

3.3.3        Ny vokatry ny fisian’ny Fanahy Masina ao amin’ny mpino

4        TOKO 3 — Miaramila miambina

4.1        Ireo fepetra ara-toe-tsaina amam-panahy momba ny fiomanana amin’ny ady

4.1.1        Ny fankatoavana

4.1.2        Ny fiambenana sy ny fahononan-tena

4.1.3        Ny fiorenana tsara

4.1.4        Ny toe-panahy araka an’Andriamanitra

4.1.5        Ny fiandrasana ny fiverenan’ny Tompo

4.1.6        Ny fihetsika manoloana ny ratsy

4.2        Ireo fahavalontsika

4.2.1        Ny sitrapo manokana

4.2.2        Ireo filan-dratsy fahiny

4.2.3        Ny torimaso ara-panahy

4.2.4        Ny fahakiviana

4.2.5        Ny menarana sy ny liona

4.3        Ireo loharanon-kery ananantsika

4.3.1        Ny fahasoavan’Andriamanitra

4.3.2        Ny Tenin’Andriamanitra

4.3.3        Ny vavaka

4.3.4        Ny fiombonan’ny mpirahalahy

4.3.5        Ny fanantenana ilay fanafahana

4.3.6        Ny fifikirana amin’ny Tompo

5        TOKO 4 — Ny ady

5.1        Ireo tanjon’i Satana

5.2        Ireo fiadian’i Satana

5.2.1        Ny filan’ny nofo

5.2.2        Ny filan’izao tontolo izao

5.3        hamantatra

5.3.1        Inona no lazain’ny Tenin’Andriamanitra ?

5.3.2        Manome voninahitra an’Andriamanitra ve izany ? Ankasitrahin’ny Tompo ve ?

5.3.3        Hahasoa ilay olom-baovao ve sa ny nofo ?

5.3.4        Afaka ve aho momba ny fieritreretan’ny rahalahiko ?

5.4        Ireo fiadiantsika

5.4.1        Ireo fiadian’ny mazava

5.4.2        Ny fiarovan-tratran’ny finoana sy ny fitiavana, ny fiarovan-dohan’ny fanantenana ny famonjena (1 Tesaloniana 5:8)

5.4.3        Ny fiadian’Andriamanitra rehetra (Efesiana 6:10-20)

5.5        Ohatra olona niatrika ady (*)

5.5.1        Josefa (Genesisy 39:7-12)

5.5.2        Mosesy (Eksodosy 17:8-16)

5.5.3        Israely

6        TOKO 5 — Fahalavoana sy fanarenana

6.1        Anton'ny fahalavoana sy ny niandohany

6.1.1        Tsy fahamailoana sy tsy fijoroana mafy

6.1.2        Fahalainana sy torimaso ara-panahy

6.1.3        Ny eboebo sy ny fahatokisan-tena

6.1.4        Tsy fisian’ny fiombonana sy ny toetra araka an’Andriamanitra

6.1.5        Ireo hery mitaona

6.2        Fanarenana

6.2.1        Ny asan’ny Fanahy Masina

6.2.2        Fibebahana sy fiekena heloka

6.2.3        Famelan-keloka sy fanarenana

6.2.4        Ireo vokatry ny fanetrentena

6.2.5        Ny fanapahan’Andriamanitra

6.3        Fahalavoana indray

7        TOKO 6 — Ny fandresena

7.1        Ireo toetoetran’ny fandresena

7.1.1        Ny fandresena dia azon’i Kristy hatrany hatrany.

7.1.2        Ny fandresena dia miteraka

7.1.3        Ny fandresena dia tsy azo indray mandeha tsy miverina tsy akory

7.1.4        Ny Tompo dia mampanantena valisoa ho an’ny mpandresy.

7.2        Ireo karazana fandresena samihafa

7.2.1        Ny fandresena an’i Satana

7.2.2        Ny fandresena ny fahadisoana

7.2.3        Ny fandresena izao tontolo izao

7.2.4        Ny fandresena ny zava-manohitra

7.3        Ohatra momba ny fandresena

7.3.1        Gideona

7.3.2        Samoela

7.3.3        Davida

7.3.4        Josafata

7.4        Torohevitra vitsivitsy

7.4.1        Ny fampitoviana antsika amin’i Kristy

7.4.2        Mikolokolo ny aina vaovao ao amin’i Kristy

 

 

 

1  Teny fanolorana

Ity bokikely ity dia vokatry ny fifanakalozan-kevitra teo amin’ny samy mpirahalahy, izay namoaboasana ny toeran’ny fahamasinana eo amin’ny fiainan’ny kristiana, izany hoe ny fanokanana azy ho an’Andriamanitra. Io fanokanana io dia asan’Andriamanitra manontolo, ao amin’i Kristy, tanterahiny tsikelikely ao amintsika, ary io no iankinan’ny zavatra rehetra mahakasika ny “olona masina”, ary manoritra izany : ny toerany ao amin’i Kristy, ny fandehany, ny ady ataony, ny fijoroany ho vavolombelona.

Koa tamin’ireo resaka ireo, dia noheverinay fa tsara ny mandinika ny fampianaran’ny Tenin’Andriamanitra momba ny fahamasinana feno ananan’ny mpino ao amin’i Kristy, ny fanatanterahana izany eo amin’ny fiainana, ary koa ny fanafahana amin’ny herin’ny ota. Nefa dia noheverinay ihany koa fa ilaina ny mandinika ny olana sy ny sakana hitan’ny mpino eo amin’ny fanamasinana. Ho amin’izany, dia nandinika sombiny sasantsasany amin’ny Soratra Masina izahay, izay mampiseho ny fepetra ara-toe-tsaina amam-panahy ilaina hanomanana ny ady, ny fahavalo atrehina, nefa koa ny loharanon-kery sarobidy omen’ny finoana. Ilay zavatra mampalahelo niainan’i Davida no nanampy anay hanazava ireo antony lehibe indrindra mahatonga ny fahalavoana, ary ny fomba anarenan’Andriamanitra, noho ny fahasoavan-dehibeny, ny olona mibebaka sy miaiky ny fahotany. Farany, nandinika tantara-na fandresena azon’ireo olon’Andriamanitra sasantsasany izahay, ary notsoahina tamin’izany ny toetoetran’ny fandresena ny fahavalo sy ny hafetsena ataony, ary ny fepetra ara-toe-tsaina amam-panahy iankinan’izany fandresena izany.

Natao ho an’ny tanora ity bokikely ity. Enga anie izany mba hitondra soa ho an’ireo izay maniry fatratra ny hanome voninahitra ny Tompo Jesosy amin’ny fiainana feno fahamasinana sy fankatoavana ny Tenin’Andriamanitra ! Nefa irinay koa raha mba hitondra fitahiana ho an’ny mpino rehetra izany, na tanora izy na tsia, nefa te “hikatsaka ny fahamasinana” ka hanahaka bebe kokoa hatrany ilay Ohatra nomen’Andriamanitra, mandra-pahatongan’ny andro be voninahitra hitoviantsika aminy tanteraka.

 

2  Toko 1 — Ny fanamasinana

2.1  Inona no atao hoe fanamasinana ?

Ny fanamasinana dia ny fanokanan’Andriamanitra ho Azy ny olona izay nantsoiny.

 

2.1.1  Ny fahamasinana feno ananan’ny mpino ao amin’i Kristy

Amin’ny fahateraham-baovao no hisian’io fanokanana io. Ny mpino dia “sady voantso no masina”, izany hoe nohamasinina noho ny antson’Andriamanitra sy ny asa vita teo amin’ny hazofijaliana. “Avy amin’Andriamanitra isika” (1 Jaona 5:19). “Fa avy aminy no nanaovana anareo ho ao amin’i Kristy Jesosy” (1 Korintiana 1:30). “Efa nohamasinina ianareo” (1 Korintiana 6:11).

Io fahamasinana feno io no anjara tsara sy maharitra mandrakizay ananan’ny fanahy iray voavonjy. Andriamanitra mihitsy no manome azy izany ao amin’i Kristy, ary raisin’ny mpino izany sy hisitrahany, noho ny finoana. “Kristy Jesosy, Izay nataon’Andriamanitra ... fahamasinana ... ho antsika” (1 Korintiana 1:30).  Tao amin’i Kristy Jesosy isika no nofidiana “fony tsy mbola ary ny fanorenan’izao tontolo izao, mba ho masina sady tsy misy tsiny eo anatrehany isika” (Efesiana 1:4). Io anjara io dia miorina amin’ny asa teo amin’ny hazofijaliana : “Amin’izany sitrapo izany no nanamasinana antsika tamin’ny nanaterana ny tenan’i Jesosy Kristy indray mandeha... Fa ny fanatitra iray ihany no efa nahatanterahany ho mandrakizay izay olona hamasinina” (Hebreo 10:10, 14).

Izany no toerana misy ny olom-boavidy : satria izy ao amin’i Kristy, eo imason’Andriamanitra izy dia mitafy ny fahamasinan’i Kristy.

Koa isika tsirairay dia afaka mandray ho antsika izany fanambarana feno voninahitra izany, matoky tanteraka noho ny finoana ary amin’ny herin’ny Fanahy Masina : Kristy no fahamasinako. Aoka tsy hitady zavatra hafa ivelany, fa aoka hifaly satria ao aminy, iray aminy, ary noho izany, afaka misitraka izay rehetra ao aminy ho toy ny antsika. Tombontsoa feno voninahitra ny antsika, manana ny fahamasinan’i Kristy mihitsy. Raha ekentsika amin’ny finoana izany, dia ho tsapantsika ny fisiany. 

 

2.1.2  Ny fiainana izany toerana izany

Ny fahasoavana sy ny fahamarinana no manome antoka momba izany toerana fanokanana eo anatrehan’Andriamanitra any an-danitra izany ; ireo  fahasoavana sy fahamarinana ireo ihany koa no manome toerana toa izany, etỳ an-tany, miaraka amin’ny andraikitra mifandraika aminy (*).

 

(*) Ny fahamasinan’ny mpino etỳ an-tany dia manana toetra roa samihafa miavaka : ny fanamasinana miandalana —io no anton’ity fianarantsika ity— sy ny fanamasinana momba ny toerana ananana, izany hoe mikasika toerana iray nomena ny kristiana (Heb. 13. 12) na ireo zanany (1 Kor. 7. 14).

 

Tefen’Andriamanitra ny fanahy iray mba hitovy kokoa hatrany amin’i Kristy, rehefa avy nafahany tamin’ny fahafatesana sy ny herin’i Satana. Maro ny fitaovana tsy ilaina esorina amin’ny “vato tsy voavoatra”, kanefa Andriamanitra dia miasa tsy mijanona, noho ny fahasoavany, mba hamokatra tsikelikely, ao anatin’ny tsirairay avy amin’ny olony, fanamasinana iainana amin’ny zavatra rehetra : fitiavana, fahazarana, fandeha, sns. Izany no mahatonga ny Tenin’Andriamanitra hampirisika antsika hitady ny fahamasinana (Hebreo 12:14). Tsy hoe “mitady” izany isika, satria tsy manana izany ; fa ny mifanohitra amin’izany, satria masina isika, dia tokony hampiseho ny maha masina antsika, noho ny toerana misy antsika ao amin’i Kristy. “Fa maizina ianareo fahiny, fa efa mazava ao amin’ny Tompo kosa ankehitriny ; mandehana tahaka ny zanaky ny mazava” (Efesiana 5:8). Ny mpino dia manana toetra vaovao, masina (1 Jaona 3:9 sy 5. 18), manana antony vaovao manosika azy ; noho io toetra vaovao io, dia azo tanterahina eo amin’ny fiainana andavanandro ny fanamasinana. Izany anefa dia mbola mandeha tsikelikely, satria mbola eo ilay toetra taloha tsy hay ovàna. Raha iainantsika izany fanamasinana izany, dia hisy vokatra ho voninahitry ny Tompo eo amin’ny fiainantsika, hisitraka ny fiombonana aminy isika, ary ho hita eo amintsika Izy. Raha tsy misy ny fahamasinana ampiharina eo amin’ny fiainana andavanandro, dia halahelo ny Fanahy Masina, voasakantsakana ny fijoroana ho vavolombelon’ny mpino, tsy hisy eo aminy na fifaliana, na fiadanana, na hery. Ny kristiana toa izany dia “araka ny nofo”, satria ny nofo no miasa ao aminy fa tsy ny Fanahy velively ; raha tokony ho “lehilahy lehibe” izy, dia “mbola zaza ihany”, tsy mahazaka ventin-kanina (Hebreo 5:12-14 ; Efesiana 4:13 ; 1 Korintiana 3:1-3). Izy dia tsy “mahita” an’i Kristy amin’io fijery vaovao io, fijery izay tombontsoan’ny olona “mitady ny fahamasinana”.

 

2.2  Ahoana no hisian’ny fanamasinana eo amin’ny fiainana andavanandro ?

2.2.1  Amin’ny fiasan’Andriamanitra ao anatintsika

Andriamanitra mihitsy no miasa ao anatintsika, noho ny fahasoavany, mba hamokatra ny fampitoviana antsika miandalana amin’i Kristy, “mandra-paharin’i Kristy ao anatinareo” (Galatiana 4:19). Io asa io dia mitohy isanandro ary hifarana amin’ny andron’i Kristy : “Matoky indrindra aho fa Izay nanomboka asa tsara tao anatinareo no hahatanteraka izany mandra-piavin’ny andron’i Jesosy Kristy”. Andriamanitra no miasa ao anatintsika, na ny fikasana na ny fanaovana, hahatanteraka ny sitrapony (Filipiana 1:6 sy 2. 13). Koa ny kristiana dia afaka mametraka ny fitokiana tanteraka amin’Andriamanitra, ary amin’ny teny fampanantenana nataony, hoe hitahiry azy tsy hanan-tsiny —saina, vatana ary fanahy— mandra-piverin’ny Tompo. “Mahatoky Izay miantso anareo, sady Izy ihany no hanefa izany”(1 Tesaloniana 5:24).

Fa raha toa sakasakanantsika, amin’ny tsy fankatoavana, izany asan’ny fahasoavan’Andriamanitra ao anatintsika izany, dia tsy maintsy mampihatra famaizana Izy, mba hahasoa antsika sy mba handraisantsika anjara amin’ny fahamasinany. Amin’izany Izy dia mitondra antsika tahaka ny zanaka, satria “aiza moa izay zanaka tsy faizin-drainy”? Izany famaizana izany dia fanehoan’Andriamanitra ny fitiavany antsika. “Fa izay tian’i Jehovah no faiziny, ary izay zanaka rehetra raisiny no kapohiny”. Rehefa niasa tao amintsika izany famaizana izany, dia “mitondra ny vokatry ny fahamarinana hiadanana ho an’izay nanaovana azy”, asehon’ny fanamasinana eo amin’ny fiainana andavanandro.

Izany no hampirisihina antsika mba tsy hanao tsinontsinona ny famaizan’ny Tompo ary tsy ho reraka ihany koa rehefa mananatra antsika Izy (Hebreo 12:4-11). Ny mifanohitra amin’izany aza, afaka misaotra isika noho ilay fitiavana mamolavola antsika, ary mangataka miaraka amin’i Davida hoe :  “Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko ; izahao toetra aho, ary fantaro ny eritreritro ; ary izahao na misy làlana mampahory ato anatiko, dia tariho amin’ny làlana mandrakizay aho”(Salamo 139:23-24).

 

2.2.2  Amin’ny fanelanelanana ataon’i Kristy

Kristy, Ilay Mpisoronabe ho antsika, dia manalalana ireo Azy eo amin’ny Ray, mba ho voaaro amin’ny fahalavoana izy ireo. “... Maharitra mandrakizay Izy ; koa amin’izany dia mahavonjy tokoa (hatramin’ny farany) izay manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany Izy, satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy” (Hebreo 7:24, 25). Tsy hisy, na dia iray aza, olona voavidiny havelany ho very eo am-pamakivakìna ity tany efitra ity, fa noho ny herin’ny fanelanelanana ataony, dia hovonjeny tanteraka daholo izy ireny. Fankaherezana ho an’ny mpino tokoa ny manana Kristy velona mivavaka ho azy !

 

2.2.3  Amin’ny fiasan’ny Fanahy Masina

Amin’ny alalan’ny Fanahy Masina no amonoan’ny mpino “ny asan’ny tena” (Romana 8:13), izany hoe ny fisehoan’ny nofo ao aminy. Ny vatany dia tempolin’ny Fanahy Masina ary tsy tompon’izany intsony izy, satria efa voavidy lafo tamin’ny ra soan’i Kristy. Koa tsy maintsy mitandrina izy mba tsy hanakana ny asan’ny Fanahy Masina ao anatiny, mba hankalazany an’Andriamanitra amin’ny tenany (1 Korintiana 6:19-20).

 

2.2.4  Amin’ny fiasan’ny Tenin’Andriamanitra

Ny fanahy manaiky am-panetrentena ny hiasan’ny Teny, dia mandroso amin’ny fanamasinana. “Fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin’ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan’ny fo” (Hebreo 4:12). Aoka isika tsy hiala amin’ny lelan’io sabatra io ! Tamin’ny vavaka fisoronana nataon’ny Tompo Jesosy, dia nangataka tamin’Andriamanitra Izy mba hanamasina ny Azy amin’ny fahamarinana, ary nampiany hoe : “Ny teninao no fahamarinana” (Jaona 17:17). “Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana, mba ho tanteraka ny olon’Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra” (2 Timoty 3:16-17).

 

Fa raha tiantsika hanatanteraka izany fanamasinana ny tena manontolo izany ny Teny, dia tsy maintsy fantatsika sy ankatoavintsika. Afaka nanambara ny mpanao salamo hoe : “Ato am-poko no iraketako ny teninao, mba tsy hanotako aminao” (Salamo 119:11). Ilaina izany ny hivelomantsika amin’ny Teny, ny hihinanantsika izany, araka ny nolazain’i Jeremia (Jeremia 15:16).

Ary koa, araka ny voalaza teo, dia tsy maintsy mankatò ny Teny isika. Raha tsy eo izany fankatoavana izany, dia tsy afaka manatanteraka ny fanamasinany ny Teny, ary miha mafy ny fo, mamita-tena isika. “Fa aoka ho mpankatò ny teny ianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany ka mamitaka ny tenanareo” (Jakoba 1:22). Ny Tompo Jesosy dia nanindry imbetsaka fa tokony “hitandrina” ny teniny sy ny didiny isika (Jaona 14:15, 21, 23, 24). Misy fampitandremana miezinezina momba izany. “Izay manao hoe : Fantatro Izy, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary ny marina tsy ao anatiny” (1 Jaona 2:3-6 ; jereo koa 3. 24 ; 5:3, 4).

 

2.2.5  Amin’ny fibanjinana ny voninahitr’i Kristy

Ny fanamasinana iainana andavanandro dia mifamatotra lalandava amin’Ilay Kristy ao amin’ny voninahitra. Ny Tompo Jesosy dia nanamasina ny tenany ho an’ny Azy, izany hoe nanoka-tena ho olona ao amin’ny voninahitra, “mba hanamasinan’ny fahamarinanao azy” (Jaona 17:19). Arakaraka ny tsy hampalahelovintsika ny Fanahy Masina no amatorany ny fitiavantsika amin’Ilay Kristy nomem-boninahitra, mba hahatonga antsika hitovy aminy kokoa isanandro. Ny apostoly Paoly dia naniry ny hampiorenan’ny Tompo ny fon’ny Tesaloniana mba “tsy hanan-tsiny amin’ny fahamasinana eo anatrehan’Andriamanitra Raintsika amin’ny fiavian’i Jesosy Tompontsika mbamin’ny masiny rehetra” (1 Tesaloniana 3:13 ; jereo koa 1 Jaona 3:2, 3). Ny mpino, izay manana an’i Kristy ho harena sarobidy, dia tsy maintsy hametraka ny fony any an-danitra (Matio 6:21). Izany fibanjinana an’i Kristy ao amin’ny voninahitra izany dia miteraka, ao amin’ny kristiana, fitoviana tsikelikely amin’Ilay môdeliny Izay Andriamanitra. “Fa isika rehetra kosa amin’ny tava tsy misarona dia mijery ny voninahitry ny Tompo toy ny amin’ny fitaratra, ka ovana hahazo izany endrika izany indrindra avy amin’ny voninahitra ka ho amin’ny voninahitra, toy ny avy amin’ny Tompo, dia ny Fanahy” (2 Korintiana 3:18). Raha ataontsika fahazarana ny mibanjina Azy feno voninahitra, dia tsy maintsy ho hita taratra eo amintsika ireo fahalavorariany, noho ny finoana izay hiteraka izany ao am-po sy eo amin’ny fiainantsika. Izany fitoviana amin’i Kristy izany tokoa mantsy dia miseho eo amin’ny fitondrantenan’ny mpino manontolo, fitondrantena izay hanjary ho “epistilin’i Kristy ... fantatra sy vakìn’ny olona rehetra”(2 Korintiana 3:3, 2).

 

2.3  Ny fampiharana ny fanamasinana

Ny fanamasinana dia ampiharina amin’ny maha isika antsika manontolo sy amin’ny zavatra rehetra ataontsika.

 

2.3.1  Amin’ny vatantsika

Ny Soratra Masina dia manambara fa ny tenantsika dia “ho an’ny Tompo”. Io tena io dia tempolin’ny Fanahy Masina ; noho izany, dia tokony hankalaza an’Andriamanitra amin’ny tenantsika isika (1 Korintiana 6:19, 20). Ny mpino dia ampirisihina “mba samy hahafantatra izay hahazoanareo ny fanaky ny tenanareo avy, amin’ny fahamasinana sy ny voninahitra ... Fa Andriamanitra tsy niantso antsika ho amin’ny fahalotoana, fa amin’ny fahamasinana” (1 Tesaloniana 4:4, 7). Isika dia manana tombontsoa sarobidy hanolotra ny tenantsika “ho fanatitra velona, masina, sitrak’Andriamanitra”, izany hoe hanolotra tanteraka izany manontolo amin’ny fanompoana Azy (Romana 12:1 ; jereo Romana 6:13, 19).

 

2.3.2  Amin’ny fisainantsika

Andriamanitra dia mampirisika ny fanamasinana ilay “olona anaty” : “Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana” (vakio Ohabolana 4:23-27). Davida dia nanambara hoe : “Indro, fahamarinana ao am-po no sitrakao” (Salamo 51:6). Ny apostoly Paoly dia nanasa ny Korintiana mba hanadio tena “ho afaka amin’ny fahalotoana, na amin’ny nofo na amin’ny fanahy, ka hahatanteraka ny fahamasinana amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra” (2 Korintiana 7:1). Ny ain’i Kristy ao anatintsika dia tsy hahita ny fifaliany raha tsy mahita izany koa i Kristy. Ny Fanahin’i Kristy ao anatintsika dia tsy mety ho hafa noho ny Fanahy tao anatin’i Kristy. “Fa izay miray amin’ny Tompo kosa dia fanahy iray aminy” (1 Korintiana 6:17).

 

2.3.3  Amin’ny tenintsika

Ny fanamasinana ny tenintsika dia ho vokatry ny fanamasinana ny fisainantsika. Sakana mampidi-doza telo no tsy maintsy ialàna :

  • ny fanaratsiana (1 Petera 2:1),

  • ny fiteny tsy mitombina na ny teny maloto (Efesiana 4:29 ; 5:4),

  • ny lainga.

 

Maro tokoa ireo korontana sy fizarazarana nateraky ny fanaratsiana ! Izao no nosoratan’iray tamin’ireo rahalahinay fahiny : “Tsy misy mampiseho toe-po tena mampahonena, ary tsy misy sakana lehibe kokoa ho an’ny fitahiana, afa-tsy ny fisainana manome tsiny sy mitsikera”. Melohin’ny Teny mafy toy izany ihany koa ireo “fahavetavetana, na resaka fahadalana, na voso-dratsy”. Farany, ny lainga, izay Satana no rainy, dia tsy mifanaraka amin’ny fahamasinana. “Aza mifandainga ianareo” (Kolosiana 3:9). “Esory ... ny fitaka rehetra” (1 Petera 2:1). Ny lainga dia taratry ny fihatsarambelatsihy, izay hàlan’Andriamanitra, satria mitady ny fahamarinana ao am-po Izy (Salamo 51:6).

 

2.3.4  Amin’ny fandehantsika

Ny mpino dia nantsoina mba hampiseho ny fahamasinana eo amin’ny fandehany rehetra, araka ny ohatra lavorary navelan’ny Tompo ho antsika. “Izay milaza fa mitoetra ao aminy izy, dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehanany koa” (1 Jaona 2:6). Lazaina fa izay rehetra tsy mendrika an’i Kristy dia tsy mendrika ny kristiana koa. Izany fahamasinana izany dia hiseho amin’ny fahazavana eo amin’ny fitondrantenantsika manontolo. “Ianareo ... efa mazava ao amin’ny Tompo ... ankehitriny ; mandehana tahaka ny zanaky ny mazava ... mamantatra izay ankasitrahin’ny Tompo” (Efesiana 5:8, 10).

Ny tanjon’ny fanamasinana izany dia ny hitovian’ny mpino bebe kokoa hatrany amin’i Kristy, dieny etỳ an-tany. Ho tratra ny fahalavorariana rehefa any an-danitra, satria any dia “ho tahaka Azy isika”. Amin’izay dia tsy hisy intsony ny fahasamihafan’Ilay Môdely sy ireo izay nohamasininy. Ny tanjona be voninahitr’Andriamanitra dia ho tratra tanteraka : isika dia “hitovy endrika amin’ny Zanany”,“Izay hanova ny tenan’ny fietren-tenantsika ka hitovy endrika amin’ny tenan’ny voninahiny” (1 Jaona 3:2 ; Romana 8:29 ; Filipiana 3:21). Ny asa nataon’i Kristy teo amin’ny hazofijaliana no nahafahana nanatanteraka io vinan’Andriamanitra maha te hidera io. Handroso amin’ny fanamasinana isika arakaraka ny hankasitrahantsika ny lanjan’io asa io. Izao ny fanirian’ny Tompo : ireo malalany rehetra dia mba ho tonga “lehilahy lehibe, mahatratra ny ohatry ny halehiben’ny fahafenoan’i Kristy”, ary hitombo “ho amin’Izay Loha, dia Kristy” (Efesiana 4:12 sy ny manaraka).

 

3  TOKO 2 — Ny fanafahana

Vakio : Romana 6:14-23 ; 7:14-25 ; 8:1-4, 12-17.

3.1  Inona no atao hoe fanafahana

Io voambolana io taloha dia ilazana araka ny lalàna fa ny andevo iray dia afaka amin’ny fanandevozana azy. Eo amin’ny lafiny ara-panahy, ny fanafahana (*) dia ny fanalàna amin’ny herin’ny ota (**). Ny olona tsy nateraka indray dia tsy manana afa-tsy toetra iray ao anatiny, dia ny toetra nolovaina tamin’i Adama, izay tsy mamokatra afa-tsy fahotana. Amin’ny alalan’ny asan’ny Fanahy Masina tonga mitoetra ao anatiny, ny olona niova fo dia mandray avy amin’Andriamanitra toetra vaovao, araka an’Andriamanitra, lavorary, mitovy amin’i Kristy, tsy afaka manota, satria “araka ny endrik’Izay nahary azy” (Kolosiana 3:10). Ny herin’io aina vaovao io dia ny Fanahy Masina.

 

(*) Ny teny hoe « afaka, manafaka » dia hita ao amin’ireto tsongan-dahatsoratra ireto : Jaona 8:32, 36 ; Romana 6:18, 22 ; 8:2, 21 ; Galatiana 5:1

(**) Io fanafahana io dia miitatra hatrany amin’izay rehetra mahakasika ilay ‘olona taloha’, ka azo ampiasaina ihany koa amin’ny nofo (Galatiana 5:24 ; Kolosiana 3:3), amin’ny « izaho » (izany hoe ny nahim-po, ny fatokisan-tena ; 2 Korintiana 1:9 ; 12:11), amin’ny lalàna sy ny foto-keviny (Galatiana 2:19 ; Romana 7:9), ary farany amin’izao tontolo izao (ny mpino dia nafahana tamin’izao tontolo izao rehefa nahatsapa, tamin’ny finoana, fa izy dia ao amin’i Kristy, nohomboana ny amin’izao tontolo izao ; Galatiana 6:14 ; Kolosiana 2:20).

 

Saingy ny fahateraham-baovao dia tsy manafoana ny toetra taloha tsy akory. Mbola mitoetra ihany izany, ao amin’ny mpino, mandra-pahafatiny, ary ankoatra izany, miezaka tsy mijanona ny hanandevo ilay toetra vaovao. Koa misy ady tsy mitsahatra ao anatin’ny mpino, tsy ady ataon’ny tenany  amin’ny nofo tsy akory, fa ady ataon’ny Fanahy Masina amin’ny nofo. “Fa ny nofo manohitra ny Fanahy (izany hoe manana faniriana mifanohitra amin’ny an’ny Fanahy), ary ny Fanahy manohitra ny nofo ; ary mifanohitra izy roroa, mba tsy hahazoanareo manao izay zavatra tianareo (izany hoe ny sitrapon’ny nofo)” (Galatiana 5:17). Misy izany ady izany, satria ny nofo dia tsy mahatanty ny hailika noho ny didim-pitsarana manameloka azy, izay nolazain’Andriamanitra ary notanterahina teo amin’ny hazofijaliana, tao amin’i Kristy, raha “nanameloka ny ota tao amin’ny nofo” Izy. Fa ireo izay manaiky amin’ny finoana, sy mankasitraka io fitsarana manameloka ny nofo io, dia manana zo sy fahefana hitondra tena toy ny maty, satria Kristy dia maty, ary izy ireo dia miaina toy ny olona natsangana tamin’ny maty.

Ny zava-mitranga anefa, ary matetika loatra indrisy !, dia ny nofo no mandresy, ary mifehy tanteraka ny mpino aza, hany ka tsy afaka maneho ny heriny mihitsy ny Fanahy Masina ao anatiny. Ny olona toy izany dia mpino araka ny nofo, ary ny fitondrantenany dia tsy mifankaiza firy amin’ny an’ny olona tsy nateraka indray. Toy izany, ohatra, ny zava-nisy teo amin’ny Korintiana, izay tsy maintsy nilazan’ny apostoly Paoly hoe : “Tsy araka ny nofo va ianareo ka mandeha araka ny fanaon’ny olona” (1 Korintiana 3:1-4) ?

Misy izany ny mpino araka ny nofo sy ny mpino araka ny fanahy —ireo voalohany dia voagejan’ny nofo, ireo faharoa dia tarihin’ny Fanahy Masina ; misy ny mpino mbola zaza ao amin’i Kristy sy ny lehilahy lehibe— ireo voalohany dia tsy mahazaka afa-tsy “ronono”, ireo faharoa dia mivelona amin’ny “ventin-kanina” ; raha atao an-tsary, dia misy ny foko nijanona hatreo amin’ny ony Jordana, ary misy hafa niampita —kisarisarin’ny fahafatesana miaraka amin’i Kristy— ka niditra tao amin’ny tany nampanantenaina ; fa ireo voalohany dia tsy mahalala, na ny fanohomboana ny nofon’i Kristy teo amin’ny hazofijaliana, na ny herin’ny aina fananganana amin’ny maty tao aminy, na ny fisitrahana ny fitahiana ara-panahy ao amin’ilay Kanana any an-danitra (Efesiana 1:3).

Tsy izany anefa no irin’Andriamanitra ho an’ny olony : tiany ho olona ara-panahy izy ireo, olon-dehibe, hiaina toy ny olona natsangana tamin’ny maty, hiaina fifaliana, hanana hery, ary hisitraka marina ny anjarany any an-danitra ao amin’i Kristy. Amin’ny fomba ahoana àry ? Amin’ny fanafahana azy ireo amin’ny herin’ny ota, amin’ny fitarihina azy hitondra tena toy ny maty ny amin’ny ota, satria izy ireo dia maty niaraka tamin’i Kristy, nefa kosa amin’ny fanaovana azy ireo ho afaka hiaina ilay fiainam-baovao nomena azy, satria izy dia natsangana tamin’ny maty niaraka tamin’i Kristy.

Ny mpino izany dia nantsoina handrombaka, amin’ny finoana, ireto fahamarinana telo ireto, ary hiaina izany eo amin’ny zava-misy andavanandro :

  • maty ny amin’ny ota izy, satria nohomboana niaraka tamin’i Kristy (Romana 6:2, 6) (natsoboka tao Jordana izy).

  • nitsangana tamin’ny maty niaraka tamin’i Kristy izy noho ny herin’ny Fanahy Masina (Kolosiana 2:20 ; 3:1-4) (nosintonina hivoaka ny Jordana izy).

  • mipetraka any amin’ny toerana any an-danitra ao amin’i Kristy izy (Efesiana 2:4-7), toerana izay iainany ary sitrahiny amin’ny herin’ny Fanahy Masina ao anatiny (nampidirina any Kanana izy) (*).

 

(*) Ny fahamarinan’ny fahafatesan’ny mpino miaraka amin’i Kristy (teboka 1), dia voalaza ao amin’ny epistily ho an’ny Romana ; ny momba ny fitsanganany amin’ny maty miaraka amin’i Kristy (teboka 2), dia voavelabelatra ao amin’ny epistily ho an’ny Kolosiana ; ny fampidirana azy any an-danitra ao amin’i Kristy kosa (teboka 3), dia ambara ao amin’ny epistily ho an’ny Efesiana.

 

Ny Tenin’Andriamanitra dia mampisongadina io fitoviana amin’i Kristy io, amin’ny fampiasana ombieny ombieny ny teny hoe “miaraka”:

  • isika dia niaraka nohomboana taminy (Romana 6:6),

  • niara-maty tamin’i Kristy (Romana 6:8 : Kolosiana 2:20),

  • niara-nalevina taminy (Romana 6:4),

  • novelomina niaraka tamin’i Kristy (Efesiana 2:5),

  • niara-natsangana taminy (Efesiana 2:6).

 

Nampiraisina taminy tamin’ny endriky ny fahafatesany isika”, ary tahaka izany koa amin’ny fitsanganany. Araka ny tena soratra voalohany, dia “nanjary ho zavamaniry iray miaraka amin’i Kristy isika”. Iray miaraka aminy ao amin’ny fahafatesany isika, ka noho izany dia tena maty ; iray miaraka aminy ao amin’ny fitsanganany amin’ny maty isika, ka noho izany dia tena velona amin’ny ainy tokoa. Ny fitsaran’Andriamanitra dia nahatratra antsika tao amin’ny tenan’ny Tompo Jesosy, teo amin’ny hazofijaliana, kanefa rehefa notanterahana io didim-pitsarana io, dia afaka tanteraka amin’izay mety ho fanamelohana isika ankehitriny (Romana 8:1) ; efa lasa ny fitsarana, ary satria nitsangana tamin’ny maty niaraka amin’i Kristy isika, dia miaina amin’ny ainy. “Fa tahaka Azy isika” (1 Jaona 4:17).

Koa isika dia iray amin’i Kristy teo amin’ny hazofijaliana, tao am-pasana ary any an-danitra, ary noho izany dia miara-mizara aminy ny fandresena teo amin’ny hazofijaliany, ny herin’ny fitsanganany tamin’ny maty ary ny fahafenoan’ny fiainany be voninahitra.

Raha azontsika amin’ny finoana izany fahamarinana izany, dia hanjary ho anjara feno fitahiana izay fananantsika. Koa tsy hoe mitady ny hahazo izany amin’ny ezaka manokana ataontsika isika, satria efa azontsika tao amin’i Kristy izany. Raha vao raisintsika ao am-po, amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, io fahamarinana sarobidy io, dia tsy mihevitra intsony ilay toetra taloha isika, eo anatrehan’Andriamanitra, mba hahazoana zavatra tsara amin’izany, na koa hiantsoantso hoe : “Indrisy ! olo-mahantra aho ! Iza no hanafaka ahy amin’ny tenan’ity fahafatesana ity ? ” Izany dia toy ny miandry zavatra tsy ho tonga mandrakizay, araka ny efa nolazaina, satria efa tonga tao amin’i Kristy izany. Nofoanana tanteraka teo amin’ny hazofijaliana sy tamin’ny fahafatesan’i Kristy ilay toetra taloha, koa dia tsy misy intsony eo anatrehan’Andriamanitra. Noho ny fahasoavana, dia nalevina ilay toetra taloha, efa ho taonjato 20 mahery izay ; havelantsika hitoetra ao izy amin’ny alalan’ny finoana. Voazera teo amin’ny fiandrianany ilay mpampijaly, noho ny fandresena azon’i Kristy teo amin’ny hazofijaliana, ary Kristy no manjaka sy miaina ao anatintsika.

Raha lazaina amin’ny fiteny hafa, ny fanafahana dia maneho, ao amin’ny mpino, ny aina sy ny herin’Andriamanitra :

  Ny aina. Raha nilaza tamin’ny mpianany ny Tompo Jesosy fa ho avy ny Mpananatra, dia nanao hoe : “Amin’izany andro izany dia ho fantatrareo fa Izaho ao amin’ny Raiko, ary ianareo ato amiko, ary Izaho ao aminareo” (Jaona 14:20). Ny hoe “ianareo ato amiko” dia milaza ny toerantsika ao amin’i Kristy, araka ny fahitan’Andriamanitra antsika sy handraisana antsika ao aminy, ary ny hoe “Izaho ao aminareo” dia milaza ny fiainam-baovao ananan’ny mpino. Amin’ny finoana no ahafantarako fa Kristy dia velona ao anatiko.

  Ny herin’io fiainam-baovao io, dia ny Fanahy Masina, Izay nanasiana tombokase ny mpino (Efesiana 1:13 ; 4:30), nefa tokony ho fenon’izany izy (*), toy ny hery miasa, mampiseho ny zava-misy sy ny vokatr’ilay fiainam-baovao ananany.

 

(*) Efesiana 5:18. « Tsy hoe nasian’ny Fanahy Masina tombokase akory isika dia ho feno ny Fanahy. » (J.N. Darby)

 

3.2  Ahoana no hahatanteraka ny fanafahana ?

Mba hisitrahana ny herin’izany fahamarinana izany, dia tsy maintsy mandray izany ho foto-pampianarana aloha, fa koa mianatra miaina izany, izay tsy midika velively hoe tokony hianatra ny lesontsika isika amin’ny alalan’ny ota sy fahalavoana (toa an’i Petera, ohatra). Ny mifanohitra amin’izany aza, ny fo iray tia vavaka sy miraikitra amin’ny Tompo dia hianatra izany eo amin’ny fanatrehan’Andriamanitra, eo amin’ny fiombonana aminy, ary amin’ny fanekena ho hampianarin’ny Fanahy Masina. Toy izany ny zava-nisy teo amin’ny apostoly Paoly.

Hitantsika, ao amin’ny Romana 7, ny fanambarana zava-niainana toa izany (*). Ny mpino dia tokony hahafantatra fa :

 

(*) Tsy mitovy ny fomba iainan’ny tsirairay izany, ary tsy voatery hitovy amin’ny fomba voasoritra ao amin’ny Romana 7.

 

3.2.1  a)

misy toetra lo tanteraka ao anatiny. “Fa izaho kosa nofo, namidy ho andevon’ny ota” (and.14). “Fantatro fa tsy misy zavatra tsara mitoetra ato amiko, dia ato amin’ny nofoko” (and. 18). Marary ny fahatsapana izany, ary miteraka fahadisoam-panantenana lalina ao anaty. Raha mbola tsy miaiky ny mpino hoe ratsy ny voan’ny hazo (ireo fahotana ateraky ny nofo), ary tsy izany ihany fa hoe ilay hazo mihitsy no lo, dia tsy hahita fanafahana amin’izany izy, satria hanandrana  hatrany ny hiady amin’ilay toetra taloha izy ka hiezaka hanatsara io, izay zavatra tena tsy azo antenaina mihitsy. Ary eto ny zava-niainana faharoa :

 

3.2.2  b)

tsy manana fahefana mihitsy izy hifehy na hanatsara kokoa ny nofo. “Fa izay ataoko dia tsy fantatro ; fa tsy izay sitrako no ataoko ; fa izay halako no nataoko” (and. 15). “Fa ato anatiko ihany ny fikasana, saingy ny hahatanteraka ny tsara no tsy ato” (and. 18). “Fa tsy ny tsara izay sitrako no ataoko ; fa ny ratsy izay tsy sitrako no ataoko” (and. 19). Ny nofo izany dia tsy voafehy ary tsy azo fehezina (Romana 8:7). Noho izany dia tsy niezaka Andriamanitra ny hanatsara azy, fa kosa, tamin’ny lalàna, dia nasehony fa ny nofo dia tsy mahavita na inona na inona, ary ratsy tsy misy fanafany. Tsy ny fiezahana hanova izany nofo izany tsy akory no andrasan’Andriamanitra amin’ireo zanany, fa ny mifanohitra amin’izany aza, dia ny hiombonan’izy ireo hevitra aminy. Ny apostoly Paoly mihitsy aza dia tsy maintsy niaina ny hoe ny nofo ao anatiny dia tsy hay ovàna, hany ka voatery Andriamanitra nanisy tsilo tamin’ny nofony, dia anjelin’i Satana hikapoka azy, mba tsy hirehareha ilay toetra taloha noho ny habetsaky ny fanambarana natao tamin’ny apostoly rehefa nakarina ho any amin’ny lanitra fahatelo izy (2 Korintiana 12:7-10).

 

3.2.3  c)

Ny ota mifamatotra amin’io toetra io, fa tsy ilay mpino mihitsy tsy akory, no manatanteraka izay tsy tian’ny mpino atao. “Ary amin’izany tsy izaho intsony (izany hoe ilay saina manoa ny lalànan’Andriamanitra) no manao izany, fa ny ota izay mitoetra ato anatiko” (and. 17). “Fa raha ny tsy sitrako no ataoko, dia tsy izaho intsony no manao izany, fa ny ota izay mitoetra ato amiko” (and. 20). Hitan’ny mpino fa ny nofo ao aminy dia mpanota, tsy miasa afa-tsy amin’ny maha mpanota azy, ary miteraka ny ota fotsiny ihany. Nefa ny mpino dia manana tombontsoa tsy hahalala afa-tsy ilay toetra vaovao ho toy ny tenany ; ilay toetra taloha dia fahavalo fotsiny, izay tsy maintsy raisina ho toy izany.

 

3.2.4  d)

Ny fehin’ireo fahatsapana tena mavesatra sy mahamenatra ireo dia izao : “Koa hitako izao lalàna izao : raha ta hanao ny marina aho, dia ato amiko ihany ny ratsy. Fa mankasitraka ny lalànan’Andriamanitra aho araka ny toetra anaty ; nefa mahita lalàna hafa amin’ny momba ny tenako aho, miady amin’ny lalànan’ny saiko ka mamabo ahy ho an’ny lalànan’ny ota izay ao amin’ny momba ny tenako. Indrisy ! olo-mahantra aho ! Iza no hanafaka ahy amin’ny tenan’ity fahafatesana ity ?” (and. 21-24). Nefa eo no ho eo ny apostoly Paoly dia misaotra noho ny fanafahana notanterahin’Andriamanitra tao amin’i Kristy, ary velabelariny ao amin’ny toko faha 8 ireo vokatra feno voninahitr’izany fanafahana izany. Raha miverimberina imbetsaka ny teny hoe “izaho” na “aho” tao amin’ny toko faha 7, kanefa tsy voatonona akory ny Fanahy Masina, dia tsy hita ireo teny ireo raha tsy in-telo fotsiny ao amin’ny toko faha 8, kanefa ny Fanahy Masina dia voatonona ao in’enina ambiny folo : ny hoe “izaho” dia navela eny an-jorom-bala ary ny herin’ny Fanahy Masina no nasolo izany eo amin’ny fiainan’ny mpino afaka : “Fa ao amin’i Kristy Jesosy ny lalànan’ny Fanahin’aina no nahafaka ahy tamin’ny lalànan’ny fahotana sy ny fahafatesana” (Romana 8:2). Hery nomen’Andriamanitra, Ilay Fanahin’aina, no miasa ao amin’ny mpino ary manafaka azy amin’ilay hery nanery azy hanota : ny mpino afaka dia nafahana tamin’ny herin’ny ota, fantany fa tsy voatery hanota intsony izy, tsy andevon’ny ota intsony izy, afaka izy, ary noho izany, dia andevon’ny fahamarinana.

