Le NOUVEAU TESTAMENT  
   
Épître à PHILÉMON Filemona
   
1 Paul, prisonnier de Jésus Christ, et le frère Timothée, à Philémon, le bien-aimé et notre compagnon d’œuvre, 1 [Fiarahabana an'i Filemona, sy fifonana ho an'i Onesimosy, ary fanaovam-beloma] Paoly, mpifatotra an'i Kristy Jesosy, ary Timoty rahalahy, mamangy an'i Filemona, izay malalanay sy mpiara-miasa aminay,
2 et à la sœur Apphie, et à Archippe notre compagnon d’armes, et à l’assemblée qui [se réunit] dans ta maison : 2 ary mamangy an'i Apia anabavinay sy Arkipo, miaramila namantsika, ary ny fiangonana ao an-tranonao:
3 Grâce et paix à vous, de la part de Dieu notre Père et du seigneur Jésus Christ ! 3 ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
4 Je rends grâces à mon Dieu, faisant toujours mention de toi dans mes prières, 4 Misaotra an'Andriamanitro mandrakariva aho, raha mahatsiaro anao amin'ny fivavahako,
5 apprenant l’amour et la foi que tu as envers le seigneur Jésus et pour tous les saints ; 5 satria reko ny fitiavanao sy ny finoana* izay anananao ho an'i Jesosy Tompo sy ho an'ny olona masina rehetra, [* Na: ny finoanao]
6 en sorte que ta communion dans la foi* opère en reconnaissant tout le bien qui est en nous à l’égard du christ Jésus. 6 mba hiasa mafy ho an'i Kristy ny fiombonana avy amin'ny finoanao amin'ny fahalalana tsara ny zavatra rehetra izay ao anatinareo.
7 Car nous avons une grande joie et une grande consolation dans* ton amour, parce que les entrailles** des saints sont rafraîchies par toi, frère. 7 Fa nanana fifaliana sy fiononana amin'ny fitiavanao aho, satria efa novelombelominao ny fon'ny olona masina, ry rahalahy.
— v. 6 : ou : la communion de ta foi. — v. 7* : dans, à propos de. — v. 7** : les affections profondes.  
8 C’est pourquoi, tout en ayant une grande liberté en Christ de te commander ce qui convient, 8 Koa na dia manana fahasahiana be ao amin'i Kristy handidy anao amin'izay mendrika aza aho,
9 — à cause de l’amour, je te prie plutôt, étant tel que je suis, Paul, un vieillard, et maintenant aussi prisonnier de Jésus Christ, 9 nefa noho ny fitiavana, izaho Paoly, izay efa anti-panahy* sady mpifatotra an'i Kristy Jesosy koa ankehitriny, dia miangavy aminao. [* Na: ambasadôra]
10 je te prie pour mon enfant que j’ai engendré dans les liens, Onésime*, 10 Eny, miangavy aminao aho ny amin'ny zanako, izay naterako teto amin'ny fifatorako, dia Onesimosy*, [* Onesimosy = Mahasoa]
11 qui t’a été autrefois inutile, mais qui maintenant est utile à toi et à moi, 11 ilay tsy nahasoa anao fahiny, nefa ankehitriny mahasoa antsika, dia ianao sy izaho;
12 lequel je t’ai renvoyé, — lui, mes propres entrailles*. 12 izay nampodiko indray, dia ilay sombin'ny aiko;
13 Moi, j’aurais voulu le retenir auprès de moi, afin qu’il me servît pour toi* dans les liens de l’évangile ; 13 saiky nohazoniko tatỳ amiko izy hanompo ahy hisolo anao eto amin'ny fifatorako noho ny filazantsara;
14 mais je n’ai rien voulu faire sans ton avis, afin que le bien que tu fais* ne fût pas l’effet de la contrainte, mais qu’il fût volontaire. 14 nefa raha tsy nahalala izay hevitrao aho aloha, dia tsy ta-hanao na inona na inona, mba tsy ho toy ny amin'ny fanerena ny soa ataonao, fa amin'ny sitrapo.
15 Car c’est peut-être pour cette raison qu’il a été séparé [de toi] pour un temps, afin que tu le possèdes pour toujours, 15 Fa izany angaha no nialany vetivety, dia ny mba hanananao azy mandrakizay,
16 non plus comme un esclave, mais au-dessus d’un esclave, comme un frère bien-aimé, spécialement de moi, et combien plus de toi, soit dans la chair, soit dans le Seigneur. 16 tsy toy ny andevo intsony anefa, fa efa mihoatra noho ny andevo, dia rahalahy malala, indrindra fa ho ahy, mainka fa ho anao, na amin'ny nofo, na amin'ny Tompo.
17 Si donc tu me tiens pour associé [à toi], reçois-le comme moi-même ; 17 Koa raha ataonao ho namanao aho, dia raiso toa ahy izy.
18 mais, s’il t’a fait quelque tort ou s’il te doit quelque chose, mets-le moi en compte. 18 Nefa raha nanao izay tsy marina taminao izy, na mitrosa, dia ataovy ho ahy izany;
19 Moi, Paul, je l’ai écrit de ma propre main ; moi, je payerai, pour ne pas te dire que tu te dois toi-même aussi à moi. 19 izaho Paoly no manoratra izany amin'ny tanako, izaho no handoa izany - nefa tsy lazaiko aminao fa mitrosa ny tenanao amiko aza ianao.
20 Oui, frère, que moi, je tire ce profit de toi dans le Seigneur : rafraîchis mes entrailles en Christ. 20 Eny, ry rahalahy, aoka hanana fifaliana avy aminao ao amin'ny Tompo aho; velombelomy ny foko ao amin'i Kristy.
21 Ayant de la confiance dans ton obéissance, je t’ai écrit, sachant que tu feras même plus que je ne dis. 21 Noho ny fahatokiako fa hanaiky ianao no anoratako aminao, ka fantatro fa hanao mihoatra noho izay lazaiko aza ianao.
22 Mais en même temps, prépare-moi aussi un logement*, car j’espère que, par vos prières, je vous serai donné. 22 Ary izao koa: Mba anamboary trano hitoerako aho; fa manantena aho fa homena anareo noho ny vavaka ataonareo.
— v. 10 : ce nom propre signifie : profitable. — v. 12 : en quelque sorte un autre moi-même. — v. 13 : c. à d. : à ta place. — v. 14 : litt.: afin que ton bien. — v. 22 : ou : l’hospitalité.  
23 Épaphras, mon compagnon de captivité dans le christ Jésus, 23 Manao veloma anao Epafra, mpifatotra namako ao amin'i Kristy Jesosy,
24 Marc, Aristarque, Démas, Luc, mes compagnons d’œuvre, te saluent. 24 sy Marka sy Aristarko sy Demasy ary Lioka, mpiara-miasa amiko.
25 Que la grâce de notre seigneur Jésus Christ soit avec votre esprit ! 25 Ho amin'ny fanahinareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika. Amena.