ZACHARIE Zakaria
   
Chapitre 1 Chapitre 1
1 Au huitième mois, en la seconde année de Darius,* la parole de l’Éternel vint à Zacharie le prophète, fils de Bérékia, fils d’Iddo, disant : 1 [Fitarihan-teny] Tamin'ny volana fahavalo tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosa no nahatongavan'ny tenin'i Jehovah tamin'i Zakaria mpaminany, zanak'i Berekia, zanak'Ido, nanao hoe:
— v. 1 : date : A.C. 519.  
2 L’Éternel a été fort en courroux contre vos pères. 2 Tezitra indrindra tamin'ny razanareo Jehovah.
3 Et tu leur diras : Ainsi dit l’Éternel des armées : Revenez à moi, dit l’Éternel des armées, et je reviendrai à vous, dit l’Éternel des armées. 3 Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Miverena amiko ianareo, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
4 Ne soyez pas comme vos pères, auxquels les premiers prophètes ont crié, disant : Ainsi dit l’Éternel des armées : Revenez donc de vos mauvaises voies et de vos mauvaises actions !… mais ils n’écoutèrent pas, et ne firent pas attention à moi, dit l’Éternel. 4 Aza mba toy ny razanareo, izay nantsoin'ny mpaminany fahiny hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Mialà amin'ny lalanareo ratsy ianareo sy amin'ny ratsy fanaonareo; nefa tsy nitandrina izy, na nihaino Ahy, hoy Jehovah.
5 Vos pères, où sont-ils ? et les prophètes, ont-ils vécu à toujours ? 5 Ny razanareo - aiza moa ireny izao ? Ary ny mpaminany - moa velona mandrakizay va ireny?
6 Mais mes paroles et mes décrets que j’ai commandés à mes serviteurs les prophètes, n’ont-ils pas atteint vos pères ? Et ils sont revenus et ont dit : Comme l’Éternel des armées s’est proposé de nous faire, selon nos voies et selon nos actions, ainsi en a-t-il fait à notre égard. 6 Fa ny teniko sy ny didiko, izay nandidiako ny mpaminany mpanompoko, tsy nahatratra ny razanareo va izany? Ary izy nitodika ka nanao hoe: Araka izay nosainin'i Jehovah, Tompon'ny maro, hatao amintsika, araka ny alehantsika sy ny ataontsika, dia araka izany no nataony tamintsika.
   
7 Le vingt-quatrième jour du onzième mois, qui est le mois de Shebath, en la seconde année de Darius, la parole de l’Éternel vint à Zacharie le prophète, fils de Bérékia, fils d’Iddo, disant : 7 [Fahitana voalohany: ny amin'ny mpitaingin-tsoavaly eny amin'ny rotra] Tamin'ny andro fahefatra amby roa-polo tamin'ny volana fahiraika ambin'ny folo (volana Sebata izany) tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosa dia tonga tamin i Zakaria mpaminany, zanak'i Berekia, zanak'Ido, ny tenin'i Jehovah nanao,hoe:
8 Je vis de nuit* ; et voici un homme monté sur un cheval roux, et il se tenait parmi les myrtes qui étaient dans le fond, et, après lui, il y avait des chevaux roux, bais, et blancs. 8 Nahita tamin'ny alina aho fa, indro, nisy lehilahy nitaingina soavaly mena ka nijanona teny amin'ny rotra* teny an-dohasaha*, ary teo aoriany nisy soavaly mena sy mavo ary fotsy. [*myrta][**Na: amin'ny alokaloka]
9 Et je dis : Que sont ceux-ci, mon seigneur ? Et l’ange qui parlait avec moi me dit : Je te ferai voir ce que sont ceux-ci. 9 Dia hoy izaho: Tompoko ô, inona moa ireo? Ary ilay anjely niresaka tamiko dia nanao tamiko hoe: Izaho haneho anao ny amin'ireo.
10 Et l’homme qui se tenait parmi les myrtes répondit et dit : Ce sont ceux que l’Éternel a envoyés pour se promener par la terre. 10 Ary ralehilahy izay nijanona teny amin'ny rotra* dia namaly hoe: Ireo dia nirahin'Jehovah hivoivoy eny amin'ny tany. [myrta]
11 Et ils répondirent à l’ange de l’Éternel qui se tenait parmi les myrtes, et dirent : Nous nous sommes promenés par la terre, et voici, toute la terre est en repos et tranquille. 11 Ary namaly Ilay Anjelin'i Jehovah nijanona teny amin'ny rotra* ireo ka nanao hoe: Efa nivoivoy teny amin'ny tany izahay, ary, indro, ny tany rehetra dia miadana sy mandry fahizay.[myrta]
12 Et l’ange de l’Éternel prit la parole et dit : Éternel des armées, jusques à quand n’useras-tu pas de miséricorde envers Jérusalem, et envers les villes de Juda, contre lesquelles tu as été indigné ces soixante-dix ans ? 12 Ary Ilay Anjelin'i Jehovah namaly hoe: He, Jehovah, Tompon'ny maro ô! mandra-pahoviana no tsy hamindranao fo amin'i Jerosalema sy amin'ny tanànan'ny Joda, izay efa nahatezitra Anao fito-polo taona izay.
13 Et l’Éternel répondit à l’ange qui parlait avec moi, de bonnes paroles, des paroles de consolation. 13 Dia novalian'i Jehovah teny tsara sy mampionona ilay anjely niresaka tamiko.
14 Et l’ange qui parlait avec moi me dit : Crie, disant : Ainsi dit l’Éternel des armées : Je suis jaloux d’une grande jalousie à l’égard de Jérusalem et à l’égard de Sion ; 14 Ary ilay anjely niresaka tamiko dia nanao tamiko hoe: Miantsoa hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Saro-piaro dia saro-piaro an'i Jerosalema sy Ziona Aho.
15 et je suis courroucé d’un grand courroux contre les nations qui sont à leur aise ; car j’étais un peu courroucé, et elles ont aidé au mal. 15 Ary tezitra indrindra Aho amin'ireo firenena miadana; satria Izaho dia tezitra kely ihany, fa ireo kosa dia nampitombo ny fahoriana.
16 C’est pourquoi, ainsi dit l’Éternel : Je suis revenu à Jérusalem avec miséricorde ; ma maison y sera bâtie, dit l’Éternel des armées, et le cordeau sera étendu sur Jérusalem. 16 Koa izao no lazain'i Jehovah: Efa tafaverina eto Jerosalema amin'ny indrafo Aho; ny tranoko haorina eto, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ary ny famolaina hohenjanina eto Jerosalema.
17 Crie encore, disant : Ainsi dit l’Éternel des armées : Mes villes regorgeront encore de biens*, et l’Éternel consolera encore Sion, et choisira encore Jérusalem. 17 Miantsoa indray hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Hihoa-pampana ny fanambinana ny tanànako; ary Jehovah hampionona an'i Ziona ary mbola hifidy an'i Jerosalema indray.
— v. 8 : ou : cette nuit-là. — v. 17 : ou : s’étendront à cause du bien. Chapitre 2
18 Et je levai mes yeux et regardai ; et voici quatre cornes. 1 [Fahitana faharoa: ny amin'ny tandroka efatra sy ny mpiasa efatra] Ary natopiko ny masoko, ka hitako fa, indreo, nisy tandroka efatra.
19 Et je dis à l’ange qui parlait avec moi : Que sont celles-ci ? Et il me dit : Ce sont ici les cornes qui ont dispersé Juda, Israël et Jérusalem. 2 Ary hoy izaho tamin'ilay anjely niresaka tamiko: Inona moa ireo? Dia hoy izy tamiko: Ireo no tandroka izay nampihahaka ny Joda sy ny Isiraely ary Jerosalema.
20 Et l’Éternel me fit voir quatre ouvriers. 3 Ary dia nanehoan'i Jehovah mpiasa efatra aho.
21 Et je dis : Que viennent faire ceux-ci ? Et il parla, disant : Ce sont là les cornes qui ont dispersé Juda, de manière que personne ne levait la tête ; mais ceux-ci sont venus pour les effrayer, pour jeter loin les cornes des nations qui ont levé la corne contre le pays de Juda pour le disperser. 4 Dia hoy izaho: Avy hanao inona moa ireto? Ary Izy nanao hoe: Ireo no tandroka nampihahaka ny Joda, ka tsy nisy olona nanandrandra loha; fa ireto kosa dia avy hampahatahotra azy mba hampiongana ny tandroky ny firenena, dia izay nanandratra ny tandrony tamin'ny tanin'ny Joda hanely azy.
Chapitre 2  
1 Et je levai les yeux, et je regardai ; et voici un homme, et dans sa main un cordeau à mesurer. 5 [Fahitana fahatelo: ny amin-dralehilahy nitondra famolaina] Dia natopiko ny masoko, ka hitako fa, indro, nisy lehilahy manana kofehy famolaina eny an-tànany.
2 Et je dis : Où vas-tu ? Et il me dit : [Je vais] pour mesurer Jérusalem, pour voir quelle est sa largeur et quelle est sa longueur. 6 Dia hoy izaho: Ho aiza moa ianao? Ary hoy izy tamiko: Handrefy an'i Jerosalema hizaha ny sakany sy ny lavany aho.
3 Et voici, l’ange qui parlait avec moi sortit, et un autre ange sortit à sa rencontre, et lui dit : Cours, parle à ce jeune homme, disant : 7 Ary, indro, nivoaka ilay anjely niresaka tamiko, ary nisy anjely anankiray koa nivoaka hitsena azy
4 Jérusalem sera habitée comme les villes ouvertes, à cause de la multitude des hommes et du bétail [qui seront] au milieu d’elle. 8 ka nanao taminy hoe: Mihazakazaha, ka milazà amin'io zatovo io hoe: Honenana toy ny tanana tsy mimanda Jerosalema noho ny hamaroan'ny olona sy ny biby fiompy ao aminy.
5 Et moi, je lui serai, dit l’Éternel, une muraille de feu tout autour, et je serai [sa] gloire au milieu d’elle. 9 Fa Izaho, hoy Jehovah, ho manda afo manodidina azy ary ho voninahitra ao afovoany.
   
6 Ho, Ho ! fuyez donc du pays du nord, dit l’Éternel, car je vous ai dispersés aux quatre vents des cieux, dit l’Éternel. 10 He! he! mandosira avy any amin'ny tany avaratra, hoy Jehovah; fa aeliko ho toy ny rivotra efatry ny lanitra ianareo, hoy Jehovah.
7 Ho ! échappe-toi, Sion, toi qui habites chez la fille de Babylone ! 11 He! vonjeo ny tenanao, ry Ziona, izay monina ao Babylona zanakavavy.
8 Car ainsi dit l’Éternel des armées : Après la gloire, il m’a envoyé vers les nations qui ont fait de vous leur proie ; car celui qui vous touche, touche la prunelle de son œil. 12 Fa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Hampiseho* voninahitra no nanirahany ahy tany amin'ny firenena izay namabo anareo; fa izay mikasika anareo dia mikasika ny anakandriamasony. [Heb. aorian'ny]
9 Car voici, je secoue ma main sur elles, et elles seront la proie de ceux qui les servaient ; et vous saurez que l’Éternel des armées m’a envoyé. 13 Fa, indro, hahinjitro eo amboniny ny tanako, ka hobaboin'ireo nanompo azy izy; dia ho fantatrareo fa Jehovah, Tompon'ny maro, no naniraka ahy.
   
10 Exulte, et réjouis-toi, fille de Sion ! car voici, je viens et je demeurerai au milieu de toi, dit l’Éternel. 14 Mihobia sy mifalia, ry Ziona zanakavavy, fa, indro, avy honina ao afovoanao Aho, hoy Jehovah.
11 Et beaucoup de nations se joindront à l’Éternel en ce jour-là, et elles me seront pour peuple, et je demeurerai au milieu de toi ; et tu sauras que l’Éternel des armées m’a envoyé à toi. 15 Ary firenena maro no hanaiky ho an'i Jehovah amin'izany andro izany ka ho oloko; ary hitoetra ao afovoanao aho, ka dia ho fantatrao fa Jehovah, Tompon'ny maro, no naniraka ahy ho aminao.
12 Et l’Éternel possédera Juda [comme] sa part sur la terre sainte, et il choisira encore Jérusalem. 16 Ary Jehovah hanana an'i Joda ho anjarany ao amin'ny tany masina ary mbola hifidy an'i Jerosalema indray.
13 Que toute chair fasse silence devant l’Éternel, car il s’est réveillé de sa demeure sainte. 17 Mangina eo anatrehan'i Jehovah, ry nofo rehetra! fa nifoha avy ao amin'ny fitoerany masina Izy.
* *
Chapitre 3 Chapitre 3
1 Et il me fit voir Joshua*, le grand sacrificateur, debout devant l’Ange de l’Éternel, et Satan** se tenant à sa droite pour s’opposer à lui. 1 [Fahitana fahefatra: Josoa mpisoronabe nitsangana teo anatrehan'Ilay Anjelin'i Jehovah] Ary dia nasehony ahy fa, indro, Josoa mpisoronabe nitsangana teo anatrehan'Ilay Anjelin'i Jehovah, ary Satana nitsangana teo an-kavanany hiampanga azy.
— v. 1* : voir Aggée 1:1. — v. 1** : comme Job 1:6.  
2 Et l’Éternel dit à Satan : Que l’Éternel te tance, Satan ; que l’Éternel, qui a choisi Jérusalem, te tance ! Celui-ci n’est-il pas un tison sauvé du feu ? 2 Ary hoy Jehovah tamin'i Satana: Hananatra anao anie Jehovah, ry Satana; eny, Jehovah Izay nifidy an'i Jerosalema anie hananatra anao; tsy forohana nosarihana tamin'ny afo va ity?
3 Et Joshua était vêtu de vêtements sales, et se tenait devant l’Ange. 3 Ary Josoa nitafy fitafiana maloto ary nitsangana teo anoloan'Ilay Anjely.
4 Et [l’Ange] prit la parole et parla à ceux qui se tenaient devant lui, disant : Ôtez de dessus lui les vêtements sales. Et il lui dit : Regarde, j’ai fait passer de dessus toi ton iniquité, et je te revêts d’habits de fête. 4 Dia namaly Jehovah ka nilaza tamin'izay nitsangana teo anoloany hoe: Esory aminy ny fitafiana maloto. Ary hoy koa Izy taminy: Indro, efa nesoriko ny helokao, ary hampiakanjoiko akanjo fihaingoana ianao.
5 Et je dis : Qu’ils mettent une tiare pure sur sa tête ; et ils mirent la tiare pure sur sa tête, et le revêtirent de vêtements ; et l’Ange de l’Éternel se tenait là. 5 Dia hoy izaho: Aoka hasiany hamama madio eo an-dohany. Ka dia nasiany hamama madio teo an-dohany, sady nampitafiny izy; ary Ilay Anjelin'i Jehovah dia nitsangana teo.
   
6 Et l’Ange de l’Éternel protesta à Joshua, disant : 6 Ary Ilay Anjelin'i Jehovah nilaza marimarina tamin'i Josoa hoe:
7 Ainsi dit l’Éternel des armées : Si tu marches dans mes voies, et si tu fais l’acquit de la charge que je te confie, alors tu jugeras aussi ma maison, et tu auras aussi la garde de mes parvis, et je te donnerai de marcher au milieu de ceux-ci qui se tiennent [devant moi]. 7 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Raha mizotra amin'ny lalako ianao sy mitandrina ny didiko, dia ianao no hitsara ny amin'ny tranoko sy hitandrina ny kianjako, sady homeko lalana ho amin'ireo mitsangana ireo ianao.
   
8 Écoute, Joshua, grand sacrificateur, toi et tes compagnons qui sont assis devant toi, car ce sont des hommes [qui servent] de signes* ; car voici, je ferai venir mon serviteur, le Germe. 8 Koa mihainoa, ry Josoa mpisoronabe, dia ianao sy ny namanao izay mipetraka eo anoloanao; fa olona atao fahagagana ireo; fa, indro, ho entiko Rantsana* Mpanompoko. [Na: solofo]
9 Car voici, la pierre que j’ai placée devant Joshua ; sur cette seule pierre, [il y aura] sept yeux ; voici, j’en graverai la gravure, dit l’Éternel des armées ; et j’ôterai l’iniquité de ce pays en un seul jour. 9 Fa, indro, ny vato izay napetrako teo anoloan'i Josoa, ny vato iray dia banjinin'ny maso fito*; indro, hosoratako ny sorany, hoy Jehovah Tompon'ny maro, ary hesoriko indray andro monja ny helok'ity tany ity. [Heb. amin'ny vato iray misy maso fito]
10 En ce jour-là, dit l’Éternel des armées, vous convierez chacun son prochain sous la vigne et sous le figuier. 10 Amin'izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, dia samy hiantso ny namanareo avy ho eo ambanin'ny voaloboka sy ho eo ambanin'ny aviavy ianareo.
— v. 8 : ailleurs : prodiges, miracles.  
* *
Chapitre 4 Chapitre 4
1 Et l’ange qui parlait avec moi revint et me réveilla comme un homme qu’on réveille de son sommeil. 1 [Fahitana fahadimy: ny amin'ny fanaovan-jiro, sy ny hazo oliva roa] Ary niverina ilay anjely niresaka tamiko ka namoha ahy toy ny olona fohazina amin-tory.
2 Et il me dit : Que vois-tu ? Et je dis : Je vois, et voici un chandelier tout d’or, et une coupe à son sommet ; et ses sept lampes sur lui ; sept [lampes] et sept* conduits pour les lampes qui sont à son sommet ; 2 Dia hoy izy tamiko: Inona no hitanao? Ary hoy izaho: Hitako fa, indro, misy fanaovan-jiro tena volamena, ary ny fitoeran-diloilony dia eo an-tampony, ary ny lela fanaovan-jirony fito kosa dia eo aminy, ary misy fantsona fito avy amin'ny isan'ny lela fanaovan-jiro izay eo an-tampony;
3 et deux oliviers auprès de lui, l’un à la droite de la coupe, et l’autre à sa gauche. 3 ary misy hazo oliva roa eo anilany, ny anankiray eo an-kavanan'ny fitoeran-diloilo, ary ny anankiray eo an-kaviany.
— v. 2 : ou : sept et sept, c. à d. sept conduits pour chaque lampe.  
4 Et je pris la parole et dis à l’ange qui parlait avec moi, disant : Que sont ces choses, mon seigneur ? 4 Dia niteny tamin'ilay anjely niresaka tamiko aho nanao hoe: Inona moa ireo, tompoko?
5 Et l’ange qui parlait avec moi répondit et me dit : Ne sais-tu pas ce que sont ces choses ? Et je dis : Non, mon seigneur. 5 Ary ilay anjely niresaka tamiko dia namaly ka nanao tamiko hoe: Tsy fantatrao va ireo? Fa hoy izaho: Tsia, tompoko.
6 Et il répondit et me parla, disant : C’est ici la parole de l’Éternel à Zorobabel, disant : Ni par force, ni par puissance, mais par mon Esprit, dit l’Éternel des armées. 6 Dia namaly izy ka nanao tamiko hoe: Izao no tenin'i Jehovah amin'i Zerobabela: Tsy amin-kery na amim-pahatanjahana, fa amin'ny Fanahiko, hoy Jehovah, Tompon'ny maro .
7 Qui es-tu, grande montagne, devant Zorobabel ? [Tu deviendras] une plaine ; et il fera sortir la pierre du faîte avec des acclamations : Grâce, grâce sur* elle ! 7 Iza moa ianao, ry tendrombohitra lehibe ? Ho tonga tany lemaka eo anoloan'i Zerobabela ianao*; ary ho entiny mivoaka ny vato hatao tendrony sady hisy fiantsoana hoe: Fahasoavana, fahasoavana anie ho aminy! [Na: ry tendrombohitra lehibe eo anoloan'i Zerobabela? Ho tany lemaka ianao]
— v. 7 : litt.: à.  
8 Et la parole de l’Éternel vint à moi, disant : 8 Dia tonga tamiko indray ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
9 Les mains de Zorobabel ont fondé cette maison, et ses mains l’achèveront ; et tu sauras que l’Éternel des armées m’a envoyé vers vous. 9 Ny tànan'i Zerobabela no nanao ny fanorenan'ity trano ity, ary ny tànany koa no hamita azy; ka dia ho fantatrao fa Jehovah, Tompon'ny maro, no naniraka ahy ho aminao.
10 Car qui a méprisé le jour des petites choses ? Ils se réjouiront, ces sept-là, et verront le plomb* dans la main de Zorobabel : ce sont là les yeux de l’Éternel qui parcourent toute la terre**. 10 Fa iza no nanamavo ny andron'ny zava-madinika? Ho faly mahita ny pilao eny an-tànan'i Zerobabela ireo fito ireo, dia ny mason'i Jehovah, izay mijery eny tontolo eny eran'ny tany rehetra
— v. 10* : litt.: la pierre d’étain. — v. 10** : litt.: tout le pays.  
11 Et je répondis et lui dis : Que sont ces deux oliviers à la droite du chandelier, et à sa gauche ? 11 Dia namaly aho ka nanao taminy hoe: Inona moa ireo hazo oliva roa eo an-kavanan'ny fanaovan-jiro sy eo an-kaviany ireo?
12 Et je répondis une seconde fois et lui dis : Que sont les deux branches des oliviers qui, à côté* des deux conduits d’or, déversent l’or d’elles-mêmes ? 12 Ary namaly koa aho ka nanao taminy hoe: Inona moa ireo sampahon'oliva roa eo amin'ny fantsona volamena izay mampijononoka ny diloilo volamena avy ao aminy ireo?
13 Et il me parla, disant : Ne sais-tu pas ce qu’elles sont ? Et je dis : Non, mon seigneur. 13 Dia namaly izy hoe: Tsy fantatrao va ireo? Ary hoy izaho: Tsia, tompoko.
14 Et il dit : Ce sont les deux fils de l’huile, qui se tiennent auprès du Seigneur de toute la terre. 14 Dia hoy izy: Ireo no zana-diloilo roa, izay mitsangana eo anoloan'ny Tompon'ny tany rehetra.
— v. 12 : ou, peut-être : par le moyen.  
* *
Chapitre 5 Chapitre 5
1 Et de nouveau je levai mes yeux, et je vis ; et voici un rouleau qui volait. 1 [Fahitana fahenina: ny amin ilay horonan-taratasy manidina, sy ravehivavy ao anatin'ny vata famarana] Dia natopiko indray ny masoko, ka hitako fa, indro, nisy horonan-taratasy manidina.
2 Et il me dit : Que vois-tu ? Et je dis : Je vois un rouleau qui vole, long de vingt coudées, et large de dix coudées. 2 Ary hoy izy tamiko: Inona moa no hitanao? Dia hoy izaho: Mahita horonan-taratasy manidina aho; roa-polo hakiho ny lavany, ary folo hakiho ny sakany.
3 Et il me dit : C’est ici la malédiction* qui sort sur la face de toute la terre** ; car tout voleur sera détruit, selon ce [qui est écrit]***, d’une part ; et chacun qui jure sera détruit, selon ce [qui est écrit]***, de l’autre part. 3 Dia hoy izy tamiko: Izany no ozona mivoaka ho eny amin'ny tany rehetra; fa izay rehetra mangalatra dia hosorohina araka izany, ary izay rehetra mianiana dia hosorohina araka izany koa.
4 Je la fais sortir, dit l’Éternel des armées, et elle entrera dans la maison du voleur, et dans la maison de celui qui jure faussement par mon nom ; et elle logera au milieu de sa maison et la consumera avec le bois et les pierres. 4 Ho entiko mivoaka izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ka hiditra ao an-tranon'ny mpangalatra sy ao an-tranon'izay mianian-tsy tò amin'ny anarako ary hitoetra ao amin'ny tranony ka handevona azy mbamin'ny hazony sy ny vatony.
— v. 3* : ailleurs : exécration. — v. 3** : litt.: tout le pays. — v. 3*** : litt.: selon elle.  
5 Et l’ange qui parlait avec moi sortit et me dit : Lève tes yeux et regarde : Qu’est-ce qui sort là ? 5 Dia nivoaka ilay anjely niresaka tamiko ka nanao tamiko hoe: Atopazy ny masonao, ka jereo io mivoaka io.
6 Et je dis : Qu’est-ce ? Et il dit : C’est l’épha qui sort. Et il dit : C’est ici leur aspect dans toute la terre. 6 Dia hoy izaho: Inona moa io ? Ary hoy izy: Io ilay vata famarana* 'mivoaka. Hoy koa izy: Izao no tarehiny any amin'ny tany rehetra [Heb. efaha]
7 Et voici, un disque de plomb fut soulevé : et il y avait là une femme assise au milieu de l’épha. 7 (ary, indro, nisy vongam-piraka boribory naingaina); ary io no vehivavy iray mipetraka ao anatin'ny vata famarana*. [Heb. efaha]
8 Et il dit : C’est la méchanceté. Et il la jeta au milieu de l’épha, et il jeta le poids de plomb sur l’ouverture. 8 Ary hoy izy: Faharatsiana io. Ka dia natontany tao anatin'ny vata famarana* io; ary natontany teo am-bavan'io ny vato firaka. [Heb. efaha]
9 Et je levai mes yeux, et je vis ; et voici, deux femmes sortirent, et le vent était dans leurs ailes, et elles avaient des ailes comme des ailes de cigogne, et elles soulevèrent l’épha entre la terre et les cieux. 9 Dia natopiko ny masoko, ka hitako fa, indreo, nisy vehivavy roa nivoaka, ary nahazo rivotra ny elany, fa nanana elatra toy ny elatry ny vano izy; ary naingainy ho eo anelanelan'ny tany sy ny lanitra ny vata famarana.7
10 Et je dis à l’ange qui parlait avec moi : Où celles-ci emportent-elles l’épha ? 10 Dia hoy izaho tamin'ilay anjely niresaka tamiko: Ho aiza no itondran'ireto ny vata famarana*. [Heb. efaha]
11 Et il me dit : Pour lui bâtir une maison dans le pays de Shinhar ; et là elle sera fixée et posée sur sa base. 11 Ary hoy izy tamiko: Hanaovana trano ho azy any amin'ny tany Sinara, ary rehefa vita izany, dia hapetraka ao amin'ny fipetrahany izy.
* *
Chapitre 6 Chapitre 6
1 Et de nouveau je levai mes yeux, et je vis : et voici quatre chars qui sortaient d’entre deux montagnes, et les montagnes étaient des montagnes d’airain. 1 [Fahitana fahafito: ny amin'ny kalesy efatra] Ary natopiko indray ny masoko ka hitako fa, indreo, nisy kalesy efatra nivoaka avy teo anelanelan'ny tendrombohitra roa; ary tendrombohitra varahina ireo tendrombohitra ireo.
2 Au premier char il y avait des chevaux roux ; et au second char, des chevaux noirs ; 2 Tamin'ny kalesy voalohany dia nisy soavaly mena; tamin'ny kalesy faharoa dia soavaly mainty;
3 et au troisième char, des chevaux blancs ; et au quatrième char, des chevaux tachetés, vigoureux*. 3 tamin'ny kalesy fahatelo dia soavaly fotsy; ary tamin'ny kalesy fahefatra dia soavaly sadamena*. [na: sada sady matanjaka]
4 Et je pris la parole et dis à l’ange qui parlait avec moi : Que sont ceux-ci, mon seigneur ? 4 Dia nanontany tamin'ilay anjely niresaka tamiko aho ka nanao hoe: Inona moa ireo, tompoko?
5 Et l’ange répondit et me dit : Ce sont les quatre esprits des cieux qui sortent de là où ils se tenaient devant le Seigneur de toute la terre. 5 Ary ilay anjely namaly ka nilaza tamiko hoe: Ireo no rivotra efatry ny lanitra, izay mivoaka avy nitsangana teo anatrehan'ny Tompon'ny tany. rehetra.
6 Celui auquel sont les chevaux noirs sort vers le pays du nord ; et les blancs sortent après eux ; et les tachetés sortent vers le pays du midi ; 6 Io misy ny soavaly mainty dia mivoaka mankamin'ny tany avaratra; ary ny fotsy nivoaka nanaraka azy; ary ny sada nivoaka nankamin'ny tany atsimo.
7 et les vigoureux sortent et cherchent à s’en aller, à se promener par la terre. Et il dit : Allez, promenez-vous par la terre. Et ils se promenèrent par la terre. 7 Ary ny mena* dia nivoaka ka nitady handeha hivoivoy eny amin'ny tany; dia hoy izy: Mandehana ianareo, mivoivoiza eny amin'ny tany. Ka dia nandeha nivoivoy teny amin'ny tany izy. [na: matanjaka]
8 Et il me cria, et me parla, disant : Vois ; ceux qui sont sortis vers le pays du nord ont apaisé mon esprit* dans le pays du nord. 8 Dia nitaraina mafy tamiko izy ka niteny tamiko hoe: Indro, ireo izay mivoaka mankamin'ny tany avaratra dia nampionona ny fanahiko tany amin'ny tany avaratra.
— v. 3 : quelques-uns : roux. — v. 8 : ou : ont satisfait ma colère.  
9 Et la parole de l’Éternel vint à moi, disant : 9 [Ny satro-boninahitra teo an-dohan'i Josoa] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
10 Prends [des dons] de la part de [ceux de] la transportation, de la part de Heldaï, de Tobija, et de Jedahia, (et viens, toi, en ce même jour, et entre dans la maison de Josias, fils de Sophonie, où ils sont venus de Babylone) ; 10 Mandraisa avy amin'ny babo, dia amin'i Helday sy Tobia ary Jedaia, eny, mandehana amin'izany andro izany ihany ianao, ka midìra ao an-tranon'i Josia, zanak'i Zefania, izay novantaniny nony vao tonga avy tany Babylona izy,
11 tu prendras, [dis-je] de l’argent et de l’or, oui, prends des couronnes*, et tu [les] mettras sur la tête de Joshua, fils de Jotsadak, le grand sacrificateur ; 11 eny, mandraisa volafotsy sy volamena, ka ataovy satro-boninahitra, dia apetraho eo an-dohan'i Josoa, zanak'i Jozadaka, mpisoronabe;
12 et tu lui parleras, disant : Ainsi parle l’Éternel des armées, disant : Voici un homme dont le nom est Germe, et il germera de son propre lieu, et il bâtira le temple de l’Éternel. 12 dia lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Indro Lehilahy atao hoe Rantsana*; ary hitsimoka eo am-pitoerany ihany Izy** sady hanao ny tempolin'i Jehovah. [*na: solofo] [**na: ary hisy hitsimoka eo ambaniny]
13 Lui, il bâtira le temple de l’Éternel, et il portera la gloire, et il s’assiéra, et dominera sur son trône, et il sera sacrificateur sur son trône ; et le conseil de paix sera entre eux deux. 13 Eny, Izy no hanao ny tempolin'i Jehovah, ary Izy no hitondra voninahitra ka hipetraka sy hanapaka eo amin'ny seza fiandrianany; ary ho mpisorona eo amin'ny seza fiandrianany Izy*; ary hisy fisainam-pihavanana amin'izy roroa. [na: ary hisy mpisorona eo amin'ny seza fiandrianany]
14 Et les couronnes* seront pour Hélem, et pour Tobija, et pour Jedahia, et pour Hen, fils de Sophonie, pour mémorial dans le temple de l’Éternel. 14 Ary ny satro-boninahitra dia ho an'i Helema sy Tobia sy Jedaia ary Hena, zanak'i Zefania, ho fampahatsiarovana ao amin'ny tempolin'i Jehovah.
15 Et ceux qui sont éloignés viendront et bâtiront au temple de l’Éternel ; et vous saurez que l’Éternel des armées m’a envoyé vers vous. Et [cela] arrivera, si vous écoutez fidèlement la voix de l’Éternel, votre Dieu. 15 Ary izay lavitra dia ho avy ka hanao ao amin'ny tempolin'i Jehovah, ka dia ho fantatrareo fa Jehovah, Tompon'ny maro, no naniraka ahy ho aminareo. Dia ho tonga izany, raha hazoto hihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo.
— v. 11, 14 : proprement : une tiare composée de plusieurs couronnes.  
* * * *
Chapitre 7 Chapitre 7
1 Et il arriva, la quatrième année du roi Darius,* que la parole de l’Éternel vint à Zacharie, le quatrième [jour] du neuvième mois, [au mois] de Kislev, 1 [Valin'ny fanontanian'ny avy any Betela ny amin'ny andro fifadiana, ary filazana ny loza hamelezan'i Jehovah ny olony, sy ny mbola hitahiany azy] Ary tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Dariosa no nahatongavan'ny tenin'i Jehovah tamin'i Zakaria, tamin'ny andro fahefatra tamin'ny volana fahasivy (Kisleva izany);
2 quand Béthel* envoya Sharétser et Réguem-Mélec et ses hommes pour implorer l’Éternel, 2 ary Betela efa naniraka an'i Serezera sy Regema-meleka sy ny olony* hifona amin'i Jehovah [na: ary ny any Betela, dia Serezera... efa naniraka]
3 pour parler aux sacrificateurs qui étaient dans la maison de l’Éternel des armées, et aux prophètes, disant : Pleurerai-je au cinquième mois, en me séparant comme j’ai fait, voici tant d’années ? 3 ka hiteny amin'ny mpisoron'ny tranon'i Jehovah, Tompon'ny maro, sy amin'ny mpaminany hoe: Hitomany amin'ny volana fahadimy va aho ka hifady toy ny fanaoko tamin'ny taon-dasa ela?
— v. 1 : date : A.C. 517. — v. 3 : ceux de Béthel ; d’autres : quand on envoya à la maison de *Dieu.  
4 Et la parole de l’Éternel des armées vint à moi, disant : 4 Dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah, Tompon'ny maro, nanao hoe:
5 Parle à tout le peuple du pays, et aux sacrificateurs, disant : Quand vous avez jeûné et que vous vous êtes lamentés au cinquième et au septième [mois], et cela pendant soixante-dix ans, est-ce réellement pour* moi, pour* moi, que vous avez jeûné ? 5 Lazao amin'ny vahoaka rehetra amin'ny tany sy amin'ny mpisorona hoe: Raha nifady hanina sy nitomany tamin'ny volana fahadimy sy ny fahafito tamin'izao fito-polo taona izao, ianareo moa nifady ho Ahy va ianareo?
6 Et quand vous avez mangé et bu, n’est-ce pas vous qui mangiez et qui buviez ? 6 Ary raha mihinana sy misotro ianareo. moa tsy mihinana sy misotro ho an'ny tenanareo ihany va ianareo*? [na: moa tsy ianareo ihany va no mihinana sy misotro]
7 Ne sont-ce pas là les paroles que l’Éternel a criées par les premiers prophètes, alors que Jérusalem était habitée et jouissait de la paix, ainsi que ses villes qui l’entouraient, et que le midi et le pays plat étaient habités ? 7 Moa tsy tokony ho nihaino ny teny izay nasain'i Jehovah nantsoin'ny mpaminany fahiny va ianareo, fony mbola nonenana sy nandry fahizay Jerosalema sy ny zana-bohiny manodidina azy, sady nonenana koa ny tany atsimo sy ny tany lemaka amoron-tsiraka*? [na: sefela]
— v. 5 : plus litt.: à.  
8 Et la parole de l’Éternel vint à Zacharie, disant : 8 Ary tonga tamin'i Zakaria ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
9 Ainsi parle l’Éternel des armées, disant : Prononcez des jugements de vérité, et usez de bonté et de miséricorde l’un envers l’autre, 9 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Manaova fitsarana marina, ary samia mifampiantra sy mifamindra fo amin'ny rahalahiny avy;
10 et n’opprimez pas la veuve et l’orphelin, l’étranger et l’affligé ; et ne méditez pas le mal dans votre cœur, l’un contre l’autre. 10 ary aza mampahory ny mpitondratena na ny kamboty, na ny vahiny, na ny mahantra; ary aza misy mihevitra ao am-ponareo hanisy ratsy ny rahalahinareo ianareo.
11 Mais ils refusèrent d’être attentifs, et opposèrent une épaule revêche, et appesantirent leurs oreilles pour ne pas entendre, 11 Nefa tsy nety nihaino ireny, fa nampihemotra ny sorony, ary nataony lalodalovana ny sofiny; mba tsy handre.
12 et rendirent leur cœur [dur comme] un diamant, pour ne pas écouter la loi et les paroles que l’Éternel des armées envoyait par son Esprit, par les premiers prophètes ; et il y eut une grande colère de la part de l’Éternel des armées. 12 Eny, nanao ny fony ho mafy,toy ny diamondra Izy, mba tsy hihaino ny lalàna sy ny teny izay nampitondrain'ny Fanahin'i Jehovah, Tompon'ny maro, holazain'ny mpaminany fahiny, ka dia tonga izay fahatezerana mafy avy tamin'i Jehovah, Tompon'ny maro,
13 Et il arriva que, comme il cria et qu’ils n’écoutèrent pas, de même ils crièrent, et je n’écoutai pas, dit l’Éternel des armées ; 13 Koa toy ny niantsoan'ireny, fa tsy nohenoiny, dia ho toy izany no hiantsoany kosa, fa tsy hohenoiko, hoy Jehovah, Tompon'ny maro;
14 et je les dispersai, comme par un tourbillon, parmi toutes les nations qu’ils ne connaissaient pas, et le pays fut désolé derrière eux, de sorte qu’il n’y avait ni allants ni venants ; et ils rendirent désolé le pays désirable. 14 fa haeliko amin'ny tafio-drivotra ho any amin'ny firenena rehetra izay tsy fantany izy. Toy izany no nahalao ny tany tao aoriany, ka tsy nisy olona nandroso na niverina; fa nahatonga ny tany mahafinaritra ho tany lao izy.
Chapitre 8 Chapitre 8
1 Et la parole de l’Éternel des armées vint [à moi], disant : 1 Ary tonga ny tenin'i Jehovah, Tompon'ny maro, nanao hoe:
2 Ainsi dit l’Éternel des armées : Je suis jaloux pour Sion d’une grande jalousie, et je suis jaloux pour elle d’une grande fureur. 2 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Saro-piaro dia saro-piaro an'i Ziona Aho, eny, saro-piaro azy amin'ny fahatezerana mafy Aho.
3 Ainsi dit l’Éternel : Je suis revenu à Sion, et j’habiterai au milieu de Jérusalem ; et Jérusalem sera appelée la ville de vérité, et la montagne de l’Éternel des armées, la montagne sainte. 3 Izao no lazain'i Jehovah: Efa tafaverina ho eto Ziona Aho ka honina eto afovoan'i Jerosalema; ary Jerosalema dia hatao hoe Tanànan'ny fahamarinana, ary ny tendrombohitr'i Jehovah, Tompon'ny maro, dia hatao hoe Tendrombohitra masina.
4 Ainsi dit l’Éternel des armées : Il y aura encore des vieillards et des femmes âgées, assis dans les rues de Jérusalem, chacun son bâton à sa main, à cause du nombre de [leurs] jours. 4 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Mbola hisy lahy antitra sy vavy antitra hipetraka eny an-dalamben'i Jerosalema, samy hitehina amin'ny tehina eny an-tànany isan-olona noho ny fahanterany;
5 Et les places de la ville seront pleines de jeunes garçons et de jeunes filles, jouant dans ses places. 5 ary eny an-dalambe any an-tanàna dia ho feno ankizilahy madinika sy ankizivavy madinika milalao eny an-dalambe.
6 Ainsi dit l’Éternel des armées : Si c’est une chose difficile aux yeux du reste de ce peuple, en ces jours-là, serait-ce difficile aussi à mes yeux ? dit l’Éternel des armées. 6 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Raha mahagaga izany eo imason'ny sisa amin'ity firenena ity amin'izany andro izany, moa hahagaga eo imasoko koa va? hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
7 Ainsi dit l’Éternel des armées : Voici, je sauve mon peuple du pays du levant, et du pays du coucher du soleil, 7 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Indro, hamonjy ny oloko avy any amin'ny tany atsinanana sy amin'ny tany andrefana Aho;
8 et je les amènerai, et ils demeureront au milieu de Jérusalem, et ils seront mon peuple, et moi je serai leur Dieu*, en vérité et en justice. 8 ary hitondra azy Aho, ka honina any Jerosalema izy; dia ho oloko izy, ary Izaho kosa ho Andriamaniny amin'ny fahamarinana sy ny fahitsiana.
— v. 8 : voir la note à Ézéchiel 11:20.  
9 Ainsi dit l’Éternel des armées : Que vos mains soient fortes, ô vous qui entendez en ces jours-ci ces paroles de la bouche des prophètes, au jour où le fondement de la maison de l’Éternel des armées a été posé pour bâtir le temple. 9 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Aoka hatanjaka ny tananareo izay mandre izany teny izany amin'izao andro izao avy amin'ny vavan'ny mpaminany, izay teo tamin'ny andro nanaovana ny fanorenan'ny tranon'i Jehovah, Tompon'ny maro, dia ny nanaovana ny tempoly.
10 Car avant ces jours-là, il n’y avait point de salaire pour les hommes, et il n’y avait point de salaire pour les bêtes, et il n’y avait point de paix pour celui qui sortait, ni pour celui qui entrait, à cause de la détresse* ; et je lâchais tout homme, chacun contre son prochain. 10 Fa talohan'izany andro izany dia tsy nisy valim-pahasasarana ho an'ny olona, na valim-pahasasarana ho an'ny biby fiompy; ary tsy nisy fiadanana ho an'izay nivoaka sy izay niditra noho ny fahavalo, fa nalefako samy hifamely amin'ny namany avy ny olona rehetra.
11 Mais maintenant, je ne serai pas pour le reste de ce peuple comme dans les premiers jours, dit l’Éternel des armées ; 11 Fa amin'izay kosa dia tsy ho toy ny tamin'ny fahiny intsony amin'ny sisa amin'ity firenena ity Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
12 car la semence prospérera*, la vigne donnera son fruit, et la terre donnera ses produits, et les cieux donneront leur rosée, et je ferai hériter au reste de ce peuple toutes ces choses. 12 Fa hisy vokatry ny fiadanana, ny voaloboka hamoa*, ary ny tany hahavokatra, ary ny lanitra hampilatsaka ny andony, ary ny sisa amin'ity firenena ity no hampandovaiko izany rehetra izany. [na: fa hamoa ny voankazo izay vanona amin'ny fiadanana, dia ny voaloboka]
13 Et il arrivera que, comme vous étiez une malédiction parmi les nations, maison de Juda, et maison d’Israël, ainsi je vous sauverai, et vous serez une bénédiction. Ne craignez point : que vos mains soient fortes ! 13 Ary toy ny nahatongavanareo ho fanozonana tany amin'ny firenena, ry taranak'i Joda sy ry taranak'Isiraely, dia ho toy izany no hamonjeko anareo, ka dia ho tonga fitsofan-drano kosa ianareo; aza matahotra, fa aoka hatanjaka ny tananareo.
14 Car ainsi dit l’Éternel des armées : Comme j’ai pensé à vous faire du mal, quand vos pères m’ont provoqué à la colère, dit l’Éternel des armées (et je ne m’en suis pas repenti), 14 Fa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Toy ny nisainako hahatonga loza aminareo tamin'ny nampahatezeran'ny razanareo Ahy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ka tsy nanenina Aho,
15 ainsi j’ai pensé de nouveau, en ces jours-ci, à faire du bien à Jérusalem et à la maison de Juda. Ne craignez point ! 15 dia ho toy izany kosa no hisainako hanisy soa an'i Jerosalema sy ny taranak'i Joda amin'izao andro izao: aza matahotra ianareo.
16 Ce sont ici les choses que vous ferez : Parlez la vérité chacun à son prochain, jugez [selon] la vérité, et [prononcez] un jugement de paix, dans vos portes, 16 Izao no zavatra hataonareo: Samia miteny marina amin'ny namany avy ianareo; mitsarà marina, eny, mitsarà hahatonga fiadanana ao am-bavahadinareo;
17 et ne méditez pas le mal dans vos cœurs chacun contre son prochain, et n’aimez pas le faux serment ; car toutes ces choses-là, je les hais, dit l’Éternel. 17 ary aza misy mieritreritra ao am-ponareo hanisy ratsy ny namanareo ianareo, ary aza tia fianianan-tsy tò; fa izany rehetra izany dia halako, hoy Jehovah.
— v. 10 : ou : l’adversaire. — v. 12 : d’autres : ce sera une semence de paix.  
18 Et la parole de l’Éternel des armées vint à moi, disant : 18 Ary ny tenin'i Jehovah, Tompon'ny maro, dia tonga tamiko nanao hoe:
19 Ainsi dit l’Éternel des armées : Le jeûne du quatrième [mois], et le jeûne du cinquième, et le jeûne du septième, et le jeûne du dixième [mois] seront pour la maison de Juda allégresse et joie, et d’heureuses assemblées. Aimez donc la vérité et la paix. 19 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Ny fifadian-kanina amin'ny volana fahefatra sy ny fifadian-kanina amin'ny fahadimy sy ny fifadian-kanina amin'ny fahafito ary ny fifadian-kanina amin'ny fahafolo dia samy ho tonga fifaliana sy firavoravoana ary fotoana mahafinaritra avokoa ho an'ny taranak'i Joda; koa tiava ny fahamarinana sy ny fiadanana.
20 Ainsi dit l’Éternel des armées : Encore une fois il viendra des peuples et des habitants de beaucoup de villes ; 20 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Mbola hisy firenena sy mponina avy amin'ny tanàna maro ho avy;
21 et les habitants de l’une iront à l’autre, disant : Allons, allons implorer l’Éternel, et rechercher l’Éternel des armées ! Moi aussi, j’irai. 21 ary ny mponina ao amin'ny anankiray hankany amin'ny anankiray kosa ka hanao hoe: Aoka handeha tokoa isika hifona amin'i Jehovah sy hitady an'i Jehovah, Tompon'ny maro; izaho koa mba handeha.
22 Et beaucoup de peuples, et des nations puissantes, iront pour rechercher l’Éternel des armées à Jérusalem, et pour implorer l’Éternel. 22 Eny, ho avy ny olona maro sy ny firenena mahery mba hitady an'i Jehovah, Tompon'ny maro, any Jerosalema sy hifona amin'i Jehovah.
23 Ainsi dit l’Éternel des armées : En ces jours-là, dix hommes de toutes les langues des nations saisiront, oui, saisiront le pan de la robe d’un homme juif, disant : Nous irons avec vous, car nous avons ouï dire que Dieu est avec vous. 23 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Amin'izany andro izany dia hisy folo lahy avy amin'ny firenena samy hafa fiteny rehetra hihazona ny sisin-damban'ny Jiosy anankiray ka hanao hoe: Mba handeha hiaraka aminareo izahay; fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra.
* *
Chapitre 9 Chapitre 9
1 L’oracle de la parole de l’Éternel [qui vient] dans le pays de Hadrac ; et Damas sera le lieu de son* repos (car l’Éternel a l’œil sur les hommes et sur toutes les tribus d’Israël**), 1 [Ny handravana ny firenena maro, sy ny voninahitra ho azon'i Ziona kosa] Teny faminaniana avy tamin'i Jehovah ny amin'ny loza hanjo ny tany Hadraka, Ary Damaskosy no hiharany - Fa ny mason'i Jehovah mandinika ny olombelona* Mbamin'ny firenena rehetra amin'ny Isiraely - [na: fa mijery an'i Jehovah ny mason'ny olombelona]
2 et Hamath aussi, [qui] est sur sa frontière, Tyr, et Sidon, bien qu’elle soit très-sage. 2 Sy Hamata koa, izay mifanolotra aminy, Ary Tyro sy Sidona koa, satria hendry izy.
3 Et Tyr s’est bâti une forteresse, et elle amasse l’argent comme de la poussière, et l’or comme la boue des rues. 3 Ary Tyro nanao manda mafy ho azy Ka nanangona volafotsy hoatra ny vovoka Sy volamena tsara hoatra ny fotaka eny an-dalambe.
4 Voici, le Seigneur s’en emparera et brisera sa force dans la mer, et elle sera dévorée par le feu. 4 Indro, hofoanan'ny Tompo ny fananany, Sady hasiany koa ny heriny ao amin'ny ranomasina; Ary ny tenany ho levon'ny afo.
5 Askalon le verra et aura peur ; Gaza aussi, et elle sera fort angoissée ; Ékron aussi, car elle sera honteuse de sa confiance ; et le roi sera retranché de Gaza, et Askalon ne sera pas habitée ; 5 Askelona hahita izany ka ho raiki-tahotra, Gaza koa, ka ho toran-kovitra indrindra, Ary Ekrona, fa ho tonga henatra ny fanantenany; Tsy hisy mpanjaka intsony ao Gaza, Ary Askelona tsy honenana.
6 et un bâtard* demeurera à Asdod ; et je détruirai l’orgueil des Philistins ; 6 Zazasary no ho mpanjaka ao Asdoda, Ary hofoanako ny reharehan'ny Filistina.
7 et j’ôterai son sang de sa bouche, et ses abominations d’entre ses dents ; mais celui qui restera, lui aussi, sera pour notre Dieu, et sera comme un chef en Juda, et Ékron, comme un Jébusien. 7 Hesoriko eny am-bavany ny ràny, Sy ny fahavetavetany tsy ho eny anelanelan'ny nifiny; Ary izy koa ho sisa ho an'Andriamanitsika Sy ho toy ny lohany amin'ny firenen'i Joda, Ary Ekrona ho toy ny Jebosita.
8 Et je camperai à côté de ma maison, à cause de l’armée, à cause des allants et des venants, et l’exacteur ne passera plus sur eux ; car maintenant j’ai vu de mes yeux. 8 Ary hitoby Aho hiaro ny tranoko noho ny miaramila betsaka, Dia noho izay mandroso sy miverina; Ary* tsy hisy mpampahory handeha hamaky eo aminy intsony, Fa ankehitriny dia efa hitan'ny masoko. [na: mba tsy hisy mandroso na miverina, ka]
— v. 1* : c. à d. de la parole de l’Éternel. — v. 1** : ou : car l’œil des hommes et de toutes les tribus d’Israël est sur l’Éternel. — v. 6 : ou : étranger.  
9 Réjouis-toi avec transports, fille de Sion ; pousse des cris de joie, fille de Jérusalem ! Voici, ton roi vient à toi ; il est juste et ayant le salut, humble et monté sur un âne, et sur un poulain, le petit d’une ânesse. 9 Mifalia indrindra, ry Ziona zanakavavy; Manaova feo fifaliana, ry Jerosalema zanakavavy; Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao*; Marina Izy sady manam-pamonjena**, Malemy fanahy sady mitaingina boriky Dia zana-boriky tanora. [*na: ho atỳ aminao][**heb. voavonjy]
10 Et je retrancherai d’Éphraïm le char, et de Jérusalem, le cheval, et l’arc de guerre sera retranché. Et il annoncera la paix aux nations, et dominera d’une mer à l’autre, et depuis le fleuve jusqu’aux bouts de la terre. 10 Ary hofoanako tsy hisy kalesy intsony Efraima, Na soavaly any Jerosalema, Hofoanana koa ny tsipìka fiadiana, Ary hiteny fiadanana amin'ny jentilisa Izy; Ny fanapahany dia hatramin'ny ranomasina ka hatramin'ny ranomasina Ary hatramin'ny Ony* ka hatramin'ny faran'ny tany. [Eofrata]
11 Quant à toi aussi, à cause du sang de ton alliance, je renverrai tes prisonniers hors de la fosse où il n’y avait point d’eau. 11 Ny aminao koa, noho ny ran'ny fanekena taminao No efa namoahako ny mpifatotrao avy tao an-davaka tsy misy rano.
12 Revenez à la place forte, prisonniers de l’espérance ! Aujourd’hui même, je le déclare : Je te rendrai le double. 12 Miverena ho amin'ny fiarovana mafy, ianareo mpifatotra manana ny fanantenana! Anio no hanambarako hoe: Hanonitra roa heny ho anao Aho.
13 Car j’ai bandé pour moi Juda, d’Éphraïm j’ai rempli mon arc, et je réveillerai tes fils, ô Sion, contre tes fils, ô Javan, et je te rendrai telle que l’épée d’un homme fort. 13 Fa nohenjaniko ho Ahy Joda, Efraima nataoko zana-tsipìka; Ary hotairiko ny zanakao, ry Ziona, hiady amin'ny zanakao, ry Grisia, Ary hataoko toy ny sabatry ny lehilahy mahery ianao,
14 Et l’Éternel sera vu au-dessus d’eux, et sa flèche sortira comme l’éclair ; et le Seigneur, l’Éternel, sonnera de la trompette, et marchera avec les tourbillons du midi. 14 Ary Jehovah hiseho ao aminy, Ka handeha toy ny helatra ny zana-tsipìkany, Jehovah Tompo hitsoka anjomara Ka handeha amin'ny tafio-drivotra any atsimo.
15 L’Éternel des armées les protégera, et ils dévoreront, et ils fouleront les* pierres de fronde, et ils boiront, et bruiront comme par le vin, et ils seront remplis comme un bassin**, comme les coins de l’autel. 15 Ary Jehovah, Tompon'ny maro, no hiaro ireny; Dia hihinana ireny ka hanitsakitsaka vaton'antsamotady; Ary hisotro ireny ka hihorakoraka tahaka ny azon'ny divay, Ary ho feno toy ny lovia famafazana ireny, dia toy ny zoron'ny alitara.
16 Et l’Éternel leur Dieu les sauvera, en ce jour-là, comme le troupeau de son peuple ; car ils seront des pierres de couronne élevées* sur sa terre. 16 Ary hovonjen'i Jehovah Andriamaniny ireny amin'izany andro izany Toy ny olona izay ondriny; Fa ho toy ny vaton-tsatro-boninahitra Mamirapiratra eny amin'ny taniny ireny.
17 Car combien grande est sa bonté ! et combien grande est sa beauté ! Le froment fera croître les jeunes gens, et le moût, les jeunes filles. 17 Fa akory ny hasoany! ary akory ny hatsaran-tarehiny! Vary no hampaharoroka* ny zatovo, Ary ranom-boaloboka kosa ny zazavavy. [heb. hampitsimoka]
— v. 15* : ou : par les. — v. 15** : bassin [pour recevoir le sang d’aspersion], comme 1 Rois 7:40. — v. 16 : ou : étincelantes.  
* *
Chapitre 10 Chapitre 10
1 Demandez à l’Éternel de la pluie, au temps de la pluie de la dernière saison. L’Éternel fera des éclairs, et il leur* donnera des ondées de pluie : à chacun de l’herbe dans son champ. 1 Mangataha ranonorana amin'i Jehovah ianareo amin'ny andro fara-orana, Dia amin'i Jehovah, Izay manao ny helatra; Ranonorana mivatravatra no homeny azy, Eny, samy homeny ny zava-maitso any an-tsaha ireny.
2 Car les théraphim ont dit des paroles de* vanité, et les devins ont vu un mensonge, et ils ont prononcé des songes trompeurs ; ils consolent en vain. C’est pourquoi ils sont partis comme le menu bétail ; ils sont opprimés**, parce qu’il n’y a point de berger. 2 Fa ny sampy* niteny zava-poana, Ary ny mpanao fankatovana nahita lainga Ka nilaza nofy lainga, Foana ny nampiononany; Koa izany no naniavany toy ny ondry Ory izy, satria tsy misy mpiandry. [heb. terafima]
3 Ma colère s’est embrasée contre les bergers, et je punirai les boucs ; car l’Éternel des armées a visité son troupeau, la maison de Juda, et il en a fait son cheval de gloire dans la bataille. 3 Amin'ny mpiandry ondry no irehetan'ny fahatezerako, Ary ireo osilahy no hovaliako; Fa Jehovah, Tompon'ny maro, efa namangy ny taranak'i Joda ondriny Ka manao azy toy ny soavaliny miravaka eo amin'ny ady.
4 De lui est la pierre angulaire, de lui le clou, de lui l’arc de guerre, de lui sortent tous les dominateurs* ensemble. 4 Avy ao aminy no hihavian'ny fehizoro, Avy ao aminy no hihavian'ny fihantonan-javatra, Avy ao aminy no hihavian'ny tsipìka fiadiana, Avy ao aminy no hihavian'ny mpampahory rehetra.
5 Et ils seront dans la bataille comme des hommes forts qui foulent aux pieds la boue des rues ; et ils combattront, car l’Éternel sera avec eux ; et ceux qui montent les chevaux seront couverts de honte. 5 Ary ho toy ny lehilahy mahery ireo, Izay manitsaka ny fotaka eny an-dalana amin'ny ady, Hiady izy, satria Jehovah no momba azy; Ary homenarina ny mpitaingin-tsoavaly.
6 Et je rendrai forte la maison de Juda, et je sauverai la maison de Joseph, et je les ramènerai*, car j’userai de miséricorde envers eux ; et ils seront comme si je ne les avais pas rejetés ; car je suis l’Éternel, leur Dieu, et je les exaucerai. 6 Hampahery ny taranak'i Joda Aho, Ary ny taranak'i Josefa hovonjeko ka hampodiko*, Satria mamindra fo aminy Aho, Ka ho toy izay tsy nariako izy; Fa Izaho no Jehovah Andriamaniny ka hihaino azy. [na: hamponeniko]
7 Et [ceux d’]Éphraïm seront comme un homme fort, et leur cœur se réjouira comme par le vin, et leurs fils [le] verront et se réjouiront ; leur cœur s’égayera en l’Éternel. 7 Ho toy ny lehilahy mahery Efraima, Ary hifaly toy ny azon'ny divay ny fony; Ny zanany hahita ka ho faly; Hifaly amin'i Jehovah ny fony.
8 Je les sifflerai et je les rassemblerai, car je les ai rachetés ; et ils multiplieront comme ils avaient multiplié. 8 Hisiaka hiantso azy Aho ka hanangona azy, Fa efa nanavotra azy Aho; Ka dia mbola hihamaro toy ny efa nihamaroany ihany izy.
9 Et je les sèmerai parmi les peuples, et ils se souviendront de moi dans les [pays] éloignés, et ils vivront avec leurs fils, et ils reviendront. 9 Ary hafafiko any amin'ny firenena izy, Ka any amin'ny tany lavitra no hahatsiarovany Ahy*; Ary samy ho velona izy mbamin'ny zanany ka hiverina [na: ary na dia hafafiko any amin'ny firenena aza izy , dia hahatsiaro Ahy any amin'ny tany lavitra]
10 Et je les ramènerai du pays d’Égypte, et je les rassemblerai de l’Assyrie, et je les ferai venir au pays de Galaad et au Liban, et il ne sera pas trouvé [assez de place] pour eux. 10 Dia hampody azy avy any amin'ny tany Egypta Aho sy hanangona azy avy any Asyria; Ary ho any amin'ny tany- Gileada sy Libanona no hitondrako azy, Ka tsy ho omby azy izany
11 Et il passera par la mer, [par] l’affliction*, et dans la mer il frappera les vagues, et toutes les profondeurs du Nil seront desséchées, et l’orgueil de l’Assyrie sera abattu, et le sceptre de l’Égypte sera ôté. 11 Dia hamaky ny ranomasim-pahoriana izy ka hamely ny onjan-dranomasina, Ho ritra ny rano lalin'i Neily rehetra, Haetry ny avonavon'i Asyria, Ary hiala ny tehina fanapahan'i Egypta.
12 Et je les fortifierai en l’Éternel, et ils marcheront en son nom, dit l’Éternel. 12 Dia hampahereziko ao amin'i Jehovah izy, Ka ny anarany no handehanany, hoy Jehovah.
— v. 1 : c. à d. à ceux qui demanderont. — v. 2* : litt.: ont parlé. — v. 2** : ailleurs : affligés. — v. 4 : ailleurs : exacteurs. — v. 6 : ou : ferai habiter. — v. 11 : ou : mer d’affliction.  
* *
Chapitre 11 Chapitre 11
1 Liban, ouvre tes portes, et que le feu dévore tes cèdres ! 1 [Ny amin'ny hihavian'ny loza, ary ny hahafoizana ny ondrin'i Jehovah noho ny fandavany Azy, sy ny hanolorana ireny ho amin'ny mpiandry adala,]Vohay ny varavaranao, ry Libanona ô! Handevonan'ny afo ny sederanao
2 Hurle, cyprès ! car le cèdre est tombé, les nobles sont dévastés. Hurlez, chênes de Basan ! car la forêt inaccessible est abattue. 2 Midradradradra, ry hazo kypreso! Fa efa nianjera ny sedera, Eny, fongotra ireo avo be; Midradradradrà, ianareo ôka any Basana! Fa ripaka ny ala mikirindro
3 Une voix du hurlement des bergers, — car leur magnificence est dévastée ; une voix du rugissement des jeunes lions, — car l’orgueil du Jourdain est dévasté. 3 Injay! fidradradradran'ny mpiandry ondry! Fa rava ny voninahiny; Injay! fieron'ny liona tanora! Fa rava ny kirihitrala eny amoron*'i Jordana [heb. reharehany]
   
4 Ainsi dit l’Éternel, mon Dieu : Pais le troupeau de la tuerie, 4 Izao no lazain'i Jehovah Andriamanitra: Andraso ny ondry izay hovonoina,
5 que leurs possesseurs tuent, sans passer pour coupables*, et dont les vendeurs disent : Béni soit l’Éternel, je me suis enrichi ! et leurs bergers ne les épargnent pas. 5 dia ireo vonoin'ny tompony* nefa tsy ananany heloka**; ary ny mivarotra azy manao hoe: Isaorana anie Jehovah, fa manan-karena aho; ary ny mpiandry azy koa dia tsy miantra azy [*na: izay nividy azy][**na: nefa tsy atao ho meloka ireny]
6 Car je n’épargnerai plus les habitants du pays, dit l’Éternel. Et voici, je ferai tomber les hommes dans les mains l’un de l’autre et dans la main de son roi ; et ils écraseront le pays ; et je ne délivrerai pas de leur main. 6 Fa tsy hiantra ny mponina amin'ny tany intsony Aho, hoy Jehovah; fa, indro, Izaho dia hanolotra ny olona samy ho eo an-tànan'ny namany sy samy ho eo an-tanan'ny mpanjakany avy; ary hamely ny tany ireo, nefa tsy mba hanafaka amin'ny tànany Aho.
— v. 5 : ou : sans en porter peine.  
7 Et je me mis à paître le troupeau de la tuerie, voire même les pauvres du troupeau ; et je pris deux bâtons : je nommai l’un Beauté, et je nommai l’autre Liens, et je me mis à paître le troupeau. 7 Ary niandry ny ondry izay hovonoina Aho, dia izay ondry mahantra. Ary naka tehina roa ho Ahy Aho, ny iray nataoko hoe Fahasoavana, ary ny iray kosa nataoko hoe Fikambanana; ary nandrasako ny ondry.
8 Et je détruisis trois des bergers en un mois, et mon âme fut ennuyée d’eux, et leur âme aussi se dégoûta de moi. 8 Ary nandringana ny mpiandry ondry telo* Aho tamin'ny iray volana, fa tsy nahatsindry fo taminy intsony, sady tofoka Ahy ny fanahiny. [na: telo amin'ireo mpiandry ireo]
9 Et je dis : Je ne vous paîtrai pas : que ce qui meurt, meure ; et que ce qui périt, périsse ; et quant à ce qui reste, qu’ils se dévorent l’un l’autre*. 9 Dia hoy Izaho: Tsy hiandry anareo Aho: izay ho faty dia aoka ho faty, ary izay ho ringana dia aoka ho ringana, ary ny sisa dia aoka samy hihinana ny nofon'ny namany avy.
10 Et je pris mon bâton Beauté, et je le brisai, pour rompre mon alliance, que j’avais faite avec tous les peuples*. 10 Ary noraisiko ny tehiko Fahasoavana ka notapahiko, mba hanafoanako ny fanekena izay efa nataoko tamin'ny firenena rehetra.
11 Et elle fut rompue en ce jour-là ; et les pauvres du troupeau, qui prenaient garde à moi, connurent ainsi* que c’était la parole de l’Éternel. 11 Ary tapaka tamin'izany andro izany iny, ka dia fantatry ny ondry mahantra, izay nitandrina ny teniko, fa tenin'i Jehovah izany.
12 Et je leur dis : Si cela est bon à vos yeux, donnez-[moi] mon salaire : sinon, laissez-le. Et ils pesèrent mon salaire, trente [pièces] d’argent. 12 Dia hoy izaho taminy: Raha tsara eo imasonareo, dia omeo ahy ny karamako; fa raha tsy izany, dia aoka ihany. Ary dia nolanjainy ny karamako, ka sekely volafotsy telo-polo.
13 Et l’Éternel me dit : Jette-le au potier, [ce] prix magnifique auquel j’ai été estimé par eux. Et je pris les trente [pièces] d’argent, et je les jetai au potier, dans la maison de l’Éternel. 13 Ary hoy Jehovah tamiko: Atsipazo amin'ny mpanefy tanimanga izany vola be nanombanany Ahy izany! Dia noraisiko ny sekely volafotsy telo-polo ka natsipiko tamin'ny mpanefy tanimanga tao an-tranon'i Jehovah.
14 Et je brisai mon second bâton Liens, pour rompre la fraternité entre Juda et Israël. 14 Dia notapahiko koa ilay tehiko anankiray Fikambanana, hanafoanako ny firahalahian'i Joda sy Isiraely.
— v. 9 : litt.: l’un la chair de l’autre. — v. 10 : comparer Deut. 33:3. — v. 11 : ou : sûrement.  
15 Et l’Éternel me dit : Prends encore les instruments d’un berger insensé. 15 Ary hoy Jehovah tamiko: Alao ho anao koa ny tehin'ny mpiandry ondry adala.
16 Car voici, je suscite un berger dans le pays, qui ne visitera pas ce qui va périr, qui ne cherchera pas ce qui est dispersé, qui ne pansera pas ce qui est blessé, et ne nourrira pas ce qui est en bon état ; mais il mangera la chair de ce qui est gras, et rompra la corne de leurs pieds. 16 Fa, indro, Izaho hanangana mpiandry amin'ny tany, izay tsy hamangy ny naringana, na hitady ny niely, na hanasitrana ny naratra, na hiandry izay mbola matanjaka*; fa hohaniny ny nofon'ny matavy sady helakelahiny ny kitrony. [heb. mijoro tsara]
17 Malheur au pasteur de néant* qui abandonne le troupeau ! L’épée [tombera] sur son bras et sur son œil droit. Son bras sera entièrement desséché, et son œil droit sera entièrement obscurci. 17 Lozan'ny mpiandry ondry tsy mahomby izay mandao ny ondry! Ny sabatra no hanely ny sandriny sy ny masony ankavanana; halazo tokoa ny sandriny, ary ho jamba tokoa ny masony ankavanana.
— v. 17 : ou : idolâtre.  
* *
Chapitre 12 Chapitre 12
1 L’oracle de la parole de l’Éternel sur Israël : [Ainsi] dit l’Éternel, qui a étendu les cieux, et qui a fondé la terre, et qui a formé l’esprit de l’homme au dedans de lui. 1 [Ny hampaherezana ny Isiraely sy ny hanamasinana azy] Teny faminaniana avy tamin'i Jehovah ny amin'ny Isiraely. Hoy Jehovah, Izay mamelatra ny lanitra sy manao ny fanorenan'ny tany ary mamorona ny fanahin'ny olona ao anatiny:
2 Voici, je ferai de Jérusalem une coupe d’étourdissement pour tous les peuples d’alentour, et elle sera aussi contre Juda lors du siège contre Jérusalem*. 2 Indro, Izaho hanao an'i Jerosalema ho kapoaka mampiraikiraiky ho an'ny firenena rehetra manodidina; ary ny Joda koa hiharan'izany ny hanaovana fahirano an'i Jerosalema.
3 Et il arrivera, en ce jour-là, que je ferai de Jérusalem une pierre pesante pour tous les peuples : tous ceux qui s’en chargeront s’y meurtriront certainement ; et toutes les nations de la terre seront rassemblées contre elle. 3 Ary amin'izany andro izany Jerosalema dia hataoko vato mavesatra ho an'ny ny firenena rehetra, ka haràtra dia haràtra izay rehetra mivesatra azy; ary ho tafangona hamely azy ny firenena rehetra amin'ny tany.
4 En ce jour-là, dit l’Éternel, je frapperai de terreur tous les chevaux, et de délire ceux qui les montent, et j’ouvrirai mes yeux sur la maison de Juda, et je frapperai de cécité tous les chevaux des peuples. 4 Amin'izany andro izany, hoy Jehovah, dia hamely ny soavaly amin'ny fahaverezan-kevitra Aho, ary ny mpitaingina azy amin'ny fahadalana, hampihiratra ny masoko amin'ny taranak'i Joda Aho ary hamely ny soavaly rehetra izay an'ny firenena amin'ny fahajambana.
5 Et les chefs de Juda diront en leur cœur : Les habitants de Jérusalem seront ma force, par l’Éternel des armées, leur Dieu. 5 Ary ireo lohany amin'ny firenen'i Joda dia hanao anakampo hoe: Ny mponina any Jerosalema dia heriko ao amin'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamaniny.
— v. 2 : passage obscur.  
6 En ce jour-là, je rendrai les chefs de Juda semblables à un foyer de feu au milieu du bois et à une torche de feu dans une gerbe, et ils dévoreront à droite et à gauche tous les peuples d’alentour, et Jérusalem demeurera encore à sa place, à Jérusalem. 6 Amin'izany andro izany ireo lohany amin'ny firenen'i Joda dia hataoko tahaka ny fatana mirehitra eny amin'ny hazo sy tahaka ny fanilo mirehitra eny amin'ny amboara, ka handevona ny firenena rehetra manodidina amin'ny ankavanana sy ny ankavia izy; ary Jerosalema dia mbola hiorina amin'ny fitoerany ihany, dia any Jerosalema.
7 Et l’Éternel sauvera premièrement les tentes de Juda, afin que la gloire de la maison de David et la gloire des habitants de Jérusalem ne s’élèvent pas contre Juda. 7 Ary hovonjen'i Jehovah aloha ny lain'ny Joda, mba tsy hisandratra ambonin'ny Joda intsony ny voninahitry ny taranak'i Davida sy ny voninahitry ny mponina any Jerosalema.
   
8 En ce jour-là, l’Éternel protégera les habitants de Jérusalem, et celui qui chancelle parmi eux sera en ce jour-là comme David, et la maison de David sera comme Dieu, comme l’Ange de l’Éternel devant eux. 8 Amin'izany andro izany dia harovan'i Jehovah ny mponina any Jerosalema; ary izay mila ho reraka ao aminy aza amin'izany andro izany dia ho tahaka an'i Davida; ary ny taranak'i Davida ho tahaka an'Andriamanitra, dia tahaka Ilay Anjelin'i Jehovah eo anoloany.
9 Et il arrivera, en ce jour-là, que je chercherai à détruire toutes les nations qui viennent contre Jérusalem. 9 Amin'izany andro izany dia hitady handringana ny jentilisa rehetra izay avy hamely an'i Jerosalema Aho.
10 Et je répandrai sur la maison de David et sur les habitants de Jérusalem un esprit de grâce et de supplications ; et ils regarderont vers moi, celui qu’ils auront percé, et ils se lamenteront sur lui, comme on se lamente sur un [fils] unique, et il y aura de l’amertume pour lui, comme on a de l’amertume pour un premier-né. 10 Ary haidiko amin'ny taranak'i Davida sy amin'ny mponina any Jerosalema ny fanahin'ny fahasoavana sy ny fifonana, ka hijery Ahy Izay* nolefoniny izy, ary hisaona Azy toy ny fisaonana zanakalahy tokana izy sady halahelo Azy toy ny fahalahelovan'ny olona ny lahimatoany.[na: ka hijery ilay]
11 En ce jour-là, il y aura une grande lamentation à Jérusalem, comme la lamentation de Hadadrimmon dans la vallée* de Meguiddon ; 11 Amin'izany andro izany dia hisy fisaonana lehibe any Jerosalema toy ny fisaonana tao Hadadrimona eo amin'ny lohasaha Megido.
12 et le pays se lamentera, chaque famille à part : la famille de la maison de David à part, et leurs femmes à part ; la famille de la maison de Nathan à part, et leurs femmes à part ; 12 Ary hisaona mitsitokantokana ny tany, samy isam-pianakaviana avy: ny fianakavian'i Davida mitokana, ary ny vadin'ireo mitokana; ny fianakavian'i Natana mitokana, ary ny vadin'ireo mitokana;
13 la famille de la maison de Lévi à part, et leurs femmes à part ; la famille des Shimhites* à part, et leurs femmes à part : 13 ny fianakavian'ny taranak'i Levy mitokana, ary ny vadin'ireo mitokana; ny fianakavian'i Simey mitokana, ary ny vadin'ireo mitokana;
14 toutes les familles qui seront de reste, chaque famille à part, et leurs femmes à part. 14 ny fianakaviana sisa rehetra mitokana isam-pianakaviana, ary ny vadin'ireo mitokana.
— v. 11 : comparer la note à Josué 11:8. — v. 13 voir Nombres 3:21 (?).  
Chapitre 13 Chapitre 13
1 En ce jour-là, une source sera ouverte pour la maison de David et pour les habitants de Jérusalem, pour le péché et pour l’impureté. 1 Amin'izany andro izany dia hisy loharano voasokatra ho an'ny taranak'i Davida sy ho an'ny mponina any Jerosalema hanafaka fahotana sy fahalotoana.
2 Et il arrivera, en ce jour-là, dit l’Éternel des armées, que je retrancherai du pays les noms des idoles, et on ne s’en souviendra plus ; et j’ôterai aussi du pays les prophètes et l’esprit impur. 2 Ary amin'izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, dia hofoanako ny anaran-tsampy amin'ny tany, ka tsy hotsarovana intsony ireny; ary hesoriko amin'ny tany ny mpaminany sy ny fanahim-pahalotoana.
3 Et il arrivera que, si un homme prophétise encore, son père et sa mère qui l’ont engendré, lui diront : Tu ne vivras pas, car tu dis des mensonges au nom de l’Éternel. Et son père et sa mère qui l’ont engendré, le transperceront quand il prophétisera. 3 Ary raha mbola hisy haminany, ny ray aman-dreniny izay niteraka azy dia hanao aminy hoe: Tsy ho velona ianao, satria miteny lainga amin'ny anaran'i Jehovah; ary ny ray aman-dreniny izay niteraka azy dia handefona azy, raha maminany izy.
4 Et il arrivera, en ce jour-là, que les prophètes auront honte, chacun de sa vision, quand il prophétisera, et ils ne se vêtiront plus d’un manteau de poil pour mentir. — 4 Ary amin'izany andro izany ny mpaminany dia samy hahazo henatra noho ny fahitany avy, raha maminany; ary tsy hikapôty volom-biby hamitahana izy,
5 Et il dira : Je ne suis pas prophète ; je suis un homme qui laboure la terre ; car l’homme m’a acquis [comme esclave] dès ma jeunesse. 5 fa hanao hoe: Tsy mpaminany aho, fa mpiasa tany, satria nisy nanandevo* ahy, fony aho mbola kely. [na: nividy]
6 Et on lui dira : Quelles sont ces blessures à* tes mains ? Et il dira : Celles dont j’ai été blessé dans la maison de mes amis. 6 Dia hisy hanao aminy hoe: Ka inona itony ratra amin*'ny tananao itony? Dia hovaliany hoe: Naratra tao an-tranon'ny sakaizako ireny. [heb. anelanelan']
7 Épée, réveille-toi contre mon berger, contre l’homme [qui est] mon compagnon, dit l’Éternel des armées ; frappe le berger, et le troupeau sera dispersé ; et je tournerai ma main sur les petits. 7 [Ny hanadiovana ny Isiraely, sy ny ho voninahiny any am-parany] Mifohaza, ry sabatra, hamely ny mpiandriko sy ny lehilahy namako, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. Asio ny mpiandry, dia hihahaka ny ondry, ary hamerina ny tanako ho amin'ny madinika Aho.
8 Et il arrivera dans tout le pays, dit l’Éternel, que deux parties y seront retranchées et expireront ; mais un tiers y demeurera de reste. 8 Ary amin'ny tany rehetra, hoy Jehovah, ny androatokony dia haringana ho faty ao; fa ny ampahatelony sisa no havela ao kosa.
9 Et le tiers, je l’amènerai dans le feu, et je les affinerai comme on affine l’argent, et je les éprouverai comme on éprouve l’or. Ils invoqueront mon nom, et moi, je leur répondrai ; je dirