Iza moa i Jesoa ?

G. André

Qui est Jésus ?

Bibles et Publications Chrétiennes

30, rue Châteauvert 26000 Valence (France)

 

1-      Zanak’Andriamanitra

2-      Zanak’Olona

3-      Mpamonjy

4-      Kristy (Ilay Mesia)

5-      Tompo — Lohan’ny zavatra rehetra

6-      Ny kisarisary manambara Azy ao amin’ny Testamenta Taloha

7-      Zanaka Malalan’ny Ray

 

Raha nanontany i Jesoa hoe: “Fa ianareo kosa manao Ahy ho iza?”, dia namaly i Simona Petera hoe: “Ianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra velona” (Matio 16. 16). Ny Ray no nanambara izany taminy ; koa dia nolazaina fa “sambatra” izy (and 17).

Tamin’ny faramparan’ny fiainany, ity apostoly efa zokiolona ity, izay nahalala fa “efa ho avy tampoka ny hanesorana ny trano lay”-ny (2 Petera 1. 14), dia nahazo fampaherezana lehibe: “Fa mitomboa amin’ny fahasoavana sy ny fahalalana an’i Jesoa Kristy” (3. 18).

Amin’ny fomba tena tsotra, ary angamba tsy feno, no niezahanay nanoritra ny voninahitra sasantsany manodidina ity Olona mahagaga ity; ny fibanjinana Azy lalina dia afaka hanova ny fiainantsika (2 Korintiana 3. 18). Tsy ho takatry ny saintsika mihitsy, raha mbola etỳ an-tany, ny zava-miafina momba Azy; ny Ray irery ihany no mahalala Azy (Matio 11. 27). Tamin’ny vavaka nataony, dia afaka nilaza ny Tompo Jesoa hoe: “Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesoa Kristy, Izay efa nirahinao” (Jaona 17. 3). Izy tokoa mantsy no “Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay” (1 Jaona 5. 20).

Mba handalinana kokoa ity lohahevitra ity, dia ampirisihinay ianao hamaky ireto boky manaraka ireto:

J.G. Bellett: Ny voninahitra ara-moraly ananan’ny Tompo Jesoa Kristy

J.G. Bellett: Ilay Zanak’Andriamanitra

F.V. Kietzel: Indro ilay Olona

Fandinihina ny Salamo 22

W.J. Hocking: Ilay Zanaky ny Fitiavany

Ny andininy tanisaina eto dia avy ao amin’ny Baiboly (natonta tamin’ny 1965) na avy amin’ny Baiboly DIEM (Dikanteny Iombonana, natonta tamin’ny 2004)

“Iza moa i Jesoa?” dia tsy maneho antokom-pivavahana iray.

Toy izao no fomba hanoroana ireo andininy notsongaina tao amin’ny Baiboly:

2 Petera 1. 14: epistily faharoa nosoratan’i Petera, toko voalohany, andininy faha-14

Mpitsara 13. 17-18: bokin’ny Mpitsara, toko faha-13, andininy faha-17 sy (na hatramin’ny) faha-18.

 

 

IZA MOA I JESOA?

 

“Iza no anaran-janany? Ambarao raha fantatrao”

(Ohabolana 30. 4. DIEM)

Indray alina, raha irery i Jakoba, dia nitolona tamina lehilahy iray tsy fantatra izy, izay naharesy azy rehefa nazava ratsy ny andro. Tsy maintsy niaiky ilay patriarka fa “Mpamitaka” no anarany. Notahiana anefa izy, ary nanontany ilay Anjely hoe: “Iza moa no anaranao?”. Dia namaly ilay Anjely (izay azo antoka fa endrika nisehoan’ny Tompo Izy tenany mihitsy) hoe: “Ahoana no anontanianao ny anarako? Dia nitahy azy teo Izy”. Tsy nambara ilay Anarana.

Tonga fanindroany ilay Anjelin’i Jehovah, namaly ny fangatahan’i Manoa. Dia nanontany Azy i Manoa hoe: “Iza moa no anaranao? … Ary hoy ilay Anjelin’i Jehovah: Nahoana no manontany ny anarako ianao? Fa anarana mahagaga izany” (Mpitsara 13. 17-18). Tsy nambara tamin’i Manoa koa ilay Anarana (ny dikan’ny hoe mahagaga, raha ny marimarina kokoa, dia hoe tsiambaratelo, afenina, amin’ny teny Hebreo).

Tatỳ aoriana elabe, dia hametraka izao fanontaniana izao indray i Agora: “Iza no anaran-janany? Ambarao raha fantatrao”.

Nefa efa nolazain’i Isaia mialoha ny fahaterahany: “Indro, hanan’anaka ny virijina ka hiteraka zazalahy; ary ny anarany ataony hoe Imanoela” (Isaia 7. 14).

Aoriana kelin’izany, dia manambara ny mpaminany hoe: “Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika; ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina, Andriamanitra Mahery, Rain’ny mandrakizay, Andrian’ny fiadanana” (Isaia 9. 6). Teraka tamin’ny fomba mahagaga avy amin’ny virijina, “Zaza” nomena, izany hoe olombelona; nefa koa “Zazalahy”, sary manambara ilay Zanak’Andriamanitra efa hatrizay hatrizay ary ho mandrakizay, izay tsy maintsy hanjaka sy hitondra fiadanana. Nefa ilay anarana manokana dia tsy nambara.

Any amin’ny Testamenta Vaovao, ao amin’ny andininy voalohany amin’ny Filazantsaran’i Matio, vao hita ilay anarana hoe Jesoa. Nambaran’ny anjely tamin’i Maria io anarana io: “Ary, indro, hitoe-jaza ianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany dia hataonao hoe JESOA” (Lioka 1. 31). Nohamafisiny tamin’i Josefa izany tatỳ aoriana kely: “Hiteraka zazalahy izy, ary ny anarany hataonao hoe JESOA; fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany” (Matio 1. 21) — Jesoa dia dikan’ny anarana hebreo hoe Jehovah no Mpamonjy (ny anarana hoe Josoa ao amin’ny Nomery 13. 16).

Ny soramiafina nampiasain’ireo kristiana voalohany ho famantarana azy, dia ny anaran’ny trondro: “ICHTUS”, izay midika hoe: I= Jesoa — CH= Kristy — TU (THEOU HUIOS)= Zanak’Andriamanitra — S= Mpamonjy.

Ireo endrika samihafa anehoan’ny Tenin’Andriamanitra Azy no tianay halalinina:

8-      Zanak’Andriamanitra

9-      Zanak’Olona

10-   Mpamonjy

11-   Kristy (Ilay Mesia)

12-   Tompo — Lohan’ny zavatra rehetra

13-   Ny kisarisary manambara Azy ao amin’ny Testamenta Taloha

14-   Zanaka Malalan’ny Ray.

 

 

1-      ILAY Zanak’Andriamanitra

Fotoana elaela no lasa taorian’ilay nahazoan’i Petera[1] trondro tamin’ny fomba mahagaga, izay niankohofany teo an-tongotr’i Jesoa, nilaza hoe: “Tompoko, mialà amiko, fa olo-meloka aho” (Lioka 5. 8). Nanaraka ny Tompony ireo mpianatra, nahita ny heriny, ny fony feno antra, ny fifandirany tamin’ireo Fariseo sy ireo antokom-pivavahana jiosy hafa; tsapan’izy ireo ny fandàvana Azy (Matio 11. 20-24; 12. 14); ny Fariseo aza dia nilaza mihitsy fa: “Tsy misy amoahan’Ilehiny ny demonia, afa-tsy Belzeboba, lohan’ny demonia” (Matio 12. 24).

Taoriana kelin’izay, dia nitokana tany amin’ny faritra avaratra indrindra i Jesoa, “tany amin’ny faritanin’i Kaisaria-filipo” (Matio 16.13). “Ary raha nivavaka tao amin’ny mangingina i Jesoa, sady teo Aminy ny mpianany” (Lioka 9.18), dia nanontany azy ireo Izy hoe: “Ataon’ny olona ho iza moa Aho”, Izaho izay Zanak’olona? Samy tsy nisy azo nekena ny valinteny nomen’ireo mpianatra. Koa nitodika tamin’izy ireo i Jesoa, ka nanontany azy hoe: “Fa ianareo kosa, manao Ahy ho iza?” Inona no havalin’izy ireo? Tena tsikaritr’izy ireo marina tokoa ve hoe iza Izy? Ary isika koa, inona no avalintsika izany fanontaniana izany?

Raha i Pilato ohatra, dia hilaza hoe: “Tsy hitako izay maha meloka ity lehilahy ity”. I Jodasy dia hanambara fa: “Namadika ilay ra tsy manan-tsiny aho”. Raha samy handalo eo anoloan’ny hazofijaliana ireo lehiben’ny mpisorona, dia hilaza fa: “Ny sasany novonjeny; fa ny tenany tsy hainy vonjena” (Matio 27. 42). I Petera, ilay mpianatra maika lalandava ny hisehoseho, inona no ho lazainy? — “Ianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra velona” (Matio 16. 16). Ny fanambaràna hoe “Ianao no Kristy” dia mety ho nifanaraka ihany tamin’ilay fanantenan’ny mpianatra hoe “Izy no Ilay efa hanavotra ny Isiraely” (Lioka 24. 21); efa hitany fa efa notanterahan’i Jesoa ny faminaniana sasantsasany; fa ny nanampiany kosa hoe: “ … Zanak’Andriamanitra velona”, ahoana no nahatonga izany? Tian’izy ireo ny Mpampianatra azy; nefa taorian’ilay tafio-drivotra, dia gaga izy ireo, nanao hoe: “Lehilahy manao ahoana re Io, fa ny rivotra sy ny ranomasina aza dia manaiky Azy?” (Matio 8. 27). Raha afaka nilaza i Petera fa Zanak’Andriamanitra Izy, dia satria tokoa ny Ray no nanambara izany taminy. Hanambara amin’ny Galatiana i Paoly hoe: “Sitrak’Andriamanitra… ny nampiseho ny Zanany tato anatiko” (1. 16). Ny sasany kosa dia nitady an’Andriamanitra “raha tàhiny hahatsapa ka hahita Azy” (Asa 17. 27). Ary isika, ahoana no fomba ahafantarantsika Azy ho toy ilay Zanak’Andriamanitra velona? Tsy ny Teny va no manambara izany amintsika? Araka ny lazain’ny apostoly hoe: “Fa voasoratra izao mba hinoanareo fa Jesoa no Kristy, Zanak’Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin’ny anarany, raha mino ianareo” (Jaona 20. 31).

 

Jaona 1. 1-4

“Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin’Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra. Izy dia tao amin’Andriamanitra tamin’ny voalohany. Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy Izy, dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza. Izy no nisiam-piainana; ary ny fiainana no fanazavana ny olona”.

Teny vitsy monja no anehoan’ny Fanahin’Andriamanitra amintsika Ilay antsoiny hoe ny Teny: izany hoe ny fanehoana ny fihevitr’Andriamanitra.

Na amin’ny fotoana lavitra indrindra azontsika saintsainina aza, dia efa “nisy Izy”: mandrakizay ny fisiany; “tao amin’Andriamanitra” Izy: miavaka aminy amin’ny maha Persona Azy, kanefa “Andriamanitra”: Andriamanitra amin’ny maha Izy Azy. Tsy hoe tonga ho Ilay ambaran’io andininy voalohany io Izy; efa Izy Izy hatrany am-piandohana, araka ny nolazainy hoe: “Fony tsy mbola ary Abrahama, dia Izy Aho” (Jaona 8. 58). Raha nosamborina tao Getsemane Izy, dia teny iray ihany dia nampihemotra ireo fahavalony: “Izaho no Izy”. Tsy fiseho manarakaraka an’Andriamanitra Izy (and 2), na nisy nahary (and 3). “Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy Izy, dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza”. Tsy noharìna Izy; Izy no Zanaka Lahitokan’ny Ray (der eingeborene Sohn, the only begotten Son, Monogenes) (Jaona 1. 14,18; 3. 16,18; 1 Jaona 4. 9).

“Izy no nisiam-piainana”. Tsy “fanahy velona”, toy ny olombelona Izy, fa “fanahy mahavelona” (1 Korintiana 15. 45). Nomen’ny Ray “hanana fiainana ho Azy Izy” (Jaona 5. 26).

 

 

 Hebreo 1. 1-3

“Nampitenenany (Andriamanitra) tamintsika ny Zanany, Izay voatendriny ho mpandova ny zavatra rehetra; Izy no nahariana izao tontolo izao, Izy koa no famirapiratan’ny voninahiny sy endriky ny tenany indrindra ary mihazona ny zavatra rehetra amin’ny herin’ny teniny…”.

Rehefa niresaka tamin’ireo razambe tamin’ny alalan’ny mpaminany Andriamanitra, tamin’ny faran’izany vanim-potoana izany, dia niteny tamintsika indray Izy tamin’ny alalan’ny “Zanany”. Iza moa io Zanany io? Izy no “voatendriny ho Mpandova ny zavatra rehetra”. Fikasàn’Andriamanitra hatrizay ny hanandratra ao amin’ny voninahitra Ilay ho avy etỳ an-tany hanome ny ainy, ary, rehefa tapitra ny andro voatendry, dia hangonina ny zavatra rehetra “ho iray ao amin’i Kristy”, izay lohany (Efesiana 1. 10).

“Izy no nahariana izao tontolo izao”, hatrany am-piandohan’ny tantara.

Amin’ny maha Izy Azy, dia “Izy koa no famirapiratan’ny voninahiny sy endriky ny tenany indrindra”. Mba ahazoana ny hevitr’io fehezanteny io, dia nantsoin’ireo olona fahiny hoe fahazavan’ny masoandro Izy. Ny “masoandro”, amin’ity fampitahana ity, dia entina milaza an’Andriamanitra; Izy no “mitoetra ao amin’ny mazava tsy azo hatonina Izay tsy hitan’olona sady tsy hainy jerena” (1 Timoty 6. 16). Nefa isika afaka mijery ny hazavan’ny masoandro, izay manazava ny zavatra rehetra. Ny voninahitr’Andriamanitra dia takona amintsika, nefa namirapiratra tanteraka kosa tao amin’i Kristy: “Fa Andriamanitra, Izay nandidy hoe: Aoka ny mazava hahazava ao amin’ny maizina, no nampahazava ny fonay ho amin’ny fahazavan’ny fahalalana ny voninahitr’Andriamanitra eo amin’ny tavan’i Jesoa Kristy” (2 Korintiana 4. 6).

Toy ny andraisan’ny savoka ny endriky ny tombo-kase (fanoharana malefaka ihany izany), no maha endrik’Andriamanitra ilay Zanaka. Azo lazaina hoe efa “mivoitra” io endrika io, raha ny “aloka” amin’izany no hitantsika ao amin’ny Testamenta Taloha (Hebreo 10. 1). I Jesoa tenany dia afaka namaly an’i Filipo, izay nanontany hoe “Asehoy anay ny Ray” (Jaona 14. 8), izao teny izao: “Tsy mino va ianao fa Izaho ao amin’ny Ray, ary ny Ray ato amiko?”. Ny finoana ihany no ahafantarana Azy ho toy izany.

Tsy vitan’ny hoe Izy no nahary izao tontolo izao, fa Izy koa no “mihazona ny zavatra rehetra amin’ny herin’ny teniny”. Valalanina ny saintsika mijery ny halehiben’izao tontolo izao. Raha misy zavatra mikorontana kely amin’ity tontolo misy antsika ity, dia mety ho loza tsy hay lazaina ny vokany. Ny Teny dia tsy mamboraka na manoritra an-tsipiriany ny zava-miseho izay avelan’Andriamanitra ho hitan’ny siansa miandàlana, noho ny saina matsilo nomeny ny olombelona. Izao fotsiny no lazainy: “Finoana no ahafantarantsika fa ny tenin’Andriamanitra no nanaovana izao tontolo izao, ka dia tsy izay zavatra miseho no nanaovana izao zavatra hita izao” (Hebreo 11. 3). “Fa ny fombany tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin’ny zavatra nataony” (Romana 1. 20). Tsy boky siantifika akory ny Baiboly. Ny ambarany amintsika, dia Ilay Nahary ny zavatra rehetra koa no mihazona izany amin’ny herin’ny teniny, ary tokony ho ampy antsika ny fanambaràna ataony.

 

 

Kolosiana 1. 15-17

“Ny Zanany malalany… no endrik’Andriamanitra tsy hita, ny Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao; fa tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy etỳ ambonin’ny tany, dia ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana, na fanjakana, na fanapahana, na fahefana, Izy no nahariana ny zavatra rehetra, sady ho Azy izany; ary Izy no talohan’ny zavatra rehetra, sady ao aminy no aharetan’ny zavatra rehetra”.

