Talata 30 Novambra 2021

Fa raha fony mbola fahavalo aza isika no nampihavanina tamin’Andriamanitra, tamin’ny nahafatesan’ny Zanany, mainka ny hamonjena antsika amin’ny fahavelomany ankehitriny, rehefa nampihavanina. Romana 5:10

Mihavàna amin’Andriamanitra anie ianareo. 2 Korintiana 5:20

 

Mihavana amin’Ilay Andriamanitry ny fiadanana

Nifamaly ireto mpinamana roa lahy. Ilay fifandraisan’izy ireo, izay tsara teo aloha, dia nanjary nihenjana, ary nila ho tapaka. Tsy nifampiteny intsony izy ireo, satria nanjary sarotra loatra ny fifandraisany. Tsikelikely teny ireto mpinamana dia nanjary toy ny olona tsy nifankahalala. Ny famitranana fihavanana ihany no hahafahana misoroka izany fiafaran-javatra izany. Amin’izay vao hiverina indray ny fisakaizana sy ny firindrana.

Nefa ve Andriamanitra mila mihavana amintsika, sa isika mihitsy no mila mihavana aminy ? Tsy isika ve no fahavalon’Andriamanitra ? (jereo ny andininy nomena antsika androany).

Potika mantsy ilay fifandraisantsika tamin’Andriamanitra, noho ny ratsy ataontsika tsirairay, izay voatariky ny lainga, ny avonavona, ny fitiavan-tena, sns.

Nefa dia Andriamanitra no nanao ny dingana voalohany, hihavanana amin’ny zababoariny, na dia fahavalony aza ireo. Nirahin’Andriamanitra Jesosy Kristy, nitondra ny fahotantsika rehetra tamin’ny tenany. „Ny rany teo amin’ny hazofijaliana no nanaovany fampihavanana” (Kolosiana 1:20), mba ho vita fihavanana amin’Andriamanitra isika. Ny ran’ny Kristy no sandany nanorenana io fampihavanana io, ho mandrakizay, ary ho an’izay rehetra mino.

Ny famitranam-pihavanana dia fahamarinana mahatalanjona. Rehefa manjary kristiana isika, dia miova tanteraka ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra. Fahavalony isika teo aloha, fa manjary sakaizany kosa ankehitriny. Nomelohina isika, noho ny fahotantsika ; fa ankehitriny kosa, voavela heloka. Niady tamin’Andriamanitra isika ; fa ankehitriny kosa, manana fiadanana „izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra” (Filipiana 4:7).