Asabotsy 25 Desambra 2021

Fa isika koa dia nitoriana filazantsara tahaka ireny ihany ; nefa ny teny izay efa reny dia tsy nahasoa azy, satria tsy niharo finoana… Anio, raha hihaino ny feony ianareo, aza manamafy ny fonareo. Hebreo 4:2, 7

 

Ilay fanasana lehibe (7)

Jesosy, rehefa nampianatra ireo izay niaraka taminy, dia nampiasa tantara an-tsary notsoahiny avy amin’ny fiainana andavanandro, ka nanaovany fanoharana. Hoy Izy tamin’izy ireo, nandritra ny sakafo tao an-trano-na Fariseo iray : „Nisy olona anankiray nanao fanasana lehibe ka nanasa olona maro. Ary naniraka ny mpanompony izy, tamin’ny fotoana fisakafoana, hilaza amin’izay efa nasaina hoe : Andeha, fa efa voavoatra izao ny fanasana. Fa izy rehetra dia nitovy saina, ka samy nanao fialana…” (Lioka 14:16-24). Izany dia tantara-na lehilahy iray nanasa namana, saingy tsy nisy tonga izy ireo, nony farany. Be asa loatra, be raharaham-pianakaviana, samy nahita fialan-tsiny avokoa ny rehetra. Tsy nahaliana azy ireo ilay fanasana.

Io lehilahy io dia kisarisarin’Andriamanitra, Izay manasa antsika ho ao an-tranony, hiara-mifaly amin’ireo rehetra nanatona an’i Kristy. „Efa voavoatra ny zavatra rehetra” : nirahin’Andriamanitra ho etỳ an-tany ny Zanany, ka tonga ary nijaly sy maty, mba hahazoantsika izany toerana izany ao an-tranony. Manasa olona marobe Izy, satria tia ny olona rehetra ary te hamonjy azy ireo. Toy ilay lehilahy ao amin’ny fanoharana, izay naniry hahafeno ny tranony, dia mbola manohy miantso Andriamanitra.

Koa manontany tena aho hoe : izaho koa ve hanana fialan-tsiny mitombina, mba tsy hihainoako an’Andriamanitra, ka hanaovako tsinontsinona ny fanasany, hanaovako ho toy ny tsy misy ny fitiavany lehibe ? Te hanao izay hahasambatra antsika tsirairay Izy, ary te hampiditra antsika ho mandrakizay ao an-tranony, dia ny lanitra mihitsy : ilay toerana mahatalanjona resahin’ny bokin’ny Apokalypsy antsika. Mamirapiratra avokoa ny zavatra rehetra ao, noho ny fanatrehan’io Andriamanitra fitiavana io. Hiara-monina amintsika Izy, ary tsy hisy intsony na fahoriana, na fitarainana, na ranomaso. Ho fiadanana mandrakizay ny ao. Tena marina fa fahasambarana lehibe, dieny ankehitriny ary ho mandrakizay, ny hoe mino izay lazain’Andriamanitra, sy mitodika aminy mba ho voavonjy !

(farany)