Le NOUVEAU TESTAMENT  
   
Première Épître de PIERRE 1 Petera
   
Accès direct aux chapitres de 1 Pierre : 1, 2, 3, 4, 5 Accès direct aux chapitres de 1 Pierre : 1, 2, 3, 4, 5
   
Chapitre 1 Chapitre 1
1 Pierre, apôtre de Jésus Christ, à ceux de la dispersion, du Pont, de la Galatie, de la Cappadoce, de l’Asie et de la Bithynie, qui séjournent [parmi les nations], 1 [Fiarahabana, sy filazana ny amin'ny fahatsaran'ny fanavotana] Petera, Apostolin'i Jesosy Kristy, mamangy ny mpivahiny monina any am-pielezana any Ponto, Galatia, Kapadokia, Asia sy Bitynia, dia olom-boafidy
2 élus selon la préconnaissance de Dieu le Père, en sainteté de l’Esprit, pour l’obéissance et l’aspersion du sang de Jésus Christ* : Que la grâce et la paix vous soient multipliées ! 2 araka ny fahalalana rahateo, izay an'Andriamanitra Ray, amin'ny fanamasinan'ny Fanahy, ho amin'ny fanarahana sy ny famafazan'ny ran'i Jesosy Kristy: hampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana.
— v. 2 : de Jésus Christ se lie à obéissance comme à aspersion du sang.  
3 Béni soit le Dieu et Père de notre seigneur Jésus Christ, qui, selon sa grande miséricorde, nous a régénérés pour une espérance vivante par la résurrection de Jésus Christ d’entre les morts, 3 Isaorana anie Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay niteraka antsika indray araka ny haben'ny famindram-pony ho amin'ny fanantenana velona tamin'ny nitsanganan'i Jesosy Kristy tamin'ny maty,
4 pour un héritage incorruptible, sans souillure, inflétrissable*, conservé dans les cieux pour vous, 4 ho amin'ny lova tsy mety simba, tsy misy loto, tsy mety levona, voatahiry any an-danitra ho anareo,
5 qui êtes gardés par la puissance de Dieu par la foi, pour un salut* qui est prêt à être révélé au dernier temps ; 5 izay arovan'ny herin'Andriamanitra amin'ny finoana ho amin'ny famonjena efa vonona haseho any am-parany.
6 en quoi* vous vous réjouissez, tout en étant affligés maintenant pour un peu de temps par diverses tentations, si cela est nécessaire, 6 Izany no iravoravoanareo, na dia ampalahelovina vetivety ankehitriny amin'ny fakam-panahy maro samy hafa aza ianareo, raha tsy maintsy hisy izany,
7 afin que l’épreuve de votre foi, bien plus précieuse que celle de l’or qui périt et qui toutefois est éprouvé par le feu, soit trouvée [tourner] à louange, et à gloire, et à honneur, dans la révélation de Jésus Christ, 7 mba ho hita ho fiderana sy voninahitra ary fankalazana ny fizahan-toetra ny finoanareo (izay tsara lavitra noho ny volamena mety ho simba, na dia voazaha toetra tamin'ny afo aza), dia amin'ny hisehoan'i Jesosy Kristy;
8 lequel, quoique vous ne l’ayez pas vu, vous aimez ; et, croyant en lui, quoique maintenant vous ne le voyiez pas, vous vous réjouissez d’une joie ineffable et glorieuse*, 8 Izay, na dia tsy mbola hitanareo aza, dia tianareo, ary na dia tsy hitanareo ankehitriny aza, anefa, satria inoanareo, dia iravoravoanareo amin'ny fifaliana tsy azo tononina sady be voninahitra,
9 recevant la fin de votre foi, [le] salut des âmes* ; 9 mandray ny anton'ny finoanareo, dia ny famonjena ny fanahy.
10 duquel salut les* prophètes qui ont prophétisé de la grâce qui vous était destinée se sont informés et enquis avec soin, 10 Ny amin'izany famonjena izany dia notadiavin'ny mpaminany sy nokatsahiny fatratra, dia ireo efa naminany ny fahasoavana ho anareo;
11 recherchant quel temps ou quelle sorte de temps l’Esprit de Christ qui était en eux indiquait, rendant par avance témoignage des souffrances qui devaient être la part de Christ et des gloires qui suivraient ; 11 eny, nokatsahiny izay andro na izay toetry ny andro notondroin'ny Fanahin'i Kristy ao anatiny, raha nambarany rahateo ny fijalian'i Kristy sy ny voninahitra manaraka izany.
12 et il leur fut révélé que ce n’était pas pour eux-mêmes, mais pour vous, qu’ils administraient ces choses, qui vous sont maintenant annoncées par ceux qui vous ont annoncé la bonne nouvelle par l’Esprit Saint envoyé du ciel, dans lesquelles des anges désirent de regarder de près. 12 Ary naseho tamin'ireo fa tsy ho azy, fa ho anareo no nanompoany ny amin'izany zavatra izany, izay voalaza aminareo ankehitriny, tamin'ny tenin'ireo nitory ny filazantsara taminareo amin'ny Fanahy Masina, Izay nirahina avy tany an-danitra; izany zavatra izany dia tian'ny anjely hodinihina.
