Asabotsy 8 Febroary 2025
Fa voasoratra izao, mba hinoanareo fa Jesosy no Kristy, Zanak’Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin’ny anarany, raha mino ianareo. Jaona 20:31
Fa avy tamin’Andriamanitra no nitenenan’ny olona, araka izay nitondran’ny Fanahy Masina azy. 2 Petera 1:21
Ity fizarana faharoa ao amin’ny Baiboly ity dia manomboka amin’ny nahatongavan’i Jesosy Kristy tetỳ an-tany. Ireo filazantsara efatra dia mitatitra, amin’ny fomba fijery samihafa, ny fiainany, ny nahafatesany teo amin’ny hazofijaliana, ary ny nitsanganany velona indray. Matio dia mampiseho Azy amintsika ho Ilay Mesia nampanantenaina ny Israely ; Marka, ho Ilay Mpanompon’Andriamanitra manambara ny Vaovao Mahafaly amin’ny olona ; Lioka, ho Ilay Zanak’olona ; ary Jaona, ho Ilay Zanak’Andriamanitra manambara ny fitiavan’ny Ray.
Ny Asan’ny Apostoly dia mitantara ny fomba nanambarana ny hafatry ny Filazantsara tamin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina, sy ny fomba nielezan’ny finoana kristiana, na teo aza ny fanenjehana.
Ireo epistily (na taratasin’ny apostoly) dia mamelabelatra ny fampianaran’i Kristy, nampitain’ny Fanahy Masina, izany hoe ny drafitra mandrakizay miorina amin’ny fahasoavan’Andriamanitra, ny maha azo antoka ny famonjena sy ny fiainana mandrakizay, ny fahafatesan’ny mpino sy ny fitsanganany velona indray, ny hoavin’izy ireo mandrakizay, miaraka amin’i Jesosy Mpamonjiny. Ny epistily dia manome fampianarana sy fampaherezana ilaina mba hiainana araka ny maha mpianatr’i Jesosy sy vavolombelony.
Ny Apokalypsy dia boky faminaniana manoritsoritra an-tsary ny tantaran’ny Fiangonana, mandra-pahatonga ny fotoana hakana ny mpino ho any an-danitra, avy eo ireo fitsarana hanomana ny fisehoan’i Kristy etỳ an-tany sy ny fanjakany feno fahamarinana sy fiadanana, haharitra arivo taona. Aoriana-na fikomiana farany hataon’ny olona, ny tany sy ny lanitra ankehitriny dia hosoloina lanitra vaovao sy tany vaovao hitoeran’ny fahamarinana, mba ho fahasambarana mandrakizay ho an’ny mpino sy ho voninahitr’Andriamanitra.