 

**

Misy kisarisarin’izany fahamarinana izany toy izao : ny milina fampiakarana entana manana andriamby matanjaka mandeha amin’ny herinaratra, izay ampiasaina mba hibatana ny korontam-by. Raha vao miasa ao amin’ny andriamby ny aratra, dia toa tsy voagejan’ny lalànan’ny sintom-besatra (pesanteur) intsony ilay vy, ary afaka entin’ilay milina any amin’ny toerana iray. Rehefa eo amin’ilay toerana dia tapahina ny aratra ary dia azeran’ny sintom-besatra eo amin’ny toerana ilàna izany ilay vy. Ny lalànan’ny ota —ny sintom-besatra ao amin’ny ohatra ataontsika— dia hampanota mandrakariva. Saingy, toy ilay aratra manafoana ny sintom-besatra, ny lalànan’ny Fanahin’aina ao amin’i Kristy Jesosy dia hanafaka antsika amin’ny lalànan’ny ota sy ny fahafatesana. Raha avelantsika hiasa ny Fanahy, dia toa tsy afaka manao na inona na inona ny lalànan’ny ota. Fa raha toa ka tapaka ny tariby iray, dia tsy hisy aratra ho tonga any amin’ny andriamby intsony, hany ka tsy misy asany intsony izy. Toa izany koa, raha tsy afa-mihetsika ny Fanahy noho ny fisehoan’ny sitrapon’ny tena manokana, na malahelo noho ny asan’ny nofo, dia mihantona ny asa ataony, ka dia tsy manan-kery sy tsy mamokatra isika. “Fa hoy izaho : Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan’ny nofo ianareo”(Galatiana 5:16). “Ry malala, mananatra anareo aho, satria vahiny sy mpivahiny ianareo, fadio ny filan’ny nofo, fa miady amin’ny fanahy ireny”(1 Petera 2:11).

 

3.3  Inona ny vokatry ny fanafahana ?

Ny mpino nafahana dia miaina andavanandro fa

  • niara-maty tamin’i Kristy izy,

  • niara-nitsangana tamin’ny maty taminy,

  • manana ny Fanahy, ny herin’ny fiainam-baovao ao amin’i Kristy.

Hojerentsika ny vokatra avy amin’ireo teboka telo ireo, omban’ny fanazavan’ny Soratra Masina.

 

3.3.1  Ireo vokatry ny fahafatesana miaraka amin’i Kristy

Noho ny fampiraisana azy amin’i Kristy ao amin’ny fahafatesany, dia nafahana tamin’ny lalànan’ny ota sy ny fahafatesana ny mpino ka tsy hiharan’ny fanamelohana intsony. “Ary amin’izany dia tsy misy fanamelohana ho an’izay ao amin’i Kristy Jesosy” (Romana 8:1). Tsy misy maty helohina. Na ny fahotana vitany, na ny ota mbola mitoetra ao amin’ny nofony, dia tsy mahatonga intsony ireo izay ao amin’i Kristy hiharana fanamelohana. Ny fitsarana azy ireo dia efa an’ny lasa tanteraka, satria Kristy no nizaka izany nisolo ny toerany : maty Izy ary nitsangana tamin’ny maty ho azy ireo. “Fa ny fanatitra iray ihany no efa nahatanterahany ho mandrakizay izay olona hamasinina” (Hebreo 10:14). “Ary izay notendreny no nantsoiny koa ; ary izay nantsoiny no nohamarininy koa ; ary izay nohamarininy no nomeny voninahitra koa” (Romana 8:30).

Isika dia misitraka, ao amin’Ilay nitsangana tamin’ny maty, toerana lavorary ary tsy azo hozongozonina mandrakizay. Na dia mbola eo amintsika aza ny nofo, dia tsy ao amin’ny nofo intsony isika, fa ao amin’i Kristy, noho izany dia maty ny amin’ny ota toa Azy, kanefa mivelona amin’ny ainy. “Ary amin’izany, ry rahalahy, dia mpitrosa isika —tsy amin’ny nofo anefa, ka ho velona araka ny nofo” (Romana 8:12). Tsy manana zo amintsika intsony ny ota. Marina fa mbola ao anatintsika izy, saingy tsy manana fahefana amintsika intsony. Andevony isika fahiny, fa ankehitriny, noho ny fahafatesantsika miaraka amin’i Kristy, dia nafahana tamin’io fanandevozana io isika, afaka isika. Ho toa izany ny mpino tsirairay izay mijoro lalandava ho maty ny amin’ny ota ary velona ho an’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy, noho ny fahasoavana. Matoa Andriamanitra mangataka antsika hihevitra ny tenanysika ho toy ny maty, dia tsy hoe ny mba hahafaty antsika raha manao izany, fa satria maty isika.  Andriamanitra tsy mangataka amintsika na oviana na oviana ny hiaikentsika izay tsy mifanaraka amin’ny zava-misy.

Ny nofo izany dia efa notsaraina, ary notsaraina tanteraka, hany ka manana fanavotana marina sy feno ao amin’i Kristy isika. Ny fanafahana antsika dia natao tamin’ny fomba lavorary, satria izay ataon’Andriamanitra dia tsy maintsy lavorary. Tsy afaka ny hianona amin’ny famelana ny fahotantsika fotsiny Izy, ka hamela antsika hiharan’ny fahefan’ny ota. Ny fanafahana tsy tomombana toy izany dia tsy hanome ho an’ny fontsika afa-tsy fiadanana marefo. Fanafahana tanteraka no azontsika : famelana ny fahotana, etsy andaniny, ary fanafahana amin’ny herin’ny ota, etsy ankilany. Andriamanitra, noho ny fitiavany, dia nahatanteraka ireo zavatra roa loha ireo, tamin’ny nanomezany ny Zanany.

Ny fampiraisana ny mpino amin’ny fahafatesan’i Kristy dia miteraka ihany koa ny fanafahana azy amin’ny fanagejan’ny fanarahan-dalàna amin’ny lafiny rehetra ; “Ary raha niara-maty tamin’i Kristy ianareo ... , nahoana no toa mbola velona amin’izao tontolo izao ihany ianareo ka mety hodidiana hoe : Aza mandray, aza manandrana, aza manendry — ... ho ... fampanaranana ny nofo” (Kolosiana 2:20-23). Ny nofo dia tia mametraka didy, ary ny fanarahana izany didy izany dia toa manome fahamendrehana, eo imason’Andriamanitra, ho an’izay mankatò azy. Ny mpino nohomboana tamin’ny hazofijaliana niaraka tamin’i Kristy dia tsy voagejan’izany intsony : maty ny amin’ny lalàna sy ny amin’ireo didy rehetra izy.“Ary amin’izany ianareo koa, ry rahalahiko, dia efa natao maty ny amin’ny lalàna noho ny tenan’i Kristy, mba ho vadìn’ny hafa ianareo, dia Izay natsangana tamin’ny maty, mba hahavokarantsika ho an’Andriamanitra” (Romana 7:4-6). “Fa raha izaho, dia tamin’ny lalàna no nahafatesako ny amin’ny lalàna, mba ho velona ho an’Andriamanitra aho” (Galatiana 2:19).Ny lalàna dia tsy misy fiantraikany na manana fahefana eo amin’ny maty. Noho ny fahafatesantsika miaraka amin’i Kristy, dia voavaha tamin’ny fahefan’ny lalàna isika, ka tsy ny lalàna nomen’Andriamanitra tany Sinay ihany, fa koa ny foto-kevitra rehetra mametraka lalàna, izany hoe ny fomba rehetra mitady hanamarina ny olona eo anatrehan’Andriamanitra noho ny asa soa ataony. Aoka tsy ho voafitaka isika ; ny fanarahan-dalàna dia voajanahary ao am-pon’ny olona, na Jiosy izy na tsia, ary raha tsy mitandrina isika, dia tandindomin-doza hanao ohatra ny Kolosiana, ka hametraka didy ho fanaranam-pon’ny nofo. Nefa, eo anatrehan’Andriamanitra, ireo asa soa lazaina fa ara-pivavahana dia samy ratsy  toy ny asa soa hafa ateraky ny nofo. Ny voa ateraky ny Fanahy Masina ihany no manome voninahitra an’Andriamanitra, satria ireny dia tsy vokatry ezaka ataon’ny olombelona, fa vokatry ny herin’Andriamanitra. Araka izany, dia tsy misy idirantsika amin’ny lalàna intsony. Tsy hoe tsy manana lalàna tsy akory isika ny amin’Andriamanitra, fa ambanin’ny lalànan’i Kristy (1 Korintiana 9:21). Noho izany, ny zavatra marina takian’ny lalànan’Andriamanitra dia tanterahina ao amin’ireo izay mandeha tsy araka ny nofo fa araka ny Fanahy (Romana 8:4), nefa tsy mitoetra ao ambany fahefana sy ny ozon’ny lalàna, manaraka ny dia feno fitahiana nataon’Ilay Ohatra lavorary.

Vokatra fahatelo avy amin’ny fahafatesantsika miaraka amin’i Kristy, dia hoe isika tsy maintsy mamono ny momba ny nofo (Kolosiana 3:5 sy ny manaraka). (Avy amin’ny matoanteny grika hoe nekroo, izay midika hoe “mamono”, no nahazoana ny voambolana “nécroser”). Ny rantsam-batana na taova iray tsy mahazo hanina intsony dia miha-maty, ary avy eo maty. Eo amin’ny fampiharana izany andavanandro, dia toy izany tokoa no tokony hataon’ny kristiana momba ny rantsam-batan’ny nofo (fijangajangana, fahalotoana, fitiavana tsy mandeha amin’izay izy, sns.) : tsy maintsy esoriny izay mety ho hanina ho an’ireo zavatra ireo.

Ny mpino dia tsy maintsy “mahafoy” ihany koa ireo fisehoana samihafa ataon’ny nofo (fahatezerana, fahavinirana, lolompo, fitenenan-dratsy, sns.). Na dia tsy filàna mahery vaika toy ny teo aloha aza ireo, dia angamba manodoka kokoa, ary ny kristiana dia mila ny herin’ny Fanahy mba hahafoy azy. Nefa tokony hazava tsara amintsika fa ny mpino dia tsy manatanteraka izany famonoana izany mba ho faty ny amin’ny ota, fa satria izy efa maty sy nitsangana tamin’ny maty niaraka tamin’i Kristy. Io famonoana io izany dia vokatra feno fitahiana avy amin’ny fampiraisana antsika amin’ny fahafatesan’ny Tompo sy ny fitsanganany tamin’ny maty.

Farany, vokatra fahefatra avy amin’ny fahafatesantsika miaraka amin’i Kristy, dia ny fanafahana antsika amin’izao tontolo izao. “Fa sanatria raha mba misy hataoko rehareha afa-tsy ny hazofijalian’i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay naha-voahombo izao tontolo izao tamin’ny hazofijaliana, raha ny amiko, ary izaho kosa, raha ny amin’izao tontolo izao” (Galatiana 6:14). Ny hazofijaliana dia manameloka tanteraka izao tontolo izao izay nandà an’i Kristy. Etsy andaniny, io hazofijaliana io dia manambara ny tena toetran’izao tontolo izao, izay fahavalon’Andriamanitra, ary na iza na iza sakaizan’izao tontolo izao dia manao ny tenany ho fahavalon’Andriamanitra (Jakoba 4:4). Etsy ankilany, ny hazofijaliana dia sakana tsy hay dinganina manelanelana izao tontolo izao sy ny kristiana : ny hazofijaliana no andry sisintany ka eo am-pitany no misy ny faritany fahavalo. Tsy hanandrana ny handeha ho any ny mpino, fa hahatsiaro hoe maty ny amin’izao tontolo izao niaraka tamin’i Kristy izy, ary tsy naman’izao tontolo izao, tahaka ny maha tsy naman’izao tontolo izao an’i Kristy ihany koa (Jaona 17:14, 16).

Ny kristiana tena mahatsapa marina fa olon’ny lanitra izy, dia manao ho fahalotoana izay mety ho marik’izao tontolo izao eo amin’ny fiainany. Raha tonga saina isika fa izao tontolo izao no nanilika sy nanombo ny Tompontsika teo amin’ny hazofijaliana, dia tsy hanana faniriana afa-tsy ny hiaraka amin’i Kristy isika, hizaka ny fandavana Azy sy ny hazofijaliany. Amin’izay, dia hijoro ho maty ny amin’izao tontolo izao isika eo amin’ny fiainantsika andavanandro, ary izao tontolo izao hahita eo amintsika olona maty tsy azony sarihina amin’ny filàny. Aoka isika hitandrina tsara, satria izao tontolo izao dia misisika mora foana ao am-pontsika. Nefa ny fo mizarazara dia mahavery ny fifaliana sy ny fiombonana ao amin’i Kristy. “Ny fanasina no tonga matsatso” ; ny fijoroantsika ho vavolombelona dia tsy hanan-kery, satria na dia tsara aza angamba ny fitenintsika, ny zavatra ataontsika dia mampiseho fa tsy dia misy lanjany eo imasontsika Ilay Kristy nailika.

 

3.3.2  Ny vokatry ny fitsanganana amin’ny maty miaraka amin’i Kristy

Ny mpino dia tsy nampiraisina tamin’ny fahafatesan’i Kristy fotsiny ihany, fa koa tamin’ny fitsanganany tamin’ny maty (Romana 6:5 ; Kolosiana 2:12 sy 3. 1 ; Efesiana 2:6). Noho izany, misy aina vaovao ao anatiny, dia ny ain’i Kristy. “Andriamanitra ... nahavelona antsika niaraka tamin’i Kristy”(Efesiana 2:5). “Tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko” (Galatiana 2:20) (*).

 

(*) Kristiana maro no nahafoy ny ainy noho ny fifikirany tamin’io fahamarinana sarobidy io. Toy izany i Ignace, mpianatry ny apostoly Jaona taloha, eveka tany Antiokia nanomboka tamin’ny taona 70 teo ho eo, izay voaheloka ho faty, tany amin’ny taona 107 tany ho any, araka ny didin’ny emperora Trajan, izay namoaka izao fanamelohana izao : « Koa satria Ignace miaiky fa mitondra ao anatiny Ilay nohomboana teo amin’ny hazofijaliana, dia mandidy izahay ny hitondrana azy, voafatotry ny miaramila, any Roma lehibe, mba ho viravirain’ny biby, ho fifalian’ny vahoaka ».

 

Natsangana tamin’ny maty niaraka tamin’i Kristy isika, koa hitan’Andriamanitra ao amin’Ilay Kristy nitsangana tamin’ny maty ankehitriny. Tamin’ny fahafatesantsika niaraka taminy, dia nafahana tamin’ny toerana nisy antsika fahiny ara-nofo isika. Tamin’ny fitsanganantsika tamin’ny maty niaraka taminy, dia toerana vaovao eo anatrehan’Andriamanitra no anehoany antsika, ho mandrakizay. Amin’ny finoana no andraisantsika izany fahamarinana izany, ary noho ny herin’ny Fanahy Masina, dia manjary afaka manatanteraka izany eo amin’ny fiainana andavanandro isika. Koa dia afaka mandeha mifanaraka amin’ny toerana maha nitsangana tamin’ny maty niaraka tamin’i Kristy antsika isika. Tsy amin’ny fomba fandehantsika no ahafahantsika mahazo io toerana maha lavorary antsika eo anatrehan’Andriamanitra io, fa izany dia nomena antsika noho ny asa nataon’i Kristy. Ny fananantsika io toerana maha lavorary io no ahafahantsika maneho ilay fahalavorariana eo amin’ny fandehantsika. Tokony hahatakatra ny tsirairay fa ivelan’ny tenantsika, ao amin’i Kristy nitsangana tamin’ny maty, no misy fahafenoan’aina sy hery, izay ananantsika amin’ny finoana Azy.

Io aina vaovao io dia antsika, kanefa izany dia ao amin’i Kristy, miafina miaraka aminy ao amin’Andriamanitra, voaambina tsara ao amin’ny loharanony hatrizay hatrizay ary ho mandrakizay. Tsy afaka ny hahalala izany izao tontolo izao, kanefa dia ho hitany ny voan’izany eo amintsika raha toa isika mahatoky. “Ny olona dia tsy afaka mahita ny loharano, kanefa tokony ho hitany ny rano mikoriana” (J. N. Darby). Ao amin’i Kristy no ahitantsika hery velona manafaka antsika amin’ny lalànan’ny ota sy ny fahafatesana (Romana 8:2). Koa ny firaisantsika aminy no ananantsika aina sy hery.

Inona ireo vokatry ny fitsanganantsika amin’ny maty miaraka amin’i Kristy, eo amin’ny fiainana andavanandro ?

Koa aza avela ny ota hanjaka amin’ny tenanareo mety maty ... ary aza manolotra ny momba ny tenanareo ho amin’ny ota ho fiadian’ ny tsy fahamarinana ; fa atolory ny tenanareo ho an’Andriamanitra, toy ny efa maty nefa velona, ary ny momba ny tenanareo ho fiadian’ ny fahamarinana ho an’Andriamanitra” (Romana 6:12 sy ny manaraka). “Mangataka aminareo aho, ry rahalahy ... mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak’Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany” (Romana 12:1).

Ny mpino izany dia manaiky hampiasain’ny Tompo tanteraka. Fantany fa tsy azy intsony ny tenany, satria efa voavidy tamin’ny ra soan’i Kristy izy, noho izany dia manana tombontsoa  hanome voninahitra an’Andriamanitra amin’ny tenany (1 Korintiana 6:19, 20). “Maty hamonjy ny olona rehetra Izy (Kristy), mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izay velona, fa ho an’Izay efa maty sy nitsangana hamonjy azy” (2 Korintiana 5:15). Noho izany, dia atolotra ho Azy ny fiainantsika, tsy hoe mba ho Azy isika, fa satria efa Azy isika.

Ho tahaka ny nananganana an’i Kristy tamin’ny maty tamin’ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin’ny fiainam-baovao” (Romana 6:4). Fony mbola tao amin’ny nofo isika, dia nanompo ny ota, ary nitondra vokatra ho fahafatesana. Fa rehefa natsangana tamin’ny maty niaraka tamin’i Kristy isika, dia nanompo ny fahamarinana, mba hitondra vokatra ho an’Andriamanitra. Samihafa tanteraka ny fanompoantsika : taloha dia ny ota ; ankehitriny dia ny fahamarinana. Hafa mihitsy koa ny vokatr’io fanompoana io : taloha dia ny fahafatesana ; ankehitriny dia ho amin’ny fahamasinana sy fiainana mandrakizay (and 22). Izany fahafahana amin’ny fanandevozan’ny ota sy fiainana araka ny sitrapon’Andriamanitra izany, dia tsy afaka ny ho tanteraka raha tsy avy amin’ny finoana sy omban’ny herin’ny Fanahy Masina.

Io fanoloran-tena tanteraka ho an’ny Tompo io dia mihanaka amin’ireo rantsam-batantsika rehetra. Ao avokoa ny zava-drehetra ; tsy misy hadino na dia iray aza. Izany dia notanterahina tany ifotony tamin’ny fahateraham-baovao, kanefa tsy maintsy avaozina isanandro.Toy ny zavatra rehetra avaozina, isanandro isika dia tsy maintsy mamoha ny varavaran’ny fontsika ho an’ny Tompo ary miteny aminy hoe : “Tompo ô, inty aho ! Inona no tianao hataoko ho Anao ?” Isika dia manana ny ohatry ny apostoly Paoly, izay nahafantatra fa tsy mbola tanteraka, ka niezaka “hanatratra ny marika ...” hahazoana ny loka (Filipiana 3:12 sy ny manaraka) ; ezaka mitohy izany. Momba ny fampiraisana amin’ny fahafatesan’i Kristy —izay fototry ny fahafahana— dia hoy izy : “Mitondra ny fahafatesan’ i Jesosy mandrakariva ao amin’ny tena izahay, mba haseho ao amin’ny tenanay koa ny fiainan’i Jesosy” (2 Korintiana 4:10). Zavatra navaozina tsy nitsahatra izany teo amin’ny fandeha isanandro. “Mandrakariva, na aiza na aiza”, aoka izany teny izany ho voasokitra ao am-pontsika !

 

3.3.3  Ny vokatry ny fisian’ny Fanahy Masina ao amin’ny mpino

Ny Fanahy Masina mitoetra ao anatin’ny mpino dia mahatonga azy hahatsapa ny toerana maha zanaka misy azy, ary mahatonga azy hisitraka ny fifandraisana amin’Ilay Ray. “Fa izay tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra no zanak’Andriamanitra”(Romana 8:14). Ny fisitrahana izany fifandraisana izany dia tena sarobidy tokoa, satria avy amin’io no ahafahan'ny mpino manandrana tanteraka ny fitiavan’Andriamanitra, ao anatin'ny  fahafahana lavorary ananan’ny zanaka. “Ary satria zanaka ianareo, dia nirahin’Andriamanitra ho ato am-pontsika ny Fanahin’ny Zanany, miantso hoe : Aba, Ray ô. Ka dia tsy mpanompo intsony ianao, fa zanaka” (Galatiana 4:6, 7). Tsy mpanompo intsony isika, tsy nandray fanahim-pahandevozana, tsy andevo namidina tompo masiaka tamina tompo vaovao mafy fo ihany koa. Fa zanaka isika, nandray ny Fanahin’ny fananganana anaka, izay iantsoantsika hoe : Aba, Ray ô (Romana 8:15). Io Fanahin’ny fananganana anaka io no ahafahantsika manatona an’Andriamanitra am-patokiana, toy ny Ray manana fo tia, satria fantatsika fa Andriamanitra dia miandany amintsika, tsy misy intsony fanamelohana ho an’izay ao amin’i Kristy, tsy misy na inona na inona hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra. Ao amin’i Kristy isika, ary Andriamanitra tia antsika toy ny itiavany an’i Kristy. “Ianao efa... tia azy tahaka ny nitiavanao Ahy... mba ho ao aminy ny fitiavana izay nitiavanao Ahy” (Jaona 17:23, 26). Nefa ny mpino tsirairay dia tsy maintsy maka ho an’ny tenany manokana izany fahamarinana sarobidy izany : “Tsy mpanompo intsony ianao, fa zanaka”. Raha vao afaka miantso izy hoe “Aba, Ray ô !”, dia nandray ny Fanahin’ny fananganana anaka izy izany, satria tsy maintsy zanaka aloha vao mandray ny Fanahin’ny fananganana anaka.

Ny mpino afaka dia mandeha araka ny Fanahy, izany no ahafahany tsy hahatanteraka ny filan’ny nofo (Galatiana 5:16), “...tsy mandeha araka ny nofo, fa araka ny Fanahy” (Romana 8:4). Afaka tamin’ny ota izy, manana fahalalahana eo anatrehan’Andriamanitra, “ny Fanahy no amonoanareo (amonoany) ny asan’ny tena (izany hoe ny nofo)” (Romana 8:13). Tsy hanatanteraka ireo asan’ny nofo izy, fa haneho ny vokatry ny Fanahy : ny fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy, fahononam-po (Galatiana 5:22). Amin'ny fomba ahoana ? Satria izy dia “efa nanombo ny nofony mbamin’ny faniriany sy ny filany tamin’ny hazofijaliana” (Galatiana 5:24), ary noho izany dia afaka manao ny tenany ho maty ny amin’ny ota, fa velona ho an’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy (Romana 6:11). Ny kristiana miaina araka ny Fanahy dia mahatakatra fa Kristy no fiainany, ary mifamatotra aminy amin’ny alalan’ny Fanahy Masina izy. Raha mbola tsy malahelo ny Fanahy, dia mampisitraka antsika amin’ny fiombonana tsy tapaka amin’i Kristy Izy, Kristy Ilay fiainantsika. Amin’izany, dia mandeha araka ny Fanahy isika, mibanjina an’i Jesosy, ary ny fo tena feno Azy, hany ka tsy voakasiky ny nofo sy izay tadiaviny isika. Ny fanahintsika dia miaina voabahan’i Kristy, mijery Azy, miresaka aminy ; toy ny hoe nafahana tamin’ny tenany izy ary miaina ny ain’olon-kafa, araka ny Fanahy. Raha voatazona eo amin’ny toerana nametrahan’Andriamanitra azy ny nofo, izany hoe ny fahanginan’ny fahafatesana, dia asehon’ny Fanahy Masina ny heriny rehetra ary vokariny ao anatintsika ny vokany ho voninahitr’Andriamanitra.

Farany, ny fananana ny Fanahin’Andriamanitra dia antoka ho an’ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty.“Ary raha ny Fanahin’Izay nanangana an’i Jesosy tamin’ny maty no mitoetra ao anatinareo, dia Izay nanangana an’i Kristy Jesosy tamin’ny maty no hamelona ny tenanareo mety maty amin’ny Fanahiny, Izay mitoetra ao anatinareo” (Romana 8:11). Ny vatantsika ihany koa dia manana anjara amin’ny herin’ny fitsanganana amin’ny maty. Ho avy ny andro izay hirindrany amin’ilay aim-baovao ananantsika avy amin’ny Fanahy Masina.

Ny fahafahana amin’ny herin’ny ota, eo amin’ny fiainana andavanandron’ny mpino, dia anisan’ireo vokatra feno voninahitra indrindra avy amin’ny asa nataon’i Kristy. Ny kristiana afaka dia mandeha amin’ny herin’ny Fanahy, izany no ahafahany miaina fiainam-pandresena sy fahamasinana, ary mitombo hatrany ny fanahafany an’i Kristy. Ny ain’i Kristy no miseho ao aminy, ary ny herin’ny Fanahy no mamelona izany aina izany, sy manome vokatra ho voninahitr’Andriamanitra.

 

4  TOKO 3 — Miaramila miambina

Vakio : 1 Petera 1:13-25 ; 5:8-11 ; 2 Petera 3:11-14, 17-18

Eny amin’ny lalana alehany, ny mpino te “hikatsaka ny fahamasinana” dia hifanehatra amina sakana, fahasahiranana, fakam-panahy, fahavalo ao anaty sy ivelany. Hiatrika ady izy. Marina fa tsy toy izany irery ihany no endriky ny ady atrehan’ny kristiana, saingy ny traikefa dia mampianatra fa ny ady amin’ny ota no mibahana ao, indrindra ao amin’ny fiainan’ny mpino tanora fanahy. Ao amin’ity toko ity, dia tianay ny mandinika izay ampianarin’ny Soratra Masina momba ny fampiomanana amin’ny endrika ady atrehan’ny kristiana toy izany.

Mety ho indraindray ihany ny ady ; ny mpino dia tsy maintsy miatrika ireo fakam-panahy hafa kely, tsy mahazatra ; ny fahavalo dia manafika amin’ny ora tsy ampoizina, tampoka, mahery vaika.

Fa misy koa ady tsy an-kijanona, izay tsy maintsy atrehana momba ireo toetra ratsintsika, eo amin’ny fandeha andavanandro.

Inona ireo loharanon-kery omen’Andriamanitra ny olony, mba hampiomanana azy ireo amin’izany ady izany, ary hahatonga azy hivoaka ho mpandresy ? Ahoana no tokony ho fitondrantenan’izy ireo manoloana ny ady ? Ahoana ny fomba tsy maintsy ataony hizàrany amin’izany, mba hahafahany miatrika izany ka hivoaka ho mpandresy ?

Ilaina tokoa mantsy ny miomana amin’ny ady, manao fanazaran-tena mirindra, miaina amin’ny fahononan-tena amin’ny zavatra rehetra (1 Korintiana 9:25) ; ny tanjon'izany fanazaran-tena izany dia ny hahatonga antsika ho mpiady. Satria i Satana sy izao tontolo izao ary ny nofo dia miezaka ny hanakana antsika tsy hampiseho ny maha eo amin’i Kristy antsika, dia tsy maintsy miatrika ady tsy mijanona isika. Manana ny ain’i Kristy isika, masina isika. Noho izany, ny tanjon’ny ady ataontsika dia tsy ny hahatonga antsika ho masina tsy akory, fa ny hampiseho izay nanaovan’Andriamanitra antsika, izany hoe olona nohamasinina. Andriamanitra dia niantso antsika amin’ny (fa tsy ho amin’ny) fahamasinana (1 Tesaloniana 4:7). Ilaina ny mahazo tsara izany fahamarinana izany, mba tsy hahatonga ny fiomanantska amin’ny ady —ary ilay ady mihitsy aza—, ho zavatra manaraka lalàna ka hanome lanja ny nofo.

 

4.1  Ireo fepetra ara-toe-tsaina amam-panahy momba ny fiomanana amin’ny ady

Ireo tsongan-dahatsoratra ao amin’ny epistilin’i Petera, izay voatanisa teny am-piandohan’ity toko ity, dia manazava ireo fepetra sasantsasany momba ny toe-tsaina amam-panahy tokony hotandreman’ny mpino, raha te ho mpiantafika marina izy. Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia ny andraikiny no resahina. 

 

4.1.1  Ny fankatoavana

Io toetra io dia voatsiahy in-telo. “Olom-boafidy ... amin’ny fanamasinan’ny Fanahy, ho amin’ny fanarahana ... tahaka ny zanaka manoa, tsy mitondra tena araka ny filanareo fahiny tamin’ny tsy fahalalanareo ... Satria efa nodiovinareo ny fanahinareo tamin’ny fanarahana ny fahamarinana” (1 Petera 1:2, 14, 22). Takian’Andriamanitra amin’ireo olom-boafidiny ny fankatoavana. Izany dia miseho amin’ny fanahy miankin-doha, izay mametraka ankilabao ny sitrapon’ny tena. “Ny hatsarana misongadina eo amin’ny toetra vaovao dia ny fiankinan-doha sy ny fanekena” (J. N. Darby). Tsy avy amin’ny fahalalana ny fahamarinana, fa avy amin’ny fankatoavana ny fahamarinana no nanadiovana ny fanahintsika. Ary mbola amin’ny fankatoavana ny fahamarinana (ny Tenin’Andriamanitra) ihany koa no hanadiovana ny fanahintsika eo amin’ny fandehantsika andavanandro. Izany dia firotsahana feno fifaliam-po hanao ny sitrapon’Andriamanitra, fa tsy fanekena noteriterena tsy akory. “Tsy hoe manaiky tsy sazoka, fa mankatò” (Vinet). Ny hoe mitia ny Tompo, dia ny mitandrina ireo didiny ary mikatsaka ny hanatanteraka izay ankasitrahiny (2 Korintiana 5:9 ; Efesiana 5:10 ; Kolosiana 1:10).

 

4.1.2  Ny fiambenana sy ny fahononan-tena

Ny Tompo dia nampirisika imbetsaka ireo mpianany mba hiambina, indrindra tao amin’ny saha Getsemane. Na dia nasainy niari-tory niaraka taminy aza izy ireo, dia mbola natory ihany. Noho izany dia tsy maintsy niteny tamin’izy ireo Izy hoe : “Miareta tory sy mivavaha ianareo, mba tsy hidiranareo amin’ny fakam-panahy ; mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery” (Matio 26:41). Mety ihany ny fanahy : tena manana faniriana hiari-tory hiaraka amin’ny Tompo ihany. Fa ny nofo no tsy manan-kery : tsy misy hery ao amin’ny nofo ary tsy afaka manao na inona na inona izy. Tsy maintsy miambina sy mivavaka. Ny fiambenana dia mifamatotra amin’ny vavaka. “Mahareta amin’ny fivavahana, ka miambena amin’izany” (Kolosiana 4:2). “Mahonona tena ho amin’ny fivavahana” (1 Petera 4:7). Ao amin’ny Filazantsara araka an’i Marka, ny Tompo dia mamarana ny fampianarany amina fampirisihina miezinezina ho amin’ny fiambenana. “Koa miambena ianareo... Ary izay lazaiko aminareo dia lazaiko amin’ny olona rehetra koa : Miambena”(Marka 13:35, 37).

Ny fahononan-tena indray dia isan’ireo fepetra ara-toe-panahy lehibe indrindra amin’ny fanomanana ny ady. Tsy ampiharina eo amin’ny hanina sy zava-pisotro ihany izy io, fa midika ihany koa hoe fifehezan-tena eo amin’ny zavatra rehetra amin’ny fiainana. Ireo tsongan-dahatsoratra nolazaina tany am-piandohan’ity toko ity dia mampirisika antsika in-droa momba izany (1 Petera 1:13 ; 5:8). Nilazana koa isika mba hitondra tena “amin’ny fahatahorana” (1 Petera 1:17). Ny fahononan-tena dia iray amin’ireo toetoetran’ny zanaky ny andro. Koa satria isika anisan’izany, hoy ny apostoly Paoly, dia “aoka hiambina ka hahonon-tena” (1 Tesaloniana 5:6).

 

4.1.3  Ny fiorenana tsara

Io toetra tsara io dia voatonona in-telo ao amin’ny tsongan-dahatsoratra dinihintsika. “Miorena tsara amin’ny finoana ... Ary Andriamanitry ny fahasoavana rehetra ... hampiorina ary hampitoetra anareo ... Tandremo fandrao ho voataonan’ny fahadisoan’ny ratsy fanahy ianareo ka ho lavo hiala amin’izay iorenanareo” (1 Petera 5:9, 10 ; 2 Petera 3:17). Mba hiatrehana ny ady, ny kristiana dia tsy maintsy miorina tsara amin’ny finoana, izany hoe amin’ny fahamarinana. Hita ao amin’ireo fampianaran’ny apostoly Paoly ho an’i Timoty, fa misy olona mety hiataka amin’ny finoana (1 Timoty 6:4, 21 ; mety hiataka amin’ny fahamarinana, (ao amin’ny 1 Timoty 1:6 sy 2 Timoty 2:18), avy eo maniasia (1 Timoty 6:10), ary izany no mitarika ho vaky sambo ny amin’ny finoana (1 Timoty 1:19), ny fandavana izany finoana izany (1 Timoty 5:8), ny fanilihina azy (1 Timoty 5:12) ; amin’ny fotoana farany, ireo mody antsoina hoe kristiana dia hivadika amin’ny finoana ary amin’izany dia ho very mandrakizay raha momba izany finoana izany (1 Timoty 4:1 ; 2 Timoty 3:8).

Mifanohitra amin’izany fivoaran’ny faharatsiana izany, ny mpino dia ampirisihina hitazona ny finoana (1 Timoty 1:19 ; 2 Timoty 4:7), hikatsaka izany (1 Timoty 6:11 ; 2 Timoty 2:22), ho ohatry ny finoana (1 Tomoty 4. 12), hiady ny ady tsaran’ny finoana (1 Timoty 6:12), mba hahazoana fahasahiana lehibe amin’ny finoana izay ao amin’i Kristy Jesosy ( 1 Timoty 3:13).

Ahoana no hanantenana handresy amin’ny ady, raha toa tsy misy io firaiketan’ny fo miorina mafy amin’ny fahamarinana io ? Eo amin’ny fotoana tsy hisian’izany,  vetivety ny olona dia hanaiky ho “voataonan’ny fahadisoan’ny ratsy fanahy”.

 

4.1.4  Ny toe-panahy araka an’Andriamanitra

Zava-dehibe ny hihazonan'ny mpino fiombonana tsy tapaka amin’ny Tompo, midinidinika aminy amin’ny alalan’ny vavaka, mivelona amin’ny Teniny, manompo Azy am-pahavitrihina sy am-pikelezan’aina, mametraka aminy ny fahatokisana tanteraka eo amin’ny tranga miseho eny an-dalana, miezaka manao izay ankasitrahany. Ny fo mitoetra lalandava eo akaikin’ny loharanom-pahasambarany dia hahita fa eo anilany ny Tompony, raha sendra fakam-panahy izy. Toy ny fitenin’ny olona iray izay hoe, na dia indraindray mampihovitrovitra ny tanam-pamantaranavaratra aza ny orambaratra sy ny tafiotra, dia mitodika manondro lalandava ny avaratra izy. Toy izany koa, ny fon’izay miaina lalandava akaikin’ny Tompo, ny olona izay tia Azy ary misitraka ny fitiavany, dia hitodika hatrany any aminy mba ho voatohana eo amin’ireo fizahan-toetra sy fahasahiranana diaviny.

Saingy ny fihazonana ny toe-panahy araka an’Andriamanitra dia mitaky hery sy faharetana. Izany no nahatonga ny apostoly hilaza amin’i Timoty hoe : “Mampiasà ny tenanao ho amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra” (1 Timoty 4:7). Toy izany koa, novakiantsika ny tenin’ny apostoly Petera hoe : “Olona tokony hanao ahoana moa ianareo amin’ny fitondrantena masina sy ny toe-panahy araka an’Andriamanitra” (2 Petera 3:11).

 

4.1.5  Ny fiandrasana ny fiverenan’ny Tompo

Ny fieritreretana fa ho avy tsy ho ela ny Tompo, ny fiainana izany fiandrasana ny fiverenany izany, dia tena mampandroso antsika ho amin’ny fanamasinana, amin’ny famatorana ny fontsika amin’ny Tompo sy tsy hampitodika azy amin’ireo zavatra hita maso. Raha mizatra miaina ao anatin’ny fiandrasana ny fisehoan’i Kristy isika, dia ho mora amintsika ny misaraka amin’izay hotsaraina sy holevonina rehefa ho tonga Izy.

Ny Jobily dia manome antsika fampianarana mahasoa momba io lohahevitra io. Isaky ny 50 taona, ireo tany novarotana dia averina amin’ireo tompony taloha. Noho izany, ny vidiny dia notapahina araka ny isan’ny taona mandalo mandra-pahatongan’ny Jobily ; tombanana ny vokatra mety ho azo mandra-pahatongan’ny Jobily ; arakaraka ny maha akaiky io fotoana io no maha mora ny vidin’ny saha (Levitikosy 25. 8-16). Aoka àry ny fahakaikezan’ny fiverenan’ny Tompo mba hanala amin’ireo zavatry ny tany izay manintona ny fontsika ! Ary araka ny fampirisihan’ny apostoly Petera, aoka isika hanantena tsara ny fahasoavana izay hoentina ho antsika amin’ny hisehoan’i Jesosy Kristy (1 Petera 1:13). Arakaraka ny fiandrasantsika ny Tompo amin’ny fomba velona sy tena misy no hialantsika amin’ny fitaoman’ireo zava-poanan’ny tany.

Aoka isika hitandrina ny toe-pontsika momba izany ! Ilay mpanompo ratsy fanahy dia nanao tao am-pony hoe :  Maharitra ela ny tompoko. Izany fanadinoana ny fiverenan’ny Tompo izany dia miteraka akony roa : fanaovana tsinontsinona sy fankahalana ny hafa (nikapoka ireo mpanompo namany izy), ary firaiketana amin’ireo filàn’ny nofo (mihinana sy misotro miaraka amin’ny mpimamo izy) (Matio 24:48 sy ny manaraka). Koa manan-danja lehibe tokoa ny fiandrasana ny Tompo, raha momba ny fanamasinana. “Ary izay rehetra manana izany fanantenana miorina aminy izany dia manadio ny tenany mba hadio tahaka Azy” (1 Jaona 3:3). Ny apostoly Petera aza dia manambara fa, amin’ny fitondrantenantsika masina sy ny toe-panahintsika araka an’Andriamanitra, dia afaka “mampahafaingana ny hiavian’ny andron’Andriamanitra” isika (2 Petera 3:12).

 

4.1.6  Ny fihetsika manoloana ny ratsy

Novakiantsika tao amin’ny  1 Petera 1:15-16 hoe : “Fa araka ny fahamasinan’Ilay niantso anareo, dia aoka mba ho masina koa ianareo amin’ny fitondrantena rehetra, satria voasoratra hoe : 'Ho masina ianareo, satria masina Aho' ”. Ny mpino maniry ny hanome voninahitra ny Tompo sy te handresy ireo fandrika rehetra ataon’ny fahavalo izany dia tsy maintsy manalavitra ny ratsy amin’ny endriny rehetra. “Mankahalà ny ratsy ; mifikira amin’ny tsara” (Romana 12:9). Alohan’ny zavatra rehetra, dia ilaina ny tsy mijanona eo amin’ny toerana misy tranga mety hitondra amin’ny fakam-panahy, na olona iarahana izany, na fialam-boly, na teny vakiana. Tsy maintsy ialàna ihany koa ny zavatra rehetra mampanalavitra antsika amin’Andriamanitra. Ho amin’izany rehetra izany no kendren’ny fampirisihina efa voalaza teo aloha, nataon’ny apostoly Petera : “Mazotoa mba ho hita tsy manan-tsiny amam-pondro eo anatrehan’ny Tompo amin’ny fihavanana” (2 Petera 3:14).

 

4.2  Ireo fahavalontsika

Ireo izay voatonona anarana ao amin’ny tsongan-dahatsoratra mahaliana antsika dia anisan’ireo fahavalontsika isanandro. Tsara ho antsika ny mailo, satria raha tsy mitandrina isika, dia tsy hanan-kery amin’ny andron’ny fakam-panahy sy ny ady.

 

4.2.1  Ny sitrapo manokana

Izy io dia antsoina ihany koa hoe ny “izaho”. Izany dia fisehoan’ny sitrapon’ny nofo te hifehy, te hitarika, te hanao zavatra manome toerana lehibe azy, ary manohitra rehefa tsy mahatanteraka izay notadiaviny. Raha mbola ny “izaho” no mandidy ao anatintsika, dia satria  mbola tsy nanaiky tanteraka sy feno ny toerana nametrahan’Andriamanitra antsika isika, izany hoe ny ho toy ny “maty miaraka amin’i Kristy”. “Tsy misy fanafahana lehibe mihoatra noho ny fanafoanana ny momba ny tena, amin’izay dia tsy manambonimbony tena intsony. Ary dia afaka ny ho faly eo imason’Andriamanitra” (J. N. Darby). Ho an’i Paoly, io “izaho” meloka sy mpampijaly io dia natao tsy hisy intsony eo amin’ny velona. “Tsy izaho intsony no velona” (Galatiana 2:20). Izay rehetra tsy avy amin’i Kristy dia avy amin’ny “izaho”, ary tsy afaka ny hatao ho an’ny aina. Andriamanitra tsy mangataka amintsika ny hanatsaratsara kokoa ny “izaho”; lazainy amintsika fa efa maty izany. Vonona ny hanaiky izany fanambarana izany amin’ny finoana ve isika ? Tombontsoa lehibe ny mahafantatra fa, ho an’Andriamanitra sy ho an’ny finoana, Kristy dia namarana, teo amin’ny hazofijaliana, io “izaho” mpirehareha fatratra sy tsy maha te ho tia io.

Fa ny vokatry ny asa nataon’i Kristy dia tsy hoe nanilika io “izaho” io fotsiny ihany ; nosoloiny lohany hafa tao anatintsika izany, dia Kristy. Izany no antony nanampian’ny apostoly hoe : “Fa Kristy no velona ato anatiko”. Kristy nitsangana tamin’ny maty no ain’izay rehetra mino, koa ny kristiana dia miaina ao amin’i Kristy sy ho an’i Kristy, eo anatrehan’Andriamanitra. Ny herin’izany aina izany dia ny Fanahy Masina, izay mitoetra ao anatin’ny mpino (1 Korintiana 6:19), mahatonga ny fifamatorana iankinan’aina mampifandray azy amin’i Kristy, ary mampiseho ny ain’i Kristy ao aminy. Ny raharaha lehibe ho antsika dia ny hanekena ireo fanambaran’Andriamanitra ireo amin’ny finoana, ary amin’izany, ny “izaho” dia tena ho voaongana, ho faty ary halevina.

 

4.2.2  Ireo filan-dratsy fahiny

“... tsy mitondra tena araka ny filanareo fahiny tamin’ny tsy fahalalanareo” (1 Petera 1:14). Olona niaina araka ny nofo no resahina eto, olona tsy nahalala ny Tompo sy ny fisainany (1 Petera 4:2). Ireo izay nanana tombontsoa nobeazina tao anaty fianakaviana kristiana dia voaro tamina filan-dratsy maro. Noho izany, tamin’ny fiovany fo, dia nisy fanovana nitranga tao aminy, fanovana anaty bebe kokoa noho ny ivelany. Isika rehetra dia ampirisihina mba tsy hanaraka ny fanaon’izao tontolo izao, fa ny mba hiova amin’ny fanavaozana ny saina (Romana 12:2). Aoka tsy hohadinointsika na oviana na oviana fa “Jesosy Kristy Tompontsika ...  nanolotra ny tenany noho ny fahotantsika, hanafahany antsika amin’izao miara-belona ratsy fanahy izao, araka ny sitrapon’Andriamanitra Raintsika” (Galatiana 1:4). Noho izany, dia tokony handà ny toe-panahy tsy araka an’Andriamanitra sy ireo filan-dratsin’izao tontolo izao isika, ary ho velona amin’ny onony sy ny marina ary ny toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’izao fiainana ankehitriny izao (Titosy 2. 12). Izao tontolo izao dia mety hahita izany fihetsika izany ho hafahafa (1 Petera 4:4), ary indraindray dia misy ny fanesoana sy ny fanevatevana hozakaina.

 

4.2.3  Ny torimaso ara-panahy

Ampirisihina hiambina isika, satria tandindomin-doza hatrany ho azon’ny torimaso ara-panahy. “Mbola hatory kely ihany, mbola ho renoka kely ihany, ary mbola hanohon-tànana kely hatory, dia ho tonga toy ny lehilahy mimaona hamely ny alahelonao, ary ny fahantranao ho toy ny jiolahy” (Ohabolana 6:10-11 ; 24:33-34). Tsy nihevitra ny hatory mihitsy tsy akory, fa naniry hiala sasatra kely fotsiny. Indray maraina dia handà tsy hifoha alohaloha mba hanombin-tsaina eo anatrehan’ny Tompo. “Tena ho zava-doza ve izany, izay indray mandeha fotsiny ?” Indray hariva dia tsy te hanatrika fivoriana ; mijanona ao an-trano. Manaiky hanao fomban’izao tontolo izao kely. Dia ho toy izany hatrany, mandra-pahatongan’ny fotoana hianjerana ao amin’ny torimaso ara-panahy lalina, miaraka amin’ireo vokany voalohany —ny fahantrana, ny tsy fisiana— izay tsy maintsy hitondra faharesena, fahamenarana, ranomaso angamba, amin’ny andro hanaovana ady.

 

4.2.4  Ny fahakiviana

Ny apostoly Petera dia mampirisika antsika mba tsy “ho lavo hiala amin’izay iorenanareo” (2 Petera 3:17). Ny mpino dia mety handalo fotoam-pahakiviana, na eo amin’ny asa fanompoany izany, na aoriana fizahan-toetra manokana. Toy izany no nampaherezan’i Paoly an’i Timoty, mba hamelomany ny fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra, izay ao anatiny (2 Timoty 1:6). Tsy miova ny Tompo eo amin’ny andro fifaliana sy ny andro fijaliana. Ny apostoly Paoly, izay voazaha toetra matetika, dia nianatra ny ho faly tao anatiny (tsy hoe fihetsika ivelany fotsiny ihany) eo amin’ny trangan-javatra misy azy, na inona na inona izany (Filipiana 4:11). Raha kivy isika, dia aoka handinika ny anton’ny maha kivy antsika, ary hametraka ny alahelontsika eo an-tongotr’Ilay efa nandalo fitsapana toy izany ka miara-mitondra ny fahalementsika (Hebreo 2:18 ; 4:15) ; dia hiaina ny niainan’i Paoly isika, izay nilaozan’ny rehetra kanefa tsy kivy, fa niteny hoe : “Ny Tompo nitsangana teo anilako ka nampahery ahy” (2 Timoty 4:17 ; jereo koa 2 Korintiana 4:8-9).

Araka izany, isika dia tsy ho ireo tokony hilazan’ny Tenin’Andriamanitra hoe : “Raha reraka amin’ny andro fahoriana ianao, dia kely ny herinao” (Ohabolana 24:10).

 

4.2.5  Ny menarana sy ny liona

Satana dia manana fomba roa iasana, ny iray atao kisarisary amin'ny menarana, ary ny iray amin'ny liona mierona. Eo amin’ny fomba voalohany izy dia mampiasa hafetsena, lainga ; maka endrika anjelin’ny fahazavana izy mba hamafazana ny fahadisoana. Izy dia ilay mpanangoly miezaka ny handoto ny saina, na ny an’ireo mpino aza. Raha tokony handray am-pahatsorana sy am-pinoana ny fanambaràna, dia ampiana izany, na anesorana, na afangaro ny fijerin'ny tena manokana. Ary ny fisainana dia voaodina tsikelikely amin’ny fahatsorana momba ny Kristy (2 Korintiana 11:3). Ny mpino tanora, indrindra ireo mbola mianatra, dia tsy maintsy mailo, mba tsy ho voataona amin’ny “fahadisoan’ny ratsy fanahy”.

Rehefa miseho ho liona mierona indray ny devoly, dia mampiasa herisetra, fanenjehana, vonoan’olona. Na dia efa elaela aza no tsy nahafantarantsika azy ho toy izany  intsony tatỳ amin’ny tanintsika, dia aoka isika ho mailo hatrany.

 

4.3  Ireo loharanon-kery ananantsika

4.3.1  Ny fahasoavan’Andriamanitra

Ny apostoly Petera dia niaina izany manokana, satria navaozina tanteraka tamin’izany fahasoavana izany izy rehefa avy nandà ny Tompo Jesosy. Izany no nahafahany nanambara fa ny fahasoavana itoerantsika izany “no tena fahasoavan’Andriamanitra” (1 Petera 5:12). Ilay “Andriamanitry ny fahasoavana rehetra” dia hampiorina sy hampitoetra ny olony (1 Petera 5:10). “Aoka hihahery amin’ny fahasoavana izay ao amin’i Kristy Jesosy”, hoy ny nosoratan’ny apostoly Paoly tamin’i Timoty. Toy izany ny loharanon-kery voalohany ho an’ny mpino.

Ny tanjon’ny fahasoavan’Andriamanitra dia tsy ny hanala antsika amin’ny fakam-panahy, fa ny mba handresentsika izany. Manome toky amina zavatra roa Andriamanitra momba izany : 1° Tsy hamela antsika na oviana na oviana ho azon’ny fakam-panahy mihoatra noho izay zakantsika Izy. 2° Ary momba ny fakam-panahy, dia hasiany lalana ihany koa hahafahantsika, mba hahazakantsika izany (1 Korintiana 10:13). Arakaraka ny maha lehibe ny fahalementsika no mampiharihary ny heriny.

Aoka tsy hitady, ao amin’ny tenantsika manokana, hery sy fahendrena, fa aoka hianoka tanteraka amin’ny fahasoavan’Andriamanitra, Izay namela ny helotsika, nampahery antsika, nampianatra antsika. “Ary Andriamanitra mahay mampitombo ny fahasoavana rehetra aminareo, mba hanananareo ny onony rehetra mandrakariva amin’ny zavatra rehetra, ka hitombo amin’ny asa tsara rehetra” (2 Korintiana 9:8). “Tsy misy toerana ipetrahana olomasina, izay tsy hahafahany mitady ny fanatrehan’Andriamanitra mba ho voavonjy ” (J.N. Darby).

 

4.3.2  Ny Tenin’Andriamanitra

Amin’ireo loharanon-kery omen’Andriamanitra antsika, noho ny fahasoavany, mba hahafahantsika miatrika ho mpandresy eo amin’ny adin’ny finoana, dia ny Teny, izay velona sy mitoetra lalandava, no tena anisan’ny manan-kery indrindra. Ny fampirisihina avy amin’ny Teny dia anisan’ny fikarakaran’Andriamanitra, mba hanadio antsika ho afaka amin’ny fahalotoana amin’ny nofo sy ny fanahy (2 Korintiana 7:1). Ny Teny dia miasa ao amin’ny fieritreretantsika, amin’ny herin’ny Fanahy Masina Izay miteraka ao anatintsika fitiavana feno fahamasinana ary manafaka antsika amin’ny fanapahan’ny ota. Izany no antony nangatahan’ny Tompo tamin’Andriamanitra, taloha kelin’ny handaozany ny mpianany, hoe : “Manamasìna azy amin’ny fahamarinana ; ny teninao no fahamarinana” (Jaona 17:17).

 

4.3.3  Ny vavaka

Vao “marainalinakoa” Jesosy dia nankany an-tany foana mba hivavaka (Marka 1:35). Ny hariva, teo an-tendrombohitra, dia mbola nivavaka Izy (6:46). Impiry moa Izy no namerimberina tamin’ny mpianany hoe : “Miareta tory ka mivavaha”.

Ny tsy fitandreman’i Petera izany no nahatonga azy ho azon’ny fakam-panahy, kanefa ny Tompony, Izay niatrika ady tao Getsemane, dia “nivavaka mafimafy kokoa” (Lioka 22:44). Ary noho ny vavaka nataon’i Jesosy no nanarenana azy mba hahafahany hampahery ireo rahalahiny (Lioka 22:32) sy hamahana ny ondrin’ny Tompo (Jaona 21:17).

Namela fianarana ho antsika Jesosy, mba hanarahantsika ny diany (1 Petera 2:21).

 

4.3.4  Ny fiombonan’ny mpirahalahy

Ny fifankatiavan’ny mpirahalahy dia loharanon-kery tena sarobidy mba hampiorina tsara ny mpino. Fampaherezana toa inona tokoa mantsy no azo eo amin’ny fifampirisihina, na miaraka na mandeha tsirairay, ao amin’ny fifankatiavana mampiray amin’i Kristy ireo mpino mbola tanora fanahy, izay afaka miara-mivavaka, mifampizara ny zava-niainany, ny olana eo aminy ; ohatra hoe mifanaraka ny hamaky tsirairay avy boky iray ao amin’ny Baiboly, ary avy eo miresadresaka momba izany amin’ny alalan’ny taratasy, na rehefa sendra mihaona ; miara-miady, na dia mifanalavitra aza, amina fanelanelanana mitombina tsara momba ny zavatra manokana ilaina. Amafisinay tokoa ny lanjan’ny fiombonan’ny mpirahalahy eo amin’ny fiainana andavanandro, mifandraika amin’ny fanamasinana. “Satria efa nodiovinareo ny fanahinareo tamin’ny fanarahana ny fahamarinana ho amin’ny fitiavan-drahalahy tsy miangatra, dia mifankatiava fatratra amin’ny fo” (1 Petera 1:22).

 

4.3.5  Ny fanantenana ilay fanafahana

Etỳ an-tany, ny mpino dia miaritra fanomanana  anaty, mitsinjo ilay fotoana feno voninahitra hampidirana azy ho eo akaikin’ny Tompo. Arakaraka ny tena iandrasantsika ny fiverenan’ny Tompo no hamilian’ny Fanahy Masina antsika tsy hijery zavatra hafa, fa kosa hibanjina an’i Kristy. Mba ho amin’ny fiaviany tsy ho ela no iantsoana antsika hanadio tena. “Antenao tsara ny fahasoavana izay hoentina ho anareo amin’ny hisehoan’i Jesosy Kristy” (1 Petera 1:13). “Kanefa isika, araka ny teny fikasany, dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran’ny fahamarinana” (2 Petera 3:13). Ny tanjona faratampony momba ny famonjena antsika dia ny voninahitry ny Tompo. Izany voninahitra izany dia hamirapiratra tokoa “raha tonga Izy mba hankalazaina eo amin’ny olony masina sy higagana eo amin’izay rehetra mino amin’izany andro izany” (2 Tesaloniana 1:10). Raha raisina tanteraka amin’ny finoana izany fanantenana be voninahitra izany, dia loharanon-kery mahery eo amin’ny lalana mankany amin’ny fanamasinana : “Ary izay rehetra manana izany fanantenana miorina aminy izany dia manadio ny tenany mba hadio tahaka Azy” (1 Jaona 3:3).

 

4.3.6  Ny fifikirana amin’ny Tompo

Ny fampirisihina farany ataon’ny apostoly Petera amintsika, dia ny hitomboantsika ao amin’ny fahasoavana sy ny fahalalana ny Tompo sy Mpamonjy antsika, dia Jesosy Kristy (2 Petera 3:18). Ny modelin'ny fahamasinana dia ao amin’i Kristy. Koa enga anie isika mba ho afaka hahalala ny Tompo ary hanahaka Azy bebe kokoa ! Ny fototry ny fahamasinana ao amintsika, averina eto izany, dia ny fiainam-baovao noraisintsika tamin’i Kristy nitsangana tamin’ny maty, miaraka amin’ny Fanahy Masina Izay nampiray antsika taminy, toy ny rantsana miray amin’ny foto-boaloboka, izay zavamaniry iray ihany miaraka aminy ary miaina ny fiainany. Izany ain’i Kristy izany dia Izy mihitsy ao anatintsika : tsy mety ho voan’ny herin’ny ota. “Izay rehetra naterak’Andriamanitra no tsy manota, satria ny voany mitoetra ao anatiny, ary tsy mahay manota izy, satria naterak’Andriamanitra” (1 Jaona 3:9). Kristy nanjary fiainantsika no modely, ny loharano sy ny hery ho amin’ny fanamasinana ao amintsika.

Ny fanamasinana iainana andavanandro dia avy amin’ny fifikiran’ny fo amin’ny Tompo. Izany fifikirana izany dia aseho amin’ny fiainam-piombonana isanandro aminy sy ny fanoloran-tena hanompo Azy. Nefa ny Tompo dia tsy manery na iza na iza ary miandry ny hanokafantsika ny varavaran’ny fontsika. Koa dia hiditra eo amin’ny fiainantsika Izy, handray an-tanana izany, hanjary ho tompon’izany. “Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondòna ; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko” (Apokalypsy 3:20).

 

5  TOKO 4 — Ny ady

Vakio : Efesiana 6:12 ; Jakoba 1:2-4, 12-15

 

Ny Tenin’Andriamanitra dia manambara fa “isika tsy mitolona amin’ny nofo aman-dra, fa amin’ny fanapahana sy amin’ny fanjakana sy amin’ny mpanjakan’izao fahamaizinana izao, dia amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra” (Efesiana 6:12). Ireo fahavalotsika izany dia i Satana sy ny mpanaraka azy, na hita maso na tsia. Eo amin’izany ady izany, ny finoana dia matoky Ilay Mpandresy, Ilay Namana tsitoha, Izay azontsika ianteherana amin’ny fotoana rehetra. Izy no “miady ny aditsika” ary mandrobaka ny fandresena rehetra.

 

5.1  Ireo tanjon’i Satana

Tanjona telo no katsahin’i Satana :

  • Ny tsy hamela ny mpino hisitraka ny toerany ao amin’i Kristy sy ireo fitahiana rehetra mifandraika amin’izany. Izany dia kisarisarin’ireo fahavalo nonina tao amin’ny tany Kanana, izay tsy maintsy resen’ny Israely mba hahafahany miditra sy misitraka izany tany izany.

  • Ny hanakorontana ny mpino amin’ny fitaka maro samihafa mba hanodinany ny fony hiala amin’ny Tompo, araka izay azo atao. Ny fo tsy manana an’i Kristy ho antony dia vonona ny hilavo lefona.

  • Ny hitarika ny mpino hanota, ary amin’izany, hanala baraka ny Tompo ; tsy hisitraka ny fiombonany amin’ny Tompo intsony ny mpino ka ho very ny fifaliany sy ny heriny rehetra, satria nampalahelo ny Fanahy Masina ao anatiny izy.

 

5.2  Ireo fiadian’i Satana

Ny fahavalo —izay hojerentsika amin’ny toetra-na menarana ananany fa tsy toetra-na liona mierona— dia mampiasa fiadiana roa samihafa : ny filan’ny nofo sy ny filan’izao tontolo izao.

 

5.2.1  Ny filan’ny nofo

Ny nofo, izay toetra ratsy nolovaina tamin’i Adama (izay antsoina ihany koa hoe ilay toetra taloha na ny ota (*)) dia manana “filana”. Izany dia ireo fanirian’ilay toetra taloha. Raha tanteraka izany filana izany, dia miteraka “ny asan’ny nofo” (**), izay samy fahotana tsy misy avahana. Koa dia nampitandrina ireo mpianany ny Tompo hoe :  “Mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaran’ny vokatry ny fisotroan-toaka sy ny fahamamoana ary ny fiahiahian’izao fiainana izao” (Lioka 21:34).

 

(*) Efesiana 4:22 : «Ny toetranareo taloha …, izay mihasimba araka ny filan’ny fitaka ». — Romana 7:8 : « Ny ota nampihetsika ny fitsiriritana rehetra tato anatiko ».

(**) Voafariparitra indrindra ao amin’ny Galatiana 5:19-21 sy ao amin’ny Kolosiana 3:5-7.

 

5.2.2  Ny filan’izao tontolo izao

Izao tontolo izao no sehatra anjakan’i Satana, ilay andrianany (Jaona 14:30). Rafitra midadasika izy io, natao hanomezana fahafaham-po ireo filan’ny olombelona, ary mandà tanteraka an’Andriamanitra, na dia any amin’ny hetsika ara-pivavahana aza. “Fa ny zavatra rehetra eo amin’izao tontolo izao ... dia tsy avy amin’ny Ray” (1 Jaona 2:16). Izany dia ny filan’ny nofo, ny filan’ny maso, ny rehaka momba izao fiainana izao. Misy mira-zotra eo amin’ireo zavatra telo ireo, etsy andaniny, ary ireo singa telo momba ny fakam-panahy nahazo an’i Eva, etsy ankilany (Genesisy 3:6). Hitany ilay voankazo fa

  • tsara ho fihinana (filan’ny nofo, izany hoe ireo fanirian-dratsy te hanome fahafaham-po ny fahatsapana, na ireo fahafinaretana miangetsana izany na ireo fahafinaretana kivalavala) (*);

  • mahafinaritra ny maso (filan’ny maso : ny fihetsehan’ireo filan-dratsy amin’ny zavatra jerena) ;

  • mahatsiriritra hampahahendry (ny rehaka momba ny fiainana : ny fanirian’ny olona “hitovy amin’Andriamanitra”, hisandratra mihoatra noho ny hafa, ny eboebo, ny saina te hanapaka).

 

(*) Ny filan’ny nofo voalaza ao amin’ny 1 Jaona 2:16 dia milaza indrindra momba ny firaisana ara-nofo, ny teny hoe « nofo » eto dia mahakasika ny vatana fa tsy ny foto-kevitra momba ny ota mifandraika amin’ny toetra taloha, toy ny hita matetika ao amin’ireo taratasy nosoratan’ny apostoly Paoly.

 

5.3  hamantatra

Manoloana ireo fanapahan-kevitra sasantsasany, dia antsoina ny mpino mba hamantatra ny atao hoe filana na faniriana mari-pototra. Nantsoina ho amin’ny fahafahana isika, kanefa tokony hiambina mba tsy ampiasa ny fahafahana hanaraka ny nofo (Galatiana 5:13). Ny fahafahana niantsoana antsika dia ny fahafahana hanompo sy hanome voninahitra an’Andriamanitra. Ary koa, ny zavatra rehetra dia azo atao, nefa tsy ny zavatra rehetra no mahasoa na mampandroso (1 Korintiana 10:23). Mandritra ny fiainany, ny mpino izany dia voaantso hanao safidy (Deoteronomia 30:19, 20). Raha mahay manavaka ara-panahy izy ary matahotra an’Andriamanitra, dia tsy ho sarotra aminy ny hamantatra ny sitrapon’Andriamanitra, satria “ny fisainan’i Jehovah asehony amin’izay matahotra Azy” (Salamo 25:14). Ny apostoly Paoly dia tsy nitsahatra nangataka tamin’Andriamanitra mba hofenoina fahalalana tsara ny sitrapon’Andriamanitra ireo Kolosiana, amin’ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina ara-panahy, mba handehanany mendrika ny Tompo sy hanaovany ny sitrapony amin’ny zavatra rehetra. Izany fahendrena sy fahazavan-tsaina izany dia avy amin’ny Fanahy. Arakaraka ny hiainantsika eo akaikin’Andriamanitra no hahafantarantsika bebe kokoa ny sitrapony. Fa raha toa ka ny sitrapo manokana na ny tsy fahalalana no mitranga, dia tsy hisy ny fahazavana.

 

Rehefa handray fanapahan-kevitra iray isika, dia tokony hametraka ireto fanontaniana manaraka ireto :

 

5.3.1  Inona no lazain’ny Tenin’Andriamanitra ?

“Raha tia Ahy ianareo, dia hitandrina ny didiko” (Jaona 14:15), hoy ny Tompo. Ny mpino izany dia tsy manao izay rehetra raran’ny Teny mazava tsara, ary tsy am-pihambahambana (jereo ohatra Efesiana 5:3 sy ny manaraka). Raha toa ka tsy misy fandrarana mazava, dia tsy maintsy manontany tena izy hoe :

 

5.3.2  Manome voninahitra an’Andriamanitra ve izany ? Ankasitrahin’ny Tompo ve ?

Hoy tokoa mantsy ny Teny amintsika : “Na mihinana na misotro ianareo (izany hoe na dia eo amin’ny zavatra tsotra indrindra eo amin’ny fiainana aza), na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany” (1 Korintiana 10:31). Ny Teny ihany koa, ao amin’ireo tsongandahatsoratra maro, dia mampirisika antsika mba hikatsaka ny fankasitrahan’ny Tompo amin’ny zavatra rehetra, mba hitsapa (handinika) izay mahafinaritra Azy (Kolosiana 1:10 ; Efesiana 5:10 ; 2 Korintiana 5:9). Farany, ny Tompo dia te hijanona ho Ilay Modelintsika amin’ny zavatra rehetra. “Ny mpianatra tsy mihoatra noho ny mpampianatra ; fa izay rehetra tanteraka dia ho tahaka ny mpampianatra azy ihany” (Lioka 6:40). Araka izany dia “haseho ao amin’ny tenanay koa ny fiainan’i Jesosy” (2 Korintiana 4:10).

 

5.3.3  Hahasoa ilay olom-baovao ve sa ny nofo ?

Mora ny mamaly izany fanontaniana izany, satria tsy ho sarotra ny hahatakatra hoe ny zavatra kasaina hatao dia ny “ela” sa ny “vaovao” (Lioka 5:39), raha toa izany sakafo izany ho an’ny nofo (Romana 13:14) na ho an’ilay olom-baovao.

 

5.3.4  Afaka ve aho momba ny fieritreretan’ny rahalahiko ?

Mason-tsivana iray tsy dia raharahaina loatra izy ity, noho ny fitiavan-tena : satria manana ny fahafahana rehetra hanao zavatra izatsy sy izaroa, dia tsy miasa saina na handona ny fieritreretan’ny rahalahiny na koa aza hahatonga fahalavoana ho azy izany. Nefa ny tsirairay dia ampirisihina mba tsy hanao izay “mahatafintohina ny rahalahiko” (1 Korintiana 8:13). “Aoka tsy hisy olona hitady ny hahasoa ny tenany, fa ny hahasoa ny namany” ary hanaja “ny fieritreretan’ny olon-kafa” (1 Korintiana 10:24, 29).Tsy tokony ho hadinointsika na oviana na oviana izao foto-kevitra lehibe izao : “Aoka isika rehetra samy hitady izay hahafaly ny namantsika amin’izay hahasoa sy hampandroso azy” (Romana 15:2).

 

5.4  Ireo fiadiantsika

Eo amin’ny ady ataony anoherana ireo fahefan’ny devoly, ny mpino dia tsy tokony hanala ao an-tsainy izao zava-dehibe misy izao, hoe fahavalo efa resy no atrehany. “Anaka, ianareo dia avy amin’Andriamanitra ary efa naharesy ireny, satria lehibe Izay ao aminareo noho izay ao amin’izao tontolo izao” (1 Jaona 4:4). “Izay ao amintsika” dia Kristy ao amin’ny herin’ny Fanahy, Kristy Ilay Mpandresy lehibe nandresy an’i Satana. Nandringana azy Izy (Hebreo 2:14), nesoriny tsy ho eo amin’ny tenany ny fanapahana sy ny fahefana (ny fiadiany) (Kolosiana 2:15), nitondra azy ho babo Izy (Efesiana 4:8). Tsy ho ela dia holevonin’Andriamanitra tanteraka izy, amin’ny alalan’ireo olo-masina : “Andriamanitry ny fiadanana hanorotoro an’i Satana faingana eo ambanin’ny tongotrareo”(Romana 16:20).

