Alahady 7 Novambra 2027
Hoy Jehovah tamin’i Kaina : … Inona no nataonao ? Ny feon’ny ran’ny rahalahinao mitaraina amiko avy amin’ny tany. Genesisy 4:9-10
(Hoy Pilato tamin’i Jesosy :) Ny firenenao sy ny mpisoronabe no nanolotra Anao tamiko ; inona moa no nataonao ? Jaona 18:35
Kaina sy Abela no zanakalahy roa voalohany naterak’i Adama sy Eva. Kaina dia nanolotra ho an’Andriamanitra ny vokatra tany izay voaozona, ka tsy nankasitrahin’Andriamanitra ny fanatiny. Abela, noho ny finoana dia nanolotra biby iray tao amin’ny andian’ondriny, ary nankasitrahin’Andriamanitra io fanatitra io, fanatitra manambara mialoha ny sorona hataon’i Jesosy Kristy, Ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra (Hebreo 11:4). Tezitra sy nialona i Kaina, ka namono an’i Abela rahalahiny, izay latsaka tamin’ny tany ny rany. Koa napetrak’Andriamanitra tamin’i Kaina ny fanontaniana mampivarahontsana hoe : Inona no nataonao ?
Tatỳ aoriana Jesosy dia nijoro teo anatrehan’i Pontio Pilato governora romana, naka ny toeran’ny ampangaina, Pilato kosa teo an-toeran’ny mpitsara. Sahy nampamoaka ny Zanak’Andriamanitra i Pilato, ary nametraka io fanontaniana napetrak’Andriamanitra tamin’i Kaina fahiny io, hoe : Inona no nataonao ? Ako mampalahelo ! Jesosy, Ilay Marina, dia nampitoviana tamin’i Kaina, ilay mpamono olona ; nefa tsy hiaro tena Izy, satria tsy maintsy ho eo amin’ny hazofijaliana.
Tsy ela i Pilato dia nanasa tanana, nanantena ho afaka andraikitra. Nanolotra an’i Jesosy tamin’ny fahavalony izy. Ireo kosa dia nanombo Azy eo amin’ny hazofijaliana, ary aorianan’ny fahafatesany dia hisy miaramila iray handefona ny lanivoany. Ho latsaka avy eo amin’ny lanivoany voalefona ny ran’ny Zanak’Andriamanitra.
Nefa ny hafatra ambaran’ny ran’i Jesosy dia hafa tanteraka noho ny ran’i Abela (Hebreo 12:24). Ny ran’i Abela dia nitaky valifaty, ny ran’i Jesosy kosa nanana lanja tsy misy fetra teo imason’Andriamanitra. Afaka mamindra fo amin’izay rehetra mibebaka Izy, satria „ny rany (ny ran’i Jesosy) teo amin’ny hazofijaliana no nanaovany fampihavanana”, ary ny rany no „manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra” (Kolosiana 1:20 ; 1 Jaona 1:7).