— v. 4 : ou : immarcescible. — v. 5 : ou : une délivrance. — v. 6 : ou : dans lequel [temps]. — v. 8 : litt.: glorifiée. — v. 9 : litt.: un salut d’âmes, en contraste avec des délivrances temporelles. — v. 10 : litt.: des.  
13 C’est pourquoi, ayant ceint les reins de votre entendement* et étant sobres, espérez parfaitement dans la grâce qui vous sera apportée à la révélation de Jésus Christ, 13 [Famporisihana hitondra tena mifanaraka anim'ny filazantsara] Koa amin'izany sikino ny sainareo, dia mahonona tena, ka antenao tsara ny fahasoavana izay ho entina ho anareo amin'ny hisehoan'i Jesosy Kristy;
14 — comme des enfants d’obéissance, ne vous conformant pas à vos convoitises d’autrefois pendant votre ignorance ; 14 tahaka ny zanaka manoa, tsy mitondra tena araka ny filanareo fahiny tamin'ny tsi-fahalalanareo;
15 mais, comme celui qui vous a appelés est saint, vous aussi soyez saints dans toute [votre] conduite ; 15 fa araka ny fahamasinan'ilay niantso anareo, dia aoka mba ho masina koa ianareo amin'ny fitondran-tena rehetra,
16 parce qu’il est écrit : «Soyez saints, car moi je suis saint» [Lévitique 19:2]. 16 satria voasoratra hoe: "Ho masina ianareo, satria masina Aho" (Lev. 11.44).
17 Et si vous invoquez comme père celui qui, sans acception de personnes, juge selon l’œuvre de chacun, conduisez-vous avec crainte pendant le temps de votre séjour [ici-bas], 17 Ary raha Ilay tsy mizaha tavan'olona, fa mitsara araka ny asan'izy rehetra, no antsoinareo hoe Ray, dia mitondrà tena amin'ny fahatahorana mandritra ny andron'ny fivahinianareo etỳ ;
18 sachant que vous avez été rachetés de votre vaine conduite qui vous avait été enseignée par vos pères, non par des choses corruptibles, de l’argent ou de l’or, 18 fa fantatrareo fa tsy zavatra mety ho simba, tahaka ny volafotsy sy ny volamena, no nanavotana anareo tamin'ny fitondran-tena adala, izay azonareo tamin'ny nentin-drazana,
19 mais par le sang précieux de Christ, comme d’un agneau sans défaut et sans tache, 19 fa ny rà soan'i Kristy, toy ny ran'ny zanak'ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina;
20 préconnu dès avant la fondation du monde, mais manifesté à la fin des temps pour vous, 20 Izay fantatra rahateo, fony tsy mbola ary ny fanorenan'izao tontolo izao, fa efa naseho tamin'izao andro farany izao noho ny aminareo
21 qui, par lui, croyez en Dieu qui l’a ressuscité d’entre les morts et lui a donné la gloire, en sorte que votre foi et votre espérance fussent en Dieu. 21 Izay mino an'Andriamanitra amin'ny alalany, dia Ilay nanangana Azy tamin'ny maty ka nanome voninahitra Azy,- mba hiorenan'ny finoanareo sy ny fanantenanareo amin'Andriamanitra.
22 Ayant purifié vos âmes par l’obéissance à la vérité, pour [que vous ayez] une affection fraternelle sans hypocrisie, aimez-vous l’un l’autre ardemment, d’un cœur pur, 22 Satria efa nodiovinareo ny fanahinareo tamin'ny fanarahana ny fahamarinana ho amin'ny fitiavan-drahalahy tsy miangatra dia mifankatiava fatratra amin'ny fo*; [* Na:(amin'ny fo madio)]
23 vous qui êtes régénérés, non par une semence corruptible, mais [par une semence] incorruptible, par la vivante et permanente parole de Dieu : 23 fa efa teraka indray ianareo, tsy tamin'ny voa mety ho lò, fa tamin'ny tsy mety ho lò, dia ny tenin'Andriamanitra, izay velona sady maharitra.
24 parce que «toute chair est comme l’herbe, et toute sa gloire comme la fleur de l’herbe : l’herbe a séché et sa fleur est tombée, 24 Fa "ny nofo rehetra dia tahaka ny ahitra, Ary izay mety ho voninahiny dia tahaka ny vonin'ny ahitra. Malazo ny ahitra, ka mihintsana ny voniny;
25 mais la parole du *Seigneur demeure éternellement» [Ésaïe 40:6-8]. Or c’est cette parole qui vous a été annoncée. 25 Fa ny tenin'ny Tompo maharitra mandrakizay" (Isa. 40.6 - 8). Ary izany no tenin'ny filazantsara izay notorina taminareo.
— v. 13 : c. à d. : ayant préparé, bien disposé votre intelligence.  
Chapitre 2 Chapitre 2
1 Rejetant donc toute malice* et toute fraude, et l’hypocrisie et l’envie**, et toutes médisances, 1 Koa esory ny lolompo rehetra sy ny ny fihatsaram-belatsihy sy ny fialonana ary ny fanaratsiana rehetra,
2 désirez ardemment, comme des enfants nouveau-nés, le pur lait intellectuel*, 2 fa tahaka ny zaza vao teraka dia maniria ny rononom-panahy tsy misy fitaka, mba hitomboanareo amin'izany ho amin'ny famonjena,
3 afin que vous croissiez par lui à salut, si toutefois vous avez goûté que le Seigneur est bon* ; 3 raha tàhiny "nanandrana ianareo fa tsara ny Tompo;"
4 duquel vous approchant [comme] d’une pierre vivante, rejetée par les hommes, mais choisie et précieuse auprès de Dieu, 4 Izay hatoninareo toy ny vato velona, "nolavin'ny olona, fa voafidin'Andriamanitra sady soa,"
5 vous-mêmes aussi, comme des pierres vivantes, êtes édifiés une maison spirituelle, une sainte sacrificature, pour offrir des sacrifices spirituels, agréables à Dieu par Jésus Christ. 5 ka dia atsangana koa ianareo tahaka ny vato velona ho trano fanahy, ho fisoronana masina, hanatitra fanati-panahy sitrak'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy.
6 Parce qu’on trouve dans l’écriture : «Voici, je pose en Sion une maîtresse pierre de coin, élue, précieuse ; et celui qui croit en elle* ne sera point confus» [Ésaïe 28:16]. 6 Fa misy teny ao amin'ny Soratra Masina manao hoe: "Indro, mametraka fehizoro ao Ziona Aho, dia vato voafidy sady tsara; Ary izay mino Azy tsy ho menatra" (Isa. 28.16).
7 C’est donc pour vous qui croyez, qu’elle a ce prix ; mais pour les désobéissants, «la pierre que ceux qui bâtissaient ont rejetée, celle-là est devenue la maîtresse pierre du coin» [Psaume 118:22], 7 Koa ny fahatsarana dia ho anareo izay mino; fa amin'izay tsy mino kosa "Ny vato izay nolavin'ny mpanao trano No efa tonga fehizoro" (Sal. 118.22),
8 «et une pierre d’achoppement et un rocher de chute» [Ésaïe 8:14], lesquels heurtent contre la parole, étant désobéissants, 8 "Ary vato mahatafintohina sy vatolampy mahasolafaka" (Isa 8.14); ary satria tsy nanaiky ireo, dia tafintohina tamin'ny teny izy, sady izany koa no nanendrena azy.
9 à quoi aussi ils ont été destinés. Mais vous, vous êtes une race élue, une sacrificature royale, une nation sainte*, un peuple acquis, pour que vous annonciez les vertus de celui qui vous a appelés des ténèbres à sa merveilleuse lumière ; 9 Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, "fanjaka-mpisorona, firenena masina" (Eks. 19.6), olona nalain'Andriamanitra ho an'ny tenany mba hilazanareo ny hatsaran'ilay niantso anareo hiala tamin'ny maizina ho amin'ny fahazavany mahagaga;
10 vous qui autrefois n’étiez pas un peuple, mais qui maintenant êtes le peuple de Dieu ; vous qui n’aviez pas obtenu miséricorde, mais qui maintenant avez obtenu miséricorde*. 10 dia ianareo izay tsy firenena akory fahiny, fa ankehitriny efa olon'Andriamanitra; izay tsy namindrana fo, fa ankehitriny efa namindrana fo (Hos. 2.25).
— v. 1* : méchanceté. — v. 1** : litt.: [les] hypocrisies et [les] envies. — v. 2 : c. à d. : le lait non frelaté (qui ne trompe pas), la Parole de Dieu. — v. 3 : comparer Psaume 34:8. — v. 6 : ou : en lui. — v. 9 : comparer Exode 19:6. — v. 10 : comparer Osée 1:10 ; 2:23.  
11 Bien-aimés, je vous exhorte, comme forains* et étrangers, à vous abstenir des convoitises charnelles, lesquelles font la guerre à l’âme, 11 [Fananarana hamporisika mba hadio fitondran-tena amin'ny olona rehetra, ary filazana ny mety hataon'ny mpianakavy] Ry malala, mananatra anareo aho, satria vahiny sy mpivahiny ianareo, fadio ny filan'ny nofo, fa miady amin'ny fanahy ireny;
12 ayant une conduite honnête parmi les nations, afin que, quant aux choses dans lesquelles ils médisent de vous comme de gens qui font le mal, ils glorifient Dieu au jour de la visitation, à cause de vos bonnes œuvres qu’ils observent. 12 ary aoka ho tsara ny fitondran-tenanareo eo amin'ny jentilisa, mba hankalazany an'Andriamanitra amin'ny andro famangiana noho ny ahitany ny asa tsara ataonareo, dia izay anendrikendrehany anareo ho mpanao ratsy.
— v. 11 : de passage.  
