Talata 31 Desambra 2019

Jehovah ô, mipaka amin’ny lanitra ny famindramponao ; mihatra amin’ny rahona ny fahamarinanao. Salamo 36:5

Fantatro Izay inoako, ary matoky aho fa Izy dia mahatahiry ilay zavatra natolotro Azy. 2 Timoty 1:12

 

Ny tsy fiovaovanao

 

Eny, ny tsy fiovaovanao, ry Andriamanitra Rainay,

Dia tsy misy aloka na fivadihana mihitsy,

Tsy miova Ianao, Ianao no antenain’ny olonao,

Miantra ny zanakao rehetra Ianao.

 

Ny kintana eny amin’ny lanitra, sy ny asanao

Eny rehetra eny etỳ an-tany, dia miara-mihira

Ny zava-miafina lehibe momba ny fahefanao,

Manambara ny fahalehibeazanao, ry Andriamanitra Mpahary.

 

Rehefa eo anilanao, ry Tompo, dia be ny fahasoavana,

Ny famelan-keloka, ny famonjena, ary ny fiadanana mamy.

Fenoinao amin’ny fanomezanao mahatalanjona izahay,

Sady androtsahanao zava-tsoa tsy hita isa ny dianay.

 

Ny tsy fiovaovanao, ny hatsaram-ponao midadasika

Dia mihavao isanandro isanandro, ho anay.

Ny tananao no manome anay izay rehetra ilainay ;

Eny, maharitra mandrakizay ny tsy fiovaovanao.

 

R. Demaurex - H. Arnéra