Zoma 18 Desambra 2020
(Hoy Jesosy :) Ento ny ziogako, ka mianara amiko ; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho ; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo. Matio 11:29
« Nambabo ahy ny valiny nomeny ireo fanontaniako, satria hitako fa marina sy tena mitombina. Dia nifoha tato anatiko ny faniriana hahafantatra bebe kokoa. Koa nanontaniako izy hoe : « Ndao atao hoe misy ny Andriamanitrao ; dia ahoana no atao mba hahazoana antoka ny amin’izany, ary mba hihaonana aminy ? » Tsotra ny navaliny ahy : « Lazain’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly fa izay mitady Azy amin’ny fony manontolo dia hahita Azy ». Nanomboka niasa lalina tato anatiko Andriamanitra, ary izaho koa nanomboka niaina ny fahamarinan’ny teniny, dia ny Baiboly. Nanjary teny niha velona kokoa hatrany ho ahy ny Baiboly, ary afaka nahita maso ny heriny aho. Ankehitriny dia miadana aho, ary afaka tamin’ny lasako manontolo.
Tsy ho nieritreritra mihitsy aho, na ho naniry hiditra ao amina fivoriana mpino tena izy, indrindra moa hoe ho natao batisa ! Nefa dia nataoko izany rehetra izany, satria resy lahatra aho. Fahagagana izany. Fahagagana satria tsy mora io lalana io, ato anatina tontolo mampitsimbadika ny soatoavina ara-toe-panahy, ka na ny devoly aza, dia tsy miafina intsony. Nefa rehefa miaraka amin’i Jesosy, dia miova ny zavatra rehetra. Tonga Ilay Andriamanitry ny fiadanana mba hameno, tamin’ny fahafantarana an’i Jesosy Kristy Zanany, ny banga tato am-poko. Tan-kalemem-panahy sy fahari-po no nanovany ahy tsikelikely, tamin’ny alalan’ny Fanahiny sy ny Teniny, na dia teo aza ny fahalemeko maro sy ny toetra ratsiko rehetra. Sarotra indraindray ny mamela an’Andriamanitra hanafoana ny avonavontsika, nefa na izany aza Izy dia manova mandrakariva ny fon’izay matoky Azy. Koa aza mangataka andro vao manatona Azy sy mandray eo amin’ny fiainanao ny famonjena ny fanahy, famonjena omeny izay rehetra mino an’i Jesosy Kristy Zanany. »
Thomas