13 Soyez donc soumis à tout ordre humain pour l’amour du Seigneur, soit au roi comme étant au-dessus de tous, 13 Ary noho ny Tompo dia maneke izay rehetra voatendrin'ny olona, na ny mpanjaka, satria ambony izy,
14 soit aux gouverneurs comme à ceux qui sont envoyés de sa part pour punir ceux qui font le mal et pour louer ceux qui font le bien ; 14 na ny mpanapaka, satria nirahiny hamaly izay manao ratsy izy, fa ho mpidera izay manao tsara.
15 car c’est ici la volonté de Dieu, qu’en faisant le bien vous fermiez la bouche à l’ignorance des hommes dépourvus de sens, 15 Fa toy izany no sitrapon'Andriamanitra, hampanginanareo ny tsi-fahalalan'ny olona adala amin'ny fanaovan-tsoa;
16 comme libres, et non comme ayant la liberté pour voile de la méchanceté, mais comme esclaves de Dieu. 16 fa olona afaka ianareo, nefa aza mitondra ny fahafahanareo ho fanaronana ny ratsy, fa ho toy ny mpanompon Andriamanitra.
17 Honorez tous les hommes ; aimez tous les frères ; craignez Dieu ; honorez le roi. 17 Manajà ny olona rehetra. Tiava ny rahalahy. Matahora an'Andriamanitra. Manajà ny mpanjaka.
   
18 Vous, domestiques, soyez soumis en toute crainte à vos maîtres*, non seulement à ceux qui sont bons et doux, mais aussi à ceux qui sont fâcheux ; 18 Hianareo mpanompo, maneke ny tomponareo amin'ny fahatahorana rehetra, tsy ny tsara sy ny malemy fanahy ihany, fa ny saro-po koa.
19 car c’est une chose digne de louange, si quelqu’un, par conscience envers Dieu, supporte des afflictions, souffrant injustement. 19 Fa izao no ankasitrahana: raha misy olona mitondra alahelo ka mandefitra ny tsy marina noho ny fieritreretana ny amin'Andriamanitra.
20 Car quelle gloire y a-t-il, si, souffletés pour avoir mal fait, vous l’endurez ? mais si, en faisant le bien, vous souffrez, et que vous l’enduriez, cela est digne de louange devant Dieu, 20 Fa inona no laza, raha tàhiny kapohina noho ny fahadisoana ianareo ka mandefitra amin'izany? Fa raha tàhiny manao soa kosa ianareo ka mitondra fahoriana sy mandefitra, dia izany no sitrak'Andriamanitra.
21 car c’est à cela que vous avez été appelés ; car aussi Christ a souffert pour vous, vous laissant un modèle, afin que vous suiviez ses traces, 21 Fa ho amin'izany no niantsoana anareo; fa Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany;
22 «lui qui n’a pas commis de péché, et dans la bouche duquel il n’a pas été trouvé de fraude» [Ésaïe 53:9] ; 22 "Izay tsy nanota akory, sady tsy nisy fitaka teo am-bavany" (Isa. 53.9);
23 qui, lorsqu’on l’outrageait, ne rendait pas d’outrage, quand il souffrait, ne menaçait pas, mais se remettait* à celui qui juge justement ; 23 raha notevatevaina Izy, dia tsy mba nanevateva; raha nijaly, dia tsy nandrahona, fa nanolotra ny adiny* ho amin'ny Mpitsara marina; [* Na: ny tenany]
24 qui lui-même a porté nos péchés en son corps sur le bois*, afin qu’étant morts aux péchés, nous vivions à la justice ; «par la meurtrissure duquel vous avez été guéris» [Ésaïe 53:5] ; 24 ary Izy nitondra ny fahotantsika (Isa. 53. 12) tamin'ny tenany teo ambonin'ny hazo, mba ho faty ny amin'ny ota isika, fa ho velona ny amin'ny fahamarinana; ary "ny dian-kapoka taminy no nahasitranana anareo" (Isa. 53.5).
25 car vous étiez errants comme des brebis, mais maintenant vous êtes retournés au berger et au surveillant de vos âmes. 25 Fa efa nania toy ny ondry ianareo (Isa. 53.6), nefa ankehitriny dia efa niverina ho amin'ny Mpiandry sy Mpitandrina* ny fanahinareo.[* Gr. Episkopo]
— v. 18 : maître d’un esclave ; comme Luc 2:29. — v. 23 : ou : se livrait. — v. 24 : c. à d. : sur la croix.  
Chapitre 3 Chapitre 3
1 Pareillement, vous, femmes, soyez soumises à vos propres maris, afin que, si même il y en a qui n’obéissent pas à la parole, ils soient gagnés sans [la] parole, par la conduite de leurs femmes, 1 Ary toy izany koa, ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, mba ho voataonan'ny fitondran-tenan'ny vavy izy, na dia tsy amin'ny teny aza (raha tàhiny misy tsy manaiky ny teny),
2 ayant observé la pureté de votre conduite dans la crainte, 2 rehefa hitany ny fahadiovan'ny fitondran-tenanareo amin'ny fahatahorana.