Ny mpino izany dia tsy manana antony tokony hamoizany fo ao anaty faharesena, ka hanome an’i Satana fahefana mihoa-pampana. Tsy hoe miandany amin’Ilay Mpandresy fotsiny ihany izy, fa koa manana fampanantenana ny ho mihoatra noho ny mpandresy ao amin’i Kristy : “Amin’izany rehetra izany dia manoatra noho ny mpandresy isika amin’ny alalan’Ilay tia antsika” (Romana 8:37). Io tsongandahatsoratra farany io dia mampivohitra ny toerana voalohany misy ny fandresena, izay efa nolazaina tany amin’ny fiandohan’ity toko ity : ny mpino, mba hivoaka ho mpandresy, dia tsy maintsy mitoetra ao amin’i Kristy ary tsy hiantehitra amin’ny heriny manokana. Amin’izany izy dia hiaina izay niainan’ny apostoly Paoly : “Fa ny fahalemeko no fahatanjahako”(2 Korintiana 12:10). Malemy izy raha momba ny tenany, fa matanjaka kosa raha momba an’i Kristy. “Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’Ilay mampahery ahy” (Filipiana 4:13).

Mba hiatrehana ny fahavalo dia tsy maintsy ilaina ny mitafy ireo fiadiana atolotr’Andriamanitra antsika, "fa tsy avy amin’ny nofo ny fiadian’ny tafikay, fa mahery amin’Andriamanitra” (2 Korintiana 10:4). Misy karazany telo izy ireny :

 

5.4.1  Ireo fiadian’ny mazava

Ny Tenin’Andriamanitra dia manasa antsika hanary ny asan’ny maizina sy hitafy ny fiadian’ny mazava (Romana 13:11-14), ho “zanaky ny andro” (1 Tesaloniana 5:5), handeha toy ny zanaky ny mazava, satria isika dia mazava ao amin’ny Tompo (Efesiana 5:8). Ny kristiana tokoa mantsy dia voaantso hitoetra etỳ an-tany, eo amin’ny fanatrehana masin’Andriamanitra, ao amin’ny mazava. Naterak’Andriamanitra izy, Andriamanitra Izay mazava, mba ho “zanaky ny mazava”, hany ka izay rehetra tsy mifanaraka amin’ny fahazavan’ny fanatrehan’Andriamanitra dia tsy maintsy hotsaraina toy ny fihetsehan’ny nofo. Izay mitoetra ao amin’io mazava io dia manavaka avy hatrany izay rehetra tsy mifanaraka aminy, ary tsy ela izy dia miaiky izany. “Fa na inona na inona aseho dia mazava” (Efesiana 5:13). Raha tsara ny toe-panahintsika, dia tsy matahotra mihitsy io mazava io isika, satria inona moa no hanafenantsika an’izao sy izao amin’Andriamanitra ? Mifanohitra amin’izany aza, tiantsika ny mitoetra ao amin’ny fahazavany, mba hiditra any amin’ny elakelany miafina indrindra ao anatintsika izany, ary mampiseho izay rehetra mety ho “làlana mampahory” (Salamo 139:23, 24). Ny fahazavana no fiadian’ny fanahintsika, ary raha mitafy izany isika, dia ho voaaro amin’ny fitaomana manimba ataon’ny maizina manodidina ; ny zavatra ho hitantsika dia hitovy amin’ny fahitan’Andriamanitra azy ; ho fantatsika ny tena lanjan’izany. Inona, eto amin’ny asa ataontsika eto an-tany, no mbola hanana lanja, rehefa hazavaina ao amin’ny fitsaran’i Kristy ny zavatra rehetra ?

 

5.4.2  Ny fiarovan-tratran’ny finoana sy ny fitiavana, ny fiarovan-dohan’ny fanantenana ny famonjena (1 Tesaloniana 5:8)

Ny mpino dia tokony hibanjina an’i Kristy, Ilay anton’ny finoana ; io antony io, ny fitiavana no mampitoetra izany ao am-po, izay feno azy amin’izany, ary voaaro amin’ny eboebon’izao tontolo izao izy, satria amin’ireny no hiezahan’ny fahavalo hanala azy amin’ny Tompo. Ny fiarovan-dohan’ny fanantenana ny famonjena dia natao hiaro ny fisainantsika, mba tsy ho voavily amin’ny fiandrasana velona ny Tompo izany fisainana izany, satria feno ireo zavatra tsy hita maso sy maharitra mandrakizay. 

 

5.4.3  Ny fiadian’Andriamanitra rehetra (Efesiana 6:10-20)

Singa fito no mandrafitra io fiadiana io : ny fehikibon’ny fahamarinana, ny fiarovan-tratran’ny rariny, ny kiraro ikiraroana mba ho vonona hitory ny filazantsaran’ny fihavanana, ny ampingan’ny finoana izay hahazoantsika mamono ireo ny zana-tsipìka mirehitra alefan’ilay ratsy, ny fiarovan-dohan’ny famonjena, ny sabatry ny Fanahy (ny Tenin’Andriamanitra), ny vavaka. Izany fiadiana izany dia ilaina mba hiatrehana am-pandresena ny ady atao amin’ireo fahefan’ny ratsy, izay miezaka hanala amin’ny mpino ny fisitrahana ny lovany any an-danitra.

 

5.5  Ohatra olona niatrika ady (*)

5.5.1  Josefa (Genesisy 39:7-12)

Josefa dia nandà (and 8), natahotra an’Andriamanitra (and 9), tsy nihaino ilay vehivavy mpanangoly (and 10), nandositra (and 12). Ny fandresena matetika dia avy amin’ny fandavana mafy sy hentitra, na inona na inona ho vokany.

 

(*) Ankoatra ny momba an’i Josefa, ny ady niatrehan’ireo olona alaina ohatra eto dia tsy mahakasika ny fanamasinana. Toy izany koa ny momba ireo fandresena alaina ohatra, izay voatanisa ao amin’ny pejy 96 sy ny manaraka. Ireo anefa dia ahafahana mampivoitra fampianarana vitsivitsy amin’ny ankapobeny, ampiharina ihany koa amin’ny ady amin’ny ota. Noho izany, ny mpino rehetra te “hikatsaka ny fahamasinana” dia hahazo tombony azo antoka amin’ny fandinihana ataony.

 

5.5.2  Mosesy (Eksodosy 17:8-16)

Ny vahoaka voaavotra tamin’ny fahafatesana noho ny ran’ny zanakondrin’ny Paska dia kisarisarin’ny fanafahana tamin’ny fanandevozana tany Egypta raha namakivaky ny Ranomasina Mena. Koa dia nandroso tany amin’ny taniefitra izy ary nifanena tamina fahavalo lozabe, ny Amalekita, izay soritr’endriky ny nofo, ary ny mpino dia mahita ny heriny mampidi-doza rehefa avy miova fo. Niady ny vahoaka, ary Mosesy dia niakatra tany an-tendrombohitra mba hiady miaraka aminy tamin’ny alalan’ny fifonana. Io ady nataon’i Mosesy io dia manome antsika lesona efatra :

1° Mosesy dia nangataka ny herin’Andriamanitra, sariohatry ny tehin’Andriamanitra (and 9)

2° Nangataka ny fiombonana izy : nentiny niaraka taminy i Arona sy i Hora (and 10). Ny miara-miady dia loharanon-kery sarobidy ho an’ny finoana. “Maharitra amin’ny fanahy iray ianareo ka miray fo hiara-miezaka hampandroso ny finoana ny filazantsara, ka tsy ho azon’ny fahavalo ampitahorina ianareo na amin’inona na amin’inona” (Filipiana 1:27, 28). Aoka tsy hotsinontsinoavintsika ny mitondra fanampiana (na amin’ny vavaka, na amin’ny fampaherezana mivantana) ho an’ireo izay miatrika ady : “Lazao amin’izay reraka am-po hoe : Mahereza, aza matahotra” (Isaia 35:4). Mahasoa tokoa ny asa fanompoan’ireo mahay manatanjaka ny tanana miraviravy sy ny lohalika malemy (Hebreo 12:12).

3° Mosesy dia nandray anjara tamin’ny adin’ny Israely amin’ny alalan’ny fifonana (and 11). Tsy miady irery isika ; Kristy dia mifona ho antsika (Romana 8:34 ; Hebreo 7:25). “Fa satria nalaim-panahy ny tenany tamin’ny fahoriana nentiny, dia mahavonjy izay alaim-panahy koa Izy” (Hebreo 2:18).

4° Tsy nangozohozo izy (and 12) “mandra-pahafatin’ny masoandro”. Aoka isika tsy hety ho ketraka amin’ny halavan’ny ady, fa aoka “ampahatanjahina amin’ny hery rehetra araka ny herin’ny voninahiny ho amin’ny faharetana rehetra sy ny fandeferana amin’ny hafaliana” (Kolosiana 1:11).

 

5.5.3  Israely

Ny tantaran’ny Israely, izay matetika miatrika ady, dia mitondra fampianarana maro ho antsika.

Tamin’ny andron’i Debora dia niroborobo fatratra ny fanompoan-tsampy, hany ka tsy nieritreritra intsony hiomana ny hiatrika ady ny Israely. “Nifidy andriamani-baovao ny olona, ary tamin’izay dia nisy ady hatrany am-bavahady. Moa nisy ampinga na lefona na dia iray akory aza hita va teo amin’ny olona efatra alina tamin’ny Israely ?” (Mpitsara 5. 8).

Ny sasantsasany tokony ho afaka niady dia tavela tany andafin’i Jordana, tsy nanana fifandraisana tamin’ireo rahalahiny, ny hafa kosa dia nanjary tsy niraika tamin’ny toerana mahantra nisy ny vahoaka : “Gileada nitoetra tany an-dafin’i Jordana ; ary nahoana Dana no nitoetra tany an-tsambo ?

Asera nitoetra tany amoron-dranomasina, ary teny amin’ny fitodiany no nipetrahany” (Mpitsara 5. 17). Mampiavaka antsika tokoa matetika io tsy firaikana amin’ny rahalahintsika amperin’ady io : fitiavan-tena, tsy fisian’ny fiombonana sy fifankatiavan’ny mpirahalahy ! Enga anie isika hanahaka ny ohatr’ireo nahatoky tao Zebolona sy Naftaly : “Zebolona dia firenena nanao tsinontsinona ny ainy, na dia ho faty aza, ary Naftaly koa teo amin’ny fitoerana avo any an-tsaha” (Mpitsara 5. 18).

Tamin’ny fiandohan’ny nanjakan’i Saoly dia tsy nisy toy izany ny faharavan’ny vahoaka, hany ka dia nanjavona mihitsy ny finiavana mba hiaro-tena. Nioko tamin-kafetsena tokoa ny fahavalo ka tsy nisy mpanefy intsony tao amin’ny firenena Israely manontolo. “Fa hoy ny Filistina : Andrao manefy sabatra na lefona ny Hebreo... Ary tamin’ny andro niadiana dia tsy nisy sabatra na lefona hita teny an-tànan’ny vahoaka rehetra” (1 Samoela 13:19, 22). Izany no hafetsena faratampony ananan’i Satana mba hitarihina antsika hanaisotra ny fiadiana, mba hahatonga antsika ho eo ambany vahohony.

Mety hitranga ihany koa ny hoe, na dia mirongo fiadiana aza ireo mpiatrika ady dia miamboho, amin’ny andron’ny ady, ary mandositra : “Ny zanak’i Efraima, izay nitondra tsipìka hitifirany,

dia niamboho tamin’ny andro fiadiana” (Salamo 78:9). Ny Teny dia mampirisika antsika mba hamahatra tsara eo amin’ny fiantombohan’ny ady, mandritra ny ady ary rehefa mifarana ny ady (Efesiana 6:11, 13, 14).

 

6  TOKO 5 — Fahalavoana sy fanarenana

Vakio : 2 Samoela 11:27 ; 12:1-9, 13-23 ; Salamo51

 

6.1  Anton'ny fahalavoana sy ny niandohany

Ny antony hita matetika dia ireto :

 

6.1.1  Tsy fahamailoana sy tsy fijoroana mafy

Amin’ireo fepetra ara-toe-panahy ilaina amin’ny fanomanana ny mpino amin’ny ady, dia ny fahamailoana, ny fijoroana mafy sy ny fahononan-tena no manana lanja lehibe voalohany indrindra. Raha tsy eo izany dia tratran’ny fahavalo amina fakam-panahy tsy tsapa akory isika noho ny tsy fahamailoana. Aoka àry hitandrina eo amin’ny tranga misy antsika na hidirantsika ankitsirano. Ao amin’ny fanoharana ataony (2 Samoela 12:1-6), Natana dia miresaka momba ny mpivahiny iray : nisy trangan-javatra tsy nampoizina niseho, nisy ny fotoana azo araraotina. Ny Ohabolana dia miresaka amintsika momba ny tovolahy iray nitsangatsangana teny amin’ny arabe fa tsy nanan-javatra atao, ary niditra tao an-tranona vehivavy janga iray izy (Ohabolana 7:6 sy ny manaraka). Fijery feno fitsiriritana iray, dia voasarika ny fo, ary ny tongotra manaraka ny fo. Izany no anasan’ny Tompo Jesosy antsika mba hanaisotra ny masontsika sy hanapaka ny tanantsika na ny tongotsika, raha toa ka ireo no hanafintohina antsika (Matio 5:29-30 ; 18:8-9 ; Marka 9:43-48) : ny maso izay hidiran’ny fakam-panahy ho ao am-po, ny tanana manao zava-dratsy, ny tongotra mitondra any amina toerana tsy ahafahan’ny Tompo hiaraka amintsika.

 

6.1.2  Fahalainana sy torimaso ara-panahy

Mitovy amin'ny teo aloha ihany ireo toetra ireo, saingy mafimafy kokoa : ny ratsy ao anaty no mandoza kokoa. Raha tokony hitarika ny miaramilany mba hiady i Davida, dia naleony “nijanona tany Jerosalema ihany” (2 Samoela 11:1). Teo àry izy fa tsy nanan-katao : “Ary nony harivariva, dia niala tao am-pandriany Davida” (and 2). Hafetsena ampiasain’i Satana matetitetika izany : mandrisika antsika mba tsy hanao na inona na inona. Aoka àry halavirintsika ny tsy fanaovana na inona na inona, indrindra amin’ny hariva, indrindra ihany koa rehefa irery isika, angamba any amina tanana vahiny. Ny “fandriana” no niantombohan’ny fakam-panahy ho an’i Davida, ary mbola ho antsika ihany koa matetika, ka mahatonga ny fahalavoana, ny henatra, ny famaizana.

Koa miambena àry ! Raha miasa mafy ho an’ny Tompo isika dia ho voaaro amina fakam-panahy maro. Aoka isika hiambina amin’ny hakamoana sy ny faharendremana. Tsongandahatsoratra maro no mamariparitra ny fitondrantenan’ny kamo sy ny vokatry ny tsy fanaovana na inona na inona. Voalohany indrindra, raha tokony hanangona ny fihinany amin’ny fararano toy ny vitsika, dia sondrian-tory izy amin’ny taom-pijinjana (Ohabolana 6:6, 8 ; 10:5). Tokony hanana fotoana isika hivelomana amin’ny Tenin’Andriamanitra, hanangona ny fihinana mandritra ny fararanon’ny fiainana, hameno ny fitadidiana mbola tanora amina “hanina” mbola ho “hitanao... rehefa ela” (Mpitoriteny 11:1), mba hivelomana sy hozaraina amin’ny hafa ; nefa manahy ny ezaka takian’izany fandinihina izany isika ka “sondrian-tory amin’ny taom-pijinjana”.

Marina fa mamaky ny Baiboly isanandro isika ary mamonjy ireny fivoriana isan-karazany ireny, kanefa tsy mandray izay heno. “Mangarona ny eo an-dovia amin’ny tànana” ihany isika, fa tsy “mampakatra azy ho amin’ny vava” (Ohabolana 19:24).

Naheno “zavatra hodinihina tsara” isika, fa manadino izany eo no ho eo. “Ny kamo tsy mety mihaza ;

fa fananana soa ho an’ny olona ny zoto” (Ohabolana 12:27).

Araka izany, ireo kristiana sasantsasany dia mianona amina fiainana ara-panahy “mihena” ary tsy mitombo mihitsy. “Toy ny varavarana mihodina amin’ny saviliny, dia toy izany ny kamo eo amin’ny fandriany” (Ohabolana 26:14). Mandeha ny taona,nefa mijanona eo amin’ny teboka iray hatrany isika, toy ny varavarana, na mihodinkodina im-betsaka aza, dia tsy mandroso mihitsy. Ary ahoana no filaza ireo izay matahotra ny hijoro ho vavolombelona ary tsy mieritreritra ny hiditra lalina raha resaka momba an’i Kristy ? Tsy midina eny “an-dàlambe” izy ireo, fa aleony maka fialofana, satria “Hoy ny malaina : Misy liona any an-dàlana, misy liona atsy an-dàlambe” (Ohabolana 22:13 ; 26:13).

Tamin’ny fotoana rehetra dia ny torimaso ara-panahy no antony lehibe indrindra mahatonga ny faharefon’ny fijoroana ho vavolombelona iarahana na ataon’ny tsirairay, sy ny niavian’ireo fahalavoana maro teo amin’ny fiainan’ny mpino. Enga anie isika mba hihaino ilay fameperana miezinezina manao hoe : “Mifohaza ianao izay matory, ary mitsangàna amin’ny maty, dia hampahazava anao Kristy” (Efesiana 5:14).

 

6.1.3  Ny eboebo sy ny fahatokisan-tena

“Tsy ho tonga amiko izany !” Izany no eritreretintsika rehefa maheno ny fahalavoan’ny iray amin’ireo rahalahintsika. Petera, izay natoky tena fatratra, dia nanamafy hoe : “Na dia ho tafintohina avokoa aza ny olona rehetra, izaho tsy mba ho tafintohina”(Marka 14:29). Am-pahasiahana no itsarana ny hafa. Mihambo mihitsy aza ny hampianatra azy ireo, ary hoy ny Tenin’Andriamanitra amintsika : “Moa ianao izay mampianatra ny sasany, tsy mba mampianatra ny tenanao koa va ?” (Romana 2:21). Indraindray ny Tompo dia tsy maintsy mamela antsika hanaraka ny lalan’ny sitrapontsika manokana, mba hahalalantsika, amina tranga mangirifiry, hoe aiza no iafaran’izany. “Ny fiavonavonana mialoha ny fahasimbana”(Ohabolana 16:18).

 

6.1.4  Tsy fisian’ny fiombonana sy ny toetra araka an’Andriamanitra

Tsy mila fotoana ela akory ny fontsika dia hanaiky ho azon’ireo zava-poana, ireo zavatra hita, nefa ho hita vetivety foana (2 Korintiana 4:18). Ny devoly dia mampiasa ny zavatra rehetra mba hiodinantsika amin’ny Tompo, eny fa na dia ireo zavatra lazaina hoe ara-drarina aza : asa aman-draharaha, fitiavana tsotra izao, sns. Tsy maka fotoana intsony isika hamelomana ny fanahy amin’ny Tenin’Andriamanitra sy hikolokoloina ny fiombonana amin’ny vavaka. Raha tsy miditra an-tsehatra noho ny fahasoavana ny Tompo mba hamoha antsika amin’ny Fanahy, dia mahazo vahana ny nofo. Ny ohatra momba izany dia nomen’i Davida tamin’ireny otrika rehetra nataony tamin’i Oria ireny. Ny mpino ara-nofo dia mety ho tafalatsaka ambany kokoa noho ny olon’izao tontolo izao. Nanjary mpamono olona i Davida, na dia toa tsy nanohitra izany aza ny fieritreretany nandritra ny taona iray teo ho eo, mandra-pitenin’Andriamanitra tamin’ny vavan’i Natana hoe : “Ianao no izy”.

 

6.1.5  Ireo hery mitaona

Ny mpino dia tsy maintsy mitandrina amin’ireo hery mitaona azy eo amin’ny tontolo iainany, ary angamba koa aza eo amin’ny manodidina azy. Araka izany, Abrahama dia natahotra ny mosary ka nidina tany Egypta, nefa Andriamanitra tsy naniraka azy ho any. Tany izy dia nandainga noho ny tahony ny Egyptiana ary dia voaroaka hiala tao amin’io firenena io. Nefa dia nentiny nody avy tany i Agara, ilay mpanompovavy, izay mandritra ny dimy amby roapolo taona, dia hanjary ho anton’ny fikorontanana lehibe tao amin’ny fianakaviany, mandra-pahavoatery azy handroaka io mpanompovavy io tamin’ny fomba tsy dia mendrika loatra. I Lota dia nitahiry tao an-tsainy ireo lemak’i Egypta, izay azon-drano sy maitso mavana. Rehefa tsy maintsy hisaraka izy sy ny dadatoany dia nasain’i Abrahama hisafidy izy, ary raha nanopy ny masony izy dia nahita ny lemak’i Jordana azon-drano toy ny lemak’i Egypta, ka dia nisafidy an'i Sodoma, safidy nitarika ny fahasimbany ara-panahy sy ara-pananana (Genesisy 12:9-20 ; 13:10). Ny hery mitaonan’i Egypta dia niditra tao amin’ny fianakavian’i Abrahama. Aoka ireo manana andraikitra amin’ny fanahin’olona, indrindra ireo ray aman-drenin’ny zaza tanora, hiambina mba hiarovany ny fianakaviany amin’ny rivotr’izao tontolo izao. Ary etsy andaniny, aoka ny lehilahy tsirairay mba ho tonga saina amin’ny hery mitaona, na tsara na ratsy, izay ampiasainy amin’ny vadiny. Ary farany, aoka ireo mpino tanora mba hiambina tsy ho voatariky ny namana na sakaizan’izao tontolo izao.

 

6.2  Fanarenana

Teo amin’ny faha dimy amby dimampolo taonany teo ho eo i Davida no tratran’ny fahalavoana mahatsiravina nojerentsika teo. Nandritra ny fiainany, nandrotsaka taminy zava-tsoa maro taminy Andriamanitra, araka ny nampahatsiahivin’i Natana taminy (2 Samoela 12:7-8). Vao mainka nahameloka azy kokoa ny nanaovany izany zavatra nataony izany. Kanefa Andriamanitra dia namela ny helony ary nanarina azy tao amin’ny fanahiny. Izany no fahasoavan’Andriamanitra, izay rehefa avy namonjy antsika, dia manaraka antsika eo amin’ny fihazakazahana ataontsika, mba hampianatra antsika, hiaro antsika amin’ireo fahalavoana, ary raha lavo isika dia manarina antsika. Fa izany fanarenana izany dia mitondra asa lalina ao amin’ny fanahy.

