Le NOUVEAU TESTAMENT | |
Troisième Épître de JEAN | 3 Jaona |
1 L’ancien à Gaïus, le bien-aimé, que j’aime dans [la] vérité. | 1 [Fisaorana an'i Gaio noho ny nandraisany vahiny, sy filazana ny amin'i Diotrefa sy Demetrio] Izaho loholona* mamangy an'i Galo, ilay malala, izay tiako amin'ny fahamarinana. [* Gr. Ny presbytera] |
2 Bien-aimé, je souhaite qu’à tous égards* tu prospères et que tu sois en bonne santé, comme ton âme prospère ; | 2 Ry malala, mangataka aho mba hambinina sy ho salama amin'ny zavatra rehetra anie ianao, tahaka izay anambinana ny fanahinao ihany. |
3 car je me suis très-fort réjoui quand des frères sont venus et ont rendu témoignage à ta vérité, comment toi tu marches dans la vérité. | 3 Fa faly indrindra aho, fony nisy rahalahy tonga ka nanambara ny fahamarinanao, dia toy ny andehananao araka ny fahamarinana. |
4 Je n’ai pas de plus grande joie que ceci, c’est que j’entende dire que mes enfants marchent dans la vérité. | 4 Tsy manana fifaliana mihoatra noho izao aho, dia ny andrenesako fa mandeha araka ny fahamarinana ny zanako. |
5 Bien-aimé, tu agis fidèlement dans tout ce que tu fais envers les frères, et cela [envers ceux-là même qui sont] étrangers, | 5 Ry malala, manao asa mahatoky ianao na amin'inona na amin'inona ataonao amin'ireo rahalahy ireo, na dia vahiny aza izy, |
6 qui ont rendu témoignage à ton amour devant l’assemblée ; et tu feras bien de leur faire la conduite d’une manière digne de Dieu, | 6 izay nanambara ny fitiavanao teo anatrehan'ny fiangonana*; dia ho soa no ataonao, raha mamoaka azy koa araka izay miendrika hatao noho ny amin'Andriamanitra ianao; [* Gr. eklesia] |
7 car ils sont sortis pour le nom, ne recevant rien de ceux des nations. | 7 fa noho ny Anarana no niangany, ka tsy naka na inona na inona tamin'ny jentilisa izy. |
8 Nous donc, nous devons recevoir de tels hommes, afin que nous coopérions avec la vérité. | 8 Koa isika dia tokony handray tsara izay toy izany, mba ho mpiara-miasa aminy amin'ny fahamarinana. |
9 J’ai écrit quelque chose à l’assemblée ; mais Diotrèphe, qui aime à être le premier parmi eux, ne nous reçoit pas ; | 9 Nanoratra tamin'ny fiangonana* Ihany aho; nefa Diotrefa, izay te-ho lohany, dia tsy mba mandray anay. [* Gr. eklesia] |
10 c’est pourquoi, si je viens, je me souviendrai des œuvres qu’il fait en débitant de méchantes paroles contre nous ; et, non content de cela, lui-même il ne reçoit pas les frères et il empêche ceux qui veulent [les recevoir], et les chasse de l’assemblée. | 10 Koa amin'izany, raha tonga aho, dia hotsarovako izay asa ataony, fa mibedibedy foana manaratsy anay izy; ary tsy afa-po amin'izany ihany, fa ny tenany dia tsy mandray ireo rahalahy ireo, ary izay ta-handray azy dia raràny sy roahiny hiala amin'ny fiangonana*. [* Gr. eklesia] |
— v. 2 : selon quelques-uns : par-dessus toutes choses. | |
11 Bien-aimé, n’imite pas le mal, mais le bien. Celui qui fait le bien est de Dieu ; celui qui fait le mal n’a pas vu Dieu. | 11 Ry malala, aza ny ratsy no alain-tahaka, fa ny tsara. Izay manao ny tsara no avy amin'Andriamanitra; fa izay manao ny ratsy tsy mba nahita an'Andriamanitra. |
12 Démétrius a le témoignage de tous et de la vérité elle-même ; et nous aussi, nous lui rendons témoignage : et tu sais que notre témoignage est vrai. | 12 Demetrio dia tsara laza amin'ny olona rehetra sy amin'ny fahamarinana koa; ary izahay koa manambara izany, ary fantatrao fa marina ny fanambaranay. |
13 J’avais beaucoup de choses à t’écrire, mais je ne veux pas t’écrire avec l’encre et la plume, | 13 Nanana zavatra maro hosoratana aho, nefa tsy tiako hosoratana aminao amin'ny ranomainty sy ny penina*; [* Gr. volotara] |
14 mais j’espère te voir bientôt et nous parlerons bouche à bouche. | 14 fa manantena hahita anao faingana ihany aho, dia hiteny mifanatrika isika. |
15 Paix te soit. Les amis te saluent. Salue les amis, chacun par son nom. | 15 Ho aminao anie ny fiadanana. Ny sakaiza atỳ manao veloma anao. Veloma amin'ny sakaiza tsirairay araka ny anarany avy. |