3 — vous, dont la parure ne doit pas être [une parure] extérieure qui consiste à avoir les cheveux tressés et à être paré d’or et habillé de [beaux] vêtements, 3 Ary aoka ny firavahanareo tsy ho zavatra eny ivelany, toy ny firandranam-bolo sy ny firava-bolamena na ny fiakanjoana;
4 mais l’homme caché du cœur*, dans l’incorruptibilité d’un esprit doux et paisible qui est d’un grand prix devant Dieu ; 4 fa aoka ho toetra miafina ao am-po, izay tsy mety ho lò, dia ny fanahy malemy sady miadana, izay soa indrindra eo imason'Andriamanitra.
5 car c’est ainsi que jadis se paraient aussi les saintes femmes qui espéraient en Dieu, étant soumises à leurs propres maris, 5 Fa tahaka izany no niravahan'ny vehivavy masina fahiny, izay nanantena an'Andriamanitra sady nanaiky ny vadiny;
6 comme Sara obéissait à Abraham, l’appelant seigneur*, de laquelle vous êtes devenues les enfants, en faisant le bien et en ne craignant aucune frayeur. 6 dia tahaka an'i Saraha, izay nanaiky an'i Abrahama ka nanao azy hoe "tompoko"; dia zanany ianareo, raha mba manao soa ka tsy matahotra izay fampitahorana na inona na inona.
— v. 4 : c. à d. : l’être intérieur. — v. 6 : voir Genèse 18:12.  
7 Pareillement, vous, maris, demeurez avec elles selon la connaissance*, comme avec un vase plus faible, [c’est-à-dire] féminin, leur portant honneur comme étant aussi ensemble héritiers de la grâce de la vie, pour que vos prières ne soient pas interrompues. 7 Ary toy izany koa, ianareo lehilahy, miaraha mitoetra aminy araka ny marina, manaja ny vavy, tahaka ny mety hatao amin'ny fanaka malemilemy kokoa sady mpiara-mandova ny fahasoavan'ny fiainana,- mba tsy ho voasakana ny fivavahanareo.
— v. 7 : avec compréhension.  
8 Enfin, soyez tous d’un même sentiment, sympathisants*, fraternels, compatissants, humbles, 8 [Famporisihana mba hitondra tena marina sy hiaritra tahaka ny niaretan'i Kristy] Farany, miraisa saina ianareo rehetra. ka miaraha ory, mifankatiava tahaka ny mpirahalahy, mifamindrà fo, manetre tena,
9 ne rendant pas mal pour mal, ou outrage pour outrage, mais au contraire bénissant, parce que vous avez été appelés à ceci, c’est que* vous héritiez de la bénédiction ; 9 tsy mamaly ratsy ny ratsy, na fanaratsiana ny fanaratsiana; fa aoka hisaotra kosa, satria ho amin'izany no niantsoana anareo mba handova fitahiana.
10 «car celui qui veut aimer la vie et voir d’heureux jours, qu’il garde sa langue de mal, et ses lèvres de proférer la fraude ; 10 "Fa na iza na iza maniry fiainana sy ta-hahita andro soa, Aoka izy hiaro ny lelany amin'ny ratsy Ary ny molony mba tsy hiteny fitaka;
11 qu’il se détourne du mal et qu’il fasse le bien ; qu’il recherche la paix et qu’il la poursuive ; 11 Ary aoka izy hiala amin'ny ratsy ka hanao soa; Aoka izy hitady fihavanana sy hanaraka azy.
12 car les yeux du *Seigneur sont sur les justes et ses oreilles sont [tournées] vers leurs supplications ; mais la face du *Seigneur est contre ceux qui font le mal» [Psaume 34:12-16]. 12 Fa ny mason'ny Tompo dia mitsinjo ny marina, Ary ny sofiny mihaino ny fitarainany, Fa ny tavan'ny Tompo dia tezitra amin'ny mpanao ratsy" (Sal. 34.12-16).
13 Et qui est-ce qui vous fera du mal, si vous êtes devenus les imitateurs de celui qui* est bon ? 13 Ary iza no hanisy ratsy anareo, raha mazoto amin'izay tsara ianareo?
14 Mais, si même vous souffrez pour la justice, vous êtes bienheureux ; «et ne craignez pas leurs craintes, et ne soyez pas troublés, 14 Fa raha tàhiny mitondra fahoriana noho ny fahamarinana ianareo, dia sambatra; ary aza matahotra tahaka azy, ary aza mangorohoro ianareo;
15 mais sanctifiez le *Seigneur le Christ dans vos cœurs» [Ésaïe 8:12-13] ; et soyez toujours prêts à répondre, mais avec douceur et crainte, à quiconque vous demande raison de l’espérance qui est en vous, 15 fa manamasìna an i'Kristy ho Tompo ao am-ponareo (Isa. 8.12, 13); ary aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly izay manontany anareo ny amin'ny anton'ny fanantenana ao anatinareo, nefa amin'ny fahalemem-panahy sy ny fanajana,
16 ayant une bonne conscience, afin que, quant aux choses dans lesquelles ils médisent de vous comme de gens qui font le mal, ceux qui calomnient votre bonne conduite en Christ, soient confus. 16 ka manàna fieritreretana tsara, mba ho menatra izay manaratsy ny fitondran-tenanareo tsara ao amin'i Kristy, dia izay anendrikendrehana anareo.