 

6.2.1  Ny asan’ny Fanahy Masina

Ny fahalavoana rehetra dia manapaka ny fiombonana amin’ny Tompo ary mampalahelo ny Fanahy Masina. Ny Fanahy, izay asehon'i Natana an'ohatra eto, dia miasa ao anatintsika, mba hamoha antsika, handresy lahatra antsika momba ny ota, ary hitarika antsika hitsara tena. Andriamanitra dia mety ampiasa fomba samihafa mba hiteraka izany faharesen-dahatra momba ny ota izany : ny Teny, ny asa fanompoan’ny rahalahy iray, ny fizahan-toetra, sns. Nandroso ela tao amin’ny ratsy i Davida, toa tsy nahita akory fa naniratsira tokoa an’Andriamanitra tamin’ireo vono olona roa mahatsiravina nataony. Ny asan’ny Fanahy Masina dia ampian’ny fifonan’i Kristy ihany koa : “Raha misy manota, dia manana Solovava ao amin’ny Ray isika, dia Jesosy Kristy, Ilay Marina ; ary Izy no avotra noho ny fahotantsika” (1 Jaona 2:1, 2). Tsy isika no mangataka aminy hifona ho antsika ; manao izany amin’ny nahiny Izy, noho ny fitiavany tsy miova ho antsika.

 

6.2.2  Fibebahana sy fiekena heloka

Araka ny dikan’ny teny grika hoe “métanola”, ny fibebahana dia fiovan’ny fisainana. Izany dia ny fitsaranao ny tenanao sy ireo zavatra vitanao teo aloha, eo ambanin’ny fahazavan’Andriamanitra. Ilay meloka dia manaiky ao am-pony fa nanao ratsy ary manambara izany ampahibemaso. Noho izany dia mifamatotra ny fibebahana sy ny fiekena heloka, ary ilaina ihany koa ireo amin’ny fanarenana ny fanahy. Raha tsy eo ireo dia tsy afaka hiverina ny fiombonana amin’Andriamanitra. Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika. Andriamanitra izany dia mangataka fieken-keloka fa tsy vavaka araka ny fombam-pivavahana, na koa hoe fampijalian-tena.

“Dia hoy Davida tamin’i Natana : Efa nanota tamin’i Jehovah aho” (2 Samoela 12:13). Avy eo dia niresaka mivantana tamin’Andriamanitra izy :

“Taminao dia taminao ihany no nanotako, ary izay ratsy eo imasonao no efa nataoko” (Salamo 51:4). Ny fibebahana dia manamarika ny fiheverantsika lalina, mahitsy, mampangirifiry, fa noho ny otantsika, dia naniratsira an’Andriamanitra mihitsy isika ary nahatratra ny fahamasinany sy ny voninahiny. Tsy tokony hianina amina zara fa fiheverana ny fahamelohantsika isika. “Tsy misy angamba na inona na inona manamafy ny fo toy ny fahazarana miaiky heloka nefa tsy mahatsapa izany akory” (J. N. Darby). Ny fahamaivanana toy izany dia tsy hanamarika antsika raha mahatsiaro isika fa Andriamanitra dia tsy maintsy nikapoka Ilay Malalany ary nandao Azy teo amin’ny hazofijaliana, noho ny fahotantsika. “Fa eo aminao no misy ny famelan-keloka, mba hatahorana Anao”(Salamo 130:4).

Ny fiekena heloka kosa dia tokony ho mazava, ary tononina amin’ny anarany ny fahotana natao. Zava-dehibe ihany koa ny mikaroka tsara ny nahatonga io fahotana io, eo amin’ny fanatrehana masin’Andriamanitra, mba ho voatsara, tsy ny vokatra fotsiny, fa koa ny fototry ny ratsy, ary mba hisy asa lalina sy maharitra hiasa ao amin’ny fanahy. Tokony hifanaraka tsara amin’Andriamanitra isika momba ny atao hoe ratsy, ary hanjary hanana fankahalana momba izany. Raha nanao ratsy taman’olona isika, dia tokony hiaiky izany aminy ihany koa (Matio 5:24). Mety misy ihany koa ny fifanekena heloka (Jakoba 5:16).

 

6.2.3  Famelan-keloka sy fanarenana

Ny mpino mibebaka sy miaiky ny fahadisoany dia afaka mahazo antoka ny famelan-keloka eo no ho eo ary tanteraka, avy amin’Andriamanitra. “Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra” (1 Jaona 1:9). Amin’ny alalan’ny famelan-keloka omeny, dia manafaka antsika amin’ny fahamelohantsika Andriamanitra ; ny fanadiovana dia manala ny loto ateraky ny ota. Andriamanitra dia “marina” raha manao toy izany, satria ny ran’i Kristy no nanao fanavotana ho antsika. “Ny ran’i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra ... Izy no avotra noho ny fahotantsika” (1 Jaona 1:7 ; 2:2). Ambonin’ny zavatra rehetra, ny sorona nataon’i Kristy izany no mampisy ny famelan-keloka sy ny fanarenana. Tao amin’ireo sorona naterina noho ny fahotana, tamin’ny fanekena taloha, dia hitantsika tamina kisarisary fa nisy famelan-keloka natolotra izay nanota ka niaiky ny fahadisoany ary nanatitra fanatitra. Manambara hatrany Andriamanitra hoe : “Ny mpisorona hanao fanavotana ho azy, dia havela ny helony” (Levitikosy 4. 20, 26, 31, 35 ; 5:6, 10, 13, 16, 18, 26). Ny famelan-keloka dia azo antoka raha vao atolotra ny fanatitra. Tsy misy fanarenana azo atao raha tsy mahatsapa amin’ny finoana fa Kristy dia maty ihany koa ho amin’io fahotana io ; Andriamanitra dia marina tamin’i Kristy ary namela ny fahotan’ilay meloka izay nibebaka ary nametraka ny fitokiany rehetra tamin’ny asa vita teo amin’ny hazofijaliana. Raha afaka mamela ny fahotantsika toy izany Andriamanitra ary manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra, dia tsy misy izany ny fetran’ny lanjan’ny avotra, ny fetran’ny fandairan’ny ran’i Kristy, ny fetran’ny herin’ny fifonana ataon’Ilay Andriamanitra Mpisolovava antsika.

Davida dia afaka niaina izany famelan-keloka teo no ho eo nomen’Andriamanitra izany : vao niaiky ny fahotany izy dia hoy ny nambaran’i Natana taminy : “Jehovah efa nanaisotra ny helokao, ka tsy ho faty ianao” (and 13). Andriamanitra dia efa nanome mialoha ny famelan-keloka ho an’i Davida. Satana dia miezaka ny manakana antsika tsy hanatona an’Andraiamanitra mba hiaikentsika ny fahotantsika, satria iriny ny hitazona antsika ao anatin’ny toerana misy fahalemena, tsy famokarana, alahelo, izay hanamarika antsika mandra-piaikentsika ny fahotantsika. Nefa, toy ny mpikorisa amin’ny ranomandry izay miarina aorianan’ny fahalavoany fa tsy mijanona ao anaty ranomandry, isika dia tsy hihaino ny soso-kevitr’i Satana ataony ao am-poto-tsofintsika : mahafantatra ny fon’Andriamanitra sy ireo loharanon-kerin’ny fahasoavany isika ka hanatona Azy tsy misy hataka andro ary hiaiky aminy ny fahotantsika, amin’ny saina feno fibebahana sy fanenenana fatratra, “fa potraka impito ny marina, nefa tafarina ihany” (Ohabolana 24:16).

Ny fanarenana ny mpino izay nanota dia afaka atao amina dingana maro. Ho an’i Petera, dia nisy aloha ny fijerin’i Jesosy azy, teo an-kianja, izay nampandrotsaka ranomasy mangidy azy (Lioka 22:60-62). Avy eo ny Tompo dia niseho taminy manokana rehefa nitsangana tamin’ny maty, fa tsy nambaran’ny Soratra Masina kosa ny resaka nataony tamin’ilay mpianany (Lioka 24:34 ; 1 Korintiana 15:5). Farany, nomen’i Jesosy fanarenana tanteraka izy, ary taorianan’izany dia afaka nanankina iraka vaovao tamin’i Petera : “Fahano ary ny ondriko ... Manaraha Ahy” (Jaona 21:15-19). Toy izany koa i Davida, izay voaarina tanteraka, dia afaka niteny hoe : “Dia hampianatra ny olon-diso ny làlanao aho ; ary ny mpanota hampiverenina aminao” (Salamo 51:13). Vao vita indray mandeha ny fanarenana dia voaverina ny fiombonana, voavela ny fahotana, nosaronana, tsy notsarovana intsony.

Raha toy izany no zava-misy eo imason’Andriamanitra, dia tokony ho toy izany koa ho an’ilay meloka teo aloha. Indraindray isika dia misalasala ny amin’ny haben’ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fahalavorarian’ny asa ataony ao anatintsika rehefa manarina antsika Izy. Toy ilay zanaka nania, mianona fotsiny isika amin'ny filazana hoe “Ataovy tahaka ny anankiray amin’ny olona karamainao aho”, fa tsy fantatsika hoe isika dia tsy manana zo haka ny toeran’ny mpikarama na ny an’ny zanaka, ary ankoatra izany, ny toerana toy izany dia tsy afaka miaraka amin’ny fahasoavan’Andriamanitra. Koa aoka isika hanaiky am-pankasitrahana ny famelan-keloka feno omen’Andriamanitra antsika, ary ny fanarenana tanteraka sy manontolo ny fiombonana miaraka aminy.

 

6.2.4  Ireo vokatry ny fanetrentena

“Ny fanatitra ho an’Andriamanitra dia fanahy torotoro ; ny fo torotoro sy mangorakoraka, Andriamanitra ô, tsy mba ataonao tsinontsinona” (Salamo 51:17). Ny famelan-keloka dia mampieritreritra ny fahasoavan’Andriamanitra ary mamorona saina manetry tena. Niaina izany i Petera. Izany no mahatonga azy hampirisika mba hanetry tena, satria “Andriamanitra manohitra ny miavonavona, fa manome fahasoavana ho an’ny manetry tena” (1 Petera 5:5). Ny fifaliana amin’ny famonjena sy ny fiombonana dia miverina indray (Salamo 51:12). “Raha tsy hosasako ianao, dia tsy manana anjara amiko” (Jaona 13:8). Fa raha vao voasasa ny loto azon’ny tongotsika teny an-dalana, misitraka “anjara” feno fitahiana miaraka amin’ny Tompo ny fanahy. Izay niaina toe-javatra toy izany dia hampitombo avo roa heny ny fahamailoany, tsy hiantehitra amin’ny tenany, hitoetra akaikikaiky kokoa ny Tompo, hametraka ny fitokiany rehetra aminy. “Fa ny fahalemeko no fahatanjahako” (2 Korintiana 12:10).

 

6.2.5  Ny fanapahan’Andriamanitra

Ny tantaran’i Davida dia manome fahazavana momba ny fanapahan’Andriamanitra manoloana ny fahotana nataon’iray tamin’ireo zanany. Nolazain’i Natana an’i Davida ny famaizan’Andriamanitra : “Tsy hiala amin’ny taranakao mandrakizay kosa ny sabatra”, sns. (and 10-12), ary “ho faty tokoa ny zaza izay haterakao” (and 14). Nanaiky ny sitrapon’Andriamanitra i Davida (and 16 sy ny manaraka). Hoy izy tamin’i Natana : “Tsy maintsy hatao maty izay olona nanao izany ; ary ilay zanak’ondry vavy tsy maintsy honerany efatra heny” (and 5, 6), nanambara tamin’izany ny fitsarana momba ny tenany ihany. Raha ny marina dia hitantsika izy, fotoana vitsy taorian’izany, nanonitra ilay zanak’ondry vavy efatra heny :

1° “Ary nifona tamin’Andriamanitra ho an’ny zaza Davida, dia nifady hanina sady niditra ka nandry tamin’ny tany mandritra ny alina” (2 Samoela 12:16).

2° Tamin’ny namonoan’i Absaloma an’i Amnona : “Dia nitsangana ny mpanjaka ka nandriatra ny fitafiany, dia nandry tamin’ny tany” (2 Samoela 13:31).

3° Tamin’ny nahafatesan’i Absaloma : “Ary dia niontana terỳ ny fon’ny mpanjaka, ka niakatra nankeo amin’ny efitrano teo ambony vavahady izy sady nitomany teny am-pandehanana ka nanao hoe : Ry Absaloma, zanako, zanako, ry Absaloma, zanako ô ! Inay anie aho no maty nisolo anao, ry Absaloma zanako, zanako ô !” (2 Samoela 19:1).

4° Tany amin’ny tena fiafaran’ny fiainan’ny mpanjaka, i Adonia, izay “ny rainy tsy mbola niteny mafy azy akory hatrizay niainany” (1 Mpanjaka 1. 6), dia te hanandratra ny tenany ankitsirano ho mpanjaka hisolo ny rainy, izay mbola nanjaka tamin’izay. Raha tsy niditra an-tsehatra i Solomona dia ho maty tsy nisy hataka andro izy ; izany anefa no nanjo azy taoriana kelin’ny nahafatesan’i Davida (2:25).

Ireo teny mampihetsi-po ireo ve tsy mampahatsiahy antsika ny fanambarana miezinezina ataon’ny Soratra Masina hoe : “Aza mety hofitahina ianareo ; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ny olona no hojinjainy” (Galatiana 6:7) ?

 

6.3  Fahalavoana indray

Mihira isika indraindray hoe :

“Eny ! Marina fa ny tongotro dia namela teo amin’ny vovoka ny dian’ireo fibolisarako” (*)

 

(*) Indray andro, nohirain’ny tanora vitsivitsy nanoloana ny mpanoratra azy, ny Dr Henri Rossier, tamin’ny faha 80 taonany io hira io, ary nieritreritra izy ireo hoe tsara no nataony tamin’ny nanesorany ny andininy misy io andalan-tononkira io. Rehefa vita ny hira dia nasain’i Henri Rossier nohiraina io andininy io, satria, hoy izy, miantefa aminy sy amin’ny mpino hafa rehetra ihany koa.

 

Raha tsy mailo tokoa mantsy isika dia mety hanaiky ho rebireben’ny nofo indray, raha adinontsika ny “mitondra ny fahafatesan’ i Jesosy mandrakariva ao amin’ny tena” (2 Korintiana 4:10). Horaisintsika ity kisarisary efa fantatra ity : ny nofo dia atao toy ny mpanompo tsy mahatoky, ka tsy maintsy alana aminy ny fitokisana. Indrisy anefa, indraindray dia adino ny nanidy ny lalimoara, ka avy hatrany dia nangalarin’ilay mpanompo ny vola tao. Ny mpino dia tsy tokony hanadino na oviana na oviana fa ny nofo ao aminy dia manana toetra simba sy fahavalo. Nefa izy dia afaka miantehitra amin’Andriamanitra “mahay mampitombo ny fahasoavana rehetra aminareo, mba hanananareo ny onony rehetra mandrakariva amin’ny zavatra rehetra” (2 Korintiana 9:8). Izy Izay nanafaka ny fanahintsika tamin’ny fahafatesana, tsy hiaro ny tongotsika mba tsy ho solafaka ve Izy, mba handehanantsika eo anatrehany amin’ny fahazavan’ny velona (Salamo 56:13) ? Maro ny mpino afaka manambara, tamin’ny zavatra niainany, hoe : “Namonjy ny fanahiko tamin’ny fahafatesana Ianao sy ny masoko tamin’ny ranomaso ary ny tongotro tamin’ny fahatafintohinana (Salamo 116:8). Eny, Andriamanitra maharo antsika mba tsy ho tafintohina ! (Joda 24).

Marina fa ny fahalavorariana, izany hoe ny fampifanarahana antsika amin’i Kristy, dia tsy ho takatra raha tsy ao amin’ny voninahitra. Niteny izany mihitsy ny apostoly Paoly : “Tsy toy ny efa nahazo sahady aho, na efa tanteraka sahady ; fa miezaka aho...” (Filipiana 3:12). Koa aoka isika handroso am-patokiana, mibanjina an’i Jesosy ary mametraka aminy ny fitokisantsika manontolo. Te hitoetra ao amintsika Izy, ary raha mbola mandondòna eo am-baravaran’ny fontsika ihany ny fakam-panahy, dia maharo antsika amin’izany Izy.

 

7  TOKO 6 — Ny fandresena

Vakio : Salamo 17:5 ; Romana 8:37 ; 14:4 ;2 Korintiana 12:9, 10 ; Filipiana 4:12.

 

7.1  Ireo toetoetran’ny fandresena

7.1.1  Ny fandresena dia azon’i Kristy hatrany hatrany.

“Ny diako maharitra eo amin’ny làlanao, tsy solafaka ny tongotro” (Salamo 17:5). “Manoatra noho ny mpandresy isika amin’ny alalan’Ilay tia antsika” (Romana 8:37). “Hampitoerina ihany izy ; fa mahay mampitoetra azy ny Tompo” (Romana 14:4).

 

7.1.2  Ny fandresena dia miteraka

  • ny fifaliana : “Fa efa namonjy ahy Ianao, ary ao ambanin’ny aloky ny elatrao no hihobiako” (Salamo 63:7) ;

  • ny fankasitrahana sy ny fiderana : “Tafatoetra ny foko, Andriamanitra ô, eny, tafatoetra ny foko ; hihira sy hankalaza aho” (Salamo 57:7).

 

Tsy tokony hiteraka fieboeboana na oviana na oviana izany. “Koa izay manao azy fa efa mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina, fandrao ho lavo” (1 Korintiana 10:12).

 

7.1.3  Ny fandresena dia tsy azo indray mandeha tsy miverina tsy akory

Ny fandresena dia tsy azo indray mandeha tsy miverina tsy akory, satria ny fahavalo dia tsy manaiky ho resy na oviana na oviana. Mihaodihaody tsy an-kijanona manodidina antsika izy, miandry ny fotoana heveriny ho mety mba hanafihana indray (1 Petera 5:8). Noho izany, ny mpino dia tsy maintsy mampitombo ny fahamailoany sy ny fijoroany mafy aorianana fandresena iray, mba hamaharany mafy rehefa avy nizaka ny zavatra rehetra (Efesiana 6:13). Tsy misy filazana mihitsy hoe afaka manary ny fiadiana isika amina fotoana iray. Any an-danitra isika vao hisitraka ny fitsaharana ; tsy tokony hitady izany etỳ an-tany isika. “Ary amin’izany... tomoera tsara ao amin’ny Tompo ianareo, ry malalako” (Filipiana 4:1). Io famaharana mafy io dia miseho amin’ny tsy fiovaovana sy ny fitozoana ananantsika eo am-panohizana ny ady, na eo aza ireo sakana rehetra sy ny loza rehetra mananontanona. Amin’izany dia mila “ampahatanjahina amin’ny hery rehetra [isika]... ho amin’ny faharetana rehetra sy ny fandeferana amin’ny hafaliana” (Kolosiana 1:11). Fantatsika hoe aiza no misy io hery io : ao amin’ny Tompo. “Farany, mahereza ao amin’ny Tompo sy amin’ny herin’ny faherezany” (Efesiana 6:10). Mahatoky Izy ary hampahery sy hiaro antsika tsy ho azon’ny ratsy (2 Tesaloniana 3:3). Ilay niaro antsika tsy ho azon’ny fahotana, tamina fotoana iray, dia afaka hiaro antsika amin’izany mandrakariva. “Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay mitondra anay mandrakariva ao amin’i Kristy toy ny fanaon’izay avy nandresy” (2 Korintiana 2:14).

 

7.1.4  Ny Tompo dia mampanantena valisoa ho an’ny mpandresy.

Ny Tompo dia mampanantena valisoa ho an’ny mpandresy. “Sambatra izay olona maharitra fakam-panahy ; fa rehefa voazaha toetra izy, dia handray ny satroboninahitra fiainana, izay nolazain’ny Tompo homena izay tia Azy” (Jakoba 1:12). “Koa aza manary ny fahasahianareo izay misy valiny lehibe. Fa tokony hanana faharetana ianareo mba hahazoanareo izay lazain’ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon’Andriamanitra” (Hebreo 10:35-36). Hitantsika ao amin’ny Apokalypsy 2 sy 3 ihany koa ireo valisoa samihafa nampanantenaina izay mandresy.

Fa ny valim-pitia tsara indrindra omena ny olom-boavidy dia ny fanomezam-boninahitra an’i Kristy amin’ny fiaviany. “Izany no iravoravoanareo, na dia ampalahelovina vetivety ankehitriny amin’ny fakam-panahy maro samihafa aza ianareo, raha tsy maintsy hisy izany, mba ho hita ho fiderana sy voninahitra ary fankalazana ny fizahan-toetra ny finoanareo ... dia amin’ny hisehoan’i Jesosy Kristy” (1 Petera 1:6, 7).

 

7.2  Ireo karazana fandresena samihafa

Efa hitantsika fa ny ady ataontsika dia amin’i Satana sy ireo mpanompony (ny fahefan’ny ratsy eo amin’ny fanahy), ary ny fahavalo dia mampiasa fomba samihafa mba hanangolena antsika. Ny Tenin’Andriamanitra dia milaza fandresena samihafa.

 

7.2.1  Ny fandresena an’i Satana

“Nanoratra taminareo zatovo aho, satria mahery ianareo, ary mitoetra ao anatinareo ny tenin’Andriamanitra, sady efa naharesy ilay ratsy ianareo” (1 Jaona 2:14). Taiza izany no nanovozan’ireo “zatovo” ny hery nahafahany nandresy ilay ratsy ? Tao amin’ny Tenin’Andriamanitra izay mitoetra ao anatiny. Jesosy Kristy mihitsy no nanamarina tanteraka ny fandairan’io sabatry ny Fanahy, izay ny Tenin’Andriamanitra io. Raha nozahan’ny devoly toetra Izy, tany an-taniefitra, dia tsy naharesy azy tamin’ny nilazany ny fahefan’Andriamanitra nananany, izay azony natao tokoa. Fa amin’ny maha Olona lavorary sy mpankatò Azy, dia ny fahefan’ny Tenin’Andriamanitra fotsiny ihany no nampiasainy, nanoherany ireo fakam-panahy niezahan’i Satana mba hialany amin’ny toerana maha mpiankina Azy amin’Andriamanitra. Aoka isika haka tahaka izany ohatra izany, ary dia handresy toa Azy amin’ny fitenenana hoe “Voasoratra hoe”.

