Zoma 27 Desambra 2024
Fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny làlako ny teninao… Faly aho noho ny teninao, tahaka ny mahazo babo be. Salamo 119:105, 162
Ela ny ela ka tonga tao amin’ity vohitra kely very any an-tendrombohitra any ny herinaratra. Rehefa vita ny asa dia nisy mpisafo nitety ireo trano, mba hahazo antoka fa nilamina ny zavatra rehetra.
— Ahoana, tompoko, afa-po amin’izay ve ianao ?
— Mazava ho azy : izao aho, amin’ny hariva, dia mahita tsara kokoa rehefa mandrehitra ny jiro solitaniko…
Mampitsiky antsika ny vazivazy zary tenany nataon’io vehivavy io… Io tantara io anefa dia mampahatsiaro fihetsika mbola mampieritreritra kokoa : firifiry moa ny olona mandeha an-jambany ao anatin’ny haizina ara-toe-panahy, eto amin’ity tontolo ity ? nefa dia manana Baiboly ao an-tranony, saingy tsy manokatra azy mihitsy. Io boky io anefa dia mampahafantatra Ilay „fahazavan’izao tontolo izao”, tonga tetỳ an-tany mba hanazava ny olona rehetra (Jaona 8:12 ; 1:9). Angamba ireny olona ireny mamaky tsindraindray ihany pejy ara-pivavahana hita tao anaty gazety na tato anatin’ity alimanaka ity ; saingy tsy ampy izany ! Izany dia misafidy ny jiro solitany ary mihafy tsy hanana hazavana mahomby lavitra kokoa.
Teo amin’ny tantara dia nisy vanimpotoana maro sy lava nandrarana tsy hanana Baiboly, ary indraindray dia nisy kristiana nandeha an-tongotra kilometatra maro, nanao vy very ny ainy, mba hahafahany mandre, mandritra ny fotoana fohy monja, ny famakiana ny Baiboly zara fa nisy tamin’izany. Na amin’izao androntsika izao aza, dia misy io toejavatra io any amin’ny firenena sasantsasany. Ny Tenin’Andriamanitra dia tsy vitan’ny hoe „fanilon’ny tongony sy fanazavana ny làlany” fotsiny, fa loharano fankaherezana mitondra „fifaliana sy firavoravoana” ho an’ny fon’izy ireo koa (Jeremia 15:16).
Aza avelantsika hipetraka fotsiny eo an-talantalana ny Baibolintsika, tahaka fanilo maty ao anatin’ny alina !