Alakamisy 2 Janoary 2020

Raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’Andriamanitra. Jaona 3:3

Fa izay rehetra nandray Azy (Jesosy) dia nomeny hery (nomeny zo) ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny anarany. Jaona 1:12

 

Tsy maintsy hateraka indray ianao

Inona no fantatsika momba izao tontolo izao, adiny iray talohan’ny nahaterahantsika ? Raha nisy olona nanazava tamintsika hoe tsy maintsy hifoka rivotra isika, hoe hamindra indray andro any, hoe midadasika lavitra noho ny kibon-dreny nifonosantsika izao tontolo izao, ka atao hoe ho afaka nahatakatra izany isika, dia inona no ho azontsika ninoana ? Nefa dia mbola samy hafa lavitra izao tontolo misy antsika izao sy ny fanjakan’Andriamanitra, noho ny kibon-dreny nifonosantsika sy ny tontolo misy antsika ankehitriny.

Tsy maintsy nateraka isika, mba ho tonga eto amin’izao tontolo izao ; dia toy izany koa, tsy maintsy hateraka indray, hateraka avy any ambony, mba ho afa-miditra ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Angamba hanontany tena isika, toa an’i Nikodemosy izay nanambaran’i Jesosy ny tsy maintsy ilàna izany fahaterahana indray (na fahaterahana avy any ambony) izany, hoe : “Hataon’ny olona ahoana no hateraka rehefa lehibe ?” (Jaona 3:4). Henoy ny valintenin’i Jesosy : “Izay ateraky ny nofo dia nofo ; ary izay ateraky ny Fanahy dia fanahy. Aza gaga noho ny nilazako taminao hoe : Tsy maintsy hateraka indray ianareo” (Jaona 3:6-7). Fahaterahana ara-panahy izany fahaterahana avy any ambony nolazain’i Jesosy izany ; fahaterahana avy amin’ny Tenin’Andriamanitra, avy amin’ny finoana an’i Jesosy, ary vokatry ny asan’ny Fanahy Masina ao amintsika. Koa tsy maintsy mamaky am-pahatsorana sy am-panetren-tena ny Filazantsara isika. Dia io tenin’Andriamanitra raisina amin’ny fivavahana amin’i Jesosy io no hanazava ny tenantsika, ka hiteraka aina ao anatintsika : “zanak’Andriamanitra” isika.

Araka izany, ny olona tsirairay dia afaka mahita ny fanjakan’Andriamanitra sy miditra ao : io fanjakana io dia voamariky ny maha Izy Azy an’Andriamanitra, Izay fitiavana sy fahazavana, ary monina ao ny “fahamarinana sy fiadanana ary fifaliana ao amin’ny Fanahy Masina” (Romana 14:17).