17 Car il vaut mieux, si la volonté de Dieu le voulait, souffrir en faisant le bien, qu’en faisant le mal ; 17 Fa raha sitrapon'Andriamanitra, dia tsaratsara kokoa ny hitondra fahoriana amin'ny fanaovan-tsoa noho ny amin'ny fanaovan-dratsy.
18 car aussi Christ a souffert une fois pour les péchés, [le] juste pour les injustes, afin qu’il nous amenât à Dieu, ayant été mis à mort en chair, mais vivifié par l’Esprit, 18 Fa Kristy koa aza efa nijaly indray mandeha noho ny ota, ny Marina hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho amin'Andriamanitra, ka novonoina tamin'ny nofo, fa novelomina tamin'ny fanahy,
19 par lequel aussi étant allé, il a prêché aux esprits [qui sont] en prison, 19 izay nandehanany sy nitoriany teny tamin'ireo fanahy tao an-tranomaizina,
20 qui ont été autrefois désobéissants*, quand la patience** de Dieu attendait dans les jours de Noé, tandis que l’arche se construisait, dans laquelle un petit nombre, savoir huit personnes, furent sauvées à travers l’eau ; 20 dia izay tsy nanaiky fahiny, fony niandry ny fahari-pon'Andriamanitra tamin'ny andron'i Noa, raha mbola namboarina ny sambo-fiara, izay nidiran'ny olona vitsy, dia izy valo mianaka, ka dia namonjena azy ny rano,
21 or cet antitype* vous sauve aussi maintenant, [c’est-à-dire] le baptême, non le dépouillement de la saleté de la chair, mais la demande** à Dieu d’une bonne conscience, par la résurrection de Jésus Christ, 21 izay mamonjy anareo koa ankehitriny, dia ny batisa, izay tenan'io tandindona io,- tsy ny fanesorana ny fahalotoan'ny nofo anefa, fa ny fitadiavana* ny fieritreretana tsara eo anatrehan**'Andriamanitra***, amin'ny nitsanganan'i Jesosy Kristy tamin'ny maty. [* Na: fanontanian'] [** Na: amin'] [*** Na: ny fitadiavan'ny fieritreretana tsara an'Andriamanitra]
22 qui est à la droite de Dieu (étant allé au ciel), anges, et autorités, et puissances lui étant soumis. 22 Izay eo amin'ny tanana ankavanan'Andriamanitra; fa efa lasa ho any an-danitra Izy ka efa nampanekena Azy ny anjely sy ny fahefana ary ny hery.
— v. 8 : pleins de sympathie. — v. 9 : ou : à cela, afin que. — v. 13 : ou : de ce qui. — v. 20* : ou : incrédules. — v. 20** : ou : longanimité. — v. 21* : litt.: lequel antitype ; ce qui était préfiguré (par le salut à travers les eaux du déluge). — v. 21** : ou : engagement.  
Chapitre 4 Chapitre 4
1 Christ donc ayant souffert pour nous* dans la chair, vous aussi, armez-vous de cette même pensée, que** celui qui a souffert dans la chair s’est reposé du*** péché, 1 Koa satria niaritra tamin'ny nofo Kristy, dia alao mba ho fiadianareo izany saina izany; fa izay niaritra tamin'ny nofo dia efa afaka* tamin'ny ny ota; [* Gr.nampitsaharina]
2 pour ne plus vivre le reste de [son] temps dans la chair pour les* convoitises des hommes, mais pour la volonté de Dieu. 2 mba tsy handanianareo ny andro sisa iainanareo amin'ny nofo araka ny filan'ny olona intsony, fa araka ny sitrapon'Andriamanitra.
3 Car il nous suffit d’avoir accompli, dans le temps déjà écoulé, la volonté des nations, alors que nous marchions dans la débauche, les convoitises, l’ivrognerie, les excès dans le manger et le boire et les criminelles idolâtries, 3 Fa ampy izay ny andro lasa ho nanaovana ny fanaon'ny jentilisa tamin'ny nandehanana tamin'ny fijejojejoana sy ny fanirian-dratsy sy ny fimamoana sy ny filalaovan-dratsy sy ny fisotroan-toaka ary ny fanompoan-tsampy izay fady indrindra;
4 en quoi ils trouvent étrange que vous ne couriez pas avec eux dans le même bourbier de corruption, [vous] disant des injures ; 4 ary amin'izany dia gaga izy ireo, satria tsy miara-mihazakazaka aminy ianareo amin'izany fanaranam-po amin'ny ratsy izany, ka dia teneniny ratsy;
5 et ils rendront compte à celui qui est prêt à juger les vivants et les morts. 5 nefa hampamoahin'ilay efa vonona hitsara ny velona sy ny maty
6 Car c’est pour cela qu’il a été évangélisé à ceux aussi qui sont morts, afin qu’ils fussent jugés, selon les hommes, quant à* la chair ; et qu’ils vécussent, selon Dieu, quant à l’esprit**. 6 Fa noho izany no nitoriana ny filazantsara tamin'izay maty aza; mba hotsaraina araka ny olona amin'ny nofo izy fa ho velona araka an'Andriamanitra amin'ny fanahy.
