Alahady 27 Desambra 2020
Nandeha Jesosy ka nahita mpamory hetra atao hoe Levy, nipetraka teo am-pamorian-ketra ; dia hoy Izy taminy : Manaraha Ahy. Ary nahafoy ny zavatra rehetra izy ka nitsangana, dia nanaraka Azy. Lioka 5:27, 28
(Hoy Jesosy tamin’i Petera :) Manaraha Ahy ianao. Jaona 21:22
Afaka manaraka Anao am-piadanana izahay,
Ry Jesosy, eo amin’ny lalana feno fanetrentena
Izay nekenao hiainana,
Tsy takatry ny olona Ianao ary nolaviny ;
Miaraka aminao, tsy manana an’iza na iza,
Mamafy soa hatrany hatrany,
Eo amin’io lalana io, amirapiratan’
Ny fon’Ilay Olona lavorary !
Soa toa inona moa no sokafan’io lalana io ho anay !
Harenam-panetrentena manao ahoana !
Andriamanitra tenany aza ao, tsy mahita
Afa-tsy fahazavana sy fahamasinana.
Ary izahay, fenon’ny fahasoavanao,
Zanak’Andriamanitra satria mino,
Dia afaka manaraka ny dianao
Ao amin’ilay fitiavanao ihany koa.
Na dia mihalevona aza ny herinay
Ao anatin’ny tebiteby sy ny asa mafy,
Na dia manandrana fangidiana aza izahay
Eo am-panarahana Anao, ry Mpamonjy,
Dia Ianao no banjininay
Mba hanahafanay Anao,
Mba hanehoanay taratra kely
Amin’ny maha olombelona masina Anao.
Fa ny lalana dia mifarana
Ao amin’io tany feno voninahitra io,
Amirapiratan’ny fahatsaranao amin’ny maha Andriamanitra Anao,
Ry Mpamonjy nandresy.
Fahasambarana tsy manam-paharoa no ao,
Hitsaoka sy homem-boninahitra izahay,
Ary hatao mitovy aminao
Ho mandrakizay !