Alakamisy 16 Desambra 2021

Jesosy, nony nahita ny vahoaka, dia niakatra teo an-tendrombohitra ; ary rehefa tafapetraka Izy, dia nanatona Azy ny mpianany. Dia niloa-bava Izy ka nampianatra azy. Matio 5:1, 2

Talanjona ny vahoaka noho ny fampianarany, satria nampianatra azy toy izay manana fahefana Izy. Matio 7:28, 29

 

Ny fanjakan’ny lanitra (1)

Kabaryna mpanjaka

Matio evanjelista dia mampiseho an’i Jesosy ho Ilay Mesia, izany hoe ilay mpanjaka nampanantenaina ny vahoaka jiosy. Vao any amin’ireo toko voalohany dia efa hita Jesosy manamarina amin’ny asany sy ny teniny fa Izy tokoa no Ilay ambara ao amin’ny Testamenta Taloha. Ny toko faha-5 ka hatramin’ny faha-7 no mandrafitra ny antsoina mahazatra hoe toriteny teo an-tendrombohitra ; io toriteny io no mirakitra ny fotokevitry ny „fanjakan’ny lanitra”. Mpanjaka iza na lehibe-na governemanta iza no mba efa nanao kabary fanokanana feno fahasoavana sy fahamarinana ? Tamin’izany Jesosy dia namaritra ny tanjona kendrena ary nanoritsoritra ny fotokevitra manan-kery ao amin’ny fanjakany.

Io lahateny io dia manomboka amin’ireo „sambatra”, izany hoe ny fitanisana ireo toetra ankasitrahin’Andriamanitra ka mahasambatra, toy ny fanetrentena, ny halemem-panahy, ny fahadiovana —tsy voatery ho izay fandre avy amin’ireo mpitondra eto amin’izao tontolo izao ! Avy eo Izy dia manoritsoritra ny toe-panahy takina amin’ny olona tsirairay ao amin’ny fanjakany, momba azy manokana, ohatra hoe :

— „Izay rehetra tezitra amin’ny rahalahiny dia mendrika hohelohina amin’ny fitsarana” (5:22).

— „Izay rehetra mijery vehivavy, hila azy, dia efa nijangajanga taminy tam-pony sahady” (5:28).

Resahiny koa ny fitondrantenantsika manoloana ny hafa :

— „Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo” (5:44).

Angamba ianao raha mamaky ireo toko ireo, dia haniry hiaina ao anatina fanjakana toy izany. Holazain’ny takelaka rahampitso ny lalana tokony harahintsika.

(rahampitso ny tohiny)