Talata 7 Desambra 2021

Miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo. 1 Korintiana 15:58

 

Tsy nilaina fahiny, fa mahasoa kosa ankehitriny (2)

Nisy fiovana tanteraka iray hafa koa, nitranga teo amin’ny fiainan’i Onesimosy. Taloha izy dia nikomy tamin’ny tompony, tsy nanao ny asany, na nanao ihany saingy tsy tamin’ny fo. Fa ankehitriny kosa izy dia nanjary mahasoa, na ho an’i Filemona na ho an’i Paoly mihitsy.

Izany tantara izany dia tantaran’ny olona tsirairay, momba ny fifandraisany amin’Andriamanitra. Raha vao teraka isika dia manohitra ny fahefan’Andriamanitra, ka noho izany indrindra, dia tsy ilaina. Tsy avelan’ny Baiboly hamita-tena ny amin’izany isika. Andriamanitra, Izay mahafantatra ny antony lalina manosika antsika sy ireo fikasantsika, no manamafy hoe : „Samy nania avokoa izy rehetra, samy tsy mahasoa avokoa izy rehetra ; tsy misy izay manao ny tsara, na dia iray akory aza” (Romana 3:12). Nefa ny olona iray rehefa manaiky handray ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra noho ny finoana an’i Jesosy Kristy, dia mandray aina vaovao ka manjary afaka ankasitrahin’Andriamanitra sy mahasoa ho Azy.

Tandremo anefa, tsy hahomby isika raha tsy miasa eo ambany fitarihany. Ho fitaka ny mihevitra hanompo an’Andriamanitra nefa mbola mikambana amina zava-dratsy na amina olona manao zavatra mampiahiahy. „Koa raha misy olona manadio ny tenany… dia ho fanaka homem-boninahitra izy, efa nohamasinina ka mahasoa ho an’ny Tompo, voavoatra ho amin’ny asa tsara rehetra” (2 Timoty 2:21).

Ry kristiana, mahatalanjona ny mieritreritra hoe afaka ahasoa ho an’Andriamanitra isika, ary afaka ampiasainy ho amin’ny fanatanterahana ny fikasany ! Azony atao ny tsy mampiasa antsika, Izy no manapaka ny zavatra rehetra sady tsitoha, nefa omeny antsika ny voninahitra hoe mandray anjara amin’ny asany isika. Izany ve tsy mandrisika antsika ho faly sy mazoto hanompo Azy ?