Zoma 5 Novambra 2027
Fa inona moa no soa ho azon’ny olona, raha mahazo izao tontolo izao, kanefa very ny ainy ? Ary inona no homen’ny olona, ho takalon’ny ainy ? Matio 16:26
Nisy ady hevitray mpinamana, niresahanay momba ny hoavin’ny vatana, aorianan’ny fahafatesana. Niteny ny iray hoe ny mba tiany dia vatampaty tsy lafo vidy, ny iray hafa nanambara fa maniry ny handorana ny fatiny, ary ny iray farany nilaza ny faniriany hampiasana ny lavenony hampaniriana hazo.
Efa nieritreritra tsara ny hoavin’ny vatany aorianan’ny fahafatesana ireo vehivavy ireo… Saingy nanadino sy nanao tsirambina ny tena manan-danja, dia ny hoavin’ny fanahiny.
Ambaran’ny Baiboly fa tsy anganongano tsy akory ny fisian’ny fanahy, ilay ampahany tsy azo tsapain-tanan’ny tenantsika ; mitohy io fisiany io, rehefa maty ny vatantsika. Ny fiainantsika eto an-tany, raha oharina amin’ny mandrakizay, dia zara raha maharitra ampahan-tsegondra. Ny fahafatesana dia fiampitana tsotra fotsiny, eo anelanelan’ireo vanimpotoana roa ireo. Amin’izao fotoana ankehitriny izao no tsy maintsy mandray fanapahan-kevitra, hisy akony maharitra mandrakizay.
Koa aza mijery ny fe-potoana akaiky fotsiny, toy ny ataontsika matetika loatra : ndao hanomana ny mandrakizay ! Hoy Jesosy amintsika, ao amin’ny Filazantsara : „Izay mino ny Zanaka (ny Zanak’Andriamanitra), manana fiainana mandrakizay”, fa izay mandà tsy hino kosa dia „tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no mitoetra eo aminy” (Jaona 3:36). Ilay nahary antsika dia mitaona antsika hisafidy ny hino Azy. Irin’Andriamanitra mihoatra noho ny zavatra rehetra ny hihavanantsika aminy ho mandrakizay. Nanome vahaolana Izy : noho ny fitiavany dia nofaiziny ny Zanany, nisolo toerana antsika noho ireo asa ratsy sy fihevi-dratsintsika, izay manasaraka antsika aminy.
Miankina amintsika irery ny hiaina sambatra mandrakizay, eo amin’ny fanatrehany. Ndao hikarakara ny hoavin’ny fanahintsika !