Alakamisy 23 Desambra 2021

Filipo… nitory an’i Jesosy taminy. Asan’ny Apostoly 8:35

Tsy misy famonjena amin’ny hafa. Asan’ny Apostoly 4:12

 

Nahoana no Jesosy, fa tsy olon-kafa ?

Olona maro no mikaroka momba ny ara-panahy, nefa tsy mahafantatra ny lalana tokony hizorany. Karazam-pivavahana na filôzôfia maro aoka izany no aseho azy ireo ! Nahoana no Jesosy no heverina, fa tsy i Bouddha, na i Confucius, na i Mahometa ? Ny lalana rehetra ve tsy mitondra any an-danitra avokoa ? hoy ireo te hanamaivan-javatra. Teny fohy no valiny, hoe : Jesosy irery ihany no velona.

Jesosy no ilay hany niteny tamin’ny fahefan’Andriamanitra, satria Izy irery no naharesy ny fahafatesana. Bouddha sy ny hafa dia mbola ao anatin’ny fasany mandraka ankehitriny, fa Jesosy kosa, noho ny heriny, dia nivoaka ny fasany, tamin’ny andro fahatelo, rehefa avy niaritra fahafatesana mahatsiravina teo amin’ny hazofijaliana romana. Tsy iadian-kevitra ny porofon’ny nitsanganany ho velona indray.

Voalohany, foana ny fasana. Mba tsy hahafahan’ny mpianany mangalatra ny fatiny, dia nambenana mafy ny fasana, nefa tsy nahita ny fatiny ireo tonga teo mba hahatsiaro Azy. Raha ny Romana mihitsy no nanafina ny fatin’i Jesosy, dia ho nasehony ampahibemaso izany, mba hanafoanany ny honohono hoe nitsangana tamin’ny maty Jesosy. Saingy tsy tao intsony Izy !

Taorianan’izany dia vavolombelona mihoatra ny 500 no nahita Azy nitsangana tamin’ny maty ! (1 Korintiana 15:6) Manaitra izany isa be izany. Tsy hay odian-tsy hita ny feon’olona 500.

Izay mahery noho ny fahafatesana dia mendrika hoheverintsika, koa aoka isika hihaino Azy ! Ilay niditra tao amin’ny fahafatesana ka naharesy azy no hany hahay hanafaka antsika amin’izany. „Efa maty Aho, nefa, indro, velona mandrakizay mandrakizay” (Apokalypsy 1:18). Manolotra fiainana mandrakizay ho an’ny olona rehetra Izy, ary azo inoana, satria velona Izy.

(araka ny www.gotquestions.org)