— v. 1* : quelques-uns omettent : pour nous. — v. 1** : ou : car. — v. 1*** : ou : en a fini avec. — v. 2 : c. à d. : pour vivre le temps qui lui reste à passer sur la terre, non plus pour les convoitises … — v. 6* : ou : dans. — v. 6** : ou : dans l’Esprit.  
7 Mais la fin de toutes choses s’est approchée ; soyez donc sobres et veillez pour prier ; 7 Fa antomotra ny faran'ny zavatra rehetra; koa hendre ka mahonòna tena ho amin'ny fivavahana.
8 mais, avant toutes choses, ayant entre vous un amour fervent, car l’amour couvre une multitude de péchés ; 8 Ary mihoatra noho ny zavatra rehetra, mifankatiava tsara; fa "ny fitiavana manarona fahotana maro" (Oha 10.12)
9 étant hospitaliers les uns envers les autres, sans murmures. 9 Mifampiantranoa, ka aza mimonomonona.
10 Suivant que chacun de vous a reçu quelque don de grâce, employez-le les uns pour les autres, comme bons dispensateurs* de la grâce variée de Dieu. 10 Samia mifanompo araka ny fanomezam-pahasoavana izay noraisinareo, dia tahaka ny mpitandrina tsara ny fahasoavana maro samy hafa izay an'Andriamanitra.
11 Si quelqu’un parle, qu’il le fasse comme oracle de Dieu ; si quelqu’un sert, qu’il serve comme par la force que Dieu fournit, afin qu’en toutes choses Dieu soit glorifié par Jésus Christ, à qui est la gloire et la puissance, aux siècles des siècles ! Amen. 11 Rana misy olona miteny, dia aoka izy hiteny toy ny milaza tenin'Andriamanitra, raha misy olona manompo, dia aoka izy hanao izany araka ny hery izay omen'Andriamanitra azy; mba hankalazana an'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy; fa Azy ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena,
— v. 10 : ailleurs : administrateurs.  
12 Bien-aimés, ne trouvez pas étrange le feu ardent qui est au milieu de vous, qui est venu sur vous pour votre épreuve, comme s’il vous arrivait quelque chose d’extraordinaire ; 12 [Fananarana mba hiaritra, raha enjehina noho ny fahamarinana] Ry malala, aza gaga noho ny fizahan-toetra mahamay izay mahazo anareo ho fitsapan-toetra, ary aza atao ho zavatra mahagaga manjo anareo izany,
13 mais, en tant que vous avez part aux souffrances de Christ, réjouissez-vous, afin qu’aussi, à la révélation de sa gloire, vous vous réjouissiez avec transport. 13 fa araka ny iombonanareo fijaliana amin'i Kristy, dia mifalia, mba hiravoravoanareo indrindra amin'ny fisehoan'ny voninahiny koa.
14 Si vous êtes insultés pour le nom de Christ, vous êtes bienheureux, car l’Esprit de gloire et de Dieu repose sur vous : [de leur part, il est blasphémé, mais quant à vous, glorifié]. 14 Sambatra ianareo, raha haratsina noho ny anaran'i Kristy, fa ny Fanahin'ny voninahitra, dia ny Fanahin'Andriamanitra, mipetraka ao aminareo.
15 Mais que nul de vous ne souffre comme meurtrier ou voleur, ou comme faisant le mal, ou s’ingérant dans les affaires d’autrui ; 15 Fa aoka tsy hisy aminareo hijaly satria mpamono olona, na mpangalatra, na mpanao ratsy, na mpiraharaha ny an'olona.
16 mais si [quelqu’un souffre] comme chrétien, qu’il n’en ait pas honte, mais qu’il glorifie Dieu en ce nom. 16 Fa raha misy mijaly satria Kristiana, dia aoka tsy ho menatra izy; fa aoka hankalaza an'Andriamanitra amin'izany anarana izany izy.
17 Car le temps [est venu] de commencer le jugement par la maison de Dieu ; mais s’il commence premièrement par nous, quelle sera la fin de ceux qui n’obéissent pas* à l’évangile de Dieu ? 17 Fa tonga ny andro hiantombohan'ny fitsarana hatrao amin'ny ankohonan*'Andriamanitra; ary raha miantomboka amintsika izany, dia hanao ahoana kosa no hiafaran'izay tsy manaiky ny filazantsaran'Andriamanitra? [* Gr. tranony]
18 Et si le juste est sauvé difficilement, où paraîtra l’impie et le pécheur ? 18 Ary "raha saiky tsy voavonjy ny marina, aiza no hisehoan ny ratsy fanahy sy sy ny mpanota? (Oha 11. 31).
— v. 17 : ou : qui ne croient pas.  
19 Que ceux donc aussi qui souffrent selon la volonté de Dieu, remettent leurs âmes en faisant le bien, à un fidèle créateur. 19 Koa izay mitondra fahoriana araka ny sitrapon'Andriamanitra, dia aoka ny fanaovan-tsoa no hanolorany ny fanahiny ho an'ilay mahatoky, dia ny Mpanao azy.
Chapitre 5 Chapitre 5
1 J’exhorte les anciens qui sont parmi vous, moi qui suis ancien avec eux et témoin des souffrances de Christ, qui aussi ai part à la gloire qui va être révélée : 1 [Fananarana ny loholona mba ho malemy fanahy sy ho mahatoky, ary fananarana ny olona rehetra mba hanetry tena sy hitandrina. Vavaka farany sy fanaovam-beloma] Koa ny amin'ny loholona* izay eo aminareo, izaho, izay naman ny loholona* sy vavolombelon'ny fijalian'i Kristy ary mpiombona ny voninahitra efa haseho koa, dia mananatra azy hoe: [* Gr. presbytera]
2 paissez le troupeau de Dieu qui est avec vous, le surveillant, non point par contrainte, mais volontairement, ni pour un gain honteux, mais de bon gré, 2 Andraso ny ondrin'Andriamanitra izay eo aminareo*, mitandrina azy tsy an-tery, fa amin'ny sitrapo,[araka an'Andriamanitra]; tsy amin'ny fitiavana harena maloto, fa amin'ny zotom-panahy; *[ Na: izay andraikitrareo]
3 ni comme dominant sur des héritages, mais en étant [les] modèles du troupeau ; 3 tsy ho mpanjakazaka, amin'ny anjara-fiandrasana, fa ho fianaran'ny ondry.
4 et quand le souverain pasteur sera manifesté, vous recevrez la couronne inflétrissable de gloire. 4 Ary rehefa miseho ny Lohan'ny mpiandry, dia hahazo ny satro-boninahitra tsy mety simba ianareo,
   
5 Pareillement, vous, jeunes gens, soyez soumis aux anciens ; et tous, les uns à l’égard des autres, soyez revêtus d’humilité ; car Dieu résiste aux orgueilleux, mais il donne [la] grâce aux humbles*. 5 Ary ianareo izay mbola tanora fanahy kosa, dia maneke ny loholona*. Eny, samia misikina fanetren-tena ianareo ka mifanompoa; fa "Andriamanitra manohitra ny miavonavona, fa manome fahasoavana ho an'ny manetry tena" (Oha. 3.34). [* Gr. presbytera]
6 Humiliez-vous donc sous la puissante main de Dieu, afin qu’il vous élève quand le temps sera venu, 6 Koa amin'izany manetre tena ambanin'ny tàna-maherin'Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin'ny fotoan'andro;
7 rejetant sur lui tout votre souci, car il a soin de vous. 7 ary apetraho aminy ny fanahianareo rehetra; fa Izy no miahy anareo (Sal. 55.22).
— v. 5 : voir Proverbes 3:34 ; Jacques 4:6.  
8 Soyez sobres, veillez : votre adversaire, le diable, comme un lion rugissant, rôde autour [de vous], cherchant qui il pourra dévorer. 8 Mahonòna tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany;
9 Résistez-lui, étant fermes dans* la foi, sachant que les mêmes souffrances s’accomplissent dans vos frères qui sont dans le monde. 9 tohero izy, ka miorena tsara amin'ny finoana ianareo, satria fantatrareo fa izany fahoriana izany dia manjo ny rahalahinareo rehetra eran'izao tontolo izao.
10 Mais le Dieu de toute grâce, qui vous a appelés à sa gloire éternelle dans le christ Jésus, lorsque vous aurez souffert un peu de temps, vous rendra lui-même accomplis, vous affermira, vous fortifiera, et vous établira sur un fondement [inébranlable]. 10 Ary Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, Izay efa niantso anareo ho any amin'ny voninahiny mandrakizay ao amin'i Kristy, rehefa niaritra fahoriana vetivety ianareo, dia Izy no hahatanteraka sy hampiorina ary hampitoetra anareo.
11 À lui [la gloire et] la puissance, aux siècles des siècles ! Amen. 11 Ho Azy anie ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena.
— v. 9 : ou : par.  
12 Je vous ai écrit brièvement par Silvain, qui est un frère fidèle, comme je le pense, vous exhortant et attestant que cette [grâce] dans laquelle vous êtes est la vraie grâce de Dieu. 12 Efa manoratra teny fohifohy ho aminareo aho hampitondraina an'i Silasy, izay ataoko ho rahalahy mahatoky, dia mananatra anareo aho ka manambara fa izany no tena fahasoavan'Andriamanitra,- tomoera tsara amin'izany ianareo.
13 Celle qui est élue avec vous* à Babylone, vous salue, et Marc, mon fils. 13 Izay any Babylona, voafidy ho namanareo, manao veloma anareo, ary Marka zanako koa.
14 Saluez-vous les uns les autres par un baiser d’amour. Paix soit à vous tous qui êtes en Christ ! 14 Mifanaova veloma amin'ny fanoroham-pitiavana. Ho aminareo rehetra izay ao amin'i Kristy anie ny fiadanana.
— v. 13 : litt.: la co-élue.