Misy loharanon-kery hafa iray handresena an’i Satana, dia ao amin’ny ran’ny Zanak’ondry izany. “Izy ireo naharesy azy noho ny amin’ny ran’ny Zanak’ondry sy ny teny filazana Azy” (Apokalypsy 12:11). Kristy dia nandresy an’i Satana teo amin’ny hazofijaliana. “... handringanany amin’ny fahafatesana ilay manana ny herin’ny fahafatesana, dia ny devoly” (Hebreo 2:14). Ny mpino dia afaka miantehitra lalandava amin’io fandresen’i Kristy io, izay azy, satria maty sy nitsangana niaraka tamin’i Kristy izy. Mandresy izy noho ny hazofijalian’i Kristy, toa Azy nandresy ny herin’i Satana, tamin’ny fandreseny teo amin’ny hazofijaliana. Ny ran’ny Zanak’ondry dia manana hery tsy miova, ilay herin’ny “ran’ny fanekena mandrakizay” Hebreo 13:20), hery mampiseho ny vokany, na eo amin’ny famonjena ny mpanota, na koa eo amin’ny fizotran’ny mpino. “Ny ran’i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra” (1 Jaona 1:7).

 

7.2.2  Ny fandresena ny fahadisoana

Eo anivon’ny fivavahana kristiana, dia misy fanahy “tsy manaiky fa efa tonga tamin’ny nofo Jesosy Kristy”. Ahoana no hanavahana azy ireny ary handresena azy ? Amin’ny herin’ny Fanahy Masina, Izay mitari-dalana antsika “ho amin’ny marina rehetra ; fa tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay ho reny dia holazainy avokoa” (Jaona 16:13, 14). Hoy ny apostoly Jaona : “Anaka, ianareo dia avy amin’Andriamanitra ary efa naharesy ireny (ireo fanahin’ny fahadisoana), satria lehibe Izay (ny Fanahy Masina) ao aminareo noho izay ao amin’izao tontolo izao” (1 Jaona 4:4).

 

7.2.3  Ny fandresena izao tontolo izao

Ny Tompo Jesosy mihitsy no naharesy izao tontolo izao (Jaona 16:33). Ahoana ny fomba hahazoan’ny mpino ihany koa handresy izao rafitry ny devoly izao ? Amin’ny finoana. “Fa izay rehetra naterak’Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao ; ary ny fandresena izay enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika. Iza moa no maharesy izao tontolo izao afa-tsy izay mino fa Jesosy no Zanak’Andriamanitra” (1 Jaona 5:4-5) ? Manana ohatra amin’izany isika ao amin’i Abrahama. Rehefa tsy maintsy hisaraka amin’i Lota izy dia tsy nijery an’i Sodoma. Andriamanitra dia nanome fampanantenana azy, ary ny fony dia nifikitra mafy tamin’izany, tamin’ny finoana, hany ka tsy nieritreritra ilay lemak’i Jordana izy. Mbola toy izany koa ho antsika ankehitriny : arakaraka ny fifikiran’ny fontsika amin’ny finoana, amin’ireo teny fampanantenana nomen’Andriamanitra, no hahafahantsika mandresy izao tontolo izao.

 

7.2.4  Ny fandresena ny zava-manohitra

Ny apostoly Paoly dia mitanisa trangan-javatra samihafa na fisehoan-kery, izay manjo ny mpino mandritra ny fihazakazahany, ary tsy maintsy horeseny, mba tsy hampisaraka azy amin’ny fitiavan’i Kristy sy ny fitiavan’Andriamanitra (Romana 8:35-39). Izany trangan-javatra sy hery manohitra izany ve afaka hihoarana am-pandresena sa hanorotoro antsika ka tsy hisitraka intsony izany fitiavana izany isika ? Tsia, hoy ny apostoly, fa “amin’izany rehetra izany dia manoatra noho ny mpandresy isika amin’ny alalan’Ilay tia antsika”. Mihoatra noho ny fandresena izany ; fandresen’ny finoana miantehitra tanteraka amin’i Jesosy, Ilay Mpandresy lehibe. Ny finoana dia tsy mitady ny hiala amin’ny fahoriana, fa miatrika izany, amin’ny fahazoana antoka fa afaka manao ny zavatra rehetra izy ao amin’Ilay mampahery azy. Izany no hery nahafahan’ireo maritiora tsy tambo isaina nifahatra tsara ary sambatra hatrany amin’ny fahafatesana (*).

 

(*) Toy izany no niseho, tamin’ny fiandohan’ny taonjato faha-3, tamin’ity mananontena tanora iray, izay nanana toerana ambony teo amin’ny fiandrianana tao Carthage ary nantsoina hoe Vivia Perpetua. 22 taona izy ary voaheloka, noho ny finoana kristiana nananany, ho viravirain’ny ombivavy misafoaka tao anaty kianja filalaovana. Talohan’ny hampijaliana azy dia nihira salamo iray izy. Toy izany koa i Jérôme de Prague, izay nodorana tany Constance ny 30 may 1416, nandroso nankeny amin’ny hazo handorana azy izy « toy ny ho any amina lanonana feno fifaliana », hoy ny nosoratan’ny papa Pie II. Teo afovoan’ny lelafo dia heno nihira mazava tsara tamin’ny teny latina ny fihirana momba ny Paska izy : « Arahabaina, ry andro firavoravoana izay mendrika hankalazaina ho mandrakizay ». Misy zava-nitranga hafa marobe mitovy amin’izany azo entina eto.

 

7.3  Ohatra momba ny fandresena

Mitondra fahalalana tokoa ny mianatra ireo ohatra vitsivitsy asehon'ireo olon’Andriamanitra nandrombaka fandresena ; ity fianarana ity dia manazava, alohan’ny zavatra rehetra, ireo fepetra ara-toe-panahy momba ny fandresena, fepetra manankery amin’ny fotoana rehetra.

 

7.3.1  Gideona

(Vakio Mpitsara 6. 11-16 ; 7:1, 2, 7, 15-22 ; 8:28)

 

Gideona dia nahatsapa ny fahorian’ny vahoaka (6:13), nefa niezaka izy hanafina ny sakafo ilaina ho azy sy ny olony (and 11). Zava-dehibe ny mivelona amin’ny Tenin’Andriamanitra dieny mbola tanora, ary manangona izany hatao vatsy.

Gideona dia nampiseho fanetrentena ary niaiky ny fahalemeny (and 15).

Mahafantatra an’Andriamanitra izy, ary niaina ny fahasoavany, ny fahatsaram-pony. Afaka manorina alitara ho Azy izy ary miantso Azy hoe “Jehovah-saloma” (and 24).

Nankatò an’Andriamanitra izy ary nanapotika ireo sampin’ny rainy, nasehony tamin’izany ny finoany (and 25-32).

Nahery tamin’izany izy, nitafy ny Fanahin’i Jehovah, ary niantso ny vahoaka mba hiady (and 34, 35).

Voazaha toetra mafy tokoa ny finoany : tamin’ireo lehilahy 32 000 tonga mba hiady, dia tsy nitazona afa-tsy 300 (latsaky ny 1% !) Andriamanitra (7:8). Teto dia mbola niseho ny fankatoavan’i Gideona, fankatoavana manaporofo ny finoany ny fampanantenana nataon’Andriamanitra, tamin’ny nandefasany ny vahoaka sisa.

Ny zava-drehetra dia tokony ho avy amin’Andriamanitra. Talohan’ny ady dia nampahery an’i Gideona Izy (and 9-14). Ny mofo vary hordea, kisarisarina Gideona tsy misy hery na lanja eo imason’ny olona, no nandevona ny tobin’ny Midiana. Niankohoka i Gideona (and 15).

Lehilahy telonjato nitondra siny, fanilo ary anjomara, fa tsy fiadiana, nipetraka tsirairay avy tamin’ny toerany, no namaky ny siny, nampaneno anjomara ary niantsoantso hoe : “Ny sabatr’i Jehovah sy Gideona”. Nifamono ireo fahavalo, feno ny fandresena ; Andriamanitra irery ihany no nandrombaka izany fandresena izany tamin’ny nampiasany fitaovana tsy misy hery, fa mankatò. Ny fandresen’i Gideona dia fandresen’ny finoana.

 

7.3.2  Samoela

(Vakio 1 Samoela 7:1-14).

Samoela dia nanomboka namory ny vahoaka tao Mizpa, toerana nanaovan’izy ireo fifadian-kanina sy niaikeny ny helony. Raha mandefitra amin’ny fahotana isika mandritra ny diantsika, dia tsy hanana fiombonana amin’ny Tompo na hery handrombahana ny fandresena. Ny fiekena heloka dia tsy maintsy ampiarahina amina fanetrentena tena izy (nifady hanina ny Israely ary nandraraka rano teo anatrehan’i Jehovah) (and 5-6).

Teo anatrehan’ny fahavalo i Samoela no nanolotra zanak’ondry hatao fanatitra dorana ho an’i Jehovah ary nifona ho an’ny Israely. Izy dia tsy nanana anjara teo amin’ireo fahotan’ny vahoaka. Koa dia afaka nanatona an’Andriamanitra izy ary nangataka ny fanampiany. “Ary nihaino azy Jehovah” (and 7-9). Tamin’io tranga io, Samoela dia kisarisary mahafinaritra maneho ny Tompo : Jesosy Kristy, Ilay Marina, no Mpisolovava antsika ao amin’ny Ray, ary Izy no avotra noho ny fahotantsika (1 Jaona 2:1).

Andriamanitra tenany mihitsy no niditra an-tsehatra ary nampifanaritaka ny Filistina. Niaiky i Samoela fa io fidirana an-tsehatra feno fahasoavana io no nahazoana ny fandresena : natsangany ny vato Ebenezera ary hoy izy : “Efa novonjen’i Jehovah isika hatramin’izao” (and 10-12).

 

7.3.3  Davida

(Vakio 1 Samoela 17)

Ny fandresena azon’i Davida nanoloana an’i Goliata dia manazava tranga roa lehibe nahatonga izany fandresena izany, dia :

Ny fahatokiany tanteraka an’Andriamanitra : “Jehovah, Izay namonjy ahy tamin’ny tànan’ny liona sy ny bera, Izy no hamonjy ahy amin’ny tànan’io Filistina io” (and 37). Izany fahatokiana an’Andriamanitra tsy voahozongozona izany no namaritra ny toetran’i Davida nandritra ny fiainany manontolo, ary nambarany imbetsaka tao amin’ireo Salamo nataony izany. Izany no fepetra voalohany amin’ny fandresena, satria raha tsy manana finoana ny herin’Andriamanitra isika dia miroso ho amin’ny faharesena. “Indray mandeha no nitenenan’Andriamanitra ; indroa no nandrenesako hoe : An’Andriamanitra ny hery” (Salamo 62:11).

Davida dia tsy nibanjina afa-tsy ny voninahitr’Andriamanitra. Hoy izy tamin’i Goliata : “Izaho kosa manatona anao amin’ny anaran’i Jehovah, Tompon’ny maro, Andriamanitry ny miaramilan’ny Israely, Izay efa nohaikainao... ho fantatry ny tany rehetra fa manana Andriamanitra tokoa ny Israely” (and 45, 46). Enga anie isika hibanjina mandrakariva ny voninahitr’Andriamanitra, eo amin’ny fotoana hanatonan’ny fahavalo mba hiady amintsika !

 

7.3.4  Josafata

Vakio 2 Tantara 20:1-30

Ny fandresena mahatalanjona azon’i Josafata —nefa ny fandresen’ny finoana ve tsy mahatalanjona avokoa ?— dia mampivohitra lesona vitsivitsy mitondra fianarana ho antsika.

Voalohany, dia hitantsika ao amin’i Josafata, toy ny tao amin’ireo olon’Andriamanitra efa voatanisa, ny fatokiana tanteraka an’Andriamanitra. Rehefa nilazana izy fa manatona amin-kery ny fahavalo, dia tsy nitady fanampiana avy amin’olombelona izy (ohatra hoe hifanaiky amina mpanjaka vahiny), fa “nanatrika tsara hitady an’i Jehovah sady niantso andro fifadian-kanina ho an’ny tanin’ny Joda rehetra” (and 3, 4).

Josafata dia mahay miresaka amin’Andriamanitra. Miverina  any amin’ny loharano izy, raha izany no azo ilazana azy, ary mampahatsiahy an’Andriamanitra ny teny fampanantenana nataony tamin’i Abrahama, “ilay namany”, sy ny fomba nanatanterahany izany fampanantenana izany tamin’ny nanomezany ny tany Kanana an’ny Israely ho mandrakizay (and 7-11). Fitsaharana toa inona, ho an’ny fon’ny kristiana am-perin’ady, ny fahafahany miresaka amin’ny Tompo sy mampahatsiahy Azy ireo teny fampanantenana nataony !

Ny fahazoana antok’i Josafata dia miseho amina filaminan-tsaina tanteraka, tsy mitovy amin'ny tsy finoan’ny nofo, izay mihetsiketsika mafy ary manao fandaminana maro “mba hitongilana any aminy avokoa ny vintana” (jereo, ohatra, i Jakoba tao anaty trangan-javatra imbetsaka). “Izahay dia tsy manan-kery hanohitra ireo olona betsaka ireo, izay avy hamely anay, koa tsy hitanay izay hataonay ; fa Ianao no andrandrain’ny masonay” (and 12).

Andriamanitra dia namaly tamin’ny vavan’i Jahaziela : “Tsy anareo ny ady, fa an’Andriamanitra ... Tsy ianareo anefa no hiady amin’ity ; mijanòna tsara, fa ho hitanareo ny hamonjen’i Jehovah anareo” (and 14-17). Inona no nataon’i Josafata ? Niankohoka izy, niaraka tamin’ny vahoaka manontolo, ary nisaotra noho ny fandresena ho avy ! Nanendry mpihira ho an’i Jehovah izy, mpihira nanambara teo anoloan’ny olona efa voaomana hiady, nanao hoe : “Miderà an’i Jehovah, fa mandrakizay ny famindrampony” (and 18-21). Josafata dia nanana fatokiana tanteraka ny tenin’Andriamanitra, hany ka, noho ny finoany, dia efa azo sahady ny fandresena. Ohatra tsara tokoa izany finoan’ny fo izany, izay “fahatokiana ny amin’ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita”(Hebreo 11:1). Amin’ny alalany no handrombahantsika ireo teny fampanantenan’Andriamanitra, satria “natoky indrindra fa izay nolazainy dia hainy hatao koa” (Romana 4:21).

 

7.4  Torohevitra vitsivitsy

Ireo fampianaran’ny Tenin’Andriamanitra novelabelarina tao amin’ny pejy teo aloha dia ho nahazoan’ny mpamaky nandray fampirisihina maro. Tianay anefa ny mbola hanome azy, ho famintinana, torohevitra sasantsasany momba ny fanamasinana eo amin’ny fiainana andavanandro.

 

7.4.1  Ny fampitoviana antsika amin’i Kristy

Hotsiahivina aloha fa ny tanjon’ny fanamasinana dia ny hahatonga antsika hanahaka bebe kokoa hatrany an’i Kristy, ny hanova antsika amin’ny voninahitra ho amin’ny voninahitra hanana io endrika mitovy aminy io. Izany fampitoviana antsika aminy izany dia tsy ho lavorary raha tsy efa any an-danitra isika. Fa dieny etỳ an-tany, dia efa tanteraka izany amin'ireto teboka telo ireto :

 

Maty Kristy, ary ny mpino dia maty miaraka aminy.

Vokatr’izany dia manana tombontsoa lehibe izy ahafahany mitondra tena ho maty rehefa te hihetsika ny nofo —ary izany dia noho ny herin’ny Fanahy Masina. Ny fitondrana tena ho maty dia ny tsy firaharahaina ny faniriany, nefa koa ny mandà hiady aminy. “Raha mihaino izay tadiavin’ny nofo isika, na koa hoe miady aminy, dia miaiky  fa mivelona amin’ny zavatra tokony hovonointsika. Tsy manome lanja ny zavatra tadiavin’ny nofo, izany no tena ady : mitondra hatrany amin’ny fandresena izany” (J. N. Darby).

 

Nitsangana tamin’ny maty Kristy, ary ny mpino dia nitsangana niaraka taminy.

Noho izany, dia manana tombontsoa hiaina ny fiainan’i Kristy izy ao amin’ny herin’ny Fanahy Masina, ary hifikitra amin’ny zavatry ny lanitra. Ao anatiny Kristy. Koa rehefa mitady hanangoly azy i Satana amina fakam-panahy iray, dia afaka mamaly mandrakariva izy, amin’ny fahazoana antoka noho ny finoana, hoe : “Tsia, manana zavatra tsaratsara kokoa aho !”. Ny fisitrahana ny zavatry ny lanitra, ary alohan’ny zava-drehetra, ny fisitrahana an’i Kristy mihitsy, dia mameno ny fo tsy misy toa izany, hany ka ireo zava-poana azon'i Satana atolotra dia manjary miseho mazava amin'ny maha izy azy ireo, izany hoe fako.

 

Mipetraka any an-danitra Kristy, ary ny mpino dia mipetraka any ihany koa miaraka aminy.

Ny tanjony izany dia ny voninahitra izay hitoerany rehefa hampidirina tsy ho ela any mba hiaraka amin’i Kristy izy, fa tsy ny hoe ao aminy fotsiny. Mandra-piandry izany andro izany dia hahatsiaro izy fa efa ao aminy dieny etỳ an-tany, ary io tombontsoa feno voninahitra io ihany, izay raisiny ary tanterahiny amin’ny finoana, no ahafahany mitondra vokatra, satria “raha misaraka amiko kosa ianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona”.

 

7.4.2  Mikolokolo ny aina vaovao ao amin’i Kristy

Ny vatantsika dia mila fikolokoloana, raha tsy izany izy dia miha malemy ary manjary marary ; toy izany koa, ny fahasalamana sy ny herin’ilay olona vaovao dia miankina amin’ny fanarahana fitsipika sasantsasany izay azo antsoina hoe “fitandremana ara-panahy”. Toy ny vatana hita maso, ilay olona vaovao dia mila sakafo, rivotra, fanazaran-tena sy fikarakarana ara-pahadiovana.

 

Ny sakafon’ilay olona vaovao dia ny Tenin’Andriamanitra. Aoka àry isika hitandrina mba tsy hanaisotra izany aminy, fa ny mifanohitra amin’izany aza, mba hiambina ny tsy hialan’izany eo amin’ny vavantsika, toy ny nandidian’Andriamanitra an’i Josoa.

 

Ny rivotra ilain’ilay olona vaovao dia ny vavaka, ilay fisefoan’ny fanahy. Raha tsy misy azy dia ho sempotra miandalana. Izany no antony hampirisihan’ireo tsongandahatsoratra maro antsika mba “haharitra amin’ny fivavahana”, “hiambina ao amin’izany”, “hivavaka tsy mitsahatra”, mivavaka “ao amin’ny Fanahy amin’ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, ka miambena amin’izany amin’ny faharetana”.

 

Ny fanazaran-tena dia ny fanompoana ny Tompo. Raha tsy misy ny firehetana ho an’i Kristy, vetivety foana dia hitotongana ny fiainam-panahy, fa ny fanompoana atao am-pahatokiana sy am-piankinana kosa dia singa mahery mitondra tanjaka sy fifaliana. Ny Tompo dia maniry hanankina amin’ny tsirairay “ny raharahany avy”, ary miandry Izy ny hanompoantsika Azy am-pifaliana, miaraka amin’ny hery omen’Andriamanitra. “Mazotoa, fa aza malaina, ary aoka hafana fo amin’ny fanompoana ny Tompo”. “Koa amin’izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo”. Misy ve, indrindra ho ana mpianatra tanora, faniriana ambony mihoatra noho ny ho fanaka omem-boninahitra, voamasina, mahasoa ny Tompo, voaomana ho an’ny asa tsara rehetra ? Ny tanjon’Andriamanitra ho antsika, hoy izay olona iray izay, dia ny hananana eto an-tany vahoaka voadio tamin’ny ran’i Jesosy Kristy, mba hiala amin’ireo asa maty, mba hanompo Azy amin-tsitrapo mahitsy —vahoaka mazoto ho amin’ny asa tsara. “Esory ny taim-bolafotsy, dia hisy fanaka ho an’ny mpanao an’idina” (Ohabolana 25:4).

 

Ny fikarakarana ara-pahadiovana dia ny fitsarana tena. Raha toa ny mpino mitondra ao anatiny faharatsiana tsy notsaraina, dia malahelo ny Fanahy Masina, azo antoka ny faharesena. Raha tapaka ny fiombonana, dia tsy hisy ny hery enti-miady. Tokony ho fantarina, hiaikena, hotsaraina ary avela izay manapaka ny fiombonana sy izay mahatonga ny Fanahy tsy ho afa-mihetsika. Ary dia hahazo fahafahana ny Fanahy, hiverina ny fiombonana, ary miaraka aminy, ny hery, ny fifaliana, ny fiadanana. Ny fitsarana tena dia iray amin’ireo fanazaran-tena mahavonjy indrindra eo amin’ny fiainana kristiana. Noho izany dia tsy maintsy havaozina lalandava izany, satria izy no mahatonga antsika hitsara ny fahalotoana ao anatintsika sy hiaro antsika tsy ho lavo (*). Amin’ny ankapobeny, dia tokony hitandrina mba tsy hiataka amin’ny fahamasinana anaty, satria rehefa manalavitra ny Tompo ny fo, dia tsy manana fahazavana avy amin’Ilay any ambony intsony isika, ary manjary tandindomin-doza ny lalantsika. “Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana ; fa avy ao aminy no iavian’ny aina” (Ohabolana 4:23).

 

(*) Tsy tokony hafangaro ny atao hoe fitsarana tena sy ny fieritreretana ny tena. Ilay voalohany dia mirona ho amin’ny fanamasinana iainana, ny faharoa dia mitady hanome lanja ny « izaho », hametraka izany ho banjinin'ny fanahy mandrakariva, na mba hanomezana azy voninahitra izany na mba hanilihana azy. Ny fieritreretana ny tena dia loharano-na fahalemena sy tsy famokarana, ary tsy mampisy na oviana na oviana ny mety ho fiombonana amin’ny Tompo. Koa tsy misy zavatra mandoza mihoatra io fieritreretana io.  

 

Enga anie isika rehetra, na firy taona na firy taona, mba hanao an’i Kristy ho Tompo eo amin’ny fiainantsika, mba hiteny toy ny apostoly Paoly hoe : “Tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko”. Aoka isika hanolotra tanteraka ny tenantsika ho Azy ary tsy misy fepetra. Ary dia Kristy mihitsy no hiaina fiainam-pandresena ao anatintsika. Ny faniriana farany nataony tamin’ny vavaka fisorona ve tsy ny hoe : “mba ... Izaho koa ho ao aminy” ? Ny faniriantsika ve tsy ho toy ilay nataon’i Jaona Mpanao batisa manao hoe : “Izy tsy maintsy mitombo, fa izaho kosa tsy maintsy mihena” ?