Asabotsy 23 Oktobra 2027
Mizara ny fitafiako ho azy izy, ary ny akanjoko ilokany. Salamo 22:18
Voasoratra izao, mba hinoanareo fa Jesosy no Kristy, Zanak’Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin’ny anarany, raha mino ianareo. Jaona 20:31
Trangan-javatra maro voafaritra mazava teo amin’ny fiainan’i Jesosy no voalaza taonjato maro mialoha, ao amin’ny Testamenta Taloha, fizarana voalohan’ny Baiboly. Ireny faminaniana ireny dia ahafahantsika mahafantatra an’i Jesosy ho Ilay Mesia, Ilay irak’Andriamanitra ambara ao amin’ny Soratra Masina.
Anisan’ireny ireo izay notanterahin’ny miaramilan’ny tafika romana, tamin’ny fotoana nanomboana an’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana. Jaona dia vavolombelona nahita maso, teo anilan’ny hazofijaliana, ary nilazalaza ny zava-nitranga : „Ary rehefa voahombon’ny miaramila tamin’ny hazofijaliana Jesosy, dia nalainy ny fitafiany ka nozarainy efatra, samy nanana ny anjarany avy ny miaramila ; ary ny akanjony koa ; fa tsy nisy vitrana ny akanjony, fa tenona iray ihany. Dia niresaka hoe izy : Aza mba triarintsika, fa aoka hilokantsika ho an’izay hahazo azy… Izany zavatra izany no nataon’ny miaramila” (Jaona 19:23-24).
Izany indrindra anefa no voasoratra ao amin’ny salamo 22 (Soratra Masina androany). Io salamo io, nosoratan’i Davida efa ho arivo taona mialoha, dia milaza tsipiriany mazava mikasika ny fahafatesan’ny Mesia teo amin’ny hazofijaliana. Rehefa nanoratra ny filazantsarany i Jaona, dia nanonona io salamo io, ary nanampy ny teny hoe : „mba hahatanteraka ny Soratra Masina” (Jaona 19:24).
Tsy nisy fantatr’ireo miaramila romana ireo ny faminaniana momba ny vahoaka jiosy, nefa dia notanterahiny. Andriamanitra no nanoro mialoha ny fomba hahafatesan’i Jesosy Kristy Zanany. Ny fahatanterahan’ny Soratra Masina dia porofo miharihary fa Jesosy no Ilay nambara mialoha.
(hitohy)