Alatsinainy 6 Janoary 2025
Fa vovoka ianao, ary hiverina ho amin’ny vovoka indray ianao. Genesisy 3:19
Izy (Andriamanitra) no manangana ny malahelo ho afaka amin’ny vovoka, ary manandratra ny mahantra hiala eo amin’ny zezika, mba hampiara-mitoetra azy eo amin’ny mpanapaka. 1 Samoela 2:8
Jehovah… mahatsiaro fa vovoka isika. Salamo 103:13-14
Anikeheo maraina dia nisy taramasoandro niditra tao an’ny efitranoko, teo amin’ny hiriky ny varavarankely. Nisy poti-bovoka maro faran’izay kely nitsingevaheva tao anatin’io taramasoandro io. Dia lasa tany amin’ireo andinin-tSoratra Masina androany ireo ny fisainako. Tsy toy ny iray amin’ireny vovoka ireny ve aho ? eo anatrehan’Ilay Mpahary ahy.
Notsofiko moramora ireo piti-bovoka nitsingevana ireo, ka nihodinkodina tetsy sy teroa, alohan’ny hahazoany toera-marina indray. Dia nieritreritra ny hery tsitohan’Ilay Andriamanitra Mpahary aho. Iza moa aho ? eo anatrehany. Nefa fantatro fa mahalala ahy Izy ary tia ahy, izaho izay tsinontsinona eo anivon’ny zavaboariny rehetra. Na tsy maintsy hiverina ho amin’ny vovoka aza ny vatantsika, noho ny otan’ny olombelona, dia fantatro fa Andriamanitra manokatra ho antsika lalana mankany an-danitra, amin’ny alalan’i Jesosy. „Izy no manangana ny malahelo ho afaka amin’ny vovoka.” Ahoana moa izany no nanjary hay atao ?
„Ao amin’ny vovoky ny fahafatesana no ametrahanao ahy” : ny Salamo 22 (and 15) dia manatsidika ny fahafatesan’i Kristy ; Izy tsy maintsy nitondra ny fahotako tao amin’ny tenany, teo amin’ny hazofijaliana. Mivoha ho ahy ny varavaran’ny lanitra, rehefa mino ny asan’i Jesosy aho, Jesosy Izay mamonjy ahy amin’ny fahafatesana sy manome ahy ny fiainana mandrakizay. Napetraka teo amin’ny fahazavan’Andriamanitra aho, ka afaka miaiky aminy ny fahotako sy miteny toa an’i Joba hoe : „Miaiky sy mibebaka eto amin’ny vovoka sy ny lavenona aho” (Joba 42:6).
Mahatsiaro tena ho toy ny iray amin’ireo piti-bovoka bitika ampamirapiratin’ny masoandro ireo aho. Izaho dia an’Ilay Andriamanitra Mpamonjy, Izay haka ahy ho any an-danitra mba hiaraka aminy. Eo am-piandrasana izany, mikarakara ahy ao amin’ny harefoko Izy, satria „mahatsiaro fa vovoka isika”.