Zoma 15 Oktobra 2027

Izy (Jesosy Kristy) no ananantsika fanavotana amin’ny rany, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny harenan’ny fahasoavany. Efesiana 1:7

 

Mpivarotena voavonjy

Ny Baiboly dia mitantara ny tantaran’i Rahaba, vehivavy ratsy fitondrantena, avotra tsy maty ringana (Josoa 2). Nisy mpisafo tany roa lahy nirahina hankany an-tanànan’i Jeriko nonenany, mba hanomana fanafihana. Noraisin’i Rahaba, mpivarotena, tao aminy ireo lehilahy ireo, ary nafeniny rehefa fantatra sy nokarohina. Nangataka hamindrana fo izy, rehefa ho tonga ny andro fanafihana, ho azy sy ny fianakaviany. Nampanantena hitsimbina azy ireto mpisafo tany, raha toa izy mamatotra kofehy mena eo am-baravarankeliny.

Tonga saina i Rahaba fa ho ringana, ary ny niekeny izany indrindra no naha avotra azy. Nino an’Ilay tena Andriamanitra izy. Tsy mahasakana an’Andriamanitra tsy hamindra fo aminy ny fiainan-dratsiny, ary anisan’ny razan’i Jesosy aza izy (Matio 1:5). Tsy misy fepetra ny fitiavan’Andriamanitra, ka tsy mametra izany na ny fiainana faran’izay ratsy aza. Tahaka izany koa ny momba antsika. Ny fitiavan’Andriamanitra dia manarona izay rehetra fahotan’ny olona mino an’i Jesosy Kristy, na inona na inona lasan’io olona io. Ho an’ny rehetra ny fitiavan’Andriamanitra, ao amin’ny ankohonantsika sy any ankoatra izany.

Ny loko menan’ny kofehy teo am-baravarankely dia mampahatsiahy ny ran’i Jesosy Kristy, izay „mandevona” ny ratsy rehetra nataon’izay mino fa maty Jesosy Kristy, nisolo toerana azy.

Koa tsy noho ny maha „olom-banona” antsika, izany, no anomezan’Andriamanitra antsika ny fiainana mandrakizay. Na hoe satria isika mpivavaka be, na ho afaka mampanantena ho hendry kokoa amin’ny ho avy. Tsy noho isika tsy namono olona. Tsia, omen’Andriamanitra ny fiainana isika, satria hatramin’ny farany Jesosy dia nanaiky hovonoina hamonjy antsika. Anjarantsika ny mino Azy, mba handraisantsika io fiainana io.