Amin’ireo tsongandahatsoratra ireo, dia tsy “endriky ny tenany” intsony Izy, fa “endrik’Andriamanitra” izay tsy hita: “Tsy nisy nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana; fa ny Zanakalahy Tokana, Izay ao an-tratran’ny Ray, Izy no nanambara Azy” (Jaona 1. 18).

Raha ny momba ny fahariana indray, dia Izy no “Lahimatoa”, izany hoe Ilay mpandova, Ilay loha; zavatra efatra no lazaina amintsika momba izany: tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra, ny hita sy ny tsy hita; ho Azy no nahariana ny zavatra rehetra; fa Izy no talohan’ny zavatra rehetra (tsy nohariana Izy izany); farany, ao aminy no aharetan’ny zavatra rehetra, ary mampifandray amin’izay lazain’ny Hebreo 1. 3 izany.

 

 

Izy izany dia “Zanak’Andriamanitra” mandrakizay. Efa hitantsika tao amin’ny Jaona 1 izany. Izy ihany koa no miteny izany raha nivavaka tamin’ny Ray Izy ao amin’ny Jaona 17. 24: “Ray ô, … efa tia Ahy Ianao, fony tsy mbola ary ny fanorenan’izao tontolo izao”.

Raha teraka tetỳ an-tany Izy, dia mbola Zanak’Andriamanitra foana. “Ny Masina izay hateraka dia hatao hoe Zanak’Andriamanitra”. Izany no zava-miafina momba ny tenany: notorontoronin’ny Fanahy Masina Izy, nefa teraka avy amin’ny virijina, ary Izy no “tena Andriamanitra sy tena olona”. “Zanako Ianao”, hoy ny Hebreo 1.5. Nefa ampiany koa hoe: “Izaho niteraka Anao androany”, raha tonga tetỳ an-tany Izy.

Farany, tamin’ny fitsanganany tamin’ny maty, dia “naseho tamin-kery ho Zanak’Andriamanitra (Izy), araka ny fanahin’ny fahamasinana tamin’ny fitsanganana tamin’ny maty” (Romana 1. 4).

Ny zava-miafina momba ny Telo Izay Iray

Ny andininy voalohany amin’ny Baiboly dia efa manambara izany sahady: “Andriamanitra nahary”; amin’ny teny hebreo, io Andriamanitra io dia lazaina ho maro (Elohim), fa ny matoanteny nahary kosa dia manondro tokana! Eo ambanimbany kokoa: “Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha isika (milaza maro) hamorona olona tahaka ny endrintsika … ary Andriamanitra nahary (milaza tokana) ny olona” (Genesisy 1. 26). Tamin’ny batisan’i Jaona vao nalàna ny saron’ny Telo Izay Iray. Naka ny toerany amin’ny maha olona Azy i Jesoa, niaraka tamin’ireo vahoaka izay nibebaka, tsy hoe satria mila mibebaka koa Izy, fa satria sahaza ny toerana noraisiny teo anivon’ny vahoakany izany. Nivavaka ilay Natao Batisa; dia nidina teo amboniny ny Fanahy, naka endrika voromahailala; ary nanakoako avy tany an-danitra ny feon’ny Ray nanao hoe: “Ianao no Zanako malalako” (Lioka 3. 21-22).

Atỳ aoriana i Jesoa dia hanambara hoe: “Izaho sy ny Ray dia iray ihany” (Jaona 10.30). Rehefa ho tonga ny Fanahy Masina, ilay Mpananatra, dia Izy no hampahafantatra fa “Izaho ao amin’ny Raiko” (14.20), araka ny nambaran’i Jesoa tamin’i Filipo hoe; “Izaho ao amin’ny Ray, ary ny Ray ato amiko” (and 10). Raha tetỳ ambonin’ny tany, dia tsy andriamanitra tsy niankina tamin’ny Ray akory Izy, na dia niavaka  aza (Jaona 5).

“Avy amin’ny Ray” ny Fanahy Masina (Jaona 15. 26). Ny Ray no manome Azy, Izy no “maniraka” Azy (14. 26), fa amin’ny anaran’i Jesoa no hanirahan’ny Ray Azy (15.26).

Ndeha tsy hohalalinina mihoatra izay io zava-miafina io. Iray Andriamanitra, iray ny mpanalàlana amin’Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesoa, Izay olona (1 Timoty 2. 5); nefa dia naneho ny tenany tamin’ny fomba telo samihafa Izy, na Persona telo.

Te hametra-panontaniana ny olombelona, nefa aoka isika tsy hihoatra izay fanambaràn’ny Tenin’Andriamanitra. Ny Tompo Jesoa Izy tenany mihitsy dia efa nilaza fa: “Tsy misy mahalala tsara ny Zanaka, afa-tsy ny Ray; ary tsy misy mahalala tsara ny Ray, afa-tsy ny Zanaka sy izay tian’ny Zanaka hanehoana Azy” (Matio 11. 27). “Ny Zanakalahy Tokana, Izay ao an-tratran’ny Ray, Izy no nanambara Azy”; nefa misy zava-miafina ao amin’ny Zanaka, izay tsy hisy “hahalala tsara”, na dia naniry ny “hahalala Azy” aza i Paoly, tahaka ny hahalalantsika olona iray na zavatra iray. Marina “fa efa naseho ny fiainana” (1 Jaona 1. 1-4): Efa hitan’ny maso Izy, efa nojerena sady efa notsapain’ny tànana. Nomena antsika izany fanambaràna izany, mba ho tanteraka ny fifaliantsika ao amin’ny firaisana amin’ny Ray sy ny Zanaka. Nefa misy zava-miafina saro-pantarina ny amin’ny Zanaka, na dia miseho amin’ny voninahitra aza Izy: hitondra ny anarana hoe “Matoky sy Marina” Izy, “Tenin’Andriamanitra”, “Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo” (Apokalypsy 19. 11, 13, 16), nefa koa “anarana voasoratra, izay tsy misy mahalala akory afa-tsy ny tenany ihany” (and 12)!

Anaran’i Jesoa izay tsy misy mahalala

Anaran’ilay Andriamanitra mahery mandrakizay,

Sy anaran’ilay Zanak’ondry Mpamonjy izao tontolo izao,

Ary anaran’ilay olona natsangana tamin’ny maty.

(H. Rossier)

Na dia izany aza, manoloana izany halehibeny izany, manoloana izany zava-miafina tsy hay fantarina izany, dia afaka manambara i Paoly, ary isika tsirairay koa afaka miara-miteny aminy toy izany, ny fankasitrahany Azy tsy misy fahataperana, hoe: “Ny Zanak’Andriamanitra, Izay tia ahy, ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy” (Galatiana 2. 20).

 

 

2. ILAY ZANAK’OLONA

“Lehibe ny zava-miafina ny amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra”, araka ny lazain’ny 1 Timoty 3. 16. “Naseho teo amin’ny nofo” Andriamanitra. Tao amin’ny Testamenta Taloha, dia maro ny fomba nanehoan’Andriamanitra ny tenany: tamin’ny nofy, fahitana, fisehoan’ny anjely, teny nambarany tamin’ny mpaminany “matetika sy tamin’ny fomba samihafa”. Fa ny Filazantsara dia mametraka eo anoloantsika ity zava-miafina mahagaga ity: “Ny Teny tonga nofo”, izany hoe olombelona.

Fotoana kely no “niainany” (“nananganany ny trano lainy”) teto anivontsika. Teo no nanehoany ny voninahiny, nefa tsy voninahitr’Ilay mpanjaka hanjaka amin’izao tontolo izao; tsy ny voninahitr’Ilay Mpahary; fa voninahitr’ilay olona tanteraka, ny voninahiny ara-moraly, “ho an’ny Lahitokana avy tamin’ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana”. Ary velarin’ny Filazantsara amin’ny masom-pinoantsika ny fahatanterahan’ny fiainan’ilay “olona Kristy Jesoa”.

Fehezan-teny vitsy nefa mazava sy lalina tokoa no anambaran’ny Filipiana 2. 6-8 amintsika ny haben’izany fanetren-tena izany. I Kristy Jesoa dia nanana ny “endrik’Andriamanitra”, ary izany no vontoatin’ny fiainany; nefa tsy nanao toa an’i Satana Izy (Isaia 14. 14), na toy ny olombelona nalaina fanahy (Genesisy 3. 5), “tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin’Andriamanitra”. Azo antoka fa nanana ny “endrik’Andriamanitra” Izy, ary mbola manana izany. Nefa dia nanaiky “nofoanany ny tenany” (ary Izy irery ihany no nahavita izany), nesoriny daholo ireo mariky ny voninahiny (nefa tsy nitsahatra ny nanana ny endrik’Andriamanitra Izy). Naka “endriky ny mpanompo” Izy, niaina tanteraka ny fiainan’ny mpanompo, tonga ho “manam-pitoviana amin’ny olona”. Ny olombelona, amin’ny maha izy azy, dia andevon’Andriamanitra, mpanompon’Andriamanitra; lalànan-javatra izany, satria voary izy. Fa Izy kosa, an-tsitrapo no nahatonga Azy ho toy izany. Tsipihina fa “naka ny endriky ny olona” Izy (jereo Romana 8. 3), satria tsy nanana ota: “Izay tsy nanota akory” (1 Petera 2. 22); “Izay tsy nahalala ota” (2 Korintiana 5. 21); “Ary tsy mba misy ota ao Aminy” (1 Jaona 3. 5).

Dingana faharoa tamin’ny fanetreny tena indray no aseho antsika ao amin’ny Filipiana 2. 8: “Ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena”. Olona eo anivon’ny olona, nanetry tena Izy amin’ny maha olona Azy. Tsy nitaky toerana ambony Izy; tsy nitafy ny voninahitra maha mpanjaka izay hananany atỳ aoriana Izy; tsy nitady fankasitrahana, na ny haja tamin’ireo manam-pahefana tamin’ny fotoan’androny Izy. Tamin’izany fanetreny tena izany, dia nanaiky Izy, “nanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin’ny hazofijaliana”.

Ambaran’ny Hebreo 5. 7-8 amintsika ny fahoriana nianjady taminy noho izany fankatoavana izany: “Tamin’ny andron’ny nofony, raha nanao fivavahana sy fangatahana nomban’ny fitarainana mafy sy ny ranomaso be tamin’Izay nahavonjy Azy tamin’ny fahafatesana Izy, … dia nianatra fanarahana tamin’izay fahoriana nentiny Izy, na dia Zanaka aza”. Tsy maintsy nahalala izany atao hoe fankatoavana izany Izy amin’ny maha olona Azy, ary olona nikatsaka izay hanatanterahana hatramin’ny farany ny sitrapon’Andriamanitra. Na dia tsy nisy kianina aza ilay mpanompo, tsy izany no nahazoany ny anarana hoe Zanak’Andriamanitra. Efa mahagaga raha toa misy olombelona tsara fitondrantena tamin’ny fiainany ka mendrika izany anarana izany. Koa tsy zava-dehibe tsy hay lazaina tokoa ve ny nahatonga ilay Zanak’Andriamanitra ho mpanompo!

Aoka anefa tsy hohadinoina fa tao amin’io olona nanetry tena io “no hitoeran’ny fahafenoana rehetra” (Kolosiana 1. 19). Izy no Imanoela, “Amintsika Andriamanitra” (Matio 1. 23). “Andriamanitra ao amin’i Kristy” no nampihavana izao tontolo izao tamin’Andriamanitra (2 Korintiana 5. 19). tena Andriamanitra Izy ary tena olona.

Araka ny epistily voalohany nosoratan’i Jaona, dia fomba telo no tokony ahafantarana Azy: “Ny fanahy rehetra izay manaiky fa efa tonga tamin’ny nofo Jesoa Kristy no avy amin’Andriamanitra” (1 Jaona 4. 2). “Na iza na iza manaiky fa Zanak’Andriamanitra Jesoa, dia mitoetra ao aminy Andriamanitra, ary izy kosa ao amin’Andriamanitra” (and 15). “Izay rehetra mino fa Jesoa no Kristy dia naterak’Andriamanitra” (5. 1).

Fahadisoan-kevitra toy inona no efa naelin’ireo “izay tsy manaiky fa efa tonga tamin’ny nofo Jesoa Kristy” (2 Jaona 7), na tsy Zanak’Andriamanitra i Jesoa. “Raha misy olona mankeo aminareo ka tsy mitondra izao fampianarana izao, aza mampiantrano azy” (and 10). Manan-danja eo imason’Andriamanitra izay rehetra mahakasika ny Zanany.

Zanak’olona Izy, ary Izy mihitsy no milaza izany; ny ahitana izany voalohany dia ao amin’ny Matio 8. 20, amin’ilay teny mahavariana hoe: “Ny amboahaolo manan-davaka; ary ny voro-manidina manana fialofana; fa ny Zanak’olona tsy mba manana izay hipetrahan’ny lohany”. Ny lohany dia hapetrany eo ambony hazofijaliana, raha “nanondrika ny lohany Izy”, ka nanolotra ny fanahiny tamin’ny Rainy (ny voambolana hoe “nanondrika” ao amin’ny Jaona 19. 30 dia mitovy amin’ilay hoe “hipetrahana” ao amin’ny Matio 8. 20!).

 

 

1.       Ny fitsaihany

 

Efa nanambara ny Isaia 7. 14 fa hanan’anaka ny virijina ary hiteraka zazalahy. Tsy maintsy miverina any amin’ny Filazantsara isika ahazoana mahalala tsara ny haben’izany faminaniana izany.

Ao amin’ny Lioka 1. 35, raha gaga i Maria hoe ahoana no hananany anaka, nefa izy mbola tsy nahalala lehilahy, dia namaly ilay anjely hoe: “Ny Fanahy Masina ho tonga ao aminao, ary hisy herin’ny Avo Indrindra hanaloka anao; koa ny Masina izay hateraka dia hatao hoe Zanak’Andriamanitra”. Virijina i Maria, ary nifamofo tamin’i Josefa. Tsy nisy fiarahana teo amin’izy ireo izay mety hitondra amin’ny fananan’anaka. Ao amin’ny Matio 1. 18-23, dia manoritra ny Fanahin’Andriamanitra fa “raha mbola tsy nivady izy”, dia nitoe-jaza avy tamin’ny Fanahy Masina i Maria. Niahiahy ihany i Josefa; tonga nanome toky azy anefa ny anjelin’ny Tompo, nilaza hoe: “Ny zaza ao an-kibony dia avy amin’ny Fanahy Masina; ka hiteraka Zazalahy izy, ary ny anarany hataonao hoe JESOA, fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany”. Tanteraka tamin’izany ny faminanian’i Isaia (and 23). Niresaka ny amin’ny Mpamonjy tamin’i Josefa ilay anjely; tamin’i Maria kosa, dia niresaka an’Ilay hanjaka izy: Tamin’ny alalan’i Maria no maha taranak’i Davida Azy ara-nofo (Matio 1. 16).

 

 

 

2.       Ny fahaterahany

Ao amin’ny Mika 5. 2 no efa nanambaràna fa ho teraka ao Betlehema ny Kristy. Josefa sy Maria dia nonina tany Nazareta. Ahoana ny fomba hataon’Andriamanitra hitondrana an’i Maria ho any an-tanànan’i Davida hiteraka any? Ambonin’ny zavatra rehetra Andriamanitra. Nisy didy iray navoakan’ny emperora hanaovana fanisam-bahoaka (izay hatao aoriana kely!). Nitondra an’i Josefa hiakatra any amin’ny tanàna niaviany, dia i Betlehema, io didy io, toy ireo Jiosy hafa koa, “satria avy amin’ny taranak’i Davida sy ny mpianakaviny” izy (Lioka 2. 4). I Maria, izay “fofom-badiny” dia bevohoka. Raha mbola tao amin’izany tanàna izany izy ireo, dia niteraka ny lahimatoany i Maria, dia nohodidininy lamban-jaza ka nampandriny teo amin’ny fihinanam-bilona. Tsy nisy toerana ho azy ireo tany amin’ny trano fandraisam-bahiny. Ny zavatra voalohany nataon’izy ireo tamin’ity zanany ity dia “nohodidininy lamban-jaza” izy; ny zavatra farany hatao Aminy, rehefa hampidinina avy eo ambony hazofijaliana ny vatany, dia “hofonosina lambam-paty” (Jaona 19. 40) Izy.

Ny tetiarana ao amin’ny Matio 1, — rehefa avy namerimberina foana hoe Ranona niteraka an-dRanona, — rehefa tonga teo amin’i Josefa, dia manoritra hoe: “vadin’i Maria; ary Maria niteraka an’i Jesoa, Izay atao hoe Kristy” (and 16).

Io zaza “nohodidinina lamban-jaza sy nampandrina teo amin’ny fihinanam-bilona” io no “famantarana” ho an’ireo mpiandry ondry, izay nilazan’ny anjely ny “fifaliana lehibe izay ho an’ny olona rehetra; fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’i Davida, dia Kristy Tompo”. Ho an’ireo magy izay ho tonga atỳ aoriana hitsaoka ilay mpanjaka, ny famantarana dia kintana. Nandeha nankany Betlehema ireo mpiandry ondry; nahita an’i Maria sy Josefa ary ilay Zazakely izy ireo, ary “rehefa nahita izy”, dia nampiely izany. Tsy i Josefa sy i Maria no nojereny, fa ity zaza izay nambara tamin’izy ireo fa lehibe tsy misy toa azy. Niverina izy ireo, “nankalaza sy nidera an’Andriamanitra”, toy ireo anjely marobe avy any an-danitra izay nidera sy nankalaza an’Andriamanitra.

Ny antony hifaliana dia “lehibe”, ary “ho an’ny olona rehetra”. Mifanohitra amin’ ny voalazan’ny Lioka 1. 14 izany, satria tao ny antony hifaliana dia ho an’i Zakaria sy olona maro hafa noho ny nahaterahan’i Jaona Mpanao batisa: izy no hamboatra ny làlan’ny Tompo; ilay zaza tao Betlehema kosa dia ny Tompo mihitsy.

Rehefa feno valo andro Izy, dia noforana. Nanaraka ny lalàna an-tsipiriany ny ray aman-dreniny, ary rehefa afaka ny efapolo andro, dia nentiny tany Jerosalema mba hodiovina, tsy ny Zaza akory, fa i Maria, araka ny ambaran’ny Levitikosy 12. 7 (“fidiovana ho an’i Maria”). Marihina fa ny ray aman-drenin’i Jesoa dia tsy afaka nanolotra zanak’ondry, satria nahantra loatra; domohina roa ihany no azony natao fanatitra.

Rehefa niditra tao an-tempoly nitondra ilay Zaza izy ireo, dia tsy nisy nahalala hoe iza io Zaza io, na ny mpisorona, na ny lehiben’ny tempoly. Ilay antidahy iray ihany, dia i Simeona, izay notarihin’ny Fanahy, no nitrotro Azy, ary nisaotra an’Andriamanitra satria ny masony efa nahita ny famonjena. Gaga tamin’izany zavatra izany ireo ray aman-dreniny, ary Simeona “nitso-drano azy ireo”. Marihina fa ny ray aman-dreny no notsofiny rano, fa tsy ilay Zaza. “Ary tsy azo lavina akory anefa fa ny kely no mahazo tso-drano amin’ny lehibe noho ny tenany” (Hebreo 7. 7). Ahoana moa no ahazoan’i Simeona hitso-drano ilay Zaza, nefa izy aza mila ny tso-dranon’io Zaza io?

Ana, ilay mpaminanivavy, izay efa anti-panahy koa, dia tsy niala teo an-tempoly, ary tonga teo tamin’izay fotoana izay. Nisaotra an’Andriamanitra izy ka “nilaza Azy”. Iza no nolazainy? Ilay Zaza, nefa io Zaza io, iza moa Izy raha tsy ny Tompo?

Tatỳ aoriana, dia tonga ireo magy. Nitarika azy ireo ho any amin’ilay “mpanjakan’ny Jiosy” ny kintana (Matio 2. 2). Nony tonga tao Betlehema izy ireo, dia niditra tao an-trano, ary nahita ilay Zaza sy Maria reniny. Nefa, raha niankohoka izy, dia ilay Zaza no nitsaohany sy nanolorany ireo fanomezany sarobidy: ny volamena (ny zavatra sarobidy indrindra ao amin’ny Baiboly, izay manambara an’Andriamanitra amintsika), ny zava-manitra (ilay fofona manitra miakatra ho any amin’Andriamanitra ary ankasitrahany, toy ny hiakaran’izany fofona izany mandritra ny fiainan’ilay Olona tanteraka), ny miora (ny ngidin’ny fahoriany), fanomezana izay mampahatsiahy antsika ny fanompoam-pivavahana azontsika atolotra an’Andriamanitra amin’ny fanahy sy ny fahamarinana, amin’ny alalan’i Kristy.

Ny zavatra tena mahagaga tokoa, moa ve tsy ilay fandosirana nankany Egypta? Azon’Andriamanitra natao tsara ny nanao fahagagana hiarovana ny Zanany. Nefa tsy nisy fahagagana natao tamin’i Jesoa. Olombelona etỳ an-tany Izy. Raha mbola zaza Izy, dia nentin’ireo ray aman-dreniny, nandositra toy ny mpitsao-ponenana, nivahiny tany amin’ny tany tsy an’ny tena mandra-pahafatin’i Heroda, avy eo nonina tao Nazareta, izay “nanalehibeazana” Azy.

 

 

3.       Rehefa roa ambin’ny folo taona Izy

Tsy misy na inona na inona nambara tamintsika momba io fiainana tao Nazareta io. Nantsoina hoe “zanak’ilay mpandrafitra” Izy, na koa hoe “ilay mpandrafitra” mihitsy, izay mamaritra ny asany. Sitrapon’ny Fanahin’Andriamanitra anefa ny handrakitra ho antsika ity zava-niseho feno fampianarana ity: rehefa roa ambin’ny folo taona i Jesoa, dia niakatra tany Jerosalema niaraka tamin’ny ray aman-dreniny, hankalaza ny Paska; nijanona irery tany Izy, na dia tsy nampandry mandry ny ray aman-dreniny aza, indrindra fa ny reniny. Nitady Azy nandritra ny telo andro ireo ray aman-dreniny (tsy tokony ho tonga ve dia tany an-tempoly no nalehan’izy ireo, raha fantany hoe iza Izy?). Farany, hitany ihany Izy, sady “eo amin’ny raharahan’ny Rainy”, no naka koa ny toerana sahaza ny zazalahy kely roa ambin’ny folo taona teo afovoan’ny mpahay lalàna, “nihaino sady nanontany azy” (ohatra tsara tokoa ho an’ireo rahalahy mbola tanora, momba ny tokony hitondrany tena ao amin’ny fiangonana, indrindra amin’ny fivoriana fianarana!). Fantatr’i Jesoa tsara fa Zanaky ny Ray Izy; tsy nanakana Azy tsy hody hiaraka amin’ny ray aman-dreniny anefa izany ka “nanoa azy” Izy. “Nitombo saina sy tena sady nandroso fitia tamin’Andriamanitra sy ny olona” i Jesoa, tsy misy kianina tamin’ny dingana rehetra nolalovany nahalehibe Azy, araka izay antonona ny taonany.

 

 

4.       Ny fanompoany

 

Mahasarika tokoa ny “mahita an’i Jesoa mitety tany”[2], amin’ireo diany isan-karazany, ny fitserany ny olona, ireo fampianarany, ilay toetra maha olona tanteraka Azy. Indraindray dia miseho toy ny tselatra ny maha Andriamanitra Azy, ohatra raha mampitony ny tafio-drivotra Izy na manangana an’i Lazarosy amin’ny maty, na manao fahagagana maro samihafa. Fa nisy nilaza hoe: “Nanafina ny endrik’Andriamanitra tamin’ny endriky ny mpanompo Izy, nosaronany tamin’ny maha Galileana fanabanty ny maha Andriamanitra Azy”.

Nahafantatra ny atao hoe havizanana Izy, raha nipetraka teo amin’ny fantsakana tao Sikara, reraky ny làlana, tamin’ny roa ambin’ny folo antoandro (Jaona 4. 6). Nangetaheta Izy ary nangataka rano tamin’ilay vehivavy teo. Eo amin’ny hazofijaliana, dia hiantso Izy hoe “Mangetaheta Aho”, mba hahatanteraka izay voasoratra. Tsy maintsy nandalovany io hetaheta tsy hay zakaina manjo ny olona voahombo io, nefa lalina kokoa noho izany ny hetaheta tao am-pony, dia ny hanatanteraka ny asa nampanaovin’ny Ray Azy. Nahafantatra ny atao hoe hanoanana Izy (Marka 11. 12). Natory Izy tao anaty sambokely na dia nisy tafio-drivotra aza, ary nampandriny tamin’ny ondana ny lohany. Nitomany Izy teo amin’ny fasan’i Lazarosy, nitomany Izy momba an’i Jerosalema, nitomany Izy tao Getsemane (Hebreo 5. 7).

Matetika Izy no hitantsika miditra amin’ny trano iray, indraindray misakafo ao; miditra any amin’ny synagoga, manao fahagagana, tsy sasatra mampianatra, mamaky ny Soratra Masina; hitantsika Izy mivoaka manaraka ny moron-dranomasina, miantso ny mpianany, miteny amin’i Matio hoe “Andeha hanaraka Ahy”. Misy fotoana andehanany irery any an’efitra na eny an-tendrombohitra, mba hivavaka.

Matetika Izy no miresaka amin’ireo mpianany ary milaza amin’izy ireo ny fahoriana miandry Azy. Taorian’ny fiovana tarehy, izay namirapiratan’ny voninahitr’i Kristy , nefa koa voninahitr’Ilay Zanaka malalan’ny Ray, “hatramin’izay”, dia nanomboka nilaza tamin’ny mpianany Izy fa tsy maintsy miakatra any Jerosalema ary hitondra fahoriana be (Matio 16.22). Raha namakivaky an’i Galilia Izy, dia nampianatra ny mpianany hoe: “Ny Zanak’olona efa hatolotra ho eo an-tànan’ny olona ka hovonoiny”. Ny mpianany kosa tsy nahazo izany. Mbola naverin’i Jesoa ihany ny fampianarany raha “teny an-dàlana niakatra ho any Jerosalema” izy ireo: “Ary naka ny roa ambin’ny folo lahy indray Izy, dia nilaza taminy izay efa hanjo Azy ka nanao hoe: Indro, miakatra ho any Jerosalema isika; ary ny Zanak’olona hatolotra ho amin’ireo lohan’ny mpisorona sy mpanora-dalàna; ary hohelohiny ho faty Izy ka hatolony amin’ny jentilisa; ary hanao Azy ho fiomehezana ireny sy handrora Azy sy hikapoka Azy ary hahafaty Azy; fa rehefa afaka hateloana, dia hitsangana indray Izy” (Marka 10. 32-34). Inona no navalin’izy ireo izany? — Nangataka ny toerana tsara indrindra ao amin’ny fanjakana i Jakoba sy Jaona!

 

5.       Ny fahafatesany

Nandalo ny taona. “Ary efa mby akaiky ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia ilay andro atao hoe Paska… Ary tonga ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia ilay tsy maintsy hamonoana ny sorona atao amin’ny Paska… Ary nony tonga ny fotoana, dia nipetraka hihinana Izy” (Lioka 22). “Tonga ny fotoana hialany amin’izao tontolo izao ho any amin’ny Ray” (Jaona 13. 1). Hihemotra ve Izy manoloana ireo fijaliana? Tena hankatò hatramin’ny fahafatesana ve Izy? Mbola ambara ihany fa: “Nianatra fanarahana tamin’izay fahoriana nentiny Izy”.

Tao Getsemane, dia nanaiky ilay kapoaka natolotry ny tànan’ny Ray Izy. Raha niteny i Pilato hoe: “Indro, izaho mitondra Azy mivoaka ho eto aminareo, mba ho fantatrareo fa tsy hitako izay helony, na dia kely akory aza” (Jaona 19. 4), dia i Jesoa no nivoaka nisatroka tsilo ary nitafy ny lamba volomparasy, “niova loatra ny endriny ka tsy toy ny endrik’olona akory” (Isaia 52. 14 DIEM). Azony natao ny nihemotra. Tsy afaka nanery Azy ny governora. An-tsitrapo no nivoahan’i Jesoa. Nampiseho Azy i Pilato tamin’ny hoe: “Indro ny Lehilahy!”.

Napetraka teo anoloan’ny vahoakany ilay “Olon’ny fahoriana”. Inona no havalin’izy ireo? — “Homboy amin’ny hazofijaliana Izy! Homboy amin’ny hazofijaliana Izy!”.

Farany, dia nanolotra Azy mba hohomboana amin’ny hazofijaliana i Pilato. Nalain’ireo i Jesoa ary nentiny. Inona no ambara amintsika? “Izy nitondra ny hazofijaliany” (Jaona 19. 17). Tsy ho vitan’ireo mihitsy ny hitondra Azy raha tsy sitrapony. Efa nilaza ny mpaminany fa “tahaka ny zanak’ondry entina hovonoina” Izy: ny filazantsara araka an’i Marka, dia ilay boky manambara ny Mpanompo, no mampiseho Azy amintsika ho toy izany. Fa ao amin’ny filazantsara nosoratan’i Jaona kosa, dia nandeha an-tsitrapo nankany amin’ny toerana fampijaliana ilay Zanak’Andriamanitra!

Nety maty ve i Jesoa? Ny olombelona rehetra dia mety maty; efa nandray anjara tamin’ny toetra maha olombelona Izy; nefa tsy tokony ho faty Izy, fa afaka nanome ny ainy: “Tsy misy manaisotra ny aiko amiko, fa ny tenako ihany no manolotra azy. Manana fahefana hanolotra azy Aho, ary manana fahefana haka azy indray” (Jaona 10. 18). Fanapahan-keviny samirery, ary olona vory saina tanteraka Izy, no namela azy ireo hanombo Azy, sy nandavany ilay divay miharo miora izay nety hampitony ny fijaliany. Tsy nidina avy teo amin’ny hazofijaliana Izy raha nolatsaina hoe: Raha Zanak’Andriamanitra Ianao, raha Mpanjakan’ny Jiosy Ianao, midina avy eo ambony hazofijaliana, dia hino Anao izahay. Hatramin’ny farany Izy dia nanao izay hahatanteraka izay voasoratra; ary rehefa “vita ny zavatra rehetra”, dia nanandrana tamin’ilay vinaingitra Izy, dia nanao hoe: “Vita”. Dia nanondrika ny lohany Izy ka nanolotra ny fanahiny (Jaona 19. 28-30).

Nody tany Jerosalema ny vahoaka, nitehan-tratra. Tonga ny alina tao Kalvary. Josefa avy any Arimatia, izay mpianatr’i Jesoa nefa tao amin’ny mangingina ihany, no nanatona teo. Nomen’i Pilato alàlana haka ny fatin’i Jesoa izy. Nesoriny teo ambony hazofijaliana Izy. Dia nisy lehilahy iray koa nanatona, i Nikodemosy, ilay efa nankao amin’i Jesoa nony alina tamin’ny voalohany; nitondra “miora sy hazo manitra voaharoharo, tokony ho zato livatra” izy (Jaona 19. 38-42). Nentin’izy roalahy ny faty, nofonosiny lambam-paty mbamin’ny zava-manitra, ary napetrany tao amin’ilay fasana vaovao tao an-tsaha. Lehilahy roa no nikarakara Azy tamin’ny nahafatesany, ary lehilahy roa no niresaka taminy ny momba ny fahafatesana tsy maintsy tanterahany any Jerosalema (Lioka 9. 31); lehilahy roa koa no nandeha tany Emaosy, nalahelo, satria foana tanteraka ny fanantenan’izy ireo tamin’ny nahafatesany.

 

 

6.       Ny fitsanganany tamin’ny maty

“Nalevina” Izy, hoy ny 1 Korintiana 15. 4, mba tsy hisy ho tonga hilaza fa sendra torana kely fotsiny Izy raha niantso tamin’ny feo mahery ary niala aina teo ambony hazofijaliana. Tena maty Izy, ary tena nitsangana tamin’ny maty. Nisy olona tsy nanaiky ny fitsanganany tamin’ny maty, “nefa raha tsy misy fitsanganan’ny maty, na dia Kristy aza dia tsy natsangana; ary raha tsy natsangana Kristy, dia… foana koa ny finoanareo” (and 13-14).

Na dia natsangana ary nitafy vatana ara-panahy aza Izy, dia tena olombelona tokoa. Tsy nahalala Azy ireo mpianatra tany Emaosy raha nanatona Izy ka niara-dia taminy. Toy ny olona rehetra ihany Izy. Nefa nangorakoraka ny fon’izy ireo tao anatiny; ary rehefa namaky ny mofo niaraka tamin’izy ireo Izy vao nisokatra ny masony, satria namerina ireo fihetsika fanaony isan’andro Izy, tamin’Izy mbola teo amin’ny nofo. Nihevitra i Maria Magdalena fa ilay mpikarakara ny saha no hitany; raha niontana tamin’ny antsony ny fony— “Maria”, — vao nahalala ilay Tompony izy (Jaona 20. 15-16). Ny finoana, ny fo, no mahalala ilay Olona natsangana tamin’ny maty.

Raha niseho teo amin’ny mpianany Izy, dia nilaza hoe: “Izahao ny tànako sy ny tongotro, fa Izaho no Izy; tsapao Aho, ka jereo, fa ny matoatoa tsy mba manana nofo sy taolana, tahaka izay ahitanareo Ahy izao” (Lioka 24. 39-42).

Nentiny nivoaka nankany Betania izy ireo, ary nanandratra ny tànany Izy ka nitso-drano azy. Raha nisaraka tamin’izy ireo Izy ka nakarina ho any an-danitra, dia tena olona mihitsy no nomem-boninahitra, “ao amin’ny tenany no itoeran’ny fahafenoan’ny fomban’Andriamanitra rehetra” (Kolosiana 2. 9).

 

 

3. ILAY MPAMONJY

 

“Ny Ray efa naniraka ny Zanaka ho Mpamonjy izao tontolo izao” (1 Jaona 4. 14). Ny anarana hoe Jesoa dia efa manambara fa: Jehovah no Mpamonjy. Nanambara tamin’ireo mpiandry ondry ny anjely hoe: “Fa Mpamonjy no teraka ho anareo”. Nijoro ho vavolombelon’izany ireo Samaritana tany Sikara: “Ny tenanay no nandre, ka fantatray fa Izy tokoa no Mpamonjy izao tontolo izao”. Ary ny 2 Timoty 1. 10 dia manantitra ny fahamarinan’izany: “Kristy Jesoa, Mpamonjy antsika, izay nahafoana ny herin’ny fahafatesana, ka ny filazantsara no nampisehoany mazava ny fiainana sy ny tsy fahalòvana mandrakizay”.

 

 

1.       Ny famonjena

“Fa efa tonga ny Zanak’olona hitady sy hamonjy ny very” (Lioka 19. 10). Tsy maintsy mahita tena fa very vao mankamamy ny atao hoe voavonjy. Mitoetra indray andro, na andro maromaro, eo anoloan’ny fahamasinan’Andriamanitra, Izay tsy afaka hijery ny faharatsiana; manaiky fa mendrika ny fahaverezana, satria efa naniratsira io Andriamanitra masina io matetika tokoa; mahatsapa amin’izay fa “fahasoavana no namonjena (antsika) amin’ny finoana; ary tsy avy (amintsika) izany fa fanomezana avy amin’Andriamanitra” (Efesiana 2. 8).

Efa voavonjy ary mbola voavonjy ny mpino: “Voavonjy ianareo…”. Tsy zavatra mbola ho avy akory ny famonjena ny fanahy, amin’izao fotoana izao izany, ary zavatra maharitra: “Andriamanitra, Izay namonjy antsika tamin’ny fiantsoana masina, tsy araka ny asantsika, fa araka ny fikasany sy ny fahasoavany” (2 Timoty 1. 9).

Fa iainana amin’izao fotoana izao koa ny famonjena. Izao no ambaran’ny Filipiana 2. 12-13 amintsika: “Miasà amin’ny tahotra sy ny hovitra hahatanteraka ny famonjena anareo. Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony”. Ny hoe “miasà” eto, raha ny tena dikany tany am-boalohany, dia milaza hoe “mambole”, araka ireo horonan-taratasy hita tamin’ny taonjato voalohany, taona maro lasa izay. Tsy “mividy” ny famonjena akory, fa kosa “manatratra ny tanjona tsara entin’izany famonjena izany amin’ny asa”, amin’ny fitondràna voa sy vokatra izay miseho amin’ny fitondrantenantsika. Ny herin’Andriamanitra irery ihany no afaka miasa ao anatintsika hampisy ny fikasana sy ny fanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra; ny takiana amintsika amin’izany kosa dia fahamailòna sy toe-po sy fanahy mamela an’Andriamanitra hiasa eo amin’ny fiainantsika amin’ny alalan’ny Fanahiny.

Farany, ny tena famonjena feno dia mbola hoavy. Fantatsika fa “ny famonjena antsika dia akaiky noho ny tamin’ny andro vao ninoantsika” (Romana 13. 11). Mbola averina ihany, fa tsy hitady ny famonjena akory no ataontsika, fa kosa mifoha amin’ny torimasontsika ary mitafy ireo fiadian’ny mazava ka hitondra tena tsara toy ny amin’ny andro atoandro. Azo antoka fa efa akaiky ny andro izay hiavian’ilay “Mpamonjy, dia Jesoa Kristy Tompo, Izay hanova ny tenan’ny fietren-tenantsika ka hitovy endrika amin’ny tenan’ny voninahiny” (Filipiana 3. 21). Amin’izao fotoana izao isika dia manana “ny voaloham-bokatry ny Fanahy”, kanefa “miandry ny fananganan’anaka, dia ny fanavotana ny tenantsika” (Romana 8. 23).

 

 

2.       Ny famelàn-keloka sy ny fanadiovana

Lafiny roa no hanehoana ny fahotana: dia ny trosa, toy ny tamin’ireo fanoharana nataon’i Jesoa; ary ny fahalotoana, izay oharina amin’ny habokana. Ny trosa dia mifandraika amin’ny famelàna ireo heloka, ny fahalotoana amin’ny fanadiovana.

a-      Famelàn-keloka

Voavela ny fahotan’ilay olo-meloka, tsy nila nizaka ny sazy sahaza azy noho ny heloka vitany izy.

Raha famelàn-keloka omen’olombelona, ohatra hoe ray mamela ny heloky ny zanany, dia foanana ny fanamelohana noho ny fitiavana, angamba koa noho ny fahalemena, ary tsy misy sazy.

Tsy toy izany kosa ny famelàn-keloka omen’Andriamanitra. Tsy maintsy ampiharina ny sazy, kanefa natao tamin’olon-kafa izany, olona nisolo toerana; afaka mamela heloka amin’izay Andriamanitra. Fa ilay nisolo toerana kosa dia tsy olona iray hafa, olona atao sorona, tahaka ny zava-misy amin’ny fivavahan’ny mpanompo sampy sasany, hampitony ny hatezeran’ilay andriamanitra tompoina. Andriamanitra Izy tenany mihitsy no nanolo-tena hisolo toerana, tamin’ny alalan’ny Zanany: “Isika rehetra dia efa samy nania tahaka ny ondry … ary nataon’i Jehovah nihatra taminy avokoa ny helotsika” (Isaia 53. 6).

“Fa raha tsy misy ra latsaka, dia tsy misy famelan-keloka” (Hebreo 9. 22). Kisarisarin’ny fahafatesan’i Kristy no nampandriaka ny ran’ny biby natao sorona, dia ombilahy sy zanak’ondry maro. Tsy nanam-pahefana hanala ny fahotana io ra io. Mba hahatakaran’ny olony tsara ny fomba nanonerana ilay trosa, dia hoy i Jesoa tamin’ireo mpianany, raha nandray ny kapoaka Izy tamin’ilay alina namadihana Azy: “Fa ity no rako, dia ny amin’ny fanekena, izay alatsaka ho an’ny maro ho famelan-keloka” (Matio 26. 28).

Feno sy tanteraka ilay famelàn-keloka, “navelan’(Andriamanitra) ny fahadisoantsika rehetra” (Kolosiana 2. 13).

Dia ahoana ny momba ireo fahadisoan’ny mpino? Ny asa vitan’i Kristy irery ihany no nanefa izay trosa izay. Ny takian’Andriamanitra amin’ireo olony dia ny miaiky ny hadisoany: “Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra” (1 Jaona 1. 9). Raha milaza isika fa tsy nanota, tsy manana toetra mpanota, dia mamita-tena; raha milaza isika fa tsy nanota, tsy nanao hadisoana, dia manao an’Andriamanitra ho mpandainga.  Tsy ny fanafenana ny hadisoanao no ilaina, fa ny fiaikena izany, voalohany indrindra aloha eo imason’Andriamanitra, ary manaraka izany eo imason’ireo olona noratraintsika na nanaovantsika ratsy. Mahatoky Andriamanitra amin’ny teny fampanantenany, ary mamela heloka Izy, kanefa koa amin’izany, dia marina Izy eo anatrehan’I Kristy, amin’ny anaovany izany.

b-      Ny fanadiovana

Izay voaloto dia tsy maintsy diovina sy sasàna.

Ao amin’ny 1 Korintiana 6. 9 ny lisitr’ireo “boka” izay tsy handova ny fanjakàn’Andriamanitra. Nefa afaka manampy ny apostoly hoe: “Ary efa mba toy izany ihany ny sasany aminareo, saingy efa voasasa ianareo, efa nohamasinina ianareo, efa nohamarinina ianareo, tamin’ny anaran’i Jesoa Kristy Tompo sy tamin’ny Fanahin’Andriamanitsika”. Ny ambara eto dia ilay fanadiovana tany am-boalohany, fanadiovana feno tanteraka, izay mahatonga ny olona nahazo izany hihira hoe: “Ho an’Izay tia antsika ka namaha antsika ho afaka amin’ny fahotantsika tamin’ny rany, … ho Azy anie ny voninahitra” (Apokalypsy 1. 5-6).

Tsy mila haverina intsony io fanadiovana tany am-boalohany ny vatana iray manontolo io; kanefa ny mpino, izay voaloto amin’ny diany, dia tsy maintsy sasàna tongotra amin’ny fampiharana ny Teny (ny rano) sy ny asan’ny Tompo amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Izany no fampianarana nataon’i Jesoa tamin’ireo mpianany ao amin’ny Jaona 13, ary nofaranany tamin’ny hoe: “Izay efa nandro tsy mila hosasana, afa-tsy ny tongotra ihany, fa efa madio avokoa”. Raha tsy izany, hoy Izy tamin’i Petera, “dia tsy manana anjara Amiko ianao”, izany hoe tsy afaka ny hisitraka ny fiombonana miaraka amin’ny Tomponao.

 

 

3.       Ny fanamarinana

Tsy maintsy ambara fa marina ilay mpanota, raha tsy izany dia hiharan’ny fanamelohana izy.

“Fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra” (Romana 3. 23). Tsy maintsy manao “asa” ve mba hisian’ny “karama” toy ny hoe “zavatra tsy maintsy omena” anao? Tsy izany velively. “Fa ho an’izay tsy miasa kosa, fa mino Izay manamarina ny ratsy fanahy, dia ny finoany no isaina ho fahamarinana” (Romana 4. 5).

Isika dia “hamarinina maimaimpoana amin’ny fahasoavany noho ny fanavotana izay ao amin’i Kristy Jesoa … tamin’ny rany ho fanavotana amin’ny finoana”. Noho izany, dia “marina (Andriamanitra) sady hanamarina izay manana finoana an’i Jesoa"(and 26).

 

 

4.       Ny fanavotana

Andevon’ny ota isika ary andevon’i Satana. Tsy maintsy nohafahana isika.

Ny lahatsoratra ifotony dia mampiasa voambolana roa hilazana ity fanavotana ity: mividy andevo “ivelan’ny tsenam-barotra” mba hanafahana azy, na manafaka amin’ny fandoavana onitra. Mifandray ihany ireo dikany roa ireo.

Isika dia efa “namidy ho andevon’ny ota” (Romana 7. 14), “nandevozin’ny abidiam-pianaran’izao tontolo izao” (Galatiana 4. 3), voan’ny “ozon’ny lalàna” (Galatiana 3. 13). Nefa “nanavotra (antsika) tamin’ny ozon’ny lalàna (i Kristy), satria tonga voaozona hamonjy (antsika) Izy”. “Tsy zavatra mety ho simba … no nanavotana anareo tamin’ny fitondrantena adala, … fa ny ra soan’i Kristy” (1 Petera 1. 18-19). Ary rehefa hanakoako manoloana ilay seza fiandrianana ny fihirana vaovao, dia hamafisiny fa: “Ny ranao no nanavotanao ho an’Andriamanitra olona avy tamin’ny fokom-pirenena rehetra sy ny samy hafa fiteny sy ny olona ary ny firenena rehetra” (Apokalypsy 5. 9).

Noho izany, dia nafahana tamin’ny herin’i Satana sy ny ota isika, novidiana tamin’ny ran’i Kristy, izay tsy manam-petra ny vidiny: “Nitondra… ny ran’ny tenany (i Kristy), dia niditra indray mandeha ho any amin’ny fitoerana masina ka nahazo fanavotana mandrakizay” (Hebreo 9. 12).

 

 

5.       Ny fanati-panonerana sy ny fampihavanana

Ny fampihavanana amin’Andriamanitra no isan’ny fitahiana entin’ny asan’i Kristy ho antsika; ny fanati-panonerana kosa dia mahakasika an’Andriamanitra.

a-      Ny fampihavanana

“Ianareo koa dia… fahavalony… . Fa ankehitriny kosa, noho i Kristy niharan’ny fahafatesana tao amin’ny vatany mety maty, dia namitram-pihavanana taminareo Andriamanitra” (Kolosiana 1. 21-22 DIEM). Ny fampihavanana dia mahatonga fiovana tanteraka eo amin’ny toe-tsaina. Tsy fahavalontsika Andriamanitra, fa mifanohitra amin’izany: “Notiavin’Andriamanitra fatratra izao tontolo izao…”. Isika, amin’ny fihevitsika, amin’ny fomba fandraisantsika ny zava-misy, amin’ny fitondrantenantsika rehetra, no nanohitra an’Andriamanitra. Ilay fiovàna lalina izay nahatonga antsika ho zanak’Andriamanitra, nefa taloha fahavalony, dia notanterahina tamin’ny “nahafatesan’ny Zanany” (Romana 5. 10).

“Andriamanitra ao amin’i Kristy no nampihavana izao tontolo izao taminy”. Napetrany amintsika ny “teny fampihavanana” ary “izahay dia mangataka indrindra aminareo hoe: Mihavàna amin’Andriamanitra anie ianareo!”. Manaiky amin’ny finoana ny asa nataon’Ilay Iray “Izay tsy nahalala ota” kanefa natao ota ho antsika, “mba ho tonga fahamarinan’Andriamanitra ao aminy kosa isika” (2 Korintiana 5.19-21).

b-      Ny fanati-panonerana

Tamin’ny Andro lehibe Fanavotana, ao amin’ny Levitikosy 16, ny mpisoronabe dia tsy maintsy mamono ilay osy atao fanatitra ho an’ny ota, mitondra ny rany ao anatin’ny efitra lamba, ary mamafy izany eo amin’ny rakotra fanaovam-panavotana (rakotry ny fiaran’ny Vavolombelona na ny Didy Folo) sy eo anoloan’ny rakotra fanaovam-panavotana. Tamin’izany fihetsika izany, dia natao teo ambonin’ny fiaran’ny Vavolombelona ny ra, teo ambany mason’ireo kerobima roa nanaloka azy tamin’ny elany. Kisarisary tsara tokoa maneho ny ran’i Kristy, izay napetraka teo imason’Andriamanitra, mampiseho ny hasarobidiny izany: “Kristy Jesoa, Izay nasehon’Andriamanitra tamin’ny rany ho fanavotana (na fanatitra fampiononam-pahatezerana)” (Romana 3. 25).

Tsy hoe hanao izay hitahian’ilay Andriamanitra iray mpamaly faty, na hampitony ny fahatezeran’ny andriamanitra iray; fa kosa, amin’ny fankatoavana tanteraka sy ny fanoloran-tena nataon’i Kristy, mba hahatonga an’Andriamanitra ho marina raha mamela heloka. Ny ra teo amin’ny rakotra fanaovam-panavotana dia mampiseho fa tanteraka ny asa, nanome valiny mahafa-po ny fahamarinan’Andriamanitra. “Voarakotry” ny fanatitra natao tao amin’ny Testamenta Taloha ny ota, nefa izany “tsy mahatanteraka ny mpivavaka”. Amin’izao fotoana izao, dia efa “nesorina” ny ota. Kristy no “avotra noho ny fahotantsika, ary tsy noho ny antsika ihany, fa noho ny an’izao tontolo izao koa” (1 Jaona 2. 1; 2. 2). Ho an’izao tontolo izao no nanaovany ny asany teo anatrehan’Andriamanitra, nefa izay olona mandray izany amin’ny finoana ihany no misitraka izany.

 

 

6.       Ny fiainana mandrakizay

Maty tao amin’ny fahadisoantsika sy ny fahotantsika isika, nefa dia niara-novelomin’Andriamanitra tao amin’i Kristy sy niara-natsangany tamin’ny maty taminy (Efesiana 2. 5-6; Kolosiana 2. 13 sy 3. 1). Mampiditra antsika ho amin’ny fiainam-baovao ny fahateraham-baovao. Tonga “mpiray” amin’ny fomban’Andriamanitra isika. Koa afaka mandeha “amin’ny fiainam-baovao” isika.

Ny fiovàna azo tsapain-tànana hita eo amin’ny olona iray izay lavitra an’Andriamanitra taloha, nefa nentina ho eo amin’ny Tompo Jesoa, dia mampiseho mazava io fiainam-baovao io.

Ny zava-tiana, ny fironana, ny toetry ny zavatra rehetra dia niova avokoa. Izay nety ho nanan-danja taloha dia tsy misy dikany intsony, fa ny zavatr’Andriamanitra kosa no lasa iainana.

“Fiainana mandrakizay no omen’Andriamanitra antsika, ary ao amin’ny Zanany izany fiainana izany. Izay manana ny Zanaka no manana fiainana; izay tsy manana ny Zanak’Andriamanitra no tsy manana ny fiainana. Izany no nosoratako taminareo, izay mino ny anaran’ny Zanak’Andriamanitra, mba ho fantatrareo fa manana fiainana mandrakizay ianareo” (1 Jaona 5. 11-13).

 

 

Ny vesatra nentin’i Kristy

Tsy azontsika tsara ao an-tsaina ny fahorian-dehibe nentin’ny Mpamonjy antsika mba hitondrana antsika ao amin’Andriamanitra: “Fa mendrika… (Izay) mitondra zanaka maro ho any amin’ny voninahitra, ny hahatanteraka ny Tompon’ny famonjena ireo amin’ny fahoriana” (Hebreo 2. 10).

Efa nambaran’ny mpaminany taloha izany (Isaia 53), ary andinin-tSoratra Masina hafa: “Nitondra ny arentitsika tokoa Izy sady nivesatra ny fahoriantsika… Nefa Izy dia … notorotoroina noho ny helotsika. Ny fampijaliana nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy… Isika rehetra dia efa samy nania tahaka ny ondry… ary nataon’i Jehovah nihatra taminy avokoa ny helotsika rehetra… Ary Izy no hivesatra ny helok’ireo… Eny, Izy no nitondra ny fahotan’ny maro”.

Raha niresaka ny fijaliana hanjo Azy ny Tompo Jesoa, dia nilaza Izy hoe: “Ny Zanak’olona dia hatolotra eo an-tànan’ny olona ka hovonoiny” (Marka 9. 31). Ny apostoly Petera, izay “vavolombelon’ny fahoriana nentin’i Kristy”, dia manoritra fa : “Nitondra ny helotsika teo amin’ny hazo Izy”.

“Nitondra ny otan’ny maro Izy” (Hebreo 9. 28).

Indrisy! Vesatra nentinao

Irery tamin’ny ora manjombona,

Ny fandaozana, ny tahotra sy horohoro

Noho ireo helokay tsy hita isa! (H. Rossier)

 

4. ILAY KRISTY — ILAY MESIA

 

Indray andro, dia nisy tanora kristiana nangataka taminay ny hamelabelarana izao lohahevitra izao: i Kristy, araka ny faminaniana, i Kristy ara-tantara, i Kristy velona, olona iray ihany ve ireo? — Ndeha àry ho jerentsika izay ambàran’ny Teny.

Ny teny hebreo hoe “Mesia” (ilay voahosotra) dia nadika hoe “Kristy” amin’ny teny grika sy frantsay. Anaram-boninahitry ny Tompontsika io, fa Jesoa kosa dia anarany manokana. Tsy midika anefa izany fa “tonga” Kristy Izy tamin’ny fotoana iray teo amin’ny fiainany, araka ny lazain’ny sasany, fa ndeha ho vakiantsika indray izay voasoratra ao amin’ny Romana 9. 5: “Kristy, Izay ambonin’izy rehetra, Andriamanitra isaorana mandrakizay”.

 

 

1.       I Kristy ao amin’ny faminaniana

 

Na dia tsy voatonona mazava aza Izy ao amin’ny Ohabolana 8. 23, dia voalaza momba ny Fahendrena fa: “Izaho notendreny hatramin’ny fahagola, eny, hatramin’ny voalohany indrindra, dia fony tsy mbola ary ny tany”. Ny fiteny hoe “notendreny” dia midika hoe “voahosotra” amin’ny teny hebreo, ary manambara ny Kristy izany.

 

a.       Ilay “taranaka”

Taorian’ny fahalavoana, dia nilaza tamin’ny menarana i Jehovah Andriamanitra hoe: “Dia hampifandrafesiko ianao sy ny vehivavy, ary ny taranakao sy ny taranany: izy (ny taranaky ny vehivavy) hanorotoro ny lohanao, ary ianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony” (Genesisy 3. 15).Io no teny fampanantenana voalohany mazava momba Ilay ho avy ka handresy an’i Satana, “hanorotoro ny lohany”. Ny devoly kosa dia “hanorotoro ny ombelahin-tongotry” ny taranaky ny vehivavy, dia i Kristy tonga olona, Izay handalo fahafatesana ka hivoaka ho mpandresy, “mba handringanany amin’ny fahafatesana ilay manana ny herin’ny fahafatesana, dia ny devoly” (Hebreo 2. 14). Nandritra ny tantara rehetra, dia nisy foana io fifandrafesana io teo amin’ny taranaky ny vehivavy sy ny taranaky ny devoly. Hoy i Jesoa tamin’ireo izay nanohitra Azy: “Ianareo avy amin’ny devoly rainareo” (Jaona 8. 44). — “Dia naka vato hitoraka Azy ny olona!” (and 59).

Taon-jato maro tatỳ aoriana, dia nilaza tamin’i Abrahama, raha avy nanolotra ny zanany lahitokana izy, ny Anjelin’i Jehovah nanao hoe: “Hahamaro dia hahamaro ny taranakao (Aho), ho tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra sy ho tahaka ny fasika izay any amoron-dranomasina … ary amin’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany” (Genesisy 22. 17-18). Taranaka telo no voalaza amin’ireo andininy ireo: taranaka avy any an-danitra: Abrahama no rain’ny mpino rehetra (Romana 4.16); taranaka etỳ an-tany: Isiraely; farany, “ny taranakao” izay hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany, “taranakao, dia i Kristy izany” (Galatiana 3. 16).

Izy koa dia taranak’i Davida, araka ny ambaran’ny 1 Tantara 17. 13, izay nolazaina mazava ao amin’ny Hebreo 1. 5 fa mahakasika ny Zanaka. Ny faminanian’i Natana dia mazava fa nahakasika an’i Solomona amin’ny fotoana ho avy tsy ho ela; nefa mihoara noho izany ilay fahitàna, tonga haramin’Ilay Iray izay afaka nanambaràn’i Jehovah hoe: “Fa hampitoeriko ao an-tranoko sy ao amin’ny fanjakako mandrakizay Izy; ary hampitoerina mandrakizay ny seza fiandrianany”.

 

b.      Ilay Voahosotra

Nanambara i Mosesy fa hanangana mpaminany avy eo amin’ny vahoakany, dia avy amin’ny rahalahiny, tahaka azy, i Jehovah (Deoteronomia 18. 15-19). Hataon’Andriamanitra ho eo am-bavany ny teniny, ary homeny fahefana Izy. Ary izay rehetra tsy mihaino ny teniny, dia hadinina aminy izany. Azon’ny Jiosy tsara fa ny Mesia no nolazaina tamin’izany, raha nanontany an’i Jaona Mpanao batisa izy ireo hoe: Iza moa ianao? Tsy izaho no Kristy, tsy izaho no Elia, hoy i Jaona; dia nanontany ireo hoe: Ilay Mpaminany va ianao? (Jaona 1. 21; jereo koa Asa 3. 22).

Izy koa no ilay mpanjaka, araka ny Salamo 2 hoe: “Izaho kosa efa nanendry ny Mpanjakako tambonin’i Ziona, tendrombohitra masina — Hilaza zava-boatendry Aho; Jehovah nilaza tamiko hoe: Zanako Ianao, Izaho niteraka anao androany — Mangataha amiko dia homeko ho lovanao ny jentilisa ary ny faran’ny tany ho fanananao” (and 6-8).

Ny Salamo 110 dia mampiseho Azy ho toy ny Mpisorona: “Efa nianiana Jehovah ka tsy hanenina: Ianao no Mpisorona mandrakizay araka ny fanaon’i Melkizedeka”, izay anterin’ny Hebreo 2. 17 sy ny sisa amintsika.

Ao amin’ny Teny, ny mpaminany, ny mpanjaka, ny mpisorona, dia tsy maintsy “olom-boahosotra”.

 

d.      Ireo fijaliana sy ireo voninahitra

Tamin’ny làlana nankany Emaosy, dia nampahatsiahy i Jesoa hoe: “Moa tsy tokony ho niaritra izany va Kristy ka hiditra amin’ny voninahiny?” (Lioka 24. 26). Sanganehana ireo mpaminany taloha, “raha nambaran’ny [Fanahin’i Kristy tao anatiny] rahateo ny fijalian’i Kristy sy ny voninahitra manaraka izany” (1 Petera 1. 11). Toa inona ny isan’ireo faminaniana ananantsika momba ny fahoriany. Ireo misongadina ao amin’ny Isaia 53, ao amin’ny Salamo 22, 69, 102 sy ny maro hafa! Tamin’i Daniela no nanambaràna fa hovonoina ny Mesia ka tsy hanana (9. 26). Nefa taloha kelin’izany, dia efa naseho tamin’io mpaminany io tamin’ny fahitana ny voninahitr’ilay zanak’olona, nentina teo anatrehan’ny Fahagola, “ary nomena fanapahana sy voninahitra ary fanjakana Izy, mba hanompoan’ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra Azy; ny fanapahany dia fanapahana mandrakizay” (7. 13-14).

Isaia dia nahita ny voninahiny: Ilay mpanompo naetry sy nasian-dratsy, ilay olon’ny fahoriana, dia “hisandratra sy ho ambony … ka ho avo indrindra” (52. 13). “Koa dia hanome Azy anjara amin’ny lehibe Aho, ary hizara babo amin’ny mahery Izy” (53. 12).

Hahaliana sady hitondra voka-tsoa tokoa ny hitady ao amin’ny “Soratra Masina rehetra” ireo andininy miresaka ny fahoriany sy ny voninahiny!

 

 

2.       Ilay Kristy ara-tantara

a.       Tamin’ny nahaterahany

Ny tetiarana ao amin’ny Matio 1 dia miafara amin’ny hoe “Ary i Maria niteraka an’i Jesoa, izay atao hoe Kristy”. Hoy ny anjely tamin’ireo mpiandry ondry hoe: Fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio, “dia Kristy Tompo”. Ary i Simeona dia natoky fa hahita ny Kristin’ny Tompo izy. Ny magy kosa dia tonga hiankohoka teo anatrehan’ilay mpanjaka.

b.      Nandritra ny asa fanompoany

 

Jaona mpanao batisa, raha nahita an’i Jesoa nanatona, dia niteny hoe: “Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra”. Andrea sy mpianatra iray no nanaraka Azy sy nitoetra teo Aminy. Dia nahita ny rahalahany i Andrea, ary nilaza taminy hoe: “Efa hitanay ny Mesia” (izay midika hoe “Kristy”) (Jaona 1. 42).

Taoriana kely, dia namaly i Petera hoe: “Ianao no Kristy” (Marka 8. 29). Mavesa-danja tokoa izany, satria “efa nifanaiky rahateo ny Jiosy fa raha misy manaiky Azy ho Kristy, dia horoahina hiala amin’ny synagoga” (Jaona 9. 22).

Teo amin’ilay fantsakana tao Sikara, dia nilaza ilay vehivavy samaritana hoe: “Fantatro fa avy ny Mesia (Ilay atao hoe Kristy)”. Ary namaly i Jesoa nanao hoe: “Izaho Izay miresaka aminao no Izy” (Jaona 4. 25-26).

Fijoroana vavolombelona efatra no natao ho an’ny Tompo: ny an’i Jaona mpanao batisa (Jaona 5. 33); fanambaràna lehibe kokoa noho ny an’i Jaona: “Ny asa nomen’ny Ray Ahy hovitaiko” (and 36); ny Ray mihitsy no nanambara Azy (and 37); farany, dia hoy i Jesoa: “Dinihinareo ny Soratra Masina… ary ireny no manambara Ahy” (and 39). Ilay nambaran’ny Soratra Masina sy Ilay tetỳ an-tany tamin’izany fotoana izany, dia iray ihany tokoa: i Kristy.

Teo anoloan’ny synedriona, dia nanontany an’i Jesoa ny mpisoronabe hoe: “Ampianianiko amin’Andriamanitra velona Ianao hilaza aminay, raha Ianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra”. —Na dia ny fanamelohana ho faty azy no ho setrin’ny valin-teniny, dia hoy i Jesoa hoe: “Voalazanao” (Matio 26. 63-64). Tsy diso i Pilato; indroa izy no nilaza hoe “Jesoa, Izay lazaina koa hoe Kristy”. Ary teo anoloany no nanaovan’ny Tompo ilay “fanekena tsara” fa mpanjakan’ny Jiosy Izy, ary noho izany, dia Izy no Mesia (Jaona 18. 33, 37; 1 Timoty 6. 13).

 

d.      Ny fijoroana ho vavolombelona nataon’ny apostoly

Feno an’izany ny bokin’ny Asa iray manontolo. Na dia nisy aza ireo fanenjehana mavaivay natao tamin’izy ireo, dia “tsy nitsahatra nampianatra sy nitory an’i Jesoa ho Kristy isan’andro” ny apostoly (5. 42). Tsy sasatra i Paoly nanazava fa “Avy amin’ny Soratra Masina… (dia) tsy maintsy nijaly sy nitsangana tamin’ny maty Kristy; ary Jesoa, Izay toriko aminareo, no Kristy” (17. 3). I Apolosy kosa “nahery nandresy lahatra ny Jiosy teo imason’ny olona ka naneho marimarina tamin’ny Soratra Masina fa Jesoa no Kristy” (18. 28).

Ilay Kristy niaina tetỳ an-tany sy nanolotra ny ainy, moa tsy Izy ve no nambaran’ireo teny faminaniana?

e.       Manaiky Azy

Tsy maintsy hanaiky ny maha-Kristy Azy ny Jiosy. Ampahany amin’i Isiraely no tafangona ankehitriny any amin’ny taniny, ary mamorona firenena mahaleotena izy ireo; nefa asehon’ny Zakaria 12 fa hidradradradra sy hanenina izy ireo tamin’ny tsy nanekeny an’i Jesoa ho Kristy. Mandra-pahatongan’izany, dia tsy hisy fitahiana mihitsy, fa kosa ady sy famaizana. Rehefa hibebaka izy ireo, “dia hisy loharano voasokatra ho an’ny taranak’i Davida sy ho an’ny mponina any Jerosalema hanafaka fahotana sy fahalotoana” (Zakaria 13. 1). Amin’izany andro izany, dia ho avy ny Mesia hanafaka sy hitahy ny vahoakany.

Hentitra mihitsy ny apostoly Jaona amin’ireo olona tsy manaiky an’i Jesoa ho Kristy. “Iza no mpandainga, afa-tsy ilay mandà an’i Jesoa tsy ho Kristy? Izy no antikristy, dia izay mandà ny Ray sy ny Zanaka. Izay rehetra mandà ny Zanaka no tsy manana ny Ray koa” (1 Jaona 2. 22-23). Fa ny mifanohitra amin’izany kosa: “Izay rehetra mino fa Jesoa no Kristy dia naterak’Andriamanitra” (5. 1).

Izao teny mahatoky izao no amaranan’ny apostoly ny epistiliny: “Ary fantatsika fa tonga ny Zanak’Andriamanitra (Ilay Kristy ara-tantara), ka efa nanome antsika ny fahazavan-tsaina, mba ho fantatsika Ilay marina (ny asan’ny Fanahy Masina); ary isika ao amin’Ilay marina, dia ao amin’i Jesoa Kristy Zanany (ny fampianaran’ny epistily). Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay”. Dia manampy ny apostoly hoe: “Anaka, arovy ny tenanareo amin’ny sampy”, tsy ny sampy vita amin’ny vato sy ny volamena ihany, fa koa ireo sampy rehetra ara-pisainana sy hafa izay forononin’ny sain’olombelona hanoloana an’i Kristy.

 

 

3.       Ilay Kristy velona

Ilay Kristy niaina tetỳ amin’ity tany ity dia maty, nefa koa efa nitsangana. Io no fijoroana vavolombelona nantitranterin’ny apostoly ao amin’ny bokin’ny Asa, indrindra fa i Petera. Izany no fahazoana antoka hamafisin’i Paoly, izay notarihin’ny Fanahin’Andriamanitra, ao amin’ny 1 Korintiana 15: “Ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny toriteninay, ary foana koa ny finoanareo” (and 14) — “Nefa tsy izany, fa efa natsangana tamin’i maty tokoa i Kristy, ho santatr’izay efa nodimandry … Fa tahaka ny ahafatesan’ny olona rehetra ao amin’i Adama no ahaveloman’ny olona rehetra kosa ao amin’i Kristy … Kristy no santatra; rehefa afaka izany, dia izay an’i Kristy amin’ny fihaviany”.

Misy fahasamihafany anefa ny asa fanompoan’i Petera sy Paoly. Manambara ny fitsanganana tamin’ny maty i Petera; niara-niaina tamin’i Jesoa izy tamin’ny naha-teto an-tany Azy; nahita ny fahafatesany izy; teny am-pasana izy; hitany Izy nitsangana tamin’ny maty ary afaka nanamarina mazava izany izy. I Paoly kosa dia tsy nahalala an’i Jesoa fony olona Izy; tsy hitany Izy nitsangana tamin’ny maty; fa hitany tam-boninahitra kosa Izy, teny amin’ny làlan’i Damaskosy, sy tao amin’ny tempolin’i Jerosalema (Asa 22. 17). Aminy, Jesoa, ilay Kristy, dia velona: “Izay Jesoa anankiray efa maty, nefa nolazain’i Paoly ho velona” (Asa 25. 19).

Amin’izao fotoana izao Izy dia velona any an-danitra, “mahavonjy tokoa izay manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany Izy, satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy” (Hebreo 7. 25). Raha ara-panahy, dia “niara-natsangana tamin’i Kristy” ny mpino (Kolosiana 3. 1). Ary koa, “hitoeran’i Kristy ao am-pon(tsika) amin’ny finoana” (Efesiana 3. 17). Manome toky antsika momba ny fahamarinan’ity zava-mahagaga ity i Paoly: “Voahombo niaraka tamin’i Kristy aho”; nefa koa — tsy izaho intsony no velona, fa “Kristy no velona ato anatiko”.

Ilay Kristy nambaran’ny mpaminany, tonga indray mandeha tetỳ an-tany, natolotra indray mandeha hitondra ny otan’ny maro, “dia hiseho fanindroany, tsy amin’ny ota, amin’izay miandry Azy, ho famonjena” (Hebreo 9. 28).

Izy ihany io Olona io. Efa nambara mialoha Izy; niaina teto an-tany Izy; nitsangana tamin’ny maty Izy ary nasandratra amim-boninahitra; hiseho amin’ireo rehetra miandry Azy Izy: “Jesoa Kristy no tsy miova omaly sy anio ary ho mandrakizay” (Hebreo 13. 8).

 

5.        ILAY TOMPO

 

Rehefa avy naseho tamintsika ny fanetrentenan’i Kristy Jesoa, dia ambara ao amin’ny Filipiana 2. 9-11  indray ny fanandratana Azy: “Koa izany no nanandratan’Andriamanitra Azy indrindra sy nanomezany Azy ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra, mba ho amin’ny anaran’i Jesoa no handohalehan’ny lohalika rehetra … sy haneken’ny lela rehetra fa Jesoa Kristy no Tompo ho voninahitr’Andriamanitra Ray”.

Ny maha Tompo Azy dia tsy maintsy eken’ny any an-danitra, ny etỳ an-tany, sy ny any ambanin’ny tany. Mandra-pahatongan’izany, dia mahaliana tokoa ny mitady hoe ahoana no anambaran’ny Testamenta Vaovao Azy ho Tompo.

 

 

1.       Ny “Tompo” ao amin’ny Filazantsara

Talohan’ny fitsanganany tamin’ny maty, dia mahalana ihany raha nantsoina hoe Tompo Izy. Ndeha ho tadidiana ireo andàlany sasantsany ao amin’ny Filazantsaran’i Lioka.

Niaraka tamin’ireo mpianany maro sy vahoaka sesehena i Jesoa raha nanakaiky ny tanànan’i Naina Izy (7. 11). Tamin’izay fotoana izay dia nivoaka avy tao an-tanàna ny olona marobe, manotrona vehivavy izay mananon-tena, handevina ny zanany lahitokana. “Ary nony nahita an-dravehivavy ny Tompo, dia onena azy ka nanao taminy hoe: Aza mitomany… Ary hoy Jesoa: Ry zatovo, hoy Izaho aminao: Miarena. Dia… natolony tamin-dreniny”. Ireo andininy ireo dia mampiseho ny maha olona tanteraka an’i Jesoa, izay onena, ary nizara ilay fahoriana mangidy nentin’ity vehivavy mpitondra tena ity. Koa atao ahoana no tsy hilaza hoe “Onena azy” i Jesoa? — Hasehony tanteraka ny fahefana maha Andriamanitra Azy amin’ny ananganany ilay zatovo amin’ny maty; ary Izy amin’ny maha-Tompo Azy no nanaovany an’izany. Dia “natolony tamin-dreniny” izy, toy ny nataony tatỳ aoriana, raha “naveriny tamin-drainy” ilay zazalahy nafahany tamin’ny demonia.

Mpianatra fitopolo lahy no notendrena handeha tsiroaroa hitory ny Filazantsara. Iza no nanendry azy ireo? Tsy i Jesoa, fa “ny Tompo” (10. 1). Mazava fa ny Tompo irery ihany no afaka haniraka ny mpanompo, ary Izy irery ihany no hanaovany tatitra (jereo Romana 14. 4!).

Rehefa manakiana ny Fariseo momba ny fiahatsaram-belatsihin’izy ireo sy ny fahamafisam-pony, rehefa hanambara “loza”maro ho azy ireo sy ho an’ireo olona mitovy aminy, dia tsy i Jesoa no manao izany fa ny “Tompo” (11. 39).

Nangataka i Satana mba homena azy ny mpianatra, mba hokororohiny toy ny vary. Tsy maintsy hampitandremana i Petera. “Ny Tompo” Izy tenany mihitsy no mivavaka ho azy, hanarina azy ary hahatonga azy hampahery ireo rahalahiny. Nony nandà Azy fanintelony i Petera, dia tsy i Jesoa no nanamafy ilay finoany malemy, fa “ny Tompo nitodika, dia nijery an’i Petera. Ary Petera nahatsiaro ilay tenin’ny Tompo” (22. 61).

Taorian’ny fitsanganany tamin’ny maty, dia nantsoina matetika hoe “Tompo” Izy. Ireo iraika ambin’ny folo nandray ireo roalahy avy tany Emaosy dia nilaza hoe: “Efa nitsangana marina tokoa ny Tompo” (24. 34). Raha nitondra ny hafatra nankinin’i Jesoa taminy ho an’ireo mpianatra i Maria Magdalena, dia niteny izy aloha hoe: “Efa nahita ny Tompo aho”, izay vao nilaza ilay hafatra (Jaona 20. 18). Raha nitsangana teo afovoan’ireo mpianatra i Jesoa, “dia faly ny mpianatra raha nahita ny Tompo”.

Fotoana fohy taorian’izay, dia nisy mpianatra fito nandeha nanjono. Tsy nahazo na inona na inona izy ireo nandritra ny alina iray manontolo, ary nony maraina, dia nahita an’i Jesoa teo amoron-drano izy ireo. Raha nahalala Azy i Jaona, dia hoy izy tamin’i Petera hoe: “Ny Tompo irỳ”, fa tsy hoe i Jesoa irỳ (21. 7).

Mifarana amin’izao fanambaràna izao ny Filazantsaran’ilay Mpanompo tanteraka: “Ary Jesoa Tompo, rehefa niteny taminy, dia nampiakarina ho any an-danitra … Fa izy ireo kosa … nitory teny eny tontolo eny, ary ny Tompo niara-niasa taminy” (Marka 16. 19-20).

 

 

2.       Ao amin’ny Asa sy ao amin’ny Epistily

Aseho mazava ny maha Tompo Azy. Raha notoraham-bato i Stefana, dia nangataka tamin’ny Tompo Jesoa ny handraisany ny fanahiny izy. Ny Tompo dia niteny an’i Ananiasy hametra-tànana amin’i Paoly. Nony vitan’ilay mpianatra mahatoky izany, dia hoy izy: “Ry Saoly rahalahy, ny Tompo, dia Jesoa Izay niseho taminao…” (Asa 7. 59; 9. 11-17).

Nidina nankany Antiokia i Barnabasy, ary ireo mpianatra niparitaka tao dia efa nanambara “an’i Jesoa Tompo; ary ny tànan’ny Tompo nomba azy ireo”. “Nananatra azy rehetra haharitra hiray amin’ny Tompo amin’ny fo minia fatratra” izy. Ary rehefa nitohy ny asa, dia “maro be ny olona nanampy ho an’ny Tompo”.

Toy inona akory ny tsongandahatsoratra mbola azo tanisaina! Ny 1 Korintiana 12. 3 no manome antsika ny tsiambaratelon’izany: “Tsy misy mahay manaiky hoe Jesoa no Tompo, raha tsy amin’ny Fanahy Masina”. Azo atao ny milaza an’i Kristy, an’i Jesoa avy any Nazareta, an’i Jesoa Kristy, fa mba ahafahana milaza kosa hoe “Jesoa Tompo” amin’ny fo mahitsy, tsy efa ho tokony nandray Azy ve, sady ho Mpamonjy no ho Tompo, ao am-po sy ao amin’ny fiainana?

 

 

3.       Lohany manapaka ny zavatra rehetra ho an’ny  fiangonana

(Efesiana 1. 22)

 

Ny mpanao salamo dia afaka niteny — ary azontsika ampiharina amin’ny tenantsika izany — hoe: “Henoy, razazavavy, dia jereo, ka atongilano ny sofinao, ary hadinoy ny firenenao sy ny tranon-drainao; raha irin’ny mpanjaka ny hatsaran-tarehinao — fa izy no tomponao — dia miankohofa eo anatrehany” (Salamo 45. 10-11). Tsy izany ve no antso voalohany atao amin’ilay sarobidy aminy: mivavaka manompo Azy?

Ary eo afovoan’ny fanompoam-pivavahana ataontsika, moa tsy eo koa ve ny Fanasàn’ny Tompo? Ao amin’ny 1 Korintiana 11. 20-32, dia impito no miverina ny fiteny hoe “Tompo” (tafiditra amin’izany ny hoe “Fanasàn’ny Tompo”, izany hoe “an’ny Tompo”). Ny fampianarana azon’i Paoly momba izay lohahevitra izay dia avy amin’ny Tompo. Ny Tompo Jesoa no nanorina io tamin’ny alina izay namadihana Azy. Ny fahafatesan’ny Tompo dia ambara isaky ny mihinana ny mofo na misotro amin’ny kapoaka. Io no kapoaky ny Tompo. Raha mandray anjara amin’izany amin’ny fanahy tsy mendrika ny olona, dia “ho meloka ny amin’ny tena sy ny ran’ny Tompo”. Raha tsy mandini-tena, dia faizin’ny “Tompo”. Ny fo no iresahan’ny apostoly, raha nampahatsiahy “ilay alina namadihana Azy” izy, ary ny faniriana lalim-paka teo amin’i Jesoa (Lioka 22. 15), dia ny hoe “Ataovy izao ho fahatsiarovana Ahy”. Hamaly amin’ilay fihirana hoe “Ny anaranao sy ny fahatsiarovana Anao no irin’ny fanahinay” (Isaia 26. 8) ve isika?

Manoritra ny fanajana tokony haseho amin’ny fandraisana anjara amin’io Fanasan’ny Tompo io koa ny apostoly: “Fa na oviana na oviana ianareo … dia manambara ny fahafatesan’ny Tompo”. Na ny fahazarana, na ny firiorion-tsaina, na ny olana isan-karazany dia tsy tokony hampanadino antsika fa, isaky ny mandray anjara amin’ny Fanasàn’ny Tompo isika, dia ny fahafatesany no ambarantsika.

Ny Tompo Izy tenany mihitsy, fa tsy anjely, no ho avy haka ireo olom-boavidiny ho eo anilany. Ao amin’ireo andininy telo ao amin’ny 1 Tesaloniana 4. 15-17, dia indimy no anambaràna ny Tompo amintsika; ny tenan’ny Tompo no hidina avy any an-danitra hanangana izay maty ao amin’i Kristy, hanova izay mbola velona ka hampiakatra azy ireo ho eny amin’ny rahona hitsena ny Tompo any amin’ny habakabaka, hiaraka Aminy ho mandrakizay.

Alohan’ny hamaranana ilay boky masina, dia mamerina amintsika Izy hoe: “Eny, avy faingana Aho”.

 

Hiakam-pitiavana sy fanantenana

No havalin’ny voavonjinao

Miakatra ho Anao amin’ny Fanahy Masina:

“Amen, avia Jesoa Tompo” (A. Gibert).

 

 

4.       Ilay mpanjakan’ny Jiosy

 

Ho an’ny fiangonana, ilay vady, dia Izy no Tompo. Ho an’i Isiraely, dia Izy no Mpanjaka. Tsy tokony afangaro ireo anaram-boninahitra roa ireo, na amin’ireo fihiranantsika, na amin’ireo vavaka ataontsika.

Ny fanontaniana voalohany ao amin’ny Testamenta Taloha, napetraka tamin’i Adama, izay niafina taorian’ny fahalavoana, dia ny hoe: “Aiza ianao?”. Ny tanjon’io fanontaniana io dia ny hampiseho ny fanalavirana an’Andriamanitra izay nisy azy.

Ny fanontaniana voalohany ao amin’ny Testamenta Vaovao: “Aiza ny mpanjakan’ny Jiosy?”, dia mahatonga ahatsapa ny fietren’ilay zaza tonga teo afovoan’ny olony tamin’ny fanetrentena tanteraka.

Ny mpianatra iray izay hantsoiny, i Natanaela, dia hamaly ny antsony amin’ny hoe: “Ianao no Mpanjakan’ny Isiraely” (Jaona 1. 49). Efa nilaza ny mpaminany Zakaria hoe: “Lazao amin’i Ziona zanaka vavy: Indro ny Mpanjakanao avy ho anao… mitaingina boriky, dia zanaky ny boriky miasa” (Matio 21. 5). Tamin’ny faran’ny fiainany, dia nekena ho toy izany Izy, nandritra ny ora vitsivitsy; nihobiana Izy hoe: “Hosana ho an’ny Zanak’i Davida! Isaorana anie izay avy amin’ny anaran’i Jehovah!” (and 9). Nefa tsy ela akory, dia nolavina Izy.

Nosamborina Izy dia nentina teo anatrehan’i Pilato, ary teo no nanaovany izao “fanekena tsara” izao (1 Timoty 6. 13): “Voalazanao fa mpanjaka Aho” (Jaona 18. 37). Mbola nitady izay hanafahana Azy ihany i Pilato, ka nampiseho Azy tamin’ny Jiosy nanao hoe: “Indro ny Mpanjakanareo!”. Nefa ny antsoantson’ireo no nahazo vahana: “Ento! Ento! Homboy amin’ny hazofijaliana Izy!”. Ary ny soratra niampangana Azy teo ambony hazofijaliana dia ny hoe: “Jesoa avy any Nazareta, Mpanjakan’ny Jiosy”.

Nefa indray andro any, dia hanjaka amin’ny vahoakany Izy, araka ny nambaran’ny mpaminany hoe: “Indro, fa araka ny fahamarinana no hanjakan’ny mpanjaka”, ary hitondra ny fitahiana rehetra mifandraika amin’ny fanjakany (Isaia 32. 1).

 

 

5.       Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo

 

Ilay sariolona tamin’ny nofin’i Nebokadnezara dia nampiseho ireo fanjakana efatra teo amin’ny jentilisa. “Vato kely” fotsiny ihany dia ampy namotika sy nampirodana azy. Ny fanapahana, ny voninahitra sy ny fanjakana dia nankinina tamin’ny “zanak’olona”, ary “ny fanapahany dia fanapahana mandrakizay ka tsy ho tapaka, ary ny fanjakany tsy ho rava” (Daniela 2. 44-45; 7. 14).

Indray andro any, ilay Olon’ny Fahoriana, izay nosatrohana tsilo, dia hivoaka avy any an-danitra voaravaka diadema isan-karazany, ary ny iray amin’ireny ho voasoratra hoe: “Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo” (Apokalypsy 19. 11-16). Izy no ho mpanjaka sy mpisorona (Salamo 110); hanorina ny fanjakany feno fahamarinana sy fiadanana Izy: “Fa tsy maintsy manjaka Izy, mandra-panaony ny fahavalony rehetra ho eo ambanin’ny tongony” (1 Korintiana 15. 25). Tanteraka ilay “zava-miafina ny amin’ny sitrapon”’Andriamanitra: angonina ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy, na ny any an-danitra na ny etỳ an-tany, ary Izy no Lohany (Efesiana 1. 10). Izy no voatendry ho “Mpandova ny zavatra rehetra” (Hebreo 1. 2).

 

 

6.       Ny Tompoko

Nitomany ny tsy fahitana ny Tompony i Maria Magdalena (Jaona 20. 13). Rehefa nino ny fitsanganany tamin’ny maty tamin’izay i Tomasy, dia hoy izy hoe: “Tompoko sy Andriamanitro” (Jaona 20. 13,28). Ary i Paoly dia hilaza ny “hatsaran’ny fahalalana an’i Kristy Jesoa Tompoko” (Filipiana 3. 8).

Ny fahafantarana Azy ho Mpamonjy no manome ny fihavanana amin’Andriamanitra, nefa antsoiny koa isika hiantso Azy foana hoe “Tompoko”, ary hankatò Azy lalandava.

Ao amin’ny 1 Korintiana 6. 13, ny tena dia “ho an’ny Tompo”; tempolin’ny Fanahy Masina izy io ka tsy tokony holotoina. Mahatonga antsika hisaotra mihitsy ny fanampiana hoe: “Ary ny Tompo ho an’ny tena”. Tsy ny heriny tanteraka tokoa ve no ilaina hiarovana antsika?

Amin’ny fiainana andavanandro, satria isika no “fahazavana ao amin’ny Tompo” sy voantso handeha toy ny zanaky ny mazava, dia tsara ny “mamantatra izay ankasitrahan’ny Tompo” (Efesiana 5. 10): fanazaran-tena maharitra izany, ampiharina amin’ny safidy rehetra apetraka eo anoloantsika. Tokony ho fantatra “izay sitrapon’ny Tompo” (and 17). Amin’ny fanapahan-kevitra lehibe indrindra aorian’ny fiovam-po, dia ny fanambadiana izany, dia ilaina tokoa ny manorina izany “ao amin’ny Tompo ihany” (1 Korintiana 7. 39). Ahoana moa no fomba hikambanan’ny mpino amin’ny tsy mino, na amin’olona tsy afaka hiara-dia aminy amin’ny fiombonana isan’andro na fiombonana miaraka amin’ireo olon’Andriamanitra mivory?

Momba ny fanompoana indray, dia hoy ny Teny amintsika hoe: “amin’ny sitrapo manao fanompoana toy ny amin’ny Tompo”; efa nanome ohatra ny apostoly tamin’ny “nanompo(any) ny Tompo tamin’ny fanetren-tena rehetra” (Efesiana 6. 7; Asa 20. 19).

Fantatr’i Paoly fa efa tonga ny fotoana hialàny. Aiza no hitodihan’ny sainy? “Hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satroboninahitry ny fahamarinana, izay homen’ny Tompo, Mpitsara marina … Aleksandro … efa nanisy ratsy ahy be loatra; ny Tompo hamaly azy araka ny asany … Tamin’ny nandaharako voalohany, …  dia tsy nisy nomba ahy … Kanefa ny Tompo nitsangana teo anilako … Ary ny Tompo hanafaka ahy … Ho Azy anie ny voninahitra” (2 Timoty 4). Olona iray ihany no jeren’ny mason’ilay apostoly efa antitra, tao amin’ilay fonjam-pahoriana: ny Tompo Izy tenany mihitsy.

 

6.       IREO KISARISARIN’I KRISTY AO AMIN’NY TESTAMENTA TALOHA

Ao amin’ny Lioka 24, tamin’ny làlana nankany Emaosy, dia “nanomboka hatramin’i Mosesy sy ny mpaminany rehetra” i Jesoa, nanazava tamin’ireo mpianatra roalahy, “ny hevitry ny teny milaza Azy ao amin’ny Soratra Masina rehetra” (and 27). Ary raha tafaraka tamin’ireo iraika ambin’ny folo lahy Izy ny hariva, dia nilaza hoe: “Tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra nanoratana Ahy teo amin’ny lalàn’i Mosesy sy ny mpaminany ary ny Salamo. Dia nanokatra ny sain’ireo Izy hahalala ny Soratra Masina” (and 44-46).

Ny Soratra Masina nolazain’ny Tompo dia ny Testamenta Taloha. Hatraiza hatraiza no nisy zavatra “momba Azy”; koa rariny raha mitady izay rehetra mety hampiseho an’i Kristy ao amin’izany Soratra Masina izany isika.

 

 

1.       Zavatra

 

Voalohany indrindra, ny fiaran’ny fanekena[3] tao amin’ny fitoerana masina indrindra dia mampahatsiahy ny tenany. Natao tamin’ny hazo sy volamena io fiara io, ary mampahatsiahy ny maha olona Azy sy ny maha Andriamanitra Azy. Nisy ny mana izy io, ary kisarisarin’Ilay nidina avy any an-danitra izany (Jaona 6); ny bokin’ny lalàna mampahatsiahy ilay fankatoavany tonga lafatra; ilay tehin’i Arona dia mariky ny fiainana sy ny fitsanganana amin’ny maty.

Ny koba tsara toto, ao amin’ny Levitikosy 2 sy any amin’ny toko hafa, dia manambara ilay fiainany tonga lafatra; ny vokatry ny tany (vary tranainy) nohanin’ny vahoaka tamin’ny fidirany tao Kanana, dia i Kristy araka ny fandaharan’Andriamanitra, fa ny mofo tsy misy masirasira kosa dia manambara ny fiainany tsy misy ota, ary ny lango (voa nendasina) manambara ny fijaliany (Josoa 5. 11). Ny amboaran’ny voaloham-bokatra naterina ny ampitson’ny sabata dia sary velona manambara ny fitsanganany tamin’ny maty (Levitikosy 23. 10-11; 1 Korintiana 15 20). Ny voam-bary latsaka amin’ny tany ary mamoa be dia milaza amintsika ny fahafatesany.

Talohan’ny nametrahana azy tao amin’ny fiara fanekena, dia tsorakazon’amanda maina ny tehin’i Arona, ary tao anatin’ny indray alina fotsiny izy dia nitsimoka, nanaroka nisy voninkazo ary nitondra amygdala (na amanda) (Nomery 17. 8), fa ny tehin’ireo loham-pirenena sasany kosa dia tsy nisy fiovàna. Ny herin’ny fiainana nisy teo amin’ny tehin’ilay mpisorona no nanaporofo fa Arona no nofidin’Andriamanitra hanantanteraka io asa fisoronana io. Jesoa Tompo nitsangana tamin’ny maty no nanjary mpisoronabe “araka ny herin’ny fiainana tsy manam-pahataperana” (Hebreo 7. 16).

Tany an’efitra, dia nokapohina ilay vatolampy (Eksodosy 17. 6) ary nampiboiboika rano be dia be. Tamin’ny faramparan’ny dian’ny zanak’Isiraely, ao amin’ny Nomery 20. 7-11, dia tokony notenenina fotsiny ilay vatolampy. Diso i Mosesy nikapoka azy tamin’ny tehiny; nefa na izany aza, dia namoaka rano miboiboika ilay vatolampy. Ny Teny dia manambara mazava amintsika hoe: “Dia nisotro avy tamin’ilay vatolampy izay niaraka taminy ny olona: ary ilay vatolampy dia i Kristy”. Azo heverina fa ilay rano niboiboika dia manambara amintsika ny Fanahy Masina (Jaona 7. 38-39).

Tao Mara, dia nangidy ny rano. Notoroin’i Jehovah hevitra i Mosesy, ary nanipy tapa-kazo tao, izay manambara ny maha olona an’i Kristy sy ahafahana mahatsikaritra koa ny hazofijaliany. Ny fampidirana izany amin’ny fotoan-tsarotra eo amin’ny fiainana dia manova izany fahasarotana izany, ary mampianatra antsika hanaiky handray izany avy amin’ny Ray: na mangidy aza izany, dia manjary mamy (Eksodosy 15. 25).

Tao Jeriko, dia ratsy ny rano ary tsy nahavokatra ny tany. Notsipazan’i Elisa sira izany hanadio azy, sira izay azo antoka fa manambara amintsika ny fanasarahana ny ratsy amin’ilay fiainana masina izay an’ny Tompo Jesoa (2 Mpanjaka 2. 21).

Tao Gilgala, dia voapoizin’ny voatangomboalavo, izay zava-maniry tsy fantatra, ny sakafo: notsipazan’ny mpaminany koba anefa tao am-bilany, ary “dia tsy nisy zavatra nampaninona intsony” tao. Io koba io ve tsy manambara amintsika ilay maha olona tanteraka ny Tompo Jesoa? Raha voapoizina ny sakafon’ny vahoakan’Andriamanitra, dia ny famerenana ny fanahy ho amin’i Kristy sy ny asany no hanasitrana azy (2 Mpanjaka 4. 41).

Diniho koa ilay menarana varahina nasandratr’i Mosesy tamin’ny hazo: ny fibanjinana azy dia ampy nahasitrana ireo olona voakaikitry ny menarana (Nomery 21. 4-9). Ho tonga ao an-tsaintsika ve fa ny menarana dia hatao hampahatsiaro ny Tompo Jesoa? Izy tenany mihitsy no nanome ny fanalahidin’izany: “Ary tahaka ny nanandratan’i Mosesy ny menarana tany an’efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak’olona, mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy” (Jaona 3. 14-15). Amin’ny ankapobeny, ny menarana dia sary anehoana ny devoly. Ampiarahina aminy ny ozona ao amin’ny Genesisy 3. Kanefa i Kristy teo amin’ny hazofijaliana dia “nanavotra (antsika) tamin’ny ozon’ny lalàna, satria tonga voahozona hamonjy (antsika) Izy” (Galatiana 3. 13).

 

 

2.       Fanatitra

Ao amin’ny Testamenta Taloha iray manontolo, dia nisy foana ny fanatitra naterina. Kisarisary daholo ihany ireny, aloka manambara ny “nanaterana ny tenan’i Jesoa Kristy indray mandeha” (Hebreo 10. 10).

Ny tsipiteny voalohany dia ao amin’ny Genesisy 3, raha nanafy akanjo hoditra an’i Adama sy Eva i Jehovah taorian’ny fahalavoana: nila fahafatesan’ny sorona iray io.

“Tamin’ny finoana” no nanateran’i Abela ho sorona ny voalohan-teraky ny ondriny ary nankasitrahan’Andriamanitra ny fanatiny (Genesisy 4. 4; Hebreo 11. 4). Ao amin’ny Genesisy 22, dia osilahy no natao solon’i Isaka ho fanatitra, ary mampianatra antsika ny fahamarinana momba ny fisoloana vaika izany. Ao amin’io ohatra mahatalanjona io, dia ny fiombonan’ny ray sy ny zanaka “niaraka” tany Moria no tena mitsatoka ao am-pontsika.

Tamin’ny Paska (Eksodosy 12), dia tsy maintsy namono zanak’ondry ny isam-pianakaviana ary nanosotra ny rany teo amin’ny varavarana. Maro ireo zanak’ondry novonoina tamin’izany; fa ny nolazaina tamintsika dia ny hoe: “Ary hanalany ny rany, ka hatentiny amin’ny tolam-baravarana roa sy amin’ny tataom-baravaran’ny trano izay hihinanany azy” (Eksodosy 12. 7). Ireo zanak’ondry marobe nataon’ireo fianakaviana sorona dia kisarisarin’Ilay Zanak’ondry izay manaisotra ny fahotana noho ny rany.

Ao amin’ny Levitikosy 1 hatramin’ny 6 sy ao amin’ny Nomery 19[4] no ahitantsika sorona isan-karazany manambara ny asa vita teo amin’ny hazofijaliana. Asainay ny mpamaky hijery ilay bokikely hoe “Fanatitra iray ihany — Sorona isan-karazany”.

Na tsy hijanona hijery izay rehetra miresaka ny “zanak’ondry” ao amin’ny Baiboly aza isika, dia aoka ho tsahivina ihany ny Isaia 53, izay novakian’ilay tandapan’ny mpanjakavavy Kandasy, raha nody ho any aminy avy tany Jerosalema izy . “Iza moa no lazain’ny mpaminany amin’izany? Ny tenany va, sa olon-kafa? — Ary Filipo niloa-bava, dia nanomboka teo amin’izany Soratra Masina izany nitory an’i Jesoa taminy” (Asa 8. 35). Ilay ondrivavy nentina novonoina dia tena kisarisarin’ny Mpamonjy.

Dia tonga ao amin’ny Testamenta Vaovao isika, tamin’ny nanaovan’i Jaona batisa teo amoron’ny rano Jordana, ka nilazany, raha nahita an’i Jesoa nanatona izy, hoe: “Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao!” (Jaona 1. 29). Avy aiza moa io zanak’ondry io? — “Avy any Galilia”, hoy ny Matio 3. 13 amintsika. Avy any Betlehema, hoy ny sasany, satria tany Izy no teraka. Ao amin’ny 1 Petera 1. 19 kosa no isehoan’ny fihevitr’Andriamanitra: “Kristy … zanak’ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina, Izay fantatra rahateo, fony tsy mbola ary ny fanorenan’izao tontolo izao!”.

Mbola misy kisarisary iray misarika ny saintsika ihany, dia ireo vorona roa natolotra ho fanadiovana ny boka (Levitikosy 14. 4-7)[5]. Ny ran’ny vorona iray dia atao ao anaty vilany tany izay misy rano nalaina tamin’ny rano mandeha; ilay vorona iray hafa kosa dia atsoboka ao amin’ny ran’ilay vorona novonoina, ary alefa manidina hiakatra eny amin’ny habakabaka: “Jesoa Tompontsika, Izay natolotra noho ny fahadisoantsika ka natsangana indray ho fanamarinana antsika” (Romana 4. 25).

 

 

3.       Sombin-tantara

Ny fiaran’ny fanekena, izay kisarisarin’i Kristy, dia nanokatra làlana hiampitana an’i Jordana, izay ony mahafaty. Eo afovoan’ny ony no hananganana vato roa ambin’ny folo manambara ireo foko roa ambin’ny folo; avela eo ireo vato ireo, mba haneho ny toerana misy ireo olona miray amin’i Kristy ao amin’ny fahafatesany. Fa misy kosa vato roa ambin’ny folo hafa izay nentina teny an-tany maina ary natsangana tany Gilgala, izay kisarisarin’ny fitsanganantsika tamin’ny maty niaraka tamin’i Kristy (Josoa 4. 1-9).

Ny sabatr’i Goliata ihany no namonoan’i Davida azy (1 Samoela 17): ny fiadian’ilay manana ny herin’ny fahafatesana, dia ny devoly, ihany , izany hoe ny fahafatesana, no nentin’ny Tompontsika nandringanana azy (Hebreo 2. 14).

Tany an-tendrombohitr’i Moria i Abrahama sy Isaka no nandeha hanao fanatitra hodorana. Niakatra tany Moria i Davida, teo amin’ny famoloan’i Arona Jebosita, nanamboatra ilay alitara hanaovana ny fanatitra mba ahazoan’ny anjely mampijanona ny pesta (2 Tantara 3. 1). Eo amin’io tendrombohitra Moria io ihany no hanorenan’i Solomona ny Tempoly. Tsy lavitra an’io no hisy ny hazofijaliana.

 

 

4.       Olo-malaza

Lehilahy telo no tena kisarisarin’ny Tompo Jesoa: Josefa, Mosesy, Davida. Izy telo lahy ireo dia samy nolavin’ny rahalahiny: namidy tamin’ny Madianita i Josefa; ny rahalahin’i Mosesy dia tsy nahatakatra hoe avy amin’ny alalany no hitadiavan’Andriamanitra hanafaka azy ireo, hany ka hoy izy ireo taminy: “Iza no nanendry an’ialahy ho mpanapaka sy mpitsara anay?” (Asa 7. 23-28); tena ratsy ny fandraisan’ny rahalahin’i Davida azy raha nankany amin’ny tobin’ny miaramila izy nitondra ireo sakafo nomanin-drainy ho azy ireo (1 Samoela 17. 17, 28).

Izy telo lahy ireo dia samy nandalo fotoana fietrena sy fijaliana: Josefa tany Egypta sy tany an-tranomaizina; Mosesy tany Madiana; Davida nenjehin’i Saoly. Nefa izy telo lahy dia samy tafakatra ho eo amin’ny toeram-boninahitra: Josefa no filoha lefitra tany Egypta; Mosesy no nitondra ny vahoaka; ary Davida dia mpanjaka. Niahy ny vahoaka tsy ho ripaky ny mosary i Josefa ary izany no nahazoany ny anarana hoe mpamonjy izao tontolo izao; nanafaka an’i Isiraely avy any Egypta i Mosesy; ary i Davida kosa dia nandresy ireo fahavalony rehetra.

Fa izy telo lahy ireo tamin’ny fahatanorany dia mpiandry ondry avokoa. Amin’ny Soratra Masina iray manontolo, na izany ny Salamo 23, na ny Ezekiela 34, na ny Jaona 10, dia ny mpiandry ondry no manambara amintsika an’i Jesoa Tompo, Izy izay mpiandry tsara manome ny ainy ho an’ny ondriny (Zakaria 13. 7).

I Davida dia sarin’ilay mpanjaka nolavina, izay mametraka ny fanjakana; Solomona dia ilay mpanjaka be voninahitra, toa an’i Kristy mandritra ny fanjakana arivo taona.

Mbola be ireo olo-malaza manambara Azy amintsika: Jona, izay nijanona telo andro sy telo alina tao an-kibon’ny hazandrano, toy Ilay Zanak’olona hijanona telo andro telo alina any ambanin’ny tany. Boaza, izay nanana ny hery, ka nandray an’i Rota ary nampiakatra azy ho vady.

Moa tsy tsara ve raha dinihina akaiky ireo soratra tranainy ireo, satria tena mitombina amin’izao vaninandro izao izy ireo, rehefa tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra ny masom-pinoana ka hahita amin’izany ireo endrika sasantsasany mampiseho ilay Tompo malalantsika?

 

7.       ILAY ZANAKA MALALAN’NY RAY

“Ny Zanany malalany” (Kolosiana 1. 13)

1.      Ny zanany lahitokana malalany (Marka 12. 6)

Ao amin’io fanoharana nataon’ny Tompo io, dia manambara ny tantaran’i Isiraely rehetra Izy, ny fiodinany, ny fanenjehana nataony tamin’ny mpaminany. Ary farany, dia nandefasan’ny tompo ilay zanany lahitokana malalany izy ireo; dia novonoiny koa anefa izy io ary natsipiny ivelan’ny tanim-boaloboka. Azon’ireo lohandohan’ny vahoaka tsara fa “ny tenany no nolazainy tamin’izany fanoharana izany” (and 12).

Misy teny telo ampiasain’ny Soratra Masina hilazana amintsika io nahatongavan’ny Zanaka tetỳ an-tany io:

a.       Nivoaka

“Fa ny Ray dia tia anareo satria ianareo efa tia Ahy, ary efa nino fa nivoaka avy amin’ny Ray Aho. Eny, nivoaka avy tamin’ny Ray Aho ka tonga amin’izao tontolo izao; ary hiala amin’izao tontolo izao indray Aho ka hankany amin’ny Ray” (Jaona 16. 27-28).

Teny fohy fotsiny no anambaràn’ny Tompo ny làlana rehetra nodiaviny, raha fomba hafa no nampiasain’ny Filipiana 2. 6-9 ilazana izany.

Tsy takatry ny saintsika mihitsy ireo tsongandahatsoratra roa ireo. Iray Izy sy ny Ray, “iray ao amin’ny heriny, iray ao amin’ny fitiavany”, “nivoaka” avy tamin’ny Ray Izy ho etỳ amin’izao tontolo izao. Nino ny mpianatra fa nivoaka avy tamin’Andriamanitra Izy, nefa mbola nanterin’i Jesoa ihany fa avy teo amin’ny Ray no nihaviany. Inona no ambaran’io teny hoe “nivoaka” io? Mampahatsiahy ilay teny hoe “nofoanany ny tenany” (Filipiana 2. 7), izay tsy takatry ny saintsika koa ny halaliny. Nivoaka Izy, nesorina taminy ny zavatra rehetra, “nofoanany” ny tenany tamin’ny nahatongavany ho olona. Kanefa dia tsy nisy nanaloka mihitsy ilay firaisany tsara tamin’ny Ray. Ireo teny ampiasain’ny Soratra Masina dia manetsika ny fontsika hahatsapa ny vidiny nefain’ny Tompo Jesoa tamin’ny fanekeny io fanetrentena io, tamin’ny “nakany ny endriky ny mpanompo” hidinana etỳ an-tany.

Ary ankehitriny, dia toa maivamaivana Izy (jereo 14. 28) milaza hoe: “Ary hiala amin’izao tontolo izao indray Aho”. Ho vitainy ilay asa nampanaovin’ny Ray Azy, dia ho afaka hiverina ho eo akaikiny Izy. Kanefa dia hangirifiry tokoa ny làlana hizorany (Filipiana 2. 8). Kanefa “naharitra ny hazofijaliana (Izy), fa tsy nitandro henatra, mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany” (Hebreo 12. 2). Ary am-pifaliana tokoa no hanambaràny amin’i Maria hoe: “Hiakatra ho any amin’ny Raiko sy ny Rainareo Aho!”.

b.      Nirahina

“Izao no nanehoana ny fitiavan’Andriamanitra antsika: Andriamanitra naniraka ny Zanany Lahitokana tamin’izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin’ny alalany. Izao no fitiavana: tsy ny nitiavantsika an’Andriamanitra, fa ny nitiavany antsika, ka nirahiny ny Zanany ho avotra noho ny fahotantsika … Ary izahay efa nahita ka manambara fa ny Ray efa naniraka ny Zanaka ho Mpamonjy izao tontolo izao” (1 Jaona 4. 9,10,14).

Tsy isika no tia an’Andriamanitra, fa Izy no tia antsika; ny porofo fara-tampony amin’izany fitiavana izany dia ny nanirahany ny Zanany. In-enina ny Tompo Jesoa no mamerina izany ao amin’ilay vavaka nataony ao amin’ny Jaona 17, ary, momba ny mpianatra, dia hoy Izy hoe: “Ary nino izy fa Ianao no naniraka Ahy”. Izay rehetra mino Azy “noho ny tenin’izy ireo” dia “iray” ihany ao amin’ny Ray sy ao amin’ny Zanaka, “mba hinoan’izao tontolo izao fa Ianao no naniraka Ahy” (and 21).

Ohatra mahavariana amin’izany ilay jamba hatrany an-kibon-dreniny ao amin’ny Jaona 9. Nandrora tamin’ny tany i Jesoa, ka nanao feta tamin’ny rora, dia nahosony ny mason’ilay jamba. Io feta io, vovontany mifangaro amin’ny rorany, dia mampiseho ny maha olona Azy. Ilay Jesoa avy any Nazareta, izay hita nandeha teny an-tanàn-dehibe sy teny ambanivohitra, teny amin’ny araben’i Jerosalema, dia olona tahaka ny rehetra ihany. Araka ny voalaza, dia nafeniny tamin’ny endrika lehilahy Galileana izay nobantiana “ny endrik’Andriamanitra”. Tsy mbola nahita ilay jamba raha nosorana ilay feta ny masony. Fa nandeha tany amin’ny farihy Siloama izy, izay midika hoe Nirahina (and 7). Dia nahiratra ny masony. Ny finoana izay mahatsikaritra Ilay Nirahin’ny Ray tao amin’ilay Galileana nobantiana dia nahiratra. Fa izay tsy mba manana ny teniny mitoetra ao anatiny kosa (Jaona 5. 38) dia tsy mino fa nirahin’ny Ray Izy. Kanefa ny asa nataony dia manambara fa nirahin’ny Ray Izy (and 36).

d.      Tonga

Izy koa dia “avy” an-tsitrapo, na dia “amin’ny anaran’ny Rai(ny)” aza (Jaona 5. 43).

Navelany ireo fanatitra rehetra natao tamin’ny fanekena taloha, ary hoy Izy “nony niditra tamin’izao fiainana izao”: “Inty Aho tonga … hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô… Ary amin’izany sitrapo izany no nanamasinana antsika tamin’ny nanaterana ny tenan’i Jesoa Kristy indray mandeha” (Hebreo 10. 5-10). — “Fa Kristy kosa, rehefa tonga … nitondra … ny ran’ny tenany, dia niditra indray mandeha ho any amin’ny fitoerana masina ka nahazo fanavotana mandrakizay” (Hebreo 9. 11-12).

Nivoaka avy tamin’ny Ray ary nirahiny, tonga tetỳ an-tany, ary “ny Zanakalahy Tokana , Izay ao an-tratran’ny Ray, Izy no nanambara Azy” (Jaona 1. 18). Noho io fifandraisana lalina tsy tapaka io, “eo an-tratran’ny Ray”, dia Izy no nanambara an’Andriamanitra, Izay tsy mbola nisy nahita, nefa ankehitriny, dia fantatra, tsy toy ny Andriamanitra ihany, fa koa toy ny Ray: “Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray … Tsy mino va ianao fa Izaho ao amin’ny Ray, ary ny Ray ato amiko?” (Jaona 14. 9-10).

 

 

 

2.      Ny Ray tia ny Zanaka

“Ray ô,… efa tia Ahy Ianao, fony tsy mbola ary ny fanorenan’izao tontolo izao” (Jaona 17. 24). Fitiavana ambony lavitra antsika, tsy mikasika antsika, fifamatorana mandrakizay eo amin’ny Ray sy ny Zanaka talohan’ny nahariana izao tontolo izao, fanehoana faharavoana lalina (Ohabolana 8. 30), ary Izy irery ihany no mahalala izany ao amin’ny fahatanterahany.

“Fa ny Ray tia ny Zanaka ka maneho Azy ny zavatra rehetra izay ataon’ny tenany” (Jaona 5. 20). Ny Zanaka, nianki-doha tanteraka tetỳ an-tany, tsy andriamanitra tafasaraka tamin’ny Ray akory, fa miray tanteraka Aminy, Izy no iantefan’ny fitiavan’ny Ray.

“Ary izany no itiavan’ny Raiko Ahy, satria Izaho manolotra ny aiko” (Jaona 10. 17). Ilay fitiavana mandrakizay nomen’ny Ray ny Zanany fony Izy tetỳ an-tany, dia tsy tapaka mihitsy, fa ny mifanohitra amin’izany aza, vao mainka niha-lalina, raha azo lazaina, nony nanolotra ny ainy ny Zanaka.  Marina fa “nafoin’Andriamanitra Izy”, satria “Ilay tsy nahalala ota dia efa nataony ota hamonjy antsika” (2 Korintiana 5. 21). Fa raha nafoin’Andriamanitra Izy, satria nitaky izany ny fahamarinany, nandritra ireo ora maizina nanaovana Azy “ho ota”, tamin’ny nanomezany ny ainy, dia teo aminy foana ny fitiavan’ny Ray.

“Ny Ray tia ny Zanaka ka efa nanolotra ny zavatra rehetra ho eo an-tànany” (Jaona 3. 35). Araka ny efa hitantsika, dia zava-miafina ny amin’ny sitrapony ny “hanangonany ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy” (Efesiana 1. 10). Rehefa ho “hampanekeny ho eo ambanin’ny tongony” ny zavatra rehetra, dia mbola ho eo Aminy ihany ny fitiavan’ny Ray.

 

 

3.      Ity no Zanako malalako

Tsy maintsy nambara ampahibemaso io fitiavan’ny Ray ny Zanaka io, ary tsy maintsy nahatsapa izany ny olony.

Avy any Galilia i Jesoa no nankany amin’ny ony Jordana, mba hataon’i Jaona batisa, ary naka toerana teo afovoan’ireo olona nibebaka Izy, na dia tsy nanana ota aza. Nefa tsy tian’ny Ray ho afangaro amin’ny olona mpanota Izy. Niakatra avy teo amin’ny rano i Jesoa, dia nisokatra ny lanitra, ary ny Fanahin’Andriamanitra nidina tahaka ny voromailala ka nankeo amboniny. Ny feon’ny Ray avy any an-danitra no nanao hoe: “Ity no Zanako malalako, Izay sitrako” (Matio 3. 13-17). Ao amin’ny Marka 1. 9 Izy dia avy tany Nazareta, dia ilay tanàna natao tsinontsinona. Teo koa dia niteny taminy ilay Feo hoe: “Ianao no Zanako malalako…”. Ao amin’ny Lioka 3. 21 Izy dia ilay olona mianki-doha tanteraka: raha nivavaka Izy, dia nisokatra ny lanitra, nidina ny Fanahy Masina, ary ilay Feo avy any an-danitra dia nilaza hoe: “Ianao no Zanako malalako…”.

“Ary nony afaka henemana” (niasàna sy nanompoana), Jesoa dia naka mpianatra telo “ka nitondra azy niakatra tany an-tendrombohitra avo mba hitokana”. Niova endrika Izy; niseho tamin’izy ireo i Mosesy sy Elia. Nomen’i Petera toerana mitovy izy telo ireo; nefa nandre ny Ray niteny tao anaty rahona mazava, toy ilay nitarika ny zanak’Isiraely tany an’efitra, izy ireo hoe: “Ity no Zanako malalako Izay sitrako; Izy no henoy” (Matio 17. 5). Samy nanjavona i Mosesy, mpanora-dalàna, sy i Elia, mpaminany: “Ary nony niandrandra izy ireo, dia tsy nahita olona, afa-tsy Jesoa irery ihany”. Efa tapitra ny fotoanan’ny lalàna; tanteraka ny faminaniana, Jesoa irery ihany sisa no teo ambany mason’ireo mpianatra telo, tsy toy ny Mpanjaka sy ny Mesia ao amin’ny voninahiny ihany, fa koa toy “Ilay Zanaka malalan’ny Ray”.

Ao amin’ny Lioka 9, dia afaka “havaloana” no nisehoan’izany zavatra izany, andro voalohany amin’ny herinandro vaovao. Mosesy sy Elia dia “nilaza ny fialàny, izay efa hefainy any Jerosalema”. Kisarisary betsaka no efa naorin’i Mosesy hanambara ny fahafatesany; ny mpaminany dia efa nilaza “ny fahoriana izay tsy maintsy ho anjaran’i Kristy”. Izao dia ho tanteraka daholo izany ao amin’io Jerosalema izay efa nandà Azy io. “Efa navesatry ny tory ny mason’ireo mpianatra telo lahy, “nefa, nahari-tory ihany izy, dia nahita ny voninahitr’i Jesoa”!. Nanarona azy ireo ilay rahona, ary raiki-tahotra izy ireo. Io no fitoeran’i Jehovah. Kanefa ny feo nivoaka avy teo dia ny feon’ny Ray, ary i Jesoa irery sisa no tafajanona teo aminy.

Nangina ny mpianatra; tsy nitantara tamin’olona izay zavatra hitany izy ireo tamin’izany andro izany. Misy fotoana ao amin’ny fiainan’ny mpino izay azy sy ny Tompo irery ihany; tsy tsara ny mitantara izany. Tsy misy zavatra nolazaina antsika momba ny fihaonan’ny Tompo nitsangana tamin’ny maty tamin’i Simona izay nandà Azy (Lioka 24. 34). Hisy ny fanarenana azy ampahibemaso atỳ aoriana, fa izay niseho teo amin’i Petera sy ny Tompony dia nijanona ho tsiambaratelo. Tamin’ny faramparan’ny fiainany ilay apostoly efa nahazo taona, vao nampahatsiahy tamin’ny fiontanam-po io tranga izay tantarain’ny Filazantsara amin’ny antsipiriany io. “Raha niara-nipetraka taminy tany an-tendrombohitra masina izahay”, dia renay io feo tonga teo aminy tamin’ny voninahitra lehibe indrindra io (2 Petera 1. 17-18).

 

4.      Fitiavana naseho

Io fitiavan’ny Ray ny Zanaka io no manjary fatran’ny fitiavan’ny Ray ny olomboavidiny sy ny fitiavan’ny Zanaka ireo olona izay efa nitondrany fahoriana mangidy.

Talohan’ny nandaozan’i Jesoa ireo olony, dia niteny tamin’izy ireo Izy hoe: “Tahaka ny nitiavan’ny Ray Ahy no nitiavako anareo” (Jaona 15. 9). Io fitiavana madio, tsy takatry ny saina, izay nositrahany avy tamin’ny Ray io, dia mitovy amin’ilay omeny ny olony.

Fa amin’ilay vavaka ataony amin’ny Ray, dia manampy Izy hoe: “Efa tia azy tahaka ny nitiavanao Ahy” Ianao (Jaona 17.23). Ilay fitiavana tsy hay lazaina nomena ny Zanaka, dia mitovy amin’ilay fitiavana omena ireo olom-boavidin’ny Tompo.

Ampitoviana amin’ny tranon-tsary iray ireo tsongandahatsoratra ireo. Eo an-tampony, dia misy hoe: Ny Ray tia ny Zanaka. Eo amin’ny ilany iray, dia misy hoe: Tahaka ny nitiavan’ny Ray Ahy no nitiavako anareo. Eo amin’ny ilany iray hafa: Efa tia azy tahaka ny nitiavanao Ahy Ianao. Eo ambanin’ilay sary: “Aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa!” (Jaona 13. 34).

 

 

Iza moa i Jesoa?

Ilay Zanak’Andriamanitra — Ilay Zanak’olona — ny Mpamonjy — Kristy — ny Tompo — Ilay nambaran’ny Soratra Masina tamin’ny kisarisary tao amin’ny Testamenta Taloha — Ilay Zanaka malalan’ny Ray.

 

“Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesoa Kristy, Izay efa nirahinao” (Jaona 17. 3).

 

Jolay 1982                                                             G. André

 

 

FIZAHAN-TAKILA

 

Iza moa i Jesoa ?

 

 

4

1.      Ilay Zanak’Andriamanitra

 

7

2.      Ilay Zanak’olona

 

19

3.      Ilay Mpamonjy

 

36

4.      Ilay Kristy - Ilay Mesia

 

49

5.      Ilay Tompo

 

60

6.      Ireo kisarisarin’i Kristy ao amin’ny Testamenta Taloha

 

72

7.      Ilay Zanaka malalan’ny Ray

82

 



[1] Jereo H.R. “Simona Petera” sy ilay bokikely nosoratanay “Petera sy ny Mpampianatra azy”

[2] Jereo ny bokikely nosoratanay mitondra io lohateny io.

[3] Jereo ilay bokikely momba « Ny Tabernakely »

[4] Jereo H. Rossier « Ilay ombivavy mena »

[5] Jereo G. Willis : “Ny fanadiovana ny boka”