Le NOUVEAU TESTAMENT  
   
   
Épître aux ROMAINS Romana
   
Accès direct aux chapitres des Romains : 1, 2, 3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12, 13, 14, 15, 16 Accès direct aux chapitres des Romains : 1, 2, 3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12, 13, 14, 15, 16
   
Chapitre 1 Chapitre 1
1 Paul, esclave de Jésus Christ, apôtre appelé*, mis à part pour l’évangile** de Dieu 1 [Fitarihan-teny] Paoly, mpanompon'i Jesosy Kristy, voantso ho Apostoly, voatokana ho amin'ny filazantsaran'Andriamanitra,
2 (lequel il avait auparavant promis par ses prophètes dans de saintes écritures), 2 izay nampilazainy ny mpaminany rahateo teo amin'ny Soratra Masina*, [* teo amin'izay soratra masina]
3 touchant son Fils (né de la semence de David, selon la chair, 3 ny amin'ny Zanany, Izay nateraka avy tamin'ny taranak'i Davida araka ny nofo,
4 déterminé Fils de Dieu, en puissance, selon [l’]Esprit* de sainteté, par [la] résurrection des morts**), Jésus Christ, notre Seigneur, 4 ary naseho* tamin-kery ho Zanak'Andriamanitra** araka ny fahamasinana tamin'ny fitsanganany tamin'ny maty, - dia Jesosy Kristy Tompontsika, [* Na: notendrena] [** Na: naseho ho Zanak'Andriamanitra mahery]
5 par lequel nous avons reçu grâce et apostolat, pour [l’]obéissance de [la] foi parmi toutes les nations, 5 Izay nandraisanay fahasoavana sy ny mah'Apostoly anay hahatonga fanekena ny finoana ho voninahitry ny anarany any amin'ny jentilisa rehetra;
6 pour son nom, parmi lesquelles vous aussi, vous êtes des appelés de Jésus Christ, 6 ary ianareo koa, izay isan'ireny, dia voantso ho an'i Jesosy Kristy, -
7 — à tous les bien-aimés de Dieu qui sont à Rome, saints appelés* : Grâce et paix à vous, de la part de Dieu notre Père et du seigneur Jésus Christ ! 7 ho an'izay rehetra any Roma, malalan'Andriamanitra sady voantso ho masina; ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
— v. 1*, 7 : c. à d. : tel(s) par l’appel de Dieu. — v. 1** : ou : la bonne nouvelle. — v. 4* : Esprit, et esprit, c. à d. le Saint Esprit lui-même aussi bien que l’état de l’âme caractérisé par sa présence et sa puissance. — v. 4** : litt.: de morts.  
8 Premièrement, je rends grâces à mon Dieu, par Jésus Christ, pour vous tous, de ce que votre foi est publiée dans le monde entier. 8 Voalohany, misaotra an'Andriamanitro amin'ny alalan'i Jesosy Kristy aho noho ny aminareo rehetra, satria efa re eran'izao tontolo izao ny lazan'ny finoanareo.
9 Car Dieu, que je sers dans mon esprit dans l’évangile de son Fils, m’est témoin que sans cesse je fais mention de vous, 9 Fa Andriamanitra, Izay tompoin'ny fanahiko amin'ny filazantsaran'ny Zanany, no vavolombeloko fa tsy mitsahatra mahatsiaro anareo aho, ka mandrakariva, raha mivavaka aho,
10 demandant toujours dans mes prières, si en quelque manière, maintenant une fois, il me sera accordé par la volonté de Dieu d’aller vers vous. 10 dia mangataka fandrao mba hisy hahafahako amin'izao ho tonga aminareo, raha sitrapon'Andriamanitra.
11 Car je désire ardemment de vous voir, afin de vous faire part de quelque don de grâce spirituel, pour que vous soyez affermis, 11 Fa maniry hahita anareo aho hanomezako anareo fahasoavam-panahy ho anareo, mba hampaharezina ianareo,
12 c’est-à-dire pour que nous soyons consolés ensemble au milieu de vous, vous et moi, chacun par la foi qui est dans l’autre. 12 izany dia ny mba hiarahako hamporisihina aminareo amin'ny finoantsika, dia ny anareo sy ny ahy.
13 Or je ne veux pas que vous ignoriez, frères, que je me suis souvent proposé d’aller vers vous (et que j’en ai été empêché jusqu’à présent), afin de recueillir quelque fruit parmi vous aussi, comme parmi les autres nations. 13 Ary tsy tiako tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, fa matetika aho no efa nikasa hankatỳ aminareo (saingy azon-tsampona mandraka ankehitriny aho), hananako izay vokatra atỳ aminareo koa, toy ny any amin'ny jentilisa sasany.
14 Je suis débiteur* et envers les Grecs et envers les barbares**, et envers les sages et envers les inintelligents : 14 Ananan'ny Grika sy ny firenena hafa rehetra, ny hendry sy ny tsy hendry, trosa aho;
15 ainsi, pour autant qu’il dépend de moi, je suis tout prêt à vous annoncer l’évangile*, à vous aussi qui êtes à Rome. 15 koa raha izaho, dia mazoto hitory ny filazantsara aminareo izay any Roma koa aho.
— v. 14* : c. à d. : J’ai un devoir à remplir ; voir Actes 9:15 ; 22:15. — v. 14** : les barbares : les étrangers à la civilisation grecque. — v. 15 : proprement : annoncer la bonne nouvelle.  
16 Car je n’ai pas honte de l’évangile, car il est [la] puissance de Dieu en salut à quiconque croit, et au Juif premièrement, et au Grec. 16 Fa tsy menatra ny filazantsara aho; fa herin'Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany, amin'ny Jiosy aloha, dia vao amin'ny jentilisa* koa. [* Gr. Grika]
17 Car [la] justice de Dieu y est révélée sur le principe de la foi pour la foi, selon qu’il est écrit «Or le juste vivra de* foi» [Habakuk 2:4]. 17 Fa amin'izany no anehoana fahamarinana avy amin'Andriamanitra avy amin'ny finoana sy ho amin'ny finoana, araka ny voasoratra hoe: Ny marina amin'ny finoana no ho velona* (Hab. 2. 4). [*Na: Ny marina ho velon'ny finoana]
— v. 17 : plus haut : sur le principe de.  
18 Car [la] colère de Dieu est révélée du ciel contre toute impiété et toute iniquité* des hommes qui possèdent la vérité [tout en vivant] dans l’iniquité* : 18 [Ny amin'ny faharatsian'ny toetry ny jentilisa sy ny mahameloka azy] Fa aseho avy any an-danitra ny fahatezeran'Andriamanitra amin'ny faharatsiana rehetra sy ny tsi-fahamarinan'ny olona izay misakana ny fahamarinana amin'ny fanaovan-dratsy,
19 parce que ce qui se peut connaître de Dieu est manifeste parmi eux ; car Dieu le leur a manifesté ; 19 satria izay fantatra ny amin'Andriamanitra dia miseho ao am-pon'ireny, fa nasehon'Andriamanitra taminy.
20 car, depuis la fondation du monde, ce qui ne se peut voir de lui, [savoir] et sa puissance éternelle et sa divinité*, se discerne par le moyen de l’intelligence, par les choses qui sont faites, de manière à les** rendre inexcusables : 20 Fa ny fombany tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny mah'Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin'ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin'ny zavatra nataony; ka dia tsy manan-kalahatra* ireo; [* Na: Mba tsy hanan-kalahatra]
21 — parce que, ayant connu Dieu, ils ne le glorifièrent point comme Dieu, ni ne lui rendirent grâces ; mais ils devinrent vains dans leurs raisonnements, et leur cœur destitué d’intelligence fut rempli de ténèbres : 21 fa na dia nahalala an'Andriamanitra aza izy, dia tsy mba nankalaza Azy toy izay miendrika ho an'Andriamanitra, na nisaotra Azy, fa tonga zava-poana izy tamin'ny fisainany, ary tonga maizina ny fony donto.
22 se disant sages, ils sont devenus fous, 22 Nandoka tena ho hendry izy ka tonga adala,
23 et ils ont changé la gloire du Dieu incorruptible en la ressemblance de l’image d’un homme corruptible et d’oiseaux et de quadrupèdes et de reptiles. 23 koa ny voninahitr'Andriamanitra tsy mety lò dia nosoloany zavatra tahaka ny endriky ny olona mety lò sy ny vorona sy ny biby manan-tongotra efatra ary ny zavatra mandady sy mikisaka.
24 C’est pourquoi Dieu les a aussi livrés, dans les convoitises de leurs cœurs, à l’impureté, en sorte que leurs corps soient déshonorés entre eux-mêmes : 24 Ary izany no nanoloran'Andriamanitra azy tamin'ny filan'ny fony ho amin'ny fahalotoana, dia ny nifanalany voninahitra tamin'ny tenany avy;
25 eux qui ont changé la vérité de Dieu en mensonge, et ont honoré et servi la créature plutôt que celui qui l’a créée, qui est béni éternellement*. Amen ! 25 ary ny fahamarinan'Andriamanitra dia nosoloany lainga, ka nanaja sy nanompo ny zavatra natao izy, fa tsy ny Mpanao, Izay isaorana mandrakizay. Amena.
26 C’est pourquoi Dieu les a livrés à des passions infâmes, car leurs femmes ont changé l’usage naturel en celui qui est contre nature ; 26 Izany no nanoloran'Andriamanitra azy ho amin'ny filan-dratsy mahavoafady; fa ny vehivavy tao aminy nanova ny fanaony ho amin'izay tsy fanaony;
27 et les hommes aussi pareillement, laissant l’usage naturel de la femme, se sont embrasés dans leur convoitise l’un envers l’autre, commettant l’infamie, mâles avec mâles, et recevant en eux-mêmes la due récompense de leur égarement. 27 ary tahaka izany koa ny lehilahy, fa namela ny fanao amin'ny vehivavy izy ka maimay tamin'ny fifampilany samy lehilahy nifanao izay mahamenatra, dia nandray tao amin'ny tenany ny valiny izay tokony ho azy noho ny fiviliany.
28 Et comme ils n’ont pas eu de sens moral pour garder la connaissance de Dieu*, Dieu les a livrés à un esprit réprouvé**, pour pratiquer des choses qui ne conviennent pas, 28 Ary araka ny nanaovany ny fahalalana marina an'Andriamanitra ho tsy miendrika hotanany, dia araka izany kosa no nanoloran'Andriamanitra azy ho amin'ny fisainana tsy mahamendrika hanao izay zavatra tsy tokony hatao,
29 étant remplis de toute injustice, de méchanceté, de cupidité, de malice, — pleins d’envie, de meurtres, de querelles, de fraude, de mauvaises mœurs, 29 ka dia feno ny tsi-fahamarinana rehetra, ny faharatsiana, ny fieremana, ny lolompo,- feno fialonana, vonoan-olona, fifandirana, fitaka, otri-po,-
30 — délateurs, médisants, haïssables pour Dieu*, outrageux, hautains, vantards, inventeurs de mauvaises choses, désobéissants à leurs parents, sans intelligence, 30 mpibitsibitsika, mpanendrikendrika, halan'Andriamanitra*, mpampahory, mpiavonavona, mpandoka tena, mpamoron-tsain-dratsy, tsy manoa ray sy reny, [* Na: mpankahala an'Andriamanitra]
31 ne tenant pas ce qu’ils ont promis, sans affection naturelle, sans miséricorde, 31 tsy manam-pahalalana, tsy mitana fanekena, tsy manam-pitiavana, tsy miantra;
32 [et] qui, ayant connu la juste sentence* de Dieu, que ceux qui commettent de telles choses sont dignes de mort, non seulement les pratiquent, mais encore trouvent leur plaisir en ceux qui les commettent. 32 dia olona mahalala tsara ny fitsipika nomen'Andriamanitra fa izay manao izany zavatra izany no miendrika ho faty, nefa tsy manao izany ihany izy, fa mankasitraka ny manao koa.
— v. 18 : ailleurs : injustice. — v. 20 : * divinité ici, — non pas déité, comme Colossiens 2:9. — v. 20** c’est-à-dire les [hommes]. — v. 25 : litt.: pour les siècles. — v. 28* : litt.: avoir Dieu en connaissance. — v. 28** : ou, selon quelques-uns : dépourvu de sens moral. — v. 30 : ou : abominables. — v. 32 : ce que demande la juste volonté de Dieu ; ou : un acte juste répondant à ce qu’il exige.  
Chapitre 2 Chapitre 2
1 C’est pourquoi tu es inexcusable, ô homme, qui que tu sois qui juges ; car en ce que tu juges autrui, tu te condamnes toi-même, puisque toi qui juges, tu commets les mêmes choses. 1 [Ny amin'ny tsi-fahamarinan'ny Jiosy sy ny tsy ahazoany fahamarinana avy amin'ny lalàna] Koa amin'izany dia tsy manan-kalahatra ianao, ralehilahy*, na zovy na zovy ianao izay mitsara; fa izay itsaranao ny sasany no anamelohanao ny tenanao koa, fa ianao izay mitsara aza dia mba manao izany ihany koa. [* Gr. olona]
2 Or nous savons que le jugement de Dieu est selon la vérité contre ceux qui commettent de telles choses. 2 Nefa fantatsika fa ny fitsaran'Andriamanitra dia araka ny marina amin'izay manao toy izany.
3 Et penses-tu, ô homme qui juges ceux qui commettent de telles choses et qui les pratiques, que tu échapperas au jugement de Dieu ? 3 Ary ianao, ralehilahy*, izay mitsara ny manao izany, kanefa manao izany koa ny tenanao, moa ataonao va fa ho afa-mandositra ny fitsaran'Andriamanitra ianao? [* Gr. olona]
4 Ou méprises-tu les richesses de sa bonté, et de sa patience, et de sa longue attente, ne connaissant pas que la bonté de Dieu te pousse à la repentance ? 4 Sa hamavoinao ny haren'ny fahamoram-panahiny sy ny fandeferany ary ny fahari-pony, satria tsy fantatrao fa ny fahamoram-panahin'Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka?
5 Mais, selon ta dureté et selon ton cœur sans repentance, tu amasses pour toi-même la colère dans le jour de la colère et de la révélation du juste jugement de Dieu, 5 Fa ny ditranao sy ny fonao tsy mibebaka no irakatenao fahatezerana ho anao amin'ny andro fahatezerana sy fampisehoana ny fitsarana marin'Andriamanitra,
6 qui rendra à chacun selon ses œuvres : 6 Izay hamaly ny olona rehetra araka ny asany avy:
7 à ceux qui, en persévérant dans les bonnes œuvres, cherchent la gloire et l’honneur et l’incorruptibilité*, — la vie éternelle ; 7 ho an'izay maharitra manao soa mandrakariva ka mitady voninahitra sy laza ary tsi-fahafatesana, dia fiainana mandrakizay;
8 mais à ceux qui sont disputeurs et qui désobéissent à la vérité, et obéissent à l’iniquité*, — la colère et l’indignation ; 8 fa ho an'izay mitady ny ho an'ny tenany ihany kosa sady tsy manaraka ny marina, fa manaraka ny tsy marina, dia fahavinirana sy fahatezerana,
9 tribulation et angoisse sur toute âme d’homme qui fait le mal, et du Juif premièrement, et du Grec ; 9 eny, fahoriana sy fahantrana ho an'ny fanahin'ny olona rehetra izay manao ratsy, amin'ny Jiosy aloha, dia vao amin'ny jentilisa koa;
10 mais gloire et honneur et paix à tout [homme] qui fait le bien, et au Juif premièrement, et au Grec ; 10 fa voninahitra sy laza ary fiadanana kosa ho an'ny olona rehetra izay manao ny tsara, amin'ny Jiosy aloha, dia vao amin'ny jentilisa* koa. [* Gr. Grika]
11 car il n’y a pas d’acception de personnes auprès de Dieu. 11 Fa tsy misy fizahan-tavan'olona amin'Andriamanitra.
12 Car tous ceux qui ont péché sans loi, périront aussi sans loi ; et tous ceux qui ont péché sous [la] loi, seront jugés par [la] loi 12 Fa izay nanota tsy nanana ny lalàna dia ho very tsy manana ny lalàna; fa izay nanota nanana ny lalàna kosa dia hotsaraina araka ny lalàna.
13 (car ce ne sont pas les auditeurs de la loi qui sont justes devant Dieu ; mais ce sont ceux qui accomplissent la loi qui seront justifiés ; 13 Fa tsy ny mpandre ny lalàna no marina eo anatrehan'Andriamanitra, fa ny mpankatò ny lalàna no hohamarinina;
14 car quand les nations* qui n’ont point de loi, font naturellement les choses de la loi, n’ayant pas de loi, elles sont loi à elles-mêmes, 14 fa na oviana na oviana ireo jentilisa tsy manana ny lalàna ireo no misy manao izay nandidian'ny lalàna araka ny nahim-pony, na dia tsy manana ny lalàna aza ireo, dia lalàn-tenany ihany;
15 et elles montrent l’œuvre de la loi, écrite* dans leurs cœurs, leur conscience rendant en même temps témoignage, et leurs pensées s’accusant entre elles, ou aussi s’excusant), 15 fa ireo maneho ny asan'ny lalàna ho voasoratra ao am-pony, sady ny fieritreretany no vavolombelony, ary ny fisainany mifampiampanga, nefa mba mifanafaka ihany koa aza,-
16 [seront jugés, dis-je,] au jour où Dieu jugera par Jésus Christ les secrets des hommes, selon mon évangile. 16 amin'ny andro izay hitsaran'Andriamanitra ny zavatra takona ataon'ny olona, araka ny filazantsarako amin'ny alalan'i Jesosy Kristy.
— v. 7 : incorruptibilité, non pas immortalité. — v. 8 : ailleurs : injustice. — v. 14 : ceux qui ne sont pas juifs. — v. 15 : c’est l’œuvre qui est écrite, non pas la loi.  
17 Or si toi, tu portes le nom de Juif, et que tu te reposes entièrement sur la loi, 17 Fa raha saingy atao hoe Jiosy ianao ka mitoky amin'ny lalàna sy manao an'Andriamanitra ho reharehanao
18 et que tu te glorifies en Dieu, et que tu connaisses la volonté, et que tu saches discerner les choses excellentes, 18 ary mahalala ny sitrapony sady mamantatra ny zavatra tsara indrindra*, satria efa nampianarina ny lalàna ianao [* Na: samy hafa]
19 étant instruit par la loi, et que tu croies que tu es conducteur d’aveugles, lumière de ceux qui sont dans les ténèbres, 19 ary matoky ny tenanao ho mpitarika ny jamba, fanazavana ny ao amin'ny maizina,
20 instructeur des hommes dépourvus d’intelligence, maître* de petits enfants, ayant la formule de la connaissance et de la vérité dans la loi ; 20 mpananatra ny adala, mpampianatra ny bodo, satria ianao manana ny lalàna ho mariky ny fahalalana sy ny fahamarinana:
21 toi donc qui enseignes les autres, ne t’enseignes-tu pas toi-même ? Toi qui prêches qu’on ne doit pas dérober, dérobes-tu ? 21 ka moa ianao izay mampianatra ny sasany, tsy mba mampianatra ny tenanao koa va? Hianao izay mitory hoe: Aza mangalatra, mba mangalatra ihany va ianao?
22 Toi qui dis qu’on ne doit pas commettre adultère, commets-tu adultère ? Toi qui as en abomination les idoles, commets-tu des sacrilèges ? 22 Hianao izay manao hoe: Aza mijangajanga, mba mijangajanga ihany va ianao? Hianao izay mametaveta ny sampy, mba mandroba tempoly ihany va ianao?
23 Toi qui te glorifies en [la] loi, déshonores-tu Dieu par la transgression de la loi ? 23 Hianao izay manao ny lalàna ho reharehanao, mba manala voninahitra an'Andriamanitra ihany va ianao amin'ny andikanao ny lalàna?
24 Car le nom de Dieu est blasphémé à cause de vous parmi les nations, comme il est écrit*. 24 Fa araka ny voasoratra, dia ianareo no itenenana ratsy* ny anaran'Andriamanitra any amin'ny jentilisa (Isa. 52. 5). [*Gr. anaovana blasfemia; izahao Mat. 9, 3]
25 Car en effet [la] circoncision est profitable si tu accomplis [la] loi ; mais si tu es transgresseur de [la] loi, ta circoncision est devenue incirconcision. 25 Fa ny famorana mahasoa tokoa, raha mankatò ny lalàna ianao; fa raha mpandika ny lalàna kosa ianao, dia efa tonga toy ny tsy voafora, na dia efa voafora aza.
26 Si donc l’incirconcision garde les exigences* de la loi, son incirconcision ne sera-t-elle pas comptée pour circoncision ; 26 Ary raha mankatò ny fitsipiky ny lalàna ny tsy voafora, tsy hatao ho isan'ny voafora va izy, na dia tsy voafora aza?
27 et l’incirconcision qui l’est par nature, en accomplissant la loi, ne te jugera-t-elle pas, toi qui, dans la lettre et la circoncision*, es transgresseur de [la] loi ? 27 Ary tsy hohelohin'ny tsy mifora izay mankatò ny lalàna va ianao, izay mpandika ny lalàna, na dia manana ny soratra sy ny famorana aza ianao?
28 Car celui-là n’est pas Juif qui l’est au dehors, et celle-là n’est pas la circoncision qui l’est au dehors dans la chair ; 28 Fa tsy izay araka ny miseho no Jiosy, ary tsy izay miseho eo amin'ny nofo no famorana;
29 mais celui-là est Juif qui l’est au dedans, et la circoncision est du cœur, en esprit, non pas dans la lettre ; et la louange de ce [Juif] ne vient pas des hommes, mais de Dieu. 29 fa izay araka ny miafina no Jiosy, ary ny famorana dia amin'ny fo, amin'ny fanahy, fa tsy amin'ny soratra; ny fiderana ireny tsy avy amin'ny olona, fa avy amin'Andriamanitra.
— v. 20 : maître qui enseigne, ailleurs : docteur. — v. 24 : comparer Ésaïe 52:5 et Ézéchiel 36:20-23. — v. 26 : voir note à 1:32. — v. 27 : proprement : avec lettre et circoncision.  
Chapitre 3 Chapitre 3
1 Quel est donc l’avantage du Juif, ou quel est le profit de la circoncision ? 1 Koa inona ary no tombony ananan'ny Jiosy, ary inona koa no soa avy amin'ny famorana?
2 — Grand de toute manière, et d’abord en ce que les oracles de Dieu leur ont été confiés. 2 Be ihany amin'ny zavatra rehetra: voalohany, izy no notolorana ny tenin'Andriamanitra ho adidiny.
3 Quoi donc ? Si quelques-uns n’ont pas cru, leur incrédulité annulera-t-elle la fidélité de Dieu ? 3 Fa ahoana kosa ary? Raha tsy nino ny sasany, moa ny tsi-finoanay va hahafoana ny fahamarinan'Andriamanitra?
4 Qu’ainsi n’advienne ! mais que Dieu soit vrai et tout homme menteur, selon ce qui est écrit : «En sorte que tu sois justifié dans tes paroles, et que tu aies gain de cause quand tu es jugé» [Psaume 51:4]. 4 Sanatria izany! Aoka Andriamanitra no ho marina, fa ny olona rehetra kosa ho mpandainga; araka ny voasoratra hoe: Mba hohamarinina amin'ny teninao Hianao, Ary hahery, rehefa manana ady* (Sal. 51. 4). [*Na: tsaraina]
5 Mais si notre injustice constate la justice de Dieu, que dirons-nous ? Dieu est-il injuste quand il donne cours à la colère ? — Je parle selon l’homme. 5 Fa raha ny tsi-fahamarinantsika no mampiseho ny fahamarinan'Andriamanitra, ahoana ary no holazaintsika? Tsy marina angaha Andriamanitra Izay mandatsaka ny fahatezerany! - miteny araka ny fanaon'ny olona aho -
6 — Qu’ainsi n’advienne ! puisqu’[alors], comment Dieu jugera-t-il le monde ? 6 Sanatria izany! Fa raha izany, hataon'Andriamanitra ahoana no fitsara izao tontolo izao?
7 Car si la vérité de Dieu dans mon mensonge a abondé pour sa gloire, pourquoi moi aussi suis-je encore jugé comme pécheur ? 7 Fa raha ny fahamarinan'Andriamanitra kosa no nitombo tamin'ny laingako ho voninahiny, nahoana aho no mbola tsaraina ho mpanota indray?
8 Et non, comme nous sommes calomnieusement accusés et que quelques-uns prétendent que nous disons : Faisons du mal, afin qu’arrive le bien ? — desquels le jugement est juste*. 8 Ary nahoana no tsy hanao ratsy hihavian'ny soa isika,- araka ny anendrikendrehana anay sy ny filazan'ny sasany anay. Marina ny fanamelohana ireny.
— v. 8 : c. à d. : lesquels méritent d’être condamnés.  
9 Quoi donc ? Sommes-nous plus excellents* ? Nullement. Car nous avons ci-devant accusé et Juifs et Grecs d’être tous sous [le] péché, selon qu’il est écrit : 9 Ahoana ary? Manan-kavaly* va isika? Tsia tsy akory; fa efa voalazantsika rahateo ho mpanota avokoa na ny Jiosy na ny jentilisa**; [*Na: Latsaka noho ireny va isika?] [** Gr. Grika]
10 «Il n’y a point de juste, non pas même un seul ; 10 araka ny voasoratra hoe: Tsy misy marina na dia iray akory aza;
11 il n’y a personne qui ait de l’intelligence, il n’y a personne qui recherche Dieu ; 11 Tsy misy izay mahafantatra, Tsy misy izay mitady an'Andriamanitra.
12 ils se sont tous détournés, ils se sont tous ensemble rendus inutiles ; il n’y en a aucun qui exerce la bonté, il n’y en a pas même un seul» [Psaume 14:1-3] ; 12 Samy nania avokoa izy rehetra, Samy tsy mahasoa avokoa izy rehetra; Tsy misy izay manao ny tsara na dia iray akory aza (Sal. 14. 1-3).
13 «c’est un sépulcre ouvert que leur gosier ; ils ont frauduleusement usé de leurs langues» [Psaume 5:9] ; «il y a du venin d’aspic sous leurs lèvres» [Psaume 140:3] ; 13 Fasana misokatra ny tendany; Ny lelany no anaovany fitaka (Sal. 5. 9); Ny poizin'ny menarana no ao ambanin'ny molony (Sal. 140. 3);
14 «et leur bouche est pleine de malédiction et d’amertume» [Psaume 10:7] ; 14 Feno ozona sy fangidiana ny vavany (Sal. 10. 7);
15 «leurs pieds sont rapides pour verser le sang ; 15 Ny tongony mimaona handatsa-drà;
16 la destruction et la misère sont dans leurs voies, 16 Fandravana sy fandringanana no eo amin'ny alehany;
17 et ils n’ont point connu la voie de la paix» [Ésaïe 59:7-8] ; 17 Ary ny lalan'ny fiadanana dia tsy fantany (Isa. 59. 7, 8);
18 «il n’y a point de crainte de Dieu devant leurs yeux» [Psaume 36:1]. 18 Tsy misy fahatahorana an'Andriamanitra eo anoloan'ny masony (Sal. 36. 1).
19 Or nous savons que tout ce que la loi dit, elle le dit à ceux qui sont sous* la loi, afin que toute bouche soit fermée, et que tout le monde soit coupable devant Dieu. 19 Ary fantatsika fa izay zavatra lazain'ny lalàna dia lazainy amin'izay manana ny lalàna, mba ho voatampina avokoa ny vava rehetra, ka hiharan'ny fitsaran'Andriamanitra izao tontolo izao,
20 C’est pourquoi nulle chair ne sera justifiée devant lui par des œuvres de loi, car par [la] loi est la connaissance du péché. 20 satria tsy misy nofo hohamarinina amin'ny asan'ny lalàna eo anatrehany; fa ny lalàna no ahazoana ny fahalalana marina ny amin'ny ota.
— v. 9 : ou : Nous défendons-nous ? — v. 19 : litt.: en.  
21 Mais maintenant, sans loi, [la] justice de Dieu est manifestée, témoignage lui étant rendu par la loi et [par] les prophètes, 21 [Ny fanamarinan'Andriamanitra maimaimpoana ny mino an'i Kristy] Fa ankehitriny dia efa naharihary ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra, tsy amin'ny lalàna anefa, fa ambaran'ny lalàna sy ny mpaminany,
22 [la] justice, dis-je, de Dieu par [la] foi en* Jésus Christ envers tous, et sur tous ceux qui croient ; 22 dia ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra amin'ny finoana an'i Jesosy Kristy* ho an'izay rehetra mino; fa tsy misy hafa, [* Ampio hoe: (ho an'ny olona rehetra sy)]
23 car il n’y a pas de différence, car tous ont péché et n’atteignent pas à la gloire de Dieu, 23 fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin'Andriamanitra,
24 — étant justifiés gratuitement par sa grâce, par* la rédemption qui est dans le christ Jésus, 24 nefa hamarinina maimaimpoana amin'ny fahasoavany izy noho ny fanavotana izay ao amin'i Kristy Jesosy,
25 lequel Dieu a présenté pour propitiatoire, par la foi en son sang, afin de montrer sa justice à cause* du support des péchés précédents dans la patience de Dieu, 25 Izay nasehon'Andriamanitra tamin'ny ràny ho fanavotana* amin'ny finoana, hanehoana ny fahamarinany amin'ny tsy namalian'Andriamanitra ny fahotana lasa tamin'ny nandeferany, [* Na: fanatitra fampiononam-pahatezerana]
26 afin de montrer, [dis-je], sa justice dans le temps présent, en sorte qu’il soit juste et justifiant celui qui est de la foi de Jésus. 26 mba hanehoana ny fahamarinany ankehitriny, mba ho marina Izy sady hanamarina izay manana finoana an'i Jesosy.
— v. 22 : litt.: de, voir Galates 2:20. — v. 24 : par le moyen de. — v. 25 : ou : à l’égard.  
27 Où donc est la vanterie ? — Elle a été exclue. — Par quelle loi ? — celle des œuvres ? — Non, mais par la loi de la foi ; 27 Aiza ary ny fireharehana? Efa foana izany. Amin'ny lalàna manao ahoana? amin'ny lalàn'ny asa va? Tsia; fa amin'ny lalàn'ny finoana.
28 car nous concluons que l’homme est justifié par [la] foi, sans œuvres de loi. 28 Koa amin'izany dia ataontsika fa finoana no anamarinana ny olona, fa tsy ny asan'ny lalàna.
29 [Dieu] est-il seulement le Dieu des Juifs ? ne l’est-il pas aussi des nations ? 29 Andriamanitry ny Jiosy ihany va Izy? fa tsy mba an'ny jentilisa koa? Eny, an'ny jentilisa koa;
30 — Certes, aussi des nations ; puisque c’est un seul Dieu qui justifiera la circoncision sur le principe de [la] foi et l’incirconcision par la foi. 30 fa iray ihany Andriamanitra, Izay hanamarina ny voafora noho ny finoana, ary ny tsy voafora amin'ny finoana.
31 Annulons-nous donc [la] loi par la foi ? Qu’ainsi n’advienne ! au contraire, nous établissons [la] loi. 31 Koa mahafoana ny lalàna amin'ny finoana va isika? Sanatria izany! fa mampiorina tsara ny lalàna isika.
Chapitre 4 Chapitre 4
1 Que dirons-nous donc que, selon la chair, Abraham notre père a trouvé ? 1 Inona ary no holazaintsika ho efa azon'i Abrahama, razantsika araka ny nofo?
2 Car si Abraham a été justifié sur le principe des œuvres, il a de quoi se glorifier, mais non pas relativement à Dieu ; 2 Fa raha asa no nanamarinana an'i Abrahama, dia misy hireharehany ihany, nefa tsy amin'Andriamanitra.
3 car que dit l’écriture ? «Et Abraham crut Dieu, et cela lui fut compté à justice» [Genèse 15:6]. 3 Fa ahoana hoy ny Soratra Masina? Ary Abrahama nino an'Andriamanitra, ka dia nisaina ho fahamarinany izany (Gen. 15. 6).
4 Or à celui qui fait des œuvres, le salaire n’est pas compté à titre de grâce, mais à titre de chose due ; 4 Ary ho an'izay miasa, dia tsy isaina ho fahasoavana ny karama, fa ho trosa.
5 mais à celui qui ne fait pas des œuvres, mais qui croit en celui qui justifie l’impie, sa foi [lui] est comptée à justice ; 5 Fa ho an'izay tsy miasa kosa, fa mino Izay manamarina ny ratsy fanahy, dia ny finoany no isaina ho fahamarinana.
6 ainsi que David aussi exprime la béatitude de l’homme à qui Dieu compte la justice sans œuvres : 6 Dia araka izany koa no ilazan'i Davida fa sambatra ny olona izay isain'Andriamanitra fahamarinana tsy amin'ny asa, hoe:
7 «Bienheureux ceux dont les iniquités* ont été pardonnées et dont les péchés ont été couverts ; 7 Sambatra izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany.
8 bienheureux l’homme à qui le Seigneur ne compte point le péché*» [Psaume 32:1-2]. 8 Sambatra izay olona tsy hisain'i Jehovah heloka (Sal. 32. 1, 2).
— v. 7 : marche sans loi, sans frein, comme en Matthieu 7:23. — v. 8 : c’est-à-dire que le Seigneur tient pour n’avoir point de péché.  
9 Cette béatitude donc [vient-elle] sur la circoncision ou aussi sur l’incirconcision ? Car nous disons que la foi fut comptée à Abraham à justice. 9 Koa izany fahasambarana izany moa an'ny voafora ihany va, sa an'ny tsy voafora koa? fa lazaintsika fa ny finoana no nisaina ho fahamarinan'i Abrahama.
10 Comment donc lui fut-elle comptée ? quand il était dans la circoncision, ou dans l’incirconcision ? — Non pas dans la circoncision, mais dans l’incirconcision. 10 Ary ahoana no nanisana izany? Tamin'izy efa voafora va, sa fony izy tsy mbola voafora? Tsy tamin'izy efa voafora tsy akory, fa fony izy tsy mbola voafora.
11 Et il reçut le signe de la circoncision, comme sceau de la justice de la foi qu’[il avait] dans l’incirconcision, pour qu’il fût le père de tous ceux qui croient étant dans l’incirconcision, pour que la justice leur fût aussi comptée, 11 Ary ny famorana, izay famantarana, dia noraisiny ho tombo-kasen'ny fahamarinana amin'ny finoana izay nananany fony izy tsy mbola voafora, mba ho rain'ny olona rehetra izay mino izy, na dia ny tsy voafora aza, mba hisaina ho an'ireny ny fahamarinana,
12 et qu’il fût père de circoncision*, non seulement pour ceux qui sont de la circoncision, mais aussi pour ceux qui marchent sur les traces de la foi qu’a eue notre père Abraham, dans l’incirconcision. 12 ary ho rain'ny voafora, dia tsy izay voafora ihany, fa izay mandeha araka ny dian'ny finoan'i Abrahama razantsika koa, izay nananany fony izy tsy mbola voafora.
— v. 12 : c’est-à-dire celui en qui, le premier, la vraie séparation à Dieu, et pour Dieu, a été publiquement établie.  
13 Car ce n’est pas par [la] loi que la promesse d’être héritier du monde [a été faite] à Abraham ou à sa semence, mais par [la] justice de [la] foi. 13 Fa tsy lalàna, fa fahamarinana amin'ny finoana, no nahazoan'i Abrahama sy ny taranany ny teny fikasana ho mpandova izao tontolo izao izy.
14 Car si ceux qui sont du principe de [la] loi sont héritiers, la foi est rendue vaine et la promesse annulée ; 14 Fa raha izay amin'ny lalàna no mpandova, dia efa foana ny finoana, ary efa tsinontsinona ny teny fikasana;
15 car [la] loi produit la colère, mais là où il n’y a pas de loi, il n’y a pas non plus de transgression. 15 fa ny lalàna mahatonga fahatezerana; fa raha tsy misy lalàna, dia tsy misy fandikan-dalàna.
16 Pour cette raison, [c’est] sur le principe de [la] foi, afin que [ce soit] selon [la] grâce, pour que la promesse soit assurée à toute la semence, non seulement à celle qui est de la loi, mais aussi à celle qui est de la foi d’Abraham, lequel est père de nous tous 16 Koa finoana no andovana, mba ho araka ny fahasoavana, hahatò ny teny fikasana ho an'ny taranaka rehetra,- tsy ho an'izay amin'ny lalàna ihany, fa ho an'izay amin'ny finoan'i Abrahama koa, dia ilay razantsika rehetra -
17 (selon qu’il est écrit : «Je t’ai établi père de plusieurs nations» [Genèse 17:5]), devant Dieu qu’il a cru, — qui fait vivre les morts et appelle les choses qui ne sont point comme si elles étaient, 17 araka ny voasoratra hoe: Nataoko ho rain'ny firenena maro ianao (Gen. 17. 5) - teo anatrehan'izay ninoany, dia Andriamanitra Izay mamelona ny maty sy miantso ny tsy misy toy ny misy.
18 — qui, contre espérance, crut avec espérance, pour devenir père de plusieurs nations, selon ce qui a été dit : «Ainsi sera ta semence» [Genèse 15:5]. 18 Ary na dia efa tsy nisy fanantenana aza, dia nanantena ihany izy ka nino, mba ho rain'ny firenena maro; araka ny voalaza hoe: Ho tahaka izany ny taranakao (Gen. 15. 5).
19 Et n’étant pas faible dans la foi, il n’eut pas égard à son propre corps déjà amorti*, âgé qu’il était d’environ cent ans, ni à l’état de mort du sein de Sara ; 19 Ary satria tsy mba nalemy finoana izy, dia nihevitra ny tenany izay efa hoatra ny maty (fa efa tokony ho zato taona izy) sy ny fahafatesan'ny kibon'i Saraha,
20 et il ne forma point de doute sur la promesse de Dieu par incrédulité, mais il fut fortifié dans* la foi, donnant gloire à Dieu, 20 ary tsy niahanahana ny amin'ny teny fikasan'Andriamanitra tamin'ny tsi-finoana izy, fa nampaherezin'ny finoana ka nanome voninahitra an'Andriamanitra
21 et étant pleinement persuadé que ce qu’il a promis, il est puissant aussi pour l’accomplir. 21 ary natoky indrindra fa izay nolazainy dia hainy hatao koa.
22 C’est pourquoi aussi cela lui a été compté à justice. 22 Dia nisaina ho fahamarinany izany.
23 Or ce n’est pas pour lui seul qu’il a été écrit que cela lui a été compté, mais aussi pour nous, 23 Nefa tsy ho azy ihany no nanoratana fa nisaina ho azy izany,
24 à qui il sera compté, à nous qui croyons en celui qui a ressuscité d’entre les morts Jésus notre Seigneur, 24 fa ho antsika izay hanisana izany koa, dia isika izay mino Ilay nanangana an'i Jesosy Tompontsika tamin'ny maty,
25 lequel a été livré pour nos fautes et a été ressuscité pour notre justification. 25 Izay natolotra noho ny fahadisoantsika ka natsangana indray ho fanamarinana antsika.
— v. 19 : déjà comme mort. — v. 20 : ou : par.  
Chapitre 5 Chapitre 5
1 Ayant donc été justifiés sur le principe de la foi, nous avons la paix avec* Dieu par notre seigneur Jésus Christ, 1 [Ny soa ananan'ny mino an'i Kristy, sy ny fihoaran'izany noho izay soa verin'i Adama] Koa amin'izany, satria efa nohamarinina tamin'ny finoana isika, dia aoka isika hanana* fihavanana amin'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika. [* Na: (dia manana)]
2 par lequel nous avons trouvé* aussi accès, par la foi, à cette faveur dans laquelle nous sommes, et nous nous glorifions dans l’espérance de la gloire de Dieu. 2 Tamin'ny alalany koa no efa nahazoantsika fanatonana amin'ny finoana ho amin'izao fahasoavana itoerantsika izao, ka dia aoka isika hifaly amin'ny fanantenana ny voninahitr'Andriamanitra.
— v. 1 : litt.: envers, quant à. — v. 2 : c. à d. avons obtenu et possédons.  
3 Et non seulement [cela], mais aussi nous nous glorifions dans les tribulations, sachant que la tribulation produit la patience, 3 Ary tsy izany ihany, fa aoka isika hifaly amin'ny fahoriana aza, satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga faharetana;
4 et la patience l’expérience, et l’expérience l’espérance ; 4 ary ny faharetana mahatonga fahatsaram-panahy voazaha toetra; ary ny fahatsaram-panahy voazaha toetra mahatonga fanantenana;
5 et l’espérance ne rend point honteux, parce que l’amour de Dieu est versé dans nos cœurs par l’Esprit Saint qui nous a été donné. 5 ary ny fanantenana dia tsy mampahamenatra, satria ny Fanahy Masina, Izay nomena antsika, no nentiny nampidina ny fitiavan'Andriamanitra* ho ao am-pontsika. [* Na: ny fitiavana an'Andriamanitra]
6 Car Christ, alors que nous étions encore sans force, au temps convenable, est mort pour des impies. 6 Fa fony mbola tsy nanan-kery isika, dia maty Kristy tamin'ny fotoan'andro hamonjy ny ratsy fanahy.
7 Car à peine, pour un juste, quelqu’un mourra-t-il, (car pour l’homme de bien, peut-être, quelqu’un se résoudrait* même à mourir) ; 7 Fa saiky tsy misy olona manaiky ho faty hamonjy ny marina; fa angamba hisy ihany ny sasany sahy maty asa hamonjy ny manao soa.
8 mais Dieu constate* son amour à lui envers nous, en ce que, lorsque nous étions encore pécheurs, Christ est mort pour nous. 8 Fa Andriamanitra mampiseho* ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy.
9 Beaucoup plutôt donc, ayant été maintenant justifiés par son sang, serons-nous sauvés de la colère par lui. 9 Koa mainka aza ny hamonjeny antsika ho afaka amin'ny fahatezerana ankehitriny, rehefa nohamarinina tamin'ny ràny isika.
10 Car si, étant ennemis, nous avons été réconciliés avec Dieu par la mort de son Fils, beaucoup plutôt, ayant été réconciliés, serons-nous sauvés par sa vie. 10 Fa raha fony mbola fahavalo aza isika no nampihavanina tamin'Andriamanitra tamin'ny nahafatesan'ny Zanany, mainka ny hamonjena antsika amin'ny fahavelomany ankehitriny, rehefa nampihavanina.
— v. 7 : ou : aurait le courage. — v. 8 : ou : prouve.  
11 Et non seulement [cela], mais aussi nous nous glorifions en Dieu par notre seigneur Jésus Christ, par lequel nous avons maintenant reçu la réconciliation. 11 Ary tsy izany ihany koa, fa mifaly amin'Andriamanitra isika amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nahazoantsika ny fihavanana ankehitriny.
   
12 * C’est pourquoi, comme par un seul homme le péché est entré dans le monde, et par le péché la mort, et qu’ainsi la mort a passé à tous les hommes, en ce que tous ont péché … 12 Koa izany dia tahaka ny nidiran'ny ota avy tamin'ny olona iray ho amin'izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran'ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra;
13 * (car jusqu’à [la] loi [le] péché était dans le monde ; mais [le] péché n’est pas mis en compte quand il n’y a pas de loi ; 13 fa hatrany alohan'ny lalàna aza dia nisy ota tamin'izao tontolo izao; nefa tsy isaina ny ota, raha tsy misy lalàna;
14 mais la mort régna depuis Adam jusqu’à Moïse, même sur ceux qui ne péchèrent pas selon la ressemblance* de la transgression d’Adam, qui est la figure de celui qui devait venir. 14 fa ny fahafatesana nanjaka hatramin'i Adama ka hatramin'i Mosesy, na dia tamin'izay tsy nanota tahaka ny nanotan'i Adama aza, izay tandindon'ilay ho avy.
15 Mais n’en est-il* pas du don de grâce comme de la faute ? car si, par la faute d’un seul, plusieurs** sont morts, beaucoup plutôt la grâce de Dieu et le don ont abondé envers plusieurs**, par la grâce qui est d’un seul homme, Jésus Christ. 15 Nefa tsy tahaka ny fahadisoana ny fanomezam-pahasoavana. Fa raha ny fahadisoan'ny anankiray no nahatonga fahafatesana ho an'ny maro, mainka ny fahasoavan'Andriamanitra sy ny fanomezana amin'ny fahasoavan'ny olona iray, dia Jesosy Kristy, no tonga be ho an'ny maro kosa.
16 Et n’en est-il* pas du don comme [de ce qui est arrivé] par un seul qui a péché ? car le jugement vient** d’un seul en condamnation, — mais le don de grâce, de plusieurs fautes, en justification***. 16 Ary tsy tahaka ny avy amin'ny anankiray izay nanota ny fanomezana; fa noho ny nataon'ny anankiray no nisehoan'ny fitsarana ho fanamelohana, fa noho ny fahadisoana maro kosa no nisehoan'ny fanomezam-pahasoavana ho fanamarinana.
17 Car si, par la faute d’un seul, la mort a régné par un seul, beaucoup plutôt ceux qui reçoivent l’abondance de la grâce et du don de la justice, régneront-ils en vie par un seul, Jésus Christ) ; 17 Fa raha ny fahadisoan'ny olona anankiray no nanjakan'ny fahafatesana noho ny nataon'ny anankiray, mainka izay mahazo ny haben'ny fahasoavana sy ny fanomezan'ny fahamarinana no hanjaka amin'ny fiainana noho ny nataon'ny Anankiray, dia Jesosy Kristy.
18 ainsi donc, comme par une seule faute [les conséquences de cette faute furent] envers tous les hommes en condamnation, ainsi aussi par une seule justice* [les conséquences de cette justice furent] envers tous les hommes en justification de vie. 18 Koa tahaka ny nahatongavan'ny fanamelohana ho an'ny olona rehetra noho ny fahadisoana iray no nahatongavan'ny fanamarinana ho amin'ny fiainana kosa ho an'ny olona rehetra noho ny fahamarinana iray.
19 Car comme par la désobéissance d’un seul homme plusieurs ont été constitués pécheurs, ainsi aussi par l’obéissance d’un seul, plusieurs* seront constitués justes. 19 Fa tahaka ny nanaovana ny maro ho mpanota noho ny tsi-fanarahan'ny olona iray, no hanaovana ny maro ho marina kosa noho ny fanarahan'ny Anankiray.
20 Or [la] loi est intervenue afin que la faute abondât ; mais là où le péché abondait, la grâce a surabondé, 20 Ary ny lalàna dia niditra koa hahabe ny fahadisoana. Nefa teo amin'izay nihabiazan'ny ota no nihoaran'ny fahasoavana be lavitra,
21 afin que, comme le péché a régné par la mort, ainsi aussi la grâce régnât par [la] justice pour [la] vie éternelle par Jésus Christ notre Seigneur. 21 mba ho tahaka ny nanjakan'ny ota tao amin'ny fahafatesana no hanjakan'ny fahasoavana kosa amin'ny fahamarinana ho fiainana mandrakizay amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika.
— v. 12 : la partie doctrinale de l’épître (chap. 1à 8), jusqu’au chapitre 5:11 traite des péchés ; à partir d’ici, elle s’occupe du péché. — v. 13 à 17 : ces versets forment une parenthèse. — v. 14 : comparer Osée 6:7. — v. 15* et 16* : ou : il n’en est. — v. 15** et 19 : les plusieurs, c. à d. la masse en contraste avec la personne en question. — v. 16** : c. à d. était fondé sur une seule chose ou un seul acte, ou en découlait. — v. 16*** : justification, ici : justice judiciaire (verset 18 : justice). — v. 18 : ici, il s’agit de la justice qui subsiste, qui est accomplie, et qui répond à la seule faute.  
Chapitre 6 Chapitre 6
1 Que dirons-nous donc ? Demeurerions-nous dans le péché afin que la grâce abonde ? 1 [Ny fahafahan'ny maro an'i Kristy amin'ny herin'ny ota, ary ny fanamasinana azy] Inona ary no holazaintsika? Mbola hitoetra amin'ny ota ihany va isika hitomboan'ny fahasoavana?
2 — Qu’ainsi n’advienne ! Nous qui sommes morts au péché, comment vivrons-nous encore dans le péché ? 2 Sanatria izany! Hataontsika izay efa maty ny amin'ny ota ahoana no ho velona aminy ihany?
3 — Ignorez-vous que nous tous qui avons été baptisés pour le christ Jésus, nous avons été baptisés pour sa mort ? 3 Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin'i Kristy Jesosy dia natao batisa ho amin'ny fahafatesany?
4 Nous avons donc été ensevelis avec lui par le baptême, pour la mort, afin que comme Christ a été ressuscité d’entre les morts par la gloire du Père, ainsi nous aussi nous marchions en nouveauté de vie. 4 Koa niara-nalevina taminy tamin'ny batisa ho amin'ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an'i Kristy tamin'ny maty tamin'ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin'ny fiainam-baovao.
5 Car si nous avons été identifiés avec lui dans la ressemblance de sa mort, nous le serons donc aussi [dans la ressemblance] de [sa] résurrection ; 5 Fa raha nampiraisina* taminy tamin'ny endriky ny fahafatesany isika, dia ho tahaka izany koa amin'ny fitsanganany; [* Na: niara-nambolena]
6 sachant ceci, que notre vieil homme a été crucifié avec lui, afin que le corps du péché soit annulé, pour que nous ne servions* plus le péché. 6 fa fantatsika fa ny toetsika taloha dia niaraka nohomboana taminy hanimbana ny tenan'ny ota, mba tsy hanompoantsika ny ota intsony.
7 Car celui qui est mort est justifié du péché*. 7 Fa izay efa maty dia afaka amin'ny ota.
8 Or si nous sommes morts avec Christ, nous croyons que nous vivrons aussi avec lui, 8 Ary raha niara-maty tamin'i Kristy isika, dia mino fa hiara-belona aminy koa isika;
9 sachant que Christ, ayant été ressuscité d’entre les morts, ne meurt plus ; la mort ne domine plus sur lui. 9 ary fantatsika fa rehefa nitsangana tamin'ny maty Kristy, dia tsy maty intsony Izy; tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana.
10 Car en ce qu’il est mort, il est mort une fois pour toutes au péché ; mais en ce qu’il vit, il vit à Dieu. 10 Fa ny amin'ny nahafatesany, dia maty ny amin'ny ota indray mandeha Izy; fa ny amin'ny ahavelomany kosa, dia velona ho an'Andriamanitra Izy.
11 De même vous aussi, tenez-vous vous-mêmes pour morts au péché, mais pour vivants à Dieu dans le christ Jésus. 11 Ary aoka ho tahaka izany koa ianareo, ka ny tenanareo dia ataovy ho efa maty ny amin'ny ota, fa velona ho an'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy.
— v. 6 : servir, ici : être esclave, servir comme tel. — v. 7 : justifié du péché, ici, non pas des péchés.  
12 Que le péché donc ne règne point dans votre corps mortel pour que vous obéissiez aux convoitises de celui-ci ; 12 Koa aza avela ny ota hanjaka amin'ny tenanareo mety maty hanarahanareo ny filany;
13 et ne livrez pas vos membres au péché comme instruments d’iniquité*, mais livrez-vous vous-mêmes à Dieu, comme d’entre les morts étant [faits] vivants, — et vos membres à Dieu, comme instruments de justice. 13 ary aza manolotra ny momba ny tenanareo ho amin'ny ota ho fiadian*'ny tsi-fahamarinana; fa atolory ny tenanareo ho an'Andriamanitra, toy ny efa maty nefa velona, ary ny momba ny tenanareo ho fiadian**'ny fahamarinana ho an'Andriamanitra. [* Na: fiasan'] [** Na: fiasan']
14 Car le péché ne dominera pas sur vous, parce que vous n’êtes pas sous [la] loi, mais sous [la] grâce. 14 Fa ny ota tsy hanan-kery aminareo; fa tsy mba ambanin'ny lalàna ianareo, fa ambanin'ny fahasoavana.
— v. 13 : ailleurs : injustice.  
15 Quoi donc ! pécherions-nous, parce que nous ne sommes pas sous [la] loi, mais sous [la] grâce ? — Qu’ainsi n’advienne ! 15 Ahoana ary? hanota va isika, saingy tsy ambanin'ny lalàna, fa ambanin'ny fahasoavana? Sanatria izany!
16 Ne savez-vous pas qu’à quiconque vous vous livrez vous-mêmes comme esclaves pour obéir, vous êtes esclaves de celui à qui vous obéissez, soit du péché pour [la] mort, soit de l’obéissance pour [la] justice. 16 Tsy fantatrareo va fa raha manolo-tena ho mpanompo ianareo na ho an'iza na ho an'iza, dia mpanompon'izay arahinareo ianareo, na ny ota ho amin'ny fahafatesana, na ny fanarahana ho amin'ny fahamarinana?
17 Or grâces à Dieu de ce que vous étiez esclaves du péché, mais de ce que [ensuite] vous avez obéi de cœur à la forme de doctrine dans laquelle vous avez été instruits. 17 Ary isaorana anie Andriamanitra, fa na dia efa mpanompon'ny ota aza ianareo, ny fonareo dia efa nanaraka ny fomban'ny fampianarana izay nanolorana anareo;
18 Mais ayant été affranchis du péché, vous avez été asservis à la justice 18 ary rehefa natao afaka tamin'ny ota ianareo, dia tonga mpanompon'ny fahamarinana.
19 (je parle à la façon des hommes, à cause de l’infirmité de votre chair). Car ainsi que vous avez livré vos membres comme esclaves à l’impureté et à l’iniquité* pour l’iniquité*, ainsi livrez maintenant vos membres comme esclaves à la justice pour la sainteté. 19 Miteny araka ny fanaon'ny olona aho noho ny fahalemen'ny nofonareo; fa tahaka ny nanoloranareo ny momba ny tenanareo ho mpanompon'ny fahalotoana sy ny tsi-fanarahan-dalàna hahatanteraka ny tsi-fanarahan-dalàna, dia mba atolory ankehitriny toy izany koa ny momba ny tenanareo ho mpanompon'ny fahamarinana hahatanteraka ny fahamasinana.
20 Car lorsque vous étiez esclaves du péché, vous étiez libres à l’égard de la justice. 20 Fa fony mpanompon'ny ota ianareo, dia afaka tamin'ny fahamarinana.
21 Quel fruit donc aviez-vous alors des choses dont maintenant vous avez honte ? car la fin de ces choses est la mort. 21 Inona ary no vokatra azonareo fahiny tamin'izay zavatra mahamenatra anareo ankehitriny? fa fahafatesana no hiafaran'izany zavatra izany.
22 — Mais maintenant, ayant été affranchis du péché et asservis à Dieu, vous avez votre fruit dans la sainteté et pour fin la vie éternelle. 22 Fa ankehitriny, rehefa natao afaka tamin'ny ota ianareo ka efa tonga mpanompon'Andriamanitra, dia manana ny vokatrareo ho amin'ny fahamasinana, ary ny farany dia fiainana mandrakizay.
23 Car les gages du péché, c’est la mort ; mais le don de grâce de Dieu, c’est la vie éternelle dans le christ Jésus, notre Seigneur. 23 Fa fahafatesana no tambin'ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika.
— v. 19 : état ou marche sans loi, sans frein.  
Chapitre 7 Chapitre 7
1 Ignorez-vous, frères, (car je parle à gens qui entendent ce que c’est que [la] loi,) que la loi a autorité sur l’homme aussi longtemps qu’il vit ? 1 Tsy fantatrareo, va, ry rahalahy (fa miteny amin'izay mahalala ny lalàna aho), fa ny lalàna dia manapaka ny olona, raha mbola velona izy?
2 Car la femme qui est soumise à un mari, est liée à son mari par [la] loi, tant qu’il vit ; mais si le mari meurt, 2 Fa ny vehivavy izay manambady dia fehezin'ny lalàna ho an'ny lahy, raha mbola velona ny lahy; fa raha maty kosa ny lahy, dia afaka amin'ny lalàn'ny lahy izy.
3 elle est déliée de la loi du mari. Ainsi donc, le mari étant vivant, elle sera appelée adultère si elle est à un autre homme ; mais si le mari meurt, elle est libre de la loi, de sorte qu’elle n’est pas adultère en étant à un autre homme. 3 Koa raha mbola velona ny lahy, ka manambady olon-kafa ravehivavy, dia hatao hoe mpijangajanga izy; fa raha maty kosa ny lahy, dia afaka amin'izany lalàna izany izy ka tsy mba mpijangajanga, na dia manambady olon-kafa aza.
4 C’est pourquoi, mes frères, vous aussi, vous avez été mis à mort à la loi par le corps du Christ, pour être à un autre, à celui qui est ressuscité d’entre les morts, afin que nous portions du fruit pour Dieu. 4 Ary amin'izany ianareo koa, ry rahalahiko, dia efa natao maty ny amin'ny lalàna noho ny tenan'i Kristy, mba ho vadin'ny hafa ianareo, dia Izay natsangana tamin'ny maty, mba hahavokarantsika ho an'Andriamanitra.
5 Car, quand nous étions dans la chair, les passions des péchés, lesquelles sont par la loi, agissaient dans nos membres pour porter du fruit pour la mort ; 5 Fa fony tao amin'ny nofo isika, dia ny filan'ny ota, izay nohetsehin'ny lalàna, no niasa tao amin'ny momba ny tenantsika hahavokatra ho amin'ny fahafatesana.
6 mais maintenant nous avons été déliés de la loi, étant morts dans ce en quoi nous étions tenus, en sorte que nous servions* en nouveauté d’esprit, et non pas en vieillesse de lettre. 6 Fa ankehitriny dia efa afaka tamin'ny lalàna isika, satria maty ny amin'izay nihazonana antsika, ka dia manompo amin'ny havaozam-panahy isika, fa tsy amin'ny hahelan-tsoratra.
— v. 6 : servir, ici : être esclave, servir comme tel ; comme en 6:6 et 7:25.  
7 Que dirons-nous donc ? La loi est-elle péché ? — Qu’ainsi n’advienne ! Mais je n’eusse pas connu le péché, si ce n’eût été par [la] loi ; car je n’eusse pas eu conscience de la convoitise, si la loi n’eût dit : «Tu ne convoiteras point» [Exode 20:17]. 7 Inona ary no holazaintsika? Ota va ny lalàna? Sanatria izany! Kanefa tsy nahalala ny ota aho, raha tsy tamin'ny lalàna, satria tsy fantatro akory ny fitsiriritana, raha tsy ny lalàna no nanao hoe: Aza mitsiriritra (Eks. 20. 17).
8 Mais le péché, ayant trouvé une occasion par le commandement, a produit en moi toutes les convoitises, car sans [la] loi [le] péché est mort. 8 Fa io didy io dia nentin'ny ota nampihetsika ny fitsiriritana rehetra tato anatiko; fa maty ny ota, raha tsy misy lalàna.
9 Or moi, étant autrefois sans loi, je vivais ; mais le commandement étant venu, le péché a repris vie, et moi je mourus ; 9 Ary izaho dia velona tsy nanan-dalàna fahiny; fa rehefa tonga kosa ny didy, dia velona indray ny ota, ka dia maty aho.
10 et le commandement qui était pour la vie, a été trouvé lui-même pour moi pour la mort. 10 Ary ny didy izay natao hahazoana fiainana, dia hitako fa nahatonga fahafatesana tamiko kosa.
11 Car le péché, ayant trouvé une occasion par le commandement, me séduisit, et par lui me tua. 11 Fa io didy io dia nentin'ny ota namitaka sy nahafaty ahy.
   
12 La loi donc est sainte, et le commandement est saint, et juste, et bon. 12 Ka dia masina tokoa ny lalàna, ary masina ny didy sady marina no tsara.
13 Ce qui est bon est-il donc devenu pour moi [la] mort ? — Qu’ainsi n’advienne ! Mais le péché, afin qu’il parût péché, m’a causé la mort par ce qui est bon, afin que le péché devînt par le commandement excessivement pécheur. 13 Koa ny tsara va no nahafaty ahy? Sanatria izany! Fa ny ota no nahafaty ahy, mba hiseho ho ota; fa ny tsara no nentiny nahafaty ahy, mba ho tonga ota indrindra ny ota noho ny nataon'ny lalàna.
14 Car nous savons que la loi est spirituelle : mais moi je suis charnel*, vendu au péché** ; 14 Fa fantatsika fa araka ny fanahy ny lalàna; fa izaho kosa nofo, namidy ho andevon'ny ota.
15 car ce que je fais*, je ne le reconnais pas, car ce n’est pas ce que je veux, que je fais, mais ce que je hais, je le pratique. 15 Fa izay ataoko dia tsy fantatro; fa tsy izay sitrako no ataoko; fa izay halako no ataoko.
16 Or si c’est ce que je ne veux pas que je pratique, j’approuve la loi, [reconnaissant] qu’elle est bonne. 16 Fa raha manao ny tsy sitrako aho, dia manaiky fa tsara ny lalàna.
17 Or maintenant, ce n’est plus moi qui fais* cela, mais c’est le péché qui habite en moi. 17 Ary amin'izany tsy izaho intsony no manao izany, fa ny ota izay mitoetra ato anatiko.
18 Car je sais qu’en moi, c’est-à-dire en ma chair, il n’habite point de bien ; car le vouloir est avec moi, mais accomplir le bien, [cela] je ne le trouve pas. 18 Fa fantatro fa tsy misy zavatra tsara mitoetra ato amiko, dia ato amin'ny nofoko; fa ato anatiko ihany ny fikasana, saingy ny hahatanteraka ny tsara no tsy ato.
19 Car le bien que je veux, je ne le pratique pas ; mais le mal que je ne veux pas, je le fais. 19 Fa tsy ny tsara izay sitrako no ataoko; fa ny ratsy izay tsy sitrako no ataoko.
20 Or si ce que je ne veux pas, moi, — je le pratique, ce n’est plus moi qui l’accomplis, mais c’est le péché qui habite en moi. 20 Fa raha ny tsy sitrako no ataoko, dia tsy izaho intsony no manao izany, fa ny ota izay mitoetra ato amiko.
21 Je trouve donc cette loi pour moi qui veux pratiquer le bien, que le mal est avec moi. 21 Koa hitako izao lalàna izao: raha ta-hanao ny marina aho*, dia ato amiko ihany ny ratsy. [* Na: koa hitako fa raha ta-hanaraka ny lalàna aho hanaovako ny marina]
22 Car je prends plaisir à la loi de Dieu selon l’homme intérieur ; 22 Fa mankasitraka ny lalàn'Andriamanitra aho araka ny toetra anaty;
23 mais je vois dans mes membres une autre loi qui combat contre la loi de mon entendement et qui me rend captif de la loi du péché qui existe dans mes membres. 23 nefa mahita lalàna hafa amin'ny momba ny tenako aho, miady amin'ny lalàn'ny saiko ka mamabo ahy ho an'ny lalàn'ny ota izay ao amin'ny momba ny tenako.
24 Misérable homme que je suis, qui me délivrera de ce corps de mort* ? 24 Indrisy! olo-mahantra aho! Iza no hanafaka ahy amin'ny tenan'ity fahafatesana ity?
25 Je rends grâces à Dieu par Jésus Christ notre Seigneur. Ainsi donc moi-même, de l’entendement je sers* la loi de Dieu ; mais de la chair, la loi du péché. 25 Misaotra an'Andriamanitra aho amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika. Koa raha ny amiko, dia mankatò ny lalàn'Andriamanitra aho amin'ny saiko, fa ny lalàn'ny ota kosa amin'ny nofoko.
— v. 14* : ailleurs : de chair. — v. 14** : litt.: vendu sous le péché. — v. 15, 17 : faire, ici, opérer, effectuer ; au verset 8 : produire, et au verset 13 : causer. — v. 24 : ou : du corps de cette mort. — v. 25 : servir, ici : être esclave, servir comme tel, comme en 6:6 et 7:6.  
Chapitre 8 Chapitre 8
1 Il n’y a donc maintenant aucune condamnation pour ceux qui sont dans le christ Jésus ; 1 [Ny famonjen'i Kristy ny mino Azy, izay miantomboka amin'izao fiainana izao ary mbola hotanterahina ho mandrakizay] Ary amin'izany dia tsy misy fanamelohana ho an'izay ao amin'i Kristy Jesosy.
2 car la loi de l’Esprit de vie dans le christ Jésus, m’a affranchi de la loi du péché et de la mort ; 2 Fa ao amin'i Kristy Jesosy ny lalàn'ny Fanahin'aina no nahafaka ahy tamin'ny lalàn'ny fahotana sy ny fahafatesana.
3 car ce qui était impossible à la loi, en ce qu’elle était faible par la chair, Dieu, ayant envoyé son propre Fils en ressemblance de chair de péché, et pour [le] péché, a condamné le péché dans la chair, 3 Fa izay tsy hain'ny lalàna, satria ny nofo no nahalemy azy, dia vitan'Andriamanitra tamin'izy naniraka ny Zanany, naka ny endriky ny nofo ota sy ny amin'ny ota, ka nanameloka ny ota tao amin'ny nofo,
4 afin que la juste exigence de la loi fût accomplie en nous, qui ne marchons pas selon [la] chair, mais selon [l’]Esprit. 4 mba hahatanteraka ny fahamarinana ilain'ny lalàna amintsika, izay tsy mandeha araka ny nofo, fa araka ny Fanahy.
5 Car ceux qui sont selon [la] chair ont leurs pensées aux choses de la chair ; mais ceux qui sont selon [l’]Esprit, aux choses de l’Esprit ; 5 Fa izay araka ny nofo dia mihevitra izay zavatry ny nofo; fa izay araka ny Fanahy kosa mihevitra izay zavatry ny Fanahy.
6 car la pensée de la chair est [la] mort ; mais la pensée de l’Esprit, vie et paix ; 6 Fa ny fihevitry ny nofo dia fahafatesana; fa ny fihevitry ny Fanahy kosa fiainana, sy fiadanana
7 — parce que la pensée de la chair est inimitié contre Dieu, car elle ne se soumet pas à la loi de Dieu, car aussi elle ne le peut pas. 7 satria fandrafiana an'Andriamanitra ny fihevitry ny nofo; fa tsy manaiky ny lalàn'Andriamanitra, sady tsy hainy akory izany.
8 Et ceux qui sont dans la chair ne peuvent plaire à Dieu. 8 Ary izay ao amin'ny nofo dia tsy mahay manao ny sitrapon'Andriamanitra.
9 Or vous n’êtes pas dans [la] chair, mais dans [l’]Esprit*, si du moins [l’]Esprit de Dieu habite en vous ; mais si quelqu’un n’a pas [l’]Esprit de Christ, celui-là n’est pas de lui. 9 Fa ianareo tsy ao amin'ny nofo, fa ao amin'ny Fanahy, raha ny Fanahin'Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo. Fa raha misy kosa tsy manana ny Fanahin'i Kristy, dia tsy Azy izy.
10 Mais si Christ est en vous, le corps est bien mort à cause du péché, mais l’Esprit est vie à cause de [la] justice. 10 Fa raha Kristy no mitoetra ao anatinareo, na dia maty ihany aza ny tena noho ny ota*, dia fiainana kosa ny fanahy noho ny fanamarinana. [*Na: na dia maty ny tena noho ny ota, fa]
11 Et si l’Esprit de celui qui a ressuscité Jésus d’entre les morts habite en vous, celui qui a ressuscité le Christ d’entre les morts vivifiera vos corps mortels aussi, à cause de son Esprit qui habite en vous. 11 Ary raha ny Fanahin'izay nanangana an'i Jesosy tamin'ny maty no mitoetra ao anatinareo, dia Izay nanangana an'i Kristy Jesosy tamin'ny maty no hamelona ny tenanareo mety maty amin'ny Fanahiny, Izay mitoetra ao anatinareo.
— v. 9 : l’Esprit lui-même, et l’état du croyant sont souvent trop intimement liés dans ces versets 1 à 11, pour faire la différence entre Esprit et esprit, et les séparer l’un de l’autre ; voir aussi verset 15, et la note à 1:4.  
12 Ainsi donc, frères, nous sommes débiteurs, non pas à la chair pour vivre selon [la] chair ; 12 Ary amin'izany, ry rahalahy, dia mpitrosa isika - tsy amin'ny nofo anefa, ka ho velona araka ny nofo.
13 car si vous vivez selon [la] chair, vous mourrez ; mais si par [l’]Esprit vous faites mourir les actions du corps, vous vivrez. 13 Fa raha velona araka ny nofo ianareo, dia tsy maintsy maty; fa raha ny Fanahy no amonoanareo ny asan'ny tena dia ho velona ianareo.
14 Car tous ceux qui sont conduits par [l’]Esprit de Dieu, ceux-là sont fils de Dieu. 14 Fa izay tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra no zanak'Andriamanitra.
15 Car vous n’avez pas reçu un esprit de servitude pour être de nouveau dans la crainte, mais vous avez reçu [l’]Esprit* d’adoption, par lequel nous crions : Abba**, Père ! 15 Fa tsy nandray ny fanahim-pahandevozana ho amin'ny tahotra indray ianareo, fa nandray ny fanahin'ny zanaka natsangana, izay iantsoantsika hoe: Aba, Ray ô.
16 L’Esprit lui-même rend témoignage avec notre esprit, que nous sommes enfants de Dieu ; 16 Ny Fanahy dia miara-milaza amin'ny fanahintsika fa zanak'Andriamanitra isika.
17 et si [nous sommes] enfants, [nous sommes] aussi héritiers ; héritiers de Dieu, cohéritiers de Christ ; si du moins nous souffrons avec lui, afin que nous soyons aussi glorifiés avec lui. 17 Ary raha zanaka, dia mpandova; eny, sady mpandova an'Andriamanitra no mpiray lova amin'i Kristy koa, raha miara-miaritra aminy isika mba hiara-manam-boninahitra aminy koa.
— v. 15* : ou : un esprit. — v. 15** : voir Marc 14:36 ; Galates 4:6.  
18 Car j’estime que les souffrances du temps présent ne sont pas dignes [d’être comparées] avec la gloire à venir qui doit nous* être révélée. 18 Fa ataoko fa ny fahoriana amin'izao andro ankehitriny izao dia tsy tokony hoharina amin'ny voninahitra izay haseho amintsika.
19 Car la vive* attente de la création attend la révélation des fils de Dieu. 19 Fa izao zavatra ary rehetra izao dia samy maniry fatratra ka miandry ny fampisehoana ireo zanak'Andriamanitra;
20 Car la création a été assujettie à la vanité (non de sa volonté, mais à cause de celui qui l’a assujettie), 20 fa izao zavatra ary rehetra izao dia nampanekena ho zava-poana, nefa tsy noho ny sitrapony, fa noho Izay nampanaiky azy,
21 dans l’espérance que la création elle-même aussi sera affranchie de la servitude de la corruption, pour [jouir de] la liberté de la gloire des enfants de Dieu. 21 sady nahazo fanantenana koa fa* izao zavatra ary rehetra izao aza dia hovotsorana amin'ny fahandevozana, dia ny fahalòvana, ho amin'ny fahafahana izay momba ny voninahitr'ireo zanak'Andriamanitra. [* Na: satria]
22 Car nous savons que toute la création ensemble soupire et est en travail jusqu’à maintenant ; 22 Fa fantatsika fa izao zavatra ary rehetra izao dia miara-misento sy miara-marary toy izay efa hiteraka mandraka ankehitriny;
23 et non seulement [elle], mais nous-mêmes aussi qui avons les prémices de l’Esprit, nous aussi, nous soupirons en nous-mêmes, attendant l’adoption, la délivrance* de notre corps. 23 ary tsy izany ihany, fa isika koa, na dia manana ny voaloham-bokatry ny Fanahy aza, isika aza dia misento ato anatintsika, miandry ny fananganan'anaka, dia ny fanavotana ny tenantsika.
24 Car nous avons été sauvés en espérance : or une espérance qu’on voit n’est pas une espérance ; car ce que quelqu’un voit, pourquoi aussi l’espère-t-il ? 24 Fa ny fanantenana no namonjena antsika; nefa ny fanantenana hita dia tsy mba fanantenana intsony; fa ahoana no mbola anantenan'ny olona izay efa hitany?
25 Mais si ce que nous ne voyons pas, nous l’espérons, nous l’attendons avec patience. 25 Fa raha isika manantena izay tsy mbola hitantsika, dia miandry amin'ny faharetana.
26 De même aussi l’Esprit nous est en aide dans notre infirmité* ; car nous ne savons pas ce qu’il faut demander comme il convient ; mais l’Esprit lui-même intercède par des soupirs inexprimables ; 26 Ary toy izany koa, ny Fanahy no mamonjy ny fahalementsika: fa tsy fantatsika izay vavaka tokony hataontsika; fa ny Fanahy no mifona amin'ny fitarainana tsy azo tononina.
27 — et celui qui sonde les cœurs sait quelle est la pensée de l’Esprit, car il intercède pour les saints, selon Dieu ; 27 Ary Izay mandinika ny fo no mahalala izay hevitry ny Fanahy, satria araka an'Andriamanitra ny fifonany ho an'ny olona masina.
28 — mais nous savons* que toutes choses travaillent ensemble pour le bien de ceux qui aiment Dieu, de ceux qui sont appelés selon [son] propos. 28 Ary fantatsika fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an'Andriamanitra, dia izay voantso araka ny fikasany rahateo.
29 Car ceux qu’il a préconnus, il les a aussi prédestinés à être conformes à l’image de son Fils, pour qu’il soit premier-né entre plusieurs frères. 29 satria izay fantany rahateo no notendreny koa hitovy endrika amin'ny Zanany, mba ho Lahimatoa amin'ny rahalahy maro Izy.
30 Et ceux qu’il a prédestinés, il les a aussi appelés ; et ceux qu’il a appelés, il les a aussi justifiés ; et ceux qu’il a justifiés, il les a aussi glorifiés. 30 Ary izay notendreny no nantsoiny koa; ary izay nantsoiny no nohamarininy koa; ary izay nohamarininy no nomeny voninahitra koa.
— v. 18 : ou : pour nous, ou : à notre profit. — v. 19 : constante. — v. 23 : avec l’idée qu’un prix a été payé ; ailleurs : rédemption. — v. 26 : ou : faiblesse. — v. 28 : se rattache au «ne savons pas» du verset 26.  
31 Que dirons-nous donc à ces choses ? Si Dieu est pour nous qui sera contre nous ? 31 Inona ary no holazaintsika ny amin'izany zavatra izany? Raha Andriamanitra momba antsika, iza no hahatohitra antsika?
32 Celui même qui n’a pas épargné son propre Fils, mais qui l’a livré pour nous tous, comment ne nous fera-t-il pas don aussi, librement, de toutes choses avec lui ? 32 Izay tsy niaro ny Zanani-lahy, fa natolony hamonjy antsika rehetra Izy, tsy homeny antsika miaraka aminy maimaimpoana koa va ny zavatra rehetra?
33 Qui intentera accusation contre des élus de Dieu ? 33 Iza no hiampanga ny olom-boafidin'Andriamanitra? Andriamanitra no manamarina azy.
— C’est Dieu qui justifie ; (34) qui est celui qui condamne ? 34 Iza no manameloka? Kristy Jesosy no efa maty, eny, sady nitsangana tamin'ny maty koa ka mitoetra eo amin'ny tanana ankavanan'Andriamanitra ary mifona ho antsika.
— C’est Christ qui est mort, mais plutôt qui est aussi ressuscité, qui est aussi à la droite de Dieu, qui aussi intercède pour nous ; (35) qui est-ce qui nous séparera de l’amour du Christ ? Tribulation, ou détresse, ou persécution, ou famine, ou nudité, ou péril, ou épée ? 35 Iza no hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'i Kristy? Fahoriana va, sa fahantrana, sa fanenjehana, sa mosary, sa fitanjahana, sa loza, sa sabatra?
36 Selon qu’il est écrit : «Pour l’amour de toi, nous sommes mis à mort tout le jour ; nous avons été estimés comme des brebis de tuerie» [Psaume 44:22]. 36 Araka ny voasoratra hoe: Fa noho ny aminao no namonoana anay mandrakariva; Toy ny ondry hovonoina no fijery anay (Sal. 44. 22).
37 Au contraire, dans toutes ces choses, nous sommes plus que vainqueurs par celui qui nous a aimés. 37 Kanefa amin'izany rehetra izany dia manoatra noho ny mpandresy isika amin'ny alalan'ilay tia antsika.
38 Car je suis assuré que ni mort, ni vie, ni anges, ni principautés, ni choses présentes, ni choses à venir, ni puissances, 38 Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery,
39 ni hauteur, ni profondeur, ni aucune autre créature, ne pourra nous séparer de l’amour de Dieu, qui est dans le christ Jésus, notre Seigneur. 39 na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin'izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'Andriamanitra izay ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika.
Chapitre 9 Chapitre 9
1 Je dis la vérité en Christ ; je ne mens point, ma conscience me rendant témoignage par l’Esprit Saint, 1 [Ny amin'ny nandavan'Andriamanitra ny Jiosy] Milaza ny marina ao amin'i Kristy aho, fa tsy mandainga, sady miara-milaza amiko ao amin'ny Fanahy Masina koa ny fieritreretako,
2 que j’ai une grande tristesse et une douleur continuelle dans mon cœur ; 2 fa mafy ny alaheloko, ka tsy mety mitsahatra ny fahorian'ny foko.
3 car moi-même j’ai souhaité d’être [par] anathème [séparé] du Christ, pour mes frères, mes parents selon la chair, 3 Fa efa saiky niriko aza ho voaozona* ho afaka tamin'i Kristy ny tenako mba hahavonjeko ny rahalahiko, havako araka ny nofo, [* Gr. anatema]
4 qui sont Israélites, auxquels sont l’adoption, et la gloire, et les alliances, et le don* de la loi, et le service [divin], et les promesses ; 4 izay Isiraelita sady manana ny fananganan'anaka sy ny voninahitra sy ny fanekena sy ny fanomezana ny lalàna sy ny fombam-pivavahana ary ny teny fikasana;
5 auxquels sont les pères, et desquels, selon la chair, est [issu] le Christ, qui est sur toutes choses Dieu béni éternellement*. Amen ! 5 azy koa ny razana, sady avy taminy araka ny nofo Kristy, Izay ambonin'izy rehetra, Andriamanitra isaorana mandrakizay*. Amena. [* Na: Avy taminy araky ny nofo Kristy. Isaorana mandrakizay anie Andriamanitra, Izay ambonin'izy rehetra]
6 — Ce n’est pas cependant comme si la parole de Dieu avait été sans effet*, car tous ceux qui sont [issus] d’Israël ne sont pas Israël ; 6 Kanefa tsy lazaiko fa foana ny tenin'Andriamanitra tsy akory. Fa tsy izay rehetra avy amin'ny Isiraely no Isiraely.
7 aussi, pour être [la] semence d’Abraham, ils ne sont pas tous enfants ; mais «en Isaac te sera appelée [une] semence» [Genèse 21:12] ; 7 Ary na dia taranak'i Abrahama aza ireo, tsy dia ary zanany avokoa; fa avy amin'isaka no hantsoina izay taranaka ho anao (Gen. 21. 12).
8 c’est-à-dire, ce ne sont pas les enfants de la chair qui sont enfants de Dieu ; mais les enfants de la promesse sont comptés pour semence. 8 Izany hoe: Tsy ny zanaky ny nofo no zanak'Andriamanitra; fa ny zanaky ny teny fikasana no isaina ho taranaka.
9 Car cette parole est [une parole] de promesse : «En cette saison-ci, je viendrai, et Sara aura un fils» [Genèse 18:10]. 9 Fa izao no filàzan'ny teny fikasana: Raha avy ny taona toy izao, dia ho avy Aho, ary hanana zazalahy Saraha (Gen. 18. 10).
10 Et non seulement [cela], mais aussi quant à Rebecca, lorsqu’elle conçut d’un, d’Isaac, notre père, 10 Ary tsy izany ihany, fa Rebeka koa dia nanan'anaka tamin'ny anankiray, dia tamin'isaka razantsika;
11 (car avant que les enfants fussent nés et qu’ils eussent rien fait de bon ou de mauvais, afin que le propos de Dieu selon l’élection demeurât, non point sur le principe des œuvres, mais de celui qui appelle,) 11 fa raha tsy mbola teraka ireo, ary tsy mbola nanao tsara na ratsy (mba hitoeran'ny fikasan'Andriamanitra araka ny fifidianana, tsy avy amin'ny asa, fa avy amin'izay miantso),
12 il lui fut dit : «Le plus grand sera asservi au plus petit» [Genèse 25:23] ; 12 dia nolazaina tamin-dravehivavy hoe: Ny zokiny hanompo ny zandriny (Gen. 25. 23);
13 ainsi qu’il est écrit : «J’ai aimé Jacob, et j’ai haï Ésaü» [Malachie 1:2-3]. 13 araka ny voasoratra hoe: Jakoba no tiako, fa Esao no halako (Mal. 1. 2, 3).
— v. 4 : le privilège d’avoir reçu la loi. — v. 5 : litt.: pour les siècles. — v. 6 : litt.: était tombée.  
14 Que dirons-nous donc ? Y a-t-il de l’injustice en Dieu ? Qu’ainsi n’advienne ! 14 Ahoana ary no holazaintsika? Misy tsi-fahamarinana va amin'Andriamanitra? Sanatria izany!
15 Car il dit à Moïse : «Je ferai miséricorde à celui à qui je fais miséricorde, et j’aurai compassion de qui j’ai compassion» [Exode 33:19]. 15 Fa hoy Izy tamin'i Mosesy: Izaho hiantra izay hiantrako, ary hamindra fo amin'izay hamindrako fo (Eks. 33. 19).
16 Ainsi donc ce n’est pas de celui qui veut, ni de celui qui court, mais de Dieu qui fait miséricorde. 16 Koa dia tsy avy amin'izay maniry na amin'izay mihazakazaka izany, fa avy amin'Andriamanitra Izay miantra.
17 Car l’écriture dit au Pharaon : «C’est pour cela même que je t’ai suscité*, pour montrer en toi ma puissance, et pour que mon nom soit publié dans toute la terre» [Exode 9:16]. 17 Fa hoy ny Soratra Masina tamin'i Farao: Izany no nanandratako anao, mba ho entiko mampiseho ny heriko, ary mba hanambarana ny anarako any amin'ny tany rehetra (Eks. 9. 16).
18 Ainsi donc il fait miséricorde à qui il veut, et il endurcit qui il veut. 18 Koa izay tiany hamindrana fo no amindrany fo, ary izay tiany hohamafìna fo no hamafiny fo.
— v. 17 : litt.: suscité d’entre [les hommes].  
19 Tu me diras donc : Pourquoi se plaint-il encore ? car qui est-ce qui a résisté à sa volonté ? 19 Hianao ary dia hanao amiko hoe: Koa nahoana Izy no manome tsiny ihany? Fa iza no manohitra ny sitrapony?
20 Mais plutôt, toi, ô homme, qui es-tu, qui contestes contre Dieu ? La chose formée dira-t-elle à celui qui l’a formée : Pourquoi m’as-tu ainsi faite ? 20 Tsia, ralehilahy, fa iza moa ianao, no mamaly an'Andriamanitra? Izay zavatra noforonina va hanao amin'izay namorona azy hoe: Nahoana Hianao no nanao ahy toy izao?
21 Le potier n’a-t-il pas pouvoir sur l’argile pour faire de la même masse un vase à honneur et un autre à déshonneur ? 21 Ny mpanefy vilany va tsy manam-pahefana amin'ny tanimanga, ka ny vongany iray ihany no anaovany zavatra samy hafa, ny iray hohajaina, ary ny iray hatao tsinontsinona?
22 Et si Dieu, voulant montrer sa colère et faire connaître sa puissance*, a supporté avec une grande patience des vases de colère tout préparés pour la destruction ; 22 Sa ahoana kosa raha Andriamanitra, na dia ta-haneho ny fahatezerany sy hampahafantatra ny heriny aza, dia be fahari-po ka nandefitra tamin'izay fanaky ny fahatezerana voavoatra hosimbana,
23 — et afin de faire connaître les richesses de sa gloire dans des vases de miséricorde qu’il a préparés d’avance pour la gloire… ? 23 mba hampahafantarina koa ny haren'ny voninahiny amin'izay fanaky ny famindram-po, izay namboariny rahateo hahazo voninahitra,
24 lesquels aussi il a appelés, [savoir] nous, non seulement d’entre les Juifs, mais aussi d’entre les nations : 24 dia isika izay nantsoiny koa, tsy ny avy amin'ny Jiosy ihany, fa ny avy amin'ny jentilisa koa,
25 comme aussi il dit en Osée : «J’appellerai mon peuple celui qui n’était pas mon peuple, et bien-aimée celle qui n’était pas bien-aimée» [Osée 2:23] ; 25 araka izay lazainy eo amin'i Hosea hoe: Hiantso ny tsy oloko hoe oloko Aho; Ary ilay tsy malala hoe malala (Hos. 2. 25);
26 «et il arrivera que dans le lieu où il leur a été dit : Vous n’êtes pas mon peuple, là ils seront appelés fils du Dieu vivant» [Osée 1:10]. 26 Ary any amin'ny tany izay nilazana taminy hoe: Tsy oloko ianareo, Dia any no hiantsoana azy hoe zanak'Andriamanitra velona (Hos. 2. 1).
27 Mais Ésaïe s’écrie au sujet d’Israël : «Quand le nombre des fils d’Israël serait comme le sable de la mer, le résidu [seul] sera sauvé. 27 Ary Isaia milaza ny amin'ny Isiraely hoe: Na dia toy ny fasika any amin'ny ranomasina aza ny isan'ny Zanak'isiraely, dia izay sisa ihany no hovonjena;
28 Car il consomme et abrège l’affaire en justice, parce que le *Seigneur fera une affaire abrégée sur la terre» [Ésaïe 10:22-23]. 28 fa amin'ny fahatanterahana faingana no hanefan'i Jehovah ny teniny ambonin'ny tany (Isa. 10. 22, 23);
29 Et comme Ésaïe a dit auparavant : «Si le Seigneur Sabaoth* ne nous avait laissé [quelque] semence, nous serions devenus comme Sodome et nous aurions été semblables à Gomorrhe» [Ésaïe 1:9]. 29 ary araka izay nolazain'Isaia fahiny hoe: Raha tsy Jehovah, Tompon'ny maro, no namela taranaka ho antsika, Dia efa tonga tahaka an'i Sodoma sy tonga tahaka an'i Gomora isika (Isa. 1. 9).
— v. 22 : ou : ce qu’il peut. — v. 29 : autrement dit : Jéhovah des armées = l’Éternel des armées.  
30 Que dirons-nous donc ? Que les nations qui ne poursuivaient pas [la] justice, ont trouvé [la] justice, [la] justice qui est sur le principe de [la] foi. 30 Ahoana ary no holazaintsika? Ny jentilisa, izay tsy nitady fahamarinana, no nahazo fahamarinana, nefa fahamarinana izay avy amin'ny finoana?
31 Mais Israël, poursuivant une loi de justice, n’est point parvenu à [cette] loi. 31 fa ny Isiraely, izay nitady lalàn'ny fahamarinana kosa, dia tsy nahatratra izany lalàna izany.
32 Pourquoi ? — Parce que ce n’a point été sur le principe de la foi, mais comme sur le principe des œuvres : car ils ont heurté contre la pierre d’achoppement, selon qu’il est écrit : 32 Nahoana moa? Satria tsy tamin'ny finoana, fa toa tamin'ny asa, ka tafintohina tamin'ny vato mahatafintohina izy;
33 «Voici, je mets en Sion une pierre d’achoppement, et un rocher de chute», et «celui qui croit en lui ne sera pas confus» [Ésaïe 8:14 ; 28:16*]. 33 araka ny voasoratra hoe: Indro Aho mametraka vato mahatafintohina sy vatolampy mahasolafaka ao Ziona; Ary izay mino Azy tsy ho menatra (Isa. 8. 14; 28. 16).
— v. 33 : citation d’après la version grecque des Septante, comme aussi 10:11, et souvent ailleurs.  
Chapitre 10 Chapitre 10
1 Frères, le souhait* de mon cœur, et la supplication [que j’adresse] à Dieu pour eux, c’est qu’ils soient sauvés. 1 Ry rahalahy, ny irin'ny foko sy ny angatahiko amin'Andriamanitra ho an'ireny dia famonjena.
2 Car je leur rends témoignage qu’ils ont du zèle pour Dieu, mais non selon la connaissance. 2 Fa vavolombelon'ireny aho fa mazoto ho an'Andriamanitra izy, saingy tsy araka ny fahalalana.
3 Car, ignorant la justice de Dieu et cherchant à établir leur propre justice, ils ne se sont pas soumis à la justice de Dieu. 3 Fa satria tsy nahalala ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra izy ka nitady hanamarina ny tenany, dia tsy nanaiky ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra.
4 Car Christ est [la] fin de [la] loi pour justice à tout croyant. 4 Fa Kristy no faran'ny lalàna ho fahamarinana ho an'izay rehetra mino.
— v. 1 : ou : bon plaisir.  
5 Car Moïse décrit la justice qui vient de la loi : «L’homme qui aura pratiqué ces choses vivra par* elles» [Lévitique 18:5]. 5 Fa Mosesy nanoratra milaza fa izay olona manao ny fahamarinana avy amin'ny lalàna no ho velona amin'izany (Lev. 18. 5).
6 Mais la justice qui est sur le principe de la foi parle ainsi : Ne dis pas en ton cœur : «Qui montera au ciel ?» — c’est à savoir pour en faire descendre Christ ; 6 Fa ny fahamarinana izay avy amin'ny finoana kosa manao hoe: Aza milaza ao am-ponao hoe; Iza no hiakatra any an-danitra? (dia ny hampidina an'i Kristy izany,)
7 ou : «Qui descendra dans l’abîme ?» — c’est à savoir pour faire monter Christ d’entre les morts. 7 na: Iza no hidina any amin'ny lalina? (dia ny hampiakatra an'i Kristy avy any amin'ny maty izany.)
8 Mais que dit-elle ? «La parole est près de toi, dans ta bouche et dans ton cœur» [Deutéronome 30:12-14], c’est-à-dire la parole de la foi, laquelle nous prêchons, [savoir] que, 8 Fa ahoana no lazainy? Eo akaikinao ny teny, dia eo am-bavanao sy ao am-ponao (Deo. 30. 12-14), dia ny teny ny amin'ny finoana, izay torinay;
9 si tu confesses de ta bouche Jésus comme Seigneur* et que tu croies dans ton cœur que Dieu l’a ressuscité d’entre les morts, tu seras sauvé. 9 satria raha manaiky an'i Jesosy ho Tompo amin'ny vavanao ianao ary mino amin'ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin'ny maty, dia hovonjena ianao.
10 Car du cœur on croit à justice, et de la bouche on fait confession à salut. 10 Fa amin'ny fo no inoana hahazoana fahamarinana, ary amin'ny vava no anekena hahazoana famonjena.
11 Car l’écriture dit : «Quiconque croit en lui ne sera pas confus» [Ésaïe 28:16]. 11 Fa hoy ny Soratra Masina: Tsy ho menatra izay rehetra mino Azy (Isa. 28. 16).
12 Car il n’y a pas de différence* de Juif et de Grec, car le même Seigneur de tous est riche envers tous ceux qui l’invoquent ; 12 Fa tsy misy hafa, na Jiosy na jentilisa*, fa iray ihany no Tompon'izy rehetra, sady manan-karena homeny izay rehetra miantso Ary Izy. [*Gr. Grika]
13 «car quiconque invoquera le nom du *Seigneur sera sauvé» [Joël 2:32]. 13 Fa izay rehetra miantso ny anaran'ny Tompo no hovonjena (Joe. 3. 5).
— v. 5 : par, en, en vertu de. — v. 9 : ou : le seigneur Jésus. — v. 12 : voir 3:22.  
14 Comment donc invoqueront-ils celui en qui ils n’ont point cru ? Et comment croiront-ils en celui dont ils n’ont point entendu parler ? Et comment entendront-ils sans quelqu’un qui prêche ? 14 Hataony ahoana ary no fiantso izay tsy ninoany? Ary hataony ahoana no fino izay Olona tsy reny? Ary hataony ahoana no fandre raha tsy misy mpitory?
15 Et comment prêcheront-ils, à moins qu’ils ne soient envoyés ? selon qu’il est écrit : «Combien sont beaux les pieds de ceux qui annoncent* la paix, de ceux qui annoncent* de bonnes choses» [Ésaïe 52:7]. 15 Ary hataony ahoana no fitory, raha tsy nirahina? araka ny voasoratra hoe: Akory ny hatsaran'ny tongotr'iry mitondra teny soa mahafaly! (Isa. 52. 7).
16 Mais tous n’ont pas obéi à l’évangile ; car Ésaïe dit : «*Seigneur, qui est-ce qui a cru à ce qu’il a entendu de nous ?» [Ésaïe 53:1]. 16 Nefa tsy izy rehetra no nanaiky ny teny soa mahafaly*. Fa hoy Isaia: Jehovah ô, iza no nino ny teny nampitondraina anay? (Isa. 53. 1.)
17 Ainsi la foi est de ce qu’on entend, et ce qu’on entend par la parole de Dieu. 17 Koa ny finoana dia avy amin'ny tori-teny, ary ny tori-teny kosa avy amin'ny tenin'i Kristy.
18 Mais je dis : N’ont-ils pas entendu ? Oui, certes, «leur voix est allée par toute la terre, et leurs paroles jusqu’aux extrémités de la terre habitée» [Psaume 19:4]. 18 Fa hoy izaho: Sao tsy nahare izy? Tsia; fa Efa nivoaka ho any amin'ny tany rehetra ny feony, Ary izay mino Ary tsy ho menatra, Ary ny teniny hatramin'ny faran'izao rehetra izao (Sal. 19. 4). [* Na: filazantsar[* Na: filazantsara]
19 Mais je dis : Israël n’a-t-il pas connu ? Moïse, le premier, dit : «Je vous exciterai à la jalousie par* ce qui n’est pas une nation ; je vous provoquerai à la colère par* une nation sans intelligence» [Deutéronome 32:21]. 19 Fa hoy izaho: Sao tsy nahalala ny Isiraely? Voalohany, Mosesy manao hoe: Izaho hampialona anareo amin'izay tsy firenena, Dia amin'ny firenena adala no hampahasosorako anareo (Deo. 32. 21).
20 Mais Ésaïe s’enhardit tout à fait, et dit : «J’ai été trouvé de ceux qui ne me cherchaient point, et j’ai été manifesté à ceux qui ne s’enquéraient point de moi» [Ésaïe 65:1]. 20 Fa sahy mihitsy Isaia ka manao hoe: Hitan'izay tsy nitady Ahy Aho, Ary niseho tamin'izay tsy nanontany Ahy.
21 Mais quant à Israël, il dit : «Tout le long du jour j’ai étendu mes mains vers un peuple désobéissant et contredisant» [Ésaïe 65:2]. 21 Fa ny amin'ny Isiraely dia hoy izy: Mandritra ny andro no efa naninjirako ny tanako tamin'izay firenena sady tsy manaraka no mandà (Isa. 65. 1. 2).
— v. 15 : litt.: évangélisent. — v. 19 : plutôt : à propos de.  
Chapitre 11 Chapitre 11
1 Je dis donc : Dieu a-t-il rejeté son peuple ? Qu’ainsi n’advienne ! Car moi aussi je suis Israélite, de la semence d’Abraham, de la tribu de Benjamin. 1 Dia hoy izaho: Sao narian'Andriamanitra anie ny olony? Sanatria izany! fa izaho koa mba Isiraelita'taranak'i Abrahama ihany, avy amin'ny firenen'i Benjamina.
2 Dieu n’a point rejeté son peuple, lequel il a préconnu. Ne savez-vous pas ce que l’écriture dit dans [l’histoire d’]Élie, comment il fait requête à Dieu contre Israël ? 2 Andriamanitra tsy nanary ny olony izay efa fantany rahateo; sa tsy fantatrareo izay lazain'ny Soratra Masina eo amin'ny tantaran'i Elia, dia ilay fitarainany tamin'Andriamanitra nentiny namely ny Isiraely hoe:
3 «*Seigneur, ils ont tué tes prophètes ; ils ont renversé tes autels ; et moi, je suis demeuré seul, et ils cherchent ma vie». 3 Jehovah ô, efa namono ny mpaminaninao sy nandrava ny alitaranao izy: ary izaho irery ihany no sisa, ka mitady ny aiko koa izy? (1 Mpan. 19. 14).
4 Mais que lui dit la réponse divine ? «Je me suis réservé sept mille hommes qui n’ont pas fléchi le genou devant Baal» [1 Rois 19:14, 18]. 4 Fa ahoana no navalin'Andriamanitra azy? Izaho efa niaro fito arivo lahy ho Ahy, dia izay tsy mba nandohalika tamin'i Bala (1 Mpan. 19. 18).)
5 Ainsi donc, au temps actuel aussi, il y a un résidu selon [l’]élection de [la] grâce. 5 Dia toy izany koa amin'izao andro ankehitriny izao misy sisa ihany araka ny fifidianana amin'ny fahasoavana.
6 Or, si c’est par la grâce, ce n’est plus sur le principe des œuvres, puisque autrement la grâce n’est plus [la] grâce. 6 Ary raha avy amin'ny fahasoavana izany, dia tsy mba avy amin'ny asa intsony; fa raha izany, dia tsy fahasoavana intsony ny fahasoavana.
7 Quoi donc ? Ce qu’Israël recherche, il ne l’a pas obtenu, mais l’élection l’a obtenu, et les autres ont été endurcis*, 7 Ahoana ary? Izay notadiavin'ny Isiraely dia tsy azony, fa ny voafidy ihany no nahazo izany, fa nohamafìna ny fon'ny sisa;
8 selon qu’il est écrit : «Dieu leur a donné un esprit d’étourdissement, des yeux pour ne point voir et des oreilles pour ne point entendre, jusqu’au jour d’aujourd’hui» [Ésaïe 29:10 ; et Deutéronome 29:4]. 8 araka ny voasoratra hoe: Andriamanitra efa nanome azy fanahy sondrian-tory sy maso tsy hahita, ary sofina tsy hahare, mandraka androany(Isa 29. 10; Deo. 29. 3)
9 Et David dit : «Que leur table devienne pour eux un filet, et un piège, et une occasion de chute, et une rétribution* ; 9 Ary hoy Davida: Aoka ny latabany ho fandrika sy ho tonta Ary ho fahatafintohinana sy ho famaliana azy;
10 que leurs yeux soient obscurcis pour ne point voir ; et courbe continuellement leur dos» [Psaume 69:22-23]. 10 Aoka ny masony ho jamba tsy hahita, Ary aoka hamokoka mandrakariva izy (Sal. 69. 22, 23).
— v. 7 : ou : aveuglés. — v. 9 : plutôt : châtiment.  
11 Je dis donc : Ont-ils bronché afin qu’ils tombassent ? Qu’ainsi n’advienne ! Mais par leur chute*, le salut [parvient] aux nations pour les** exciter à la jalousie. 11 Dia hoy izaho: Sao dia tafintohina ho lavo anie ny Isiraely? Sanatria izany! fa ny fahatafintohinany no nahatonga famonjena ho an'ny jentilisa mba hampialona azy.
12 Or, si leur chute* est la richesse du monde, et leur diminution, la richesse des nations, combien plus le sera leur plénitude ! 12 Ary raha ny fahatafintohinany no tonga haren'izao tontolo izao, ary ny nihenany no tonga haren'ny jentilisa, mainka fa ny hafenoany.
13 Car je parle à vous, nations, en tant que moi je suis en effet apôtre des nations, je glorifie mon ministère, 13 Fa ianareo jentilisa no itenenako. Koa satria Apostolin'ny jentilisa aho, dia mankalaza ny fanompoako,
14 si en quelque façon je puis exciter à la jalousie ma chair* et sauver quelques-uns d’entre eux. 14 raha mba misy hahazoako hampialona ireo mifanapa-tsinay amiko*, mba hamonjeko ny sasany aminy. [* Gr. ny nofoko]
15 Car si leur réjection est la réconciliation du monde, quelle sera leur réception, sinon la vie d’entre les morts. 15 Fa raha ny fanariana azy no fampihavanana izao tontolo izao, tsy ho fitsanganana* amin'ny maty ny fandraisana azy? [* Gr. fiainana]
— v. 11 et 12 : ou : faute. — v. 11** : eux, c. à d. Israël, — non pas elles. — v. 14 : c. à d. : les Juifs, mes parents selon la chair.  
16 Or, si les prémices sont saintes, la masse l’est aussi ; et si la racine est sainte, les branches le sont aussi. 16 Ary koa, raha masina ny santatra, dia masina koa ny vongany; ary raha masina ny fakany, dia masina koa ny sampany.
17 Or, si quelques-unes des branches ont été arrachées, et si toi qui étais un olivier sauvage, as été enté* au milieu d’elles, et es devenu coparticipant de la racine et de la graisse de l’olivier, 17 Fa raha notapahina ny sampany sasany, ary ianao izay tahaka ny hazo oliva maniry ho azy kosa no natsofoka teo aminy mba niombona ny fakan'ny menaky* ny hazo oliva [* Na: (fakany sy ny menaky)]
18 ne te glorifie pas contre les branches ; mais si tu te glorifies, ce n’est pas toi qui portes la racine, mais c’est la racine qui te porte. 18 dia aza mirehareha amin'ny sampany; fa raha mirehareha ianao, tsy ianao no mitondra ny fakany, fa ny fakany no mitondra anao.
19 Tu diras donc : Les branches ont été arrachées, afin que moi je fusse enté*. 19 Ary ianao dia hanao hoe: Notapahina ny sampany sasany hanatsofohana ahy.
20 Bien ! elles ont été arrachées pour cause d’incrédulité, et toi tu es debout par la foi. Ne t’enorgueillis pas, mais crains 20 Marina ihany izany; ny tsi-finoany no nanapahana azy, ary ny finoanao kosa no itoeranao. Aza miavonavona, fa matahora;
21 (si en effet Dieu n’a pas épargné les branches [qui sont telles] selon la nature), qu’il ne t’épargne pas non plus. 21 fa raha ny tena sampana aza tsy navelan'Andriamanitra, dia tsy havelany koa ianao.
22 Considère* donc la bonté et la sévérité de Dieu : la sévérité envers ceux qui sont tombés ; la bonté de Dieu envers toi, si tu persévères dans cette bonté ; puisque autrement, toi aussi, tu seras coupé. 22 Koa indro ny fahamoram-panahin'Andriamanitra sy ny fahasaro-pony: amin'izay lavo dia fahasaro-po; fa aminao kosa dia fahamoram-panahin'Andriamanitra, raha maharitra ao amin'ny fahamoram-panahiny ianao; fa raha tsy izany, dia hotapahina koa ianao.
23 Et eux aussi, s’ils ne persévèrent pas dans l’incrédulité, ils seront entés*, car Dieu est puissant pour les enter de nouveau. 23 Ary ireny kosa, raha tsy mikikitra eo amin'ny tsi-finoana, dia hatsofoka ihany; fa azon'Andriamanitra atsofoka indray izy.
24 Car si toi, tu as été coupé de l’olivier qui selon la nature était sauvage, et as été enté* contre nature sur l’olivier franc, combien plus ceux qui en sont selon la nature seront-ils entés* sur leur propre olivier ? 24 Fa raha notapahina tamin'ny hazo oliva naniry ho azy ianao ka natsofoka tamin'ny hazo oliva tsara, nefa tsy tena sampany, mainka fa izay tena sampany no hatsofoka amin'ny hazo oliva nanapahana azy.
25 Car je ne veux pas, frères, que vous ignoriez ce mystère-ci, afin que vous ne soyez pas sages à vos propres yeux : c’est qu’un endurcissement* partiel est arrivé à Israël jusqu’à ce que la plénitude des nations soit entrée ; 25 Fa tsy tiako tsy ho fantatrareo izany zava-miafina izany, ry rahalahy (fandrao mihevitra ny tenanareo ho hendry ianareo), fa efa misy fahamafiam-po manjo ny Isiraely sasany mandra-piditry ny hafenoan'ny jentilisa;
26 et ainsi tout Israël sera sauvé, selon qu’il est écrit : «Le libérateur* viendra de Sion ; il détournera de Jacob l’impiété**. 26 ary amin'izany dia hovonjena avokoa ny Isiraely rehetra, - araka ny voasoratra hoe: Hivoaka avy any Ziona ny Mpanafaka, Ary hampiala ny haratsiam-panahy amin'i Jakoba Izy;
27 Et c’est là l’alliance de ma part pour eux, lorsque j’ôterai leurs péchés» [Ésaïe 59:20-21 ; 27:9]. 27 Ary izao no fanekeko aminy, raha manaisotra ny fahotany Aho (Isa. 59. 20, 21; 27. 9).
28 En ce qui concerne l’évangile, ils sont ennemis à cause de vous ; mais en ce qui concerne l’élection, ils sont bien-aimés à cause des pères. 28 Raha ny amin'ny filazantsara dia fahavalo izy noho ny aminareo; fa raha ny amin'ny fifidianana kosa dia malala izy noho ny amin'ny razana.
29 Car les dons de grâce et l’appel de Dieu sont sans repentir*. 29 Fa ny fanomezam-pahasoavana sy ny fiantsoan'Andriamanitra dia tsy misy hanenenany.
30 Car comme vous aussi vous avez été autrefois désobéissants à Dieu et que maintenant vous êtes devenus des objets de miséricorde par la désobéissance de ceux-ci, 30 Fa tahaka anareo tsy nanaiky an'Andriamanitra fahiny, nefa ankehitriny ny tsi-faneken'ireny no nahazoanareo famindram-po,
31 de même ceux-ci aussi ont été maintenant désobéissants à votre miséricorde, afin qu’eux aussi deviennent des objets de miséricorde. 31 dia toy izany kosa ankehitriny, tsy nanaiky ireny, mba hahazoany famindram-po ankehitriny noho ny famindram-po azonareo.
32 Car Dieu a renfermé tous, [Juifs et nations], dans la désobéissance, afin de faire miséricorde à tous. 32 Fa Andriamanitra nanidy azy rehetra tamin'ny tsi-fanekena, mba hamindrany fo amin'izy rehetra.
33 Ô profondeur des richesses et de la sagesse et de la connaissance de Dieu ! Que ses jugements sont insondables, et ses voies introuvables ! 33 Endrey ny halalin'ny haren'Andriamanitra sy ny fahendreny* ary ny fahalalany! ny fitsarany tsy hita lany, ary ny lalany tsy azo fantarina! [* Na: ny haren'ny fahendren'Andriamanitra]
34 Car qui a connu la pensée du *Seigneur, ou qui a été son conseiller ? * 34 Fa iza no nahalala ny sain'i Jehovah? ary iza no mpanolo-tsaina Azy? (Isa 40. 13)
35 ou qui lui a donné le premier, et il lui sera rendu ? 35 Na iza no nanome Azy aloha hamaliana azy indray?
36 Car de lui, et par lui, et pour lui, sont toutes choses ! À lui soit la gloire éternellement ! Amen. 36 Fa Izy no nihavian'izao zavatra rehetra izao, ary Izy no mihazona azy, sady Izy koa no antony; Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay. Amena.
— v. 17, 19, 23, 24 : enté = greffé. — v. 22 : litt.: Vois. — v. 25 : ou : aveuglement. — v. 26* : litt.: Celui qui sauve. — v. 26** : litt.: les impiétés. — v. 29 : c. à d. : irrévocables. — v. 34 : voir Ésaïe 40:13  
Chapitre 12 Chapitre 12
1 Je vous exhorte donc, frères, par les compassions de Dieu, à présenter vos corps en sacrifice vivant, saint, agréable à Dieu, [ce qui est] votre service intelligent. 1 [Ny fitondran-tena mahamendrika ny Kristiana] Koa amin'izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindram-pon'Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak'Andriamanitra, dia fanompoam-panahy* mety hataonareo izany. [* Na: fanompoam-pivavahana]
2 Et ne vous conformez pas à ce siècle ; mais soyez transformés par le renouvellement de [votre] entendement, pour que vous discerniez* quelle est la volonté de Dieu, bonne et agréable et parfaite. 2 Ary aza manaraka ny fanaon'izao tontolo izao; fa miovà amin'ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon'Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina*. [* Gr. tanteraka].
3 Car, par la grâce qui m’a été donnée, je dis à chacun de ceux qui sont parmi vous de ne pas avoir une haute pensée [de lui-même], au-dessus de celle qu’il convient d’avoir, mais de penser de manière à avoir de saines pensées, selon la mesure de foi que Dieu a départie à chacun. 3 Fa noho ny fahasoavana nomena ahy dia izao no lazaiko amin'ny olona rehetra izay eo aminareo: Aza mihevitra mihoatra noho izay tokony hoheverina; fa mihevera izay onony araka ny ohatry ny finoana izay nozarain'Andriamanitra ho anareo avy.
4 Car comme dans un seul corps nous avons plusieurs membres, et que tous les membres n’ont pas la même fonction*, 4 Fa toy ny ananantsika zavatra maro momba ny tena iray, nefa tsy mitovy asa izay rehetra momba ny tena,
5 ainsi nous qui sommes plusieurs, sommes un seul corps en Christ, et chacun individuellement membres l’un de l’autre. 5 dia toy izany koa isika, na dia maro aza, dia tena iray ihany ao amin'i Kristy, ary samy miara-momba ny tena isika rehetra.
6 Or ayant des dons de grâce différents, selon la grâce qui nous a été donnée, soit la prophétie, [prophétisons] selon la proportion de la foi ; 6 Ary satria samy manana fanomezam-pahasoavana samy hafa isika, araka ny fahasoavana izay nomena antsika: raha faminaniana, dia aoka hatao araka ny ohatry ny finoana;
7 soit le service, [soyons occupés] du service ; soit celui qui enseigne, [qu’il s’applique] à l’enseignement ; 7 raha fanompoana amin'ny fiangonana, dia aoka ho amin'ny fanompoana; raha mampianatra, dia aoka ho amin'ny fampianarana;
8 soit celui qui exhorte, à l’exhortation ; — celui qui distribue, [qu’il le fasse] en simplicité* ; celui qui est à la tête, [qu’il conduise] soigneusement ; celui qui exerce la miséricorde, [qu’il le fasse] joyeusement. 8 raha mananatra, dia aoka ho amin'ny fananarana; izay manome, dia aoka ho amin'ny fahatsoram-po; izay manapaka, dia aoka ho amin'ny fahazotoana; izay mamindra fo, dia aoka ho amin'ny fifaliana.
— v. 2 : ou : examiniez, éprouviez. — v. 4 : action. — v. 8 : ou : avec libéralité.  
9 Que l’amour soit sans hypocrisie ; ayez en horreur le mal, tenez ferme au bien ; 9 Aoka ny fitiavana ho amin'ny tsi-fihatsaram-belatsihy; mankahalà ny ratsy; mifikira amin'ny tsara.
10 quant à l’amour fraternel, soyez pleins d’affection les uns pour les autres ; quant à l’honneur, étant les premiers à le rendre aux autres ; 10 Mifankatiava araka ny fifankatiavan'ny mpirahalahy; mitariha lalana amin'ny fifanomezam-boninahitra.
11 quant à l’activité, pas paresseux ; fervents en esprit* ; servant** le Seigneur ; 11 Mazotoa, fa aza malaina, ary aoka hafana fo amin'ny fanompoana ny Tompo.
12 vous réjouissant dans l’espérance ; patients dans la tribulation ; 12 Mifalia amin'ny fanantenana; miareta amin'ny fahoriana; mahareta amin'ny fivavahana.
13 persévérants dans la prière ; subvenant aux nécessités des saints ; vous appliquant à l’hospitalité. 13 Miantrà ny olona masina araka izay ilainy; mazotoa mampiantrano vahiny.
14 Bénissez ceux qui vous persécutent ; bénissez et ne maudissez pas. 14 Misaora izay manenjika anareo; misaora, fa aza manozona.
15 Réjouissez-vous avec ceux qui se réjouissent, et pleurez avec ceux qui pleurent ; 15 Miaraha mifaly amin'izay mifaly, ary miaraha mitomany amin'izay mitomany.
16 ayant, les uns envers les autres, un même sentiment ; ne pensant pas aux choses élevées, mais vous associant aux humbles*. Ne soyez pas sages à vos propres yeux ; … 16 Miraisa saina. Aza mihevitra izay hiavonavonana, fa aoka mba ho zatra amin'ny fietrena ianareo*. Aza manao ny tenanareo ho hendry. [* Na: manetre tena amin'ny malahelo]
17 ne rendant à personne mal pour mal ; vous proposant ce qui est honnête devant tous les hommes ; 17 Aza mamaly ratsy na amin'iza na amin'iza. Miomàna hanao izay mahamendrika eo imason'ny olona rehetra.
18 s’il est possible, autant que cela dépend de vous, vivant en paix avec tous les hommes ; 18 Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin'ny olona rehetra.
19 ne vous vengeant pas vous-mêmes, bien-aimés ; mais laissez agir la colère, car il est écrit : «À moi la vengeance ; moi je rendrai, dit le *Seigneur» [Deutéronome 32:35]. 19 Ry malala, aza mamaly ratsy, fa omeo lalana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy Jehovah (Deo. 32. 35).
20 «Si donc ton ennemi a faim, donne-lui à manger ; s’il a soif, donne-lui à boire ; car en faisant cela tu entasseras des charbons de feu sur sa tête» [Proverbes 25:21-22]. 20 Fa raha noana ny fahavalonao, omeo hanina izy; raha mangetaheta izy, omeo hosotroiny; fa raha manao izany ianao, dia hanambatra vainafo ho eo an-dohany (Oha. 25. 21, 22).
21 Ne sois pas surmonté par le mal, mais surmonte le mal par le bien. 21 Aza mety ho resin'ny ratsy ianao, fa reseo amin'ny soa ny ratsy.
— v. 11* : en et par l’Esprit ; comparer la note à 8:9. — v. 11** : servir, être esclave. — v. 16 : personnes ou choses.  
Chapitre 13 Chapitre 13
1 Que toute âme se soumette aux autorités qui sont au-dessus d’elle ; car il n’existe pas d’autorité, si ce n’est de par Dieu ; et celles qui existent sont ordonnées de Dieu ; 1 Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny fahefana lehibe. Fa tsy misy fahefana afa-tsy izay avy amin'Andriamanitra; fa izay misy dia voatendrin'Andriamanitra.
2 de sorte que celui qui résiste à l’autorité résiste à l’ordonnance de Dieu ; et ceux qui résistent feront venir* un jugement sur eux-mêmes. 2 Koa izay manohitra ny fahefana dia manohitra ny voatendrin'Andriamanitra; ary izay manohitra dia hahazo fahamelohana.
3 Car les magistrats ne sont pas une terreur pour une bonne œuvre, mais pour une mauvaise. Or veux-tu ne pas craindre l’autorité ? fais le bien, et tu recevras d’elle de la louange ; 3 Fa ny mpanapaka dia tsy mba tahotry ny manao tsara, fa ny manao ratsy ihany. Ary ny tsy hatahotra ny fahefana va no tianao? Ataovy ary izay tsara, dia hahazo dera avy aminy ianao;
4 car [le magistrat] est serviteur de Dieu pour ton bien ; mais si tu fais le mal, crains ; car il ne porte pas l’épée en vain ; car il est serviteur de Dieu, vengeur pour [exécuter] la colère sur celui qui fait le mal. 4 fa mpanompon'Andriamanitra izy hahatsara anao. Fa raha ratsy kosa no nataonao, dia matahora'fa tsy entiny foana tsy akory ny sabatra; fa mpanompon'Andriamanitra izy, dia mpamaly handatsaka fahatezerana amin'izay manao ratsy.
5 C’est pourquoi il est nécessaire d’être soumis, non seulement à cause de la colère, mais aussi à cause de la conscience. 5 Koa tsy maintsy manaiky ny olona, nefa tsy noho ny fahatezerana ihany, fa noho ny fieritreretana koa.
6 Car c’est pour cela que vous payez aussi les tributs ; — car ils sont ministres de Dieu, s’employant constamment à cela même. 6 Fa noho izany no andoavanareo vola hetra; fa mpanompon'Andriamanitra mitandrina izany zavatra izany indrindra ireny.
7 Rendez à tous ce qui leur est dû : à qui le tribut, le tribut ; à qui le péage, le péage ; à qui la crainte, la crainte ; à qui l’honneur, l’honneur. 7 Mandoava amin'izy rehetra izay tokony ho azy avy: vola hetra ho an'izay tokony handoavan-ketra, fadin-tseranana ho an'izay tokony handoavana fadin-tseranana'tahotra ho an'izay tokony hatahorana, haja ho an'izay tokony hohajaina.
8 Ne devez rien à personne, sinon de vous aimer les uns les autres, car celui qui aime les autres a accompli* [la] loi. 8 Aza avela hisy tsy voaloa na amin'iza na amin'iza, afa-tsy ny fifankatiavanareo ihany; fa izay tia ny namany dia efa nahatanteraka ny lalàna.
9 Car ce [qui est dit] : «Tu ne commettras point adultère, tu ne tueras point, tu ne déroberas point, tu ne convoiteras point» [Exode 20:13-17], et tout autre commandement qu’il puisse y avoir, est résumé dans cette parole-ci : «Tu aimeras ton prochain comme toi-même» [Lévitique 19:18]. 9 Fa ny hoe: Aza mijangajanga, aza mamono olona, aza mangalatra, aza mitsiriritra zavatr'olona (Eks. 20. 13-17), mbamin'izay didy hafa rehetra, dia samy efa ao anatin'izao teny izao hoe: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19. 18).
10 L’amour ne fait point de mal au prochain ; l’amour donc est la somme* de la loi. 10 Ny fitiavana tsy manisy ratsy ny namana; koa dia ny fitiavana no fahatanterahana ny lalàna.
— v. 2 : litt.: recevront. — v. 8 : la loi est ainsi déjà accomplie avant qu’elle fasse valoir ses droits ; comparer Marc 12:30-33. — v. 10 : ailleurs : plénitude.  
11 Et [encore] ceci : connaissant le temps, que c’est déjà l’heure de nous réveiller du sommeil, car maintenant le salut est plus près de nous que lorsque nous avons cru : 11 Ary tokony hanao izany indrindra isika, satria fantatsika ny andro, fa ankehitriny izao dia ora tokony hifohazanareo amin'ny fahatoriana; fa ankehitriny ny famonjena antsika dia akaiky noho ny tamin'ny andro vao ninoantsika.
12 la nuit est fort avancée, et le jour s’est approché ; rejetons donc les œuvres des ténèbres, et revêtons les armes de la lumière. 12 Efa ho lasa ny alina, ka efa mby akaiky kokoa ny andro, koa aoka hariantsika ny asan'ny maizina ka hitafiantsika ny fiadian'ny mazava.
13 Conduisons-nous honnêtement, comme de jour ; non point en orgies ni en ivrogneries ; non point en impudicités ni en débauches ; non point en querelles ni en envie. 13 Aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin'ny andro; tsy amin'ny filalaovan-dratsy, na amin'ny fahamamoana, tsy amin'ny fijangajangana, na amin'ny fijejojejoana, tsy amin'ny fifandirana, na amin'ny fialonana.
14 Mais revêtez le seigneur Jésus Christ, et ne prenez pas soin de la chair pour [satisfaire à ses] convoitises. 14 Fa itafio Jesosy Kristy Tompo, ary aza miahy ny amin'ny nofo hahatanteraka ny filany.
Chapitre 14 Chapitre 14
1 Or quant à celui qui est faible en foi*, recevez-le ; non pas pour la décision de questions [douteuses]**. 1 [Ny amin'ny handraisana izay malemy finoana, sy ny tokony hifandeferana] Ary raiso ny malemy finoana, nefa aza ,mandray azy hitsaranareo ny eritreriny.
2 L’un croit pouvoir manger de toutes choses ; l’autre qui est faible, mange des herbes : 2 Ny anankiray mino fa mahazo mihinana ny zavatra rehatra izy, fa ny anankiray kosa malemy finoana, ka dia mihinana zava-maniry ihany.
3 que celui qui mange ne méprise pas celui qui ne mange pas ; et que celui qui ne mange pas ne juge pas celui qui mange, car Dieu l’a reçu. 3 Aoka ny mihinana tsy hanamavo ny tsy mihinana; ary aoka kosa ny tsy mihinana tsy hitsara ny mihinana; fa Andriamanitra no efa nandray ary.
4 Qui es-tu, toi qui juges le domestique d’autrui ? Il se tient debout ou il tombe pour son propre maître ; et il sera tenu debout, car le Seigneur est puissant pour le tenir debout. 4 Iza moa ianao izay mitsara ny mpanompon'ny hafa? Amin'ny tompony ihany no ijoroany na ahalavoany. Nefa hampitoerina ihany izy; fa mahay mampitoetra azy ny Tompo.
5 L’un estime un jour plus qu’un autre jour, et l’autre estime tous les jours [égaux] : que chacun soit pleinement persuadé dans son propre esprit. 5 Ny anankiray manao ny andro anankiray ho mihoatra noho ny andro sasany; ary ny anankiray kosa manao ny andro rehetra hitovy. Aoka samy hatoky tsara ao amin'ny sainy avy izy.
6 Celui qui a égard au jour, y a égard à cause du Seigneur ; et celui qui mange, mange à cause du Seigneur, car il rend grâces à Dieu ; et celui qui ne mange pas, ne mange pas à cause du Seigneur, et il rend grâces à Dieu. 6 Ny mitandrina ny andro dia mitandrina izany ho an'ny Tompo. Ary ny mihinana dia mihinana ho an'ny Tompo, satria misaotra an'Andriamanitra izy; ary ny tsy mihinana kosa dia tsy mihinana ho an'ny Tompo, sady misaotra an'Andriamanitra koa izy.
7 Car nul de nous ne vit ayant égard à lui-même, et nul ne meurt ayant égard à lui-même : 7 Fa tsy misy velon-ko an'ny tenany isika, ary tsy misy maty ho an'ny tenany.
8 mais soit que nous vivions, nous vivons ayant égard au Seigneur, soit que nous mourions, nous mourons ayant égard au Seigneur ; soit donc que nous vivions, soit que nous mourions, nous sommes du Seigneur. 8 Fa raha velona isika, dia velona ho an'ny Tompo; ary raha maty isika, dia maty ho an'ny Tompo; koa amin'izany, na velona na maty isika, dia an'ny Tompo ihany.
9 Car c’est pour cela que Christ est mort et qu’il a revécu, afin qu’il dominât et sur les morts et sur les vivants. 9 Fa izany no nahafatesan'i Kristy sy nahavelomany indray, mba ho Tompon'ny maty sy ny velona Izy.
10 Mais toi, pourquoi juges-tu ton frère ? Ou aussi toi, pourquoi méprises-tu ton frère ? Car nous comparaîtrons tous devant le tribunal de Dieu ; 10 Fa nahoana ianao no mitsara ny rahalahinao? Ary nahoana kosa ianao no manao tsinontsinona ny rahalahinao? Fa samy hiseho eo anoloan'ny fitsaran'Andriamanitra isika rehetra.
11 car il est écrit : «Je suis vivant, dit le *Seigneur, que tout genou se ploiera devant moi, et que toute langue confessera hautement Dieu» [Ésaïe 45:23]. 11 Fa voasoratra hoe: Raha velona koa Aho, hoy Jehovah, ny lohalika rehetra handohalika amiko, Ary ny lela rehetra hidera an'Andriamanitra (Isa. 45. 23).
12 Ainsi donc, chacun de nous rendra compte pour lui-même à Dieu. 12 Koa samy hampamoahin'Andriamanitra ny amin'ny tenany avy isika rehetra.
13 Ne nous jugeons donc plus l’un l’autre ; mais jugez plutôt ceci, de ne pas mettre une pierre d’achoppement ou une occasion de chute devant votre frère. 13 Koa aza mifampitsara intsony isika; fa aleo mihevitra* izao, dia ny tsy hanisy fandavoana na fanafintohinana eo anoloan'ny rahalahy. [* Gr. mitsara]
14 Je sais, et je suis persuadé dans le seigneur Jésus, que rien n’est souillé par soi-même, sauf qu’à celui qui croit qu’une chose est souillée, elle lui est souillée. 14 Mahalala sady matoky ao amin'i Jesosy Tompo aho fa tsy misy zavatra maloto ho azy; fa raha misy manao zavatra ho maloto, dia aminy ihany no maloto izany.
15 Car si, à cause d’une viande*, ton frère est attristé, tu ne marches plus selon l’amour. Ne détruis pas par ta viande celui pour lequel Christ est mort. 15 Fa raha mampalahelo ny rahalahinao ny fihinanao, dia tsy mba manaraka ny fitiavana intsony ianao. Aza ny fihinanao no animbanao azy, fa efa maty Kristy hamonjy azy.
16 Que ce qui est bien en vous ne soit donc pas blâmé. 16 Aoka ary tsy mba hotenenina ratsy* ny fahasoavana azonareo. [*Gr. hanaovana blasfemia; izahao Mat.9.3]
17 Car le royaume de Dieu n’est pas manger et boire, mais justice, et paix, et joie dans l’Esprit Saint. 17 Fa ny fanjakan'Andriamanitra dia tsy amin'ny fihinanana sy ny fisotroana, fa fahamarinana sy fiadanana ary fifaliana ao amin'ny Fanahy Masina.
18 Car celui qui en cela sert* le Christ est agréable à Dieu et approuvé des hommes. 18 Fa izay manompo an'i Kristy amin'izany zavatra izany no sitrak'Andriamanitra sy eken'ny olona fa tsara.
— v. 1* : ou : dans la foi. — v. 1** : ou : [en raisonnant]. — v. 15 : plutôt : aliment. — v. 18 : servir, comme esclave, comme 6:6.  
19 Ainsi donc poursuivons les choses qui tendent à* la paix et celles qui tendent à* l’édification mutuelle. 19 Koa dia aoka isika hiezaka hitady ny momba ny fiadanana sy ny momba ny fifampandrosoana.
20 À cause d’une viande, ne détruis pas l’œuvre de Dieu. Toutes choses, il est vrai, sont pures ; mais il y a du mal pour l’homme qui mange en bronchant*. 20 Aza izay hanina no andravanao ny asan'Andriamanitra. Madio avokoa ny zavatra rehetra, nefa ratsy ho an'ny olona izay mihinana amin'ny fahatafintohinana.
21 Il est bon de ne pas manger de chair, de ne pas boire de vin, et de ne [faire aucune chose] en laquelle ton frère bronche, ou est scandalisé, ou est faible. 21 Fa tsara ny tsy mihinana hena, na misotro divay, na manao izay hahatafintohina* ny rahalahinao. [* Ampio hoe: [na hahalavo, na hahalemy]
22 Toi, tu as de la foi ; aie-la par devers toi-même devant Dieu ; bienheureux est celui qui ne se juge pas lui-même en ce qu’il approuve ; 22 Ny finoana izay anananao dia hazòny ho anao eo anatrehan'Andriamanitra. Sambatra izay tsy manameloka ny tenany amin'izay zavatra ekeny.
23 mais celui qui hésite, s’il mange, est condamné, parce qu’[il n’agit] pas sur un principe de foi. Or tout ce qui n’est pas sur le principe de la foi est péché. 23 Fa izay miahanahana dia meloka raha homana, satria tsy avy amin'ny finoana izany; fa ota izay rehetra tsy avy amin'ny finoana.
— v. 19 : litt.: les choses de. — v. 20 : ou : en [donnant] du scandale.  
Chapitre 15 Chapitre 15
1 Or nous devons, nous les forts, porter les infirmités des faibles, et non pas nous plaire à nous-mêmes. 1 Fa isika izay matanjaka dia tokony hitondra ny fahalemen'ny malemy ka tsy hitady izay hahafaly ny tenantsika ihany.
2 Que chacun de nous cherche à plaire à son prochain, en vue du bien, pour l’édification. 2 Aoka isika rehetra samy hitady izay hahafaly ny namantsika amin'izay hahasoa sy hampandroso azy.
3 Car aussi le Christ n’a point cherché à plaire à lui-même, mais selon qu’il est écrit : «Les outrages de ceux qui t’outragent sont tombés sur moi» [Psaume 69:9]. 3 Fa Kristy aza tsy nitady izay hahafaly ny tenany; fa araka ny voasoratra hoe: Ny latsa nataon'izay nandatsa Anao dia nihatra tamiko (Sal. 69. 9).
4 Car toutes les choses qui ont été écrites auparavant ont été écrites pour notre instruction, afin que, par la patience et par la consolation des écritures, nous ayons espérance. 4 Fa izay rehetra voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika hananantsika ny fanantenana amin'ny faharetana sy ny fiononana avy amin'ny Soratra Masina.
5 Or le Dieu de patience et de consolation vous donne d’avoir entre vous un même sentiment selon le christ Jésus, 5 Fa Andriamanitry ny faharetana sy ny fiononana anie hampiray hevitra anareo araka an 'i Kristy Jesosy,
6 afin que, d’un commun accord, d’une même bouche, vous glorifiiez le Dieu et Père de notre seigneur Jésus Christ. 6 mba ho saina iray sy vava iray no hiarahanareo mankalaza an'Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika.
7 C’est pourquoi recevez-vous les uns les autres, comme aussi le Christ vous a reçus, à la gloire de Dieu. 7 Koa mifandraisa ianareo tahaka ny nandraisan'i Kristy anareo* koa ho voninahitr'Andriamanitra. [* Na: (antsika)]
   
8 Car je dis que Jésus Christ a été serviteur de [la] circoncision, pour la vérité de Dieu, pour la confirmation des promesses [faites] aux pères, 8 Fa lazaiko fa Kristy efa tonga mpanompon'ny voafora noho ny fahamarinan'Andriamanitra hahatò ny teny fikasana tamin'ny razana,
9 et pour que les nations glorifiassent Dieu pour [la] miséricorde, selon qu’il est écrit : «C’est pourquoi je te célébrerai parmi les nations, et je psalmodierai à ton nom» [Psaume 18:49]. 9 mba hankalazan'ny jentilisa an'Andriamanitra koa noho ny famindram-po, araka ny voasoratra hoe: Izany no hiderako Anao any amin'ny jentilisa Sy hankalazako ny anaranao (Sal. 18. 49).
10 Et encore, il dit : «Nations, réjouissez-vous avec son peuple» [Deutéronome 32:43]. 10 Ary hoy koa Izy: Miravoravoa. ry jentilisa, mbamin'ny olony (Deo. 32. 43).
11 Et encore : «Louez le *Seigneur, vous toutes les nations, et que tous les peuples le célèbrent» [Psaume 117:1]. 11 Ary koa: Midera'an'i Jehovah, ry jentilisa rehetra. Ary aoka hankalaza Azy ny firenena rehetra (Sal. 117. 1).
12 Et encore Ésaïe dit : «Il y aura la racine de Jessé, et il y en aura un qui s’élèvera pour gouverner les nations ; c’est en lui que les nations espéreront» [Ésaïe 11:10]. 12 Ary hoy koa Isaia: Hisy Solofon'i Jese. Dia Ilay hitsangana hanapaka ny jentilisa; Izy no hitokian'ny jentilisa (Iza. 11. 10).
13 Or que le Dieu d’espérance vous remplisse de toute joie et paix en croyant, pour que vous abondiez en espérance par la puissance de l’Esprit Saint. 13 Ary Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin'ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra amin'ny finoanareo, mba hitomboanareo amin'ny fanantenana noho ny herin'ny Fanahy Masina.
   
14 Or je suis persuadé, mes frères, moi-même aussi, à votre égard, que vous-mêmes aussi vous êtes pleins de bonté, remplis de toute connaissance et capables de vous exhorter l’un l’autre. 14 Fa izaho koa, ry rahalahiko, dia matoky ny aminareo fa feno fahatsarana ianareo sady mahay mifananatra koa.
15 Mais je vous ai écrit en quelque sorte plus hardiment, frères, comme réveillant vos souvenirs, à cause de la grâce qui m’a été donnée par Dieu, 15 Kanefa amin'ny fahasahiana no anoratako ny teny sasany aminareo, toy ny mampahatsiaro anareo indray noho ny fahasoavana nomen'Andriamanitra ahy,
16 pour que je sois ministre* du christ Jésus envers les nations, exerçant la sacrificature dans l’évangile de Dieu, afin que l’offrande des nations soit agréable, étant sanctifiée par l’Esprit Saint. 16 mba ho mpanompon'i Kristy Jesosy ho an'ny jentilisa aho ka manao fanompoam-pivavahana amin'ny itoriako ny filazantsaran'Andriamanitra, mba horaisina amin'ny fankasitrahana ny fanatitra, dia ny jentilisa, rehefa nohamasinin'ny Fanahy Masina.
17 J’ai donc de quoi me glorifier dans le christ Jésus, dans les choses qui concernent Dieu. 17 Ka dia manana izay hataoko rehareha ao amin'i Kristy Jesosy aho noho ny amin'Andriamanitra.
18 Car je n’oserai rien dire que Christ n’ait accompli par moi pour l’obéissance des nations, par parole et par œuvre, 18 Fa tsy sahiko lazaina izay zavatra tsy nampanaovin'i Kristy ahy, na tamin'ny teny, na tamin'ny asa, mba hampanaiky ny jentilisa,
19 par la puissance de miracles* et de prodiges, par la puissance de l’Esprit [de Dieu] ; de sorte que, depuis Jérusalem, et tout alentour, jusqu’en Illyrie, j’ai pleinement annoncé l’évangile du Christ ; 19 dia tamin'ny herin'ny famantarana sy ny fahagagana, ary tamin'ny herin'ny Fanahy Masina*, dia hatrany Jerosalema ka manodidina hatrany Ilyrikiona, no nahatanterahako ny fitoriako ny filazantsaran'i Kristy. [* Na: (Fanahin'Andriamanitra)]
20 mais ainsi m’attachant à évangéliser, non pas là où Christ avait été prêché*, (afin que je n’édifiasse pas sur le fondement d’autrui) mais selon qu’il est écrit : 20 Koa dia nataoko ho voninahitro ny hitory ny filazantsara toy izao: tsy eo amin'izay efa niantsoana an'i Kristy anefa, fandrao hanovona eo ambonin'izay efa naorin'ny sasany aho;
21 «Ceux à qui il n’a pas été annoncé, verront, et ceux qui n’ont pas entendu, comprendront» [Ésaïe 52:15]. 21 fa araka ny voasoratra hoe: Izay tsy nilazana Azy no hahita, Ary izay tsy nandre no hahafantatra (Isa. 52. 15).
22 C’est pourquoi aussi j’ai été souvent empêché d’aller vers vous ; 22 Ary izany no nahasampona ahy matetika tsy hankany aminareo.
23 mais maintenant, n’ayant plus de sujet [de m’arrêter] dans ces pays-ci, et ayant depuis plusieurs années un grand désir d’aller vers vous, 23 Fa ankehitriny, satria tsy misy antony intsony ny itoerako amin'ireto tany ireto sady efa naniry hatramin'ny taona maro hankany aminareo aho,
24 pour le cas où je me rendrais en Espagne … ; car j’espère que je vous verrai à mon passage, et que vous me ferez la conduite de ce côté-là, quand j’aurai d’abord un peu joui de vous ; 24 raha mankany Spania; fa manantena hahita anareo amin'ny alehako aho ka haterinareo ho any, rehefa afakafaka ny alaheloko anareo.
25 mais à présent je vais à Jérusalem, étant occupé au service des saints ; 25 Fa ankehitriny dia efa hankany Jerosalema aho hanompo ny olona masina.
26 car la Macédoine et l’Achaïe ont trouvé bon de subvenir, par une contribution, aux besoins des pauvres d’entre les saints qui sont à Jérusalem ; 26 Fa efa sitrapon'Makedonia sy Akaia ny hamory vola hiantrana ny malahelo amin'ny olona masina any Jerosalema.
27 car elles l’ont pris à cœur, et elles sont leurs débiteurs ; car si les nations ont participé à leurs [biens] spirituels, elles sont aussi sous l’obligation de les servir dans les choses charnelles. 27 Eny, sitrapony izany, sady mpitrosa aminy izy. Fa raha ny jentilisa no niombona ny zava-panahy taminy, dia tokony hanompo azy kosa amin'ny zavatra momba ny nofo izy.
28 Après donc que j’aurai achevé cette [œuvre] et que je leur aurai scellé ce fruit, j’irai en Espagne en passant par [chez] vous. 28 Ary rehefa vitako izany, ka voatolotro azy soa aman-tsara izany vokatra izany, dia hihazo any aminareo aho, raha mankany Spania.
29 Et je sais qu’en allant auprès de vous, j’irai dans la plénitude de la bénédiction de Christ. 29 Ary fantatro fa raha mankany aminareo aho, dia homba ahy ny fahafenoan'ny fitahian'i Kristy.
30 Mais je vous exhorte, frères, par notre seigneur Jésus Christ et par l’amour de l’Esprit, à combattre avec moi dans vos prières à Dieu pour moi, 30 Ary mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny amin'i Jesosy Kristy Tompontsika sy ny fitiavana avy amin'ny Fanahy, mba hiarahanareo miezaka amiko amin'ny fivavahanareo amin'Andriamanitra ho ahy,
31 afin que je sois délivré des incrédules qui sont en Judée, et que mon service que j’ai [à accomplir] à Jérusalem soit agréable aux saints, 31 mba ho voavonjy amin'ny tsy mino any Jodia aho, ary mba hankasitrahan'ny ny olona masina izay fanompoana hataoko any Jerosalema,
32 afin que j’aille vers vous avec joie par la volonté de Dieu, et que je me récrée avec vous. 32 mba hankanesako any aminareo amin'ny fifaliana, raha sitrapon'Andriamanitra, ka samy ho velombelona ny fontsika.
33 Or, que le Dieu de paix soit avec vous tous ! Amen. 33 Ary Andriamanitry ny fiadanana anie ho aminareo rehetra. Amena.
— v. 16 : administrateur officiel ; ainsi aussi, 13:6 ; Philippiens 2:25 ; comparer Hébreux 1:7 et 8:2. — v. 19 : litt.: signes. — v. 20 : litt.: nommé.  
Chapitre 16 Chapitre 16
1 Or je vous recommande Phœbé, notre sœur, qui est servante de l’assemblée qui est à Cenchrée, 1 [Famangiana sy teny farany] Indry, Foiby anabavintsika, diakon'ny fiangonana atỳ Kenkrea, lazaiko tsara aminareo,
2 afin que vous la receviez dans le Seigneur, comme il convient à des saints, et que vous l’assistiez dans toute affaire pour laquelle elle aurait besoin de vous ; car elle-même aussi a été en aide à plusieurs, et à moi-même. 2 mba horaisinareo ao amin'ny Tompo izy, toy izay miendrika ny olona masina, ary mba hampianareo izy amin'izay raharaha ilany anareo; fa izy dia mpiahy ny maro mbamin'ny tenako koa.
3 Saluez Prisca et Aquilas, mes compagnons d’œuvre dans le christ Jésus 3 Veloma amin'i Prisila sy Akoila, mpiara-miasa amiko ao amin'i Kristy Jesosy;
4 (qui, pour ma vie, ont exposé leur propre cou ; auxquels je ne rends pas grâces moi seul, mais aussi toutes les assemblées des nations), 4 izy mivady dia nanolotra ny tendany hamonjy ny aiko; nefa tsy izaho ihany no misaotra azy, fa ny fiangonana rehetra any amin'ny jentilisa koa.
5 et l’assemblée qui [se réunit] dans leur maison. Saluez Épaïnète, mon bien-aimé, qui est les prémices de l’Asie pour Christ. 5 Ary veloma amin'ny fiangonana izay ao an-tranony. Veloma amin'i Epaineto malalako, izay voaloham-bokatr'i Asia ho an'i Kristy.
6 Saluez Marie, qui a beaucoup travaillé pour vous. 6 Veloma amin'i Maria, izay nikely aina fatratra ho anareo.
7 Saluez Andronique et Junias, mes parents et mes compagnons de captivité, qui sont distingués parmi les apôtres, qui même ont été avant moi en Christ. 7 Veloma amin'i Androniko sy Jonia, havako sy namako niara-nifatotra tamiko, izay malaza eo amin'ny Apostoly sady tao amin'i Kristy talohako.
8 Saluez Amplias, mon bien-aimé dans le Seigneur. 8 Veloma amin'i Ampliato, malalako ao amin'ny Tompo.
9 Saluez Urbain, notre compagnon d’œuvre en Christ, et Stachys, mon bien-aimé. 9 Veloma amin'i Orbano, mpiara-miasa aminay ao amin'i Kristy, sy Staky malalako.
10 Saluez Appellès, approuvé en Christ. Saluez ceux de chez Aristobule. 10 Veloma amin'i Apela, ilay efa voazaha toetra ao amin'i Kristy. Veloma amin'ny ankohonan'i Aristobolo.
11 Saluez Hérodion, mon parent. Saluez ceux de chez Narcisse qui sont dans le Seigneur. 11 Veloma amin'i Herodiona havako. Veloma amin'ny ankohonan'i Narkisa, izay ao amin'ny Tompo.
12 Saluez Tryphène et Tryphose, lesquelles travaillent dans le Seigneur. Saluez Persis, la bien-aimée, qui a beaucoup travaillé dans le Seigneur. 12 Veloma amin'i Tryfena sy Tryfosa, izay mikely aina ao amin'ny Tompo. Veloma amin'i Perysa malala, izay nikely aina fatratra ao amin'ny Tompo.
13 Saluez Rufus, l’élu dans le Seigneur, et sa mère, qui est aussi la mienne. 13 Veloma amin'i Rofosy, ilay voafidy ao amin'ny Tompo, ary amin'ny reniny sy reniko.
14 Saluez Asyncrite, Phlégon, Hermas, Patrobas, Hermès, et les frères qui sont avec eux. 14 Veloma amin'i Asynkrito, Flegona, Hermesy, Patroba, Herma, mbamin'ny rahalahy ao aminy.
15 Saluez Philologue, et Julie, Nérée et sa sœur, et Olympas, et tous les saints qui sont avec eux. 15 Veloma amin'i Filologo sy Jolia, Nerea sy ny anabaviny, sy Olympa ary ny olona masina rehetra izay ao aminy.
16 Saluez-vous les uns les autres par un saint baiser. Toutes les assemblées du Christ vous saluent. 16 Mifanaova veloma amin'ny fanorohana masina. Ny fiangonana rehetra an'i Kristy manao veloma anareo.
   
17 Or je vous exhorte, frères, à avoir l’œil sur ceux qui causent les divisions et les occasions de chute par [des choses qui ne sont] pas selon la doctrine que vous avez apprise ; et éloignez-vous d’eux. 17 Fa izaho mananatra anareo, ry rahalahy, mba hitandrina ny amin'izay mahatonga ny fisarahana sy ny fahatafintohinana tsy araka ny fampianarana efa nianaranareo; mialà amin'ireny olona ireny.
18 Car ces sortes de gens ne servent* pas notre seigneur Christ, mais leur propre ventre ; et par de douces paroles et un beau langage, ils séduisent les cœurs des simples. 18 Fa izy ireny tsy mba manompo an'i Kristy Tompontsika, fa ny kibony ihany; ary teny malefaka sady tsara lahatra no amitahany ny fon'ny tsy ary saina.
19 Car votre obéissance est venue à [la connaissance de] tous. Je me réjouis donc à votre sujet ; mais je désire que vous soyez sages quant au bien, et simples quant au mal. 19 Fa efa niely any amin'ny olona rehetra ny lazan'ny fanarahanareo. Ary faly aho noho ny aminareo; satria tiako ho hendry amin'izay tsara ianareo, ary tsy hiharo amin'izay ratsy.
20 Or le Dieu de paix brisera bientôt Satan sous vos pieds. Que la grâce de notre seigneur Jésus Christ soit avec vous ! 20 Fa Andriamanitry ny fiadanana hanorotoro an'i Satana faingana eo ambanin'ny tongotrareo. Ho aminareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika.
— v. 18 : servir, être esclave.  
21 Timothée, mon compagnon d’œuvre, et Lucius, et Jason, et Sosipater, mes parents, vous saluent. 21 Manao veloma anareo Timoty, mpiara-miasa amiko, sy Losio sy Jasona ary Sosipatro havako.
   
22 Moi, Tertius, qui ai écrit la lettre, je vous salue dans le Seigneur. 22 Izaho, Tertio, izay manoratra ity epistily ity, manao veloma anareo ao amin'ny Tompo.
23 Gaïus, mon hôte et celui de toute l’assemblée, vous salue. Éraste, l’administrateur de la ville, et le frère Quartus vous saluent. 23 Gaio, ilay itoeranay sy ny fiangonana rehetra, manao veloma anareo. Erasto, mpitahiry ny volam-panjakana ato an-tanàna, sy Koarto rahalahy manao veloma anareo.
24 Que la grâce de notre seigneur Jésus Christ soit avec vous tous ! Amen. 24 * [* Ampio hoe: [24 Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika Amena]
   
25 Or, à celui qui est puissant pour vous affermir selon mon évangile et la prédication de Jésus Christ, selon la révélation du mystère* à l’égard duquel le silence a été gardé dès les temps éternels, 25 Ary ho an'izay mahay mampahery anareo araka ny filazantsarako sy ny fitoriana an'i Jesosy Kristy, araka ny fampisehoana ny zava-niafina, izay voàfina hatry ny fony fahagola,
26 mais qui a été manifesté maintenant, et qui, par des écrits prophétiques, a été donné à connaître à toutes les nations, selon le commandement du Dieu éternel, pour [l’]obéissance de [la] foi,… 26 fa efa naseho ankehitriny tamin'izay soratry ny mpaminany, araka ny didin'Andriamanitra mandrakizay, ka nampahafantarina any amin'ny firenena rehetra hahatonga fanekena ny finoana,
27 au Dieu qui seul est sage, par Jésus Christ, — auquel soit la gloire éternellement ! Amen. 27 ho an'Andriamanitra tokana ihany sady hendry anie ny voninahitra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy mandrakizay mandrakizay. Amena.
— v. 25 : mystère : comparer 1 Corinthiens 2:7-10 ; Éphésiens 3:2-11 ; 5:32 ; Colossiens 1:25-27 ; 2:2-3.