Zoma 17 Septambra 2027

Mangina Izy (Andriamanitra), ka iza no mahay manameloka ? Joba 34:29

 

Matoky eo ambanin’ny baomba mipoaka

Ny 19 septambra 1914 dia nanoratra ho an’ny vadiny ny miaramila Henri Dartigue-Peyrou, andro iray talohan’ny hahafatesany :

„Ry malala tiako, manoratra andalan-tsoratra vitsivitsy ho anao aho, eto amin’ny taratra maizimaizina ny afo ato anaty trano nilaozan’ny tompony, ary lazaiko anao fa tonga amin’ny fotoana tena ilàna azy io afo io, satria izahay dia vao nesorina hiala tamin’ny vava ady aloha indrindra nisy anay andro aman’alina nanomboka tamin’ny faha-16 hariva, tanaty ranonorana, indrindra halina. Ny andro ratsy no atahorako indrindra, satria efa tena mahazatra ahy ny bala sy ny balan-tafondro, ary izany dia noho ny fahatsapako fa manohana ahy ato anatiko Andriamanitra. Mamy erỳ amin’ny fotoana tahaka izao ny manana Azy miaraka amin’ny tena, sy mahafantatra fa miaraka amin’ny havako rehetra Izy ! Eny, tena resy lahatra aoka izany aho fa eo anilanareo Izy mba hanohana anareo, hany ka manome ahy hery lehibe izany ; izany no angatahiko aminy isanandro.”

Ny 1 may 2022, taonjato hafa, ady hafa, nefa ilay fiadanam-po tsy miova ihany. Manoratra avy any Ukraine i Lilia hoe :

„Tsara ny hoe zanak’Andriamanitra, mponin’ny lanitra. Rehefa mahatakatra izany ianao, dia ny fiadanana no manjaka ! Ary levona ny fankahalana sy ny toe-po maha fahavalo. Noho ny fahasoavan’Andriamanitra dia afaka tamin’izany aho, ary afaka tamin’ny fitiavan-tanindrazana mifamatotra amin’ny ady. Tsy adintsika io, fa adin’izao tontolo izao. Izaho dia miandry an’i Jesosy Kristy Tompontsika. Ny zava-mitranga rehetra dia mampiseho amintsika fa miaina ireo andro farany isika izao, ary koa ho avy tsy ho ela ny Tompo Jesosy ; noho izany dia tsara ho antsika ny miara-miaritra aminy izao fijaliana izao. „Fa ny fanjakantsika dia any an-danitra, ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia Jesosy Kristy Tompo” (Filipiana 3:20).”