Alatsinainy 6 Janoary 2020
Dia talanjona indrindra ny olona ka nanao hoe : Tsara ny nanaovany ny zavatra rehetra. Marka 7:37
Ary talanjona avokoa ny olona rehetra, dia nankalaza an’Andriamanitra ... ka nanao hoe : Efa nahita zavatra mahagaga isika androany. Lioka 5:26
Ireo filazantsara dia mitantara amintsika ny fiainan’i Jesosy Kristy. Nanelingelina ny mpiara-belona taminy, matetika, ny fihetsiny sy ny teniny, nefa maro ny nijoro ho vavolombelona fa hafa noho ny olona rehetra io Lehilahy io.
— “Tsy mbola nisy olona niteny tahaka izany” (Jaona 7:46). Ny teny tsirairay lazain’i Jesosy dia manana lanjany manokana, maharitra, ary tenin’Andriamanitra. Koa zava-dehibe ny misaintsaina tsara izany teny izany. Ny olona tsirairay dia afaka mahatakatra izay lazainy, ny tsirairay dia taomina hihaino sy hankatò ny teniny. Izany teniny izany dia mamaha ny olana sy mamaly ireo fanontanian’ny olona ankehitriny, mitovy ihany amin’ny fanontanian’ny olona tamin’ny androny. Mbola hanan-kery mandrakariva ny tenin’i Jesosy : “Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona” (Matio 24:35).
— Tsy mbola nisy olona niaina tahaka io Lehilahy io ! Mirindra tanteraka ny tenin’i Jesosy sy ny fihetsiny, tsy misy fifanoherana mihitsy. Na dia Andriamanitra aza Izy, dia niaina tahaka ny olona, tam-panetren-tena, ary nandritra ny telo taona mahery dia nanamarika ny fiainany ampahibemaso ny vavaka, ny fitoriana ny Vaovao mahafaly, ary ny fahagagana maro nataony noho ny hatsaram-pony. Nanamarina ny maha Andriamanitra Azy ireo fahagagana ireo.
— Tsy mbola nisy olona nitia tahaka io Lehilahy io ! Ny fitiavany dia mihoatra izay rehetra mety ho haintsika heverina. Tonga Jesosy mba hamonjy olona very sy andevon’ny ota. Noho ny fitiavany dia nanaiky hohomboana teo amin’ny hazofijaliana Izy. Natolony ho sorona ny ainy, mba hampitony ny fahatezeran’Andriamanitra amin’ny mpanota. Mandraka ankehitriny Andriamanitra dia mbola manolotra ny famelany heloka ho an’izay rehetra mino, ary manome azy ireo ny fiainana mandrakizay.
Fantatro io Lehilahy tokana aman-tany io, Izy no Mpamonjiko, dia Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra.