Alatsinainy 27 Desambra 2021

Izay avy any ambony dia ambonin’izy rehetra. Jaona 3:31

Jehovah, Tomponay ô, endrey ny voninahitry ny anaranao amin’ny tany rehetra ! Salamo 8:9

 

Kely aoka izany…

Toerana kely aoka izany no ilaina, mba hampandrina zazakely iray, nefa dia nolavin’izao tontolo izao tsy ho an’i Jesosy izany toerana izany. Ilay Mpahary izao tontolo rehetra izao, Izay niditra tao anatin’ny fetran’ny toerana sy ny fotoana, dia nampandrina tanatina fitoeran-tsakafo ho an’ny biby (Lioka 2:7).

Toerana kely aoka izany koa no ilaina, mba hipetrahana loha iray. Na ny amboahaolo aza dia manan-davaka hisitrihana, ary ny voromanidina eny an-danitra manana akany. Fa Izy Zanak’olona kosa tsy mba nanana izay hipetrahan’ny lohany (Lioka 9:58).

Ny mahantra indrindra dia manana farafara, hialany aina. Fa hazofijaliana kosa no nomena an’i Jesosy. Ilay fampijalijaliana mampihoron-koditra sy manala baràka no nahatra tamin’Ilay hany olo-marina.

Mba takatsika ve hoe nahoana, na ny marimarina kokoa, ho an’iza, no nidiran’Ilay Zanak’Andriamanitra tao amina lalana toy izany ? Ho ahy sy ho anao, noho ny fitiavany !

Ary inona no mba angatahiny, ho valin’izany ? Tsy misy, afa-tsy ny fatokiantsika Azy. Raha nitakina asa be ny olona, ho setrin’ny famonjena, dia tsy ho marina Andriamanitra, satria ho very ny olona osa na kilemaina. Sa vola be ? Tsy hanana na inona na inona haterina ny mahantra. Faharanitan-tsaina be na fahalalana maro ve ? Ho voailika ireo tsy dia mahay. Nefa dia tena azonao atao tsara ny kely angatahina aminao : miaiky fa very, mandray an’i Jesosy ho Mpamonjy, mametraka aminy ny fitondrana ny fiainanao. Nahoana ianao no tsy manapa-kevitra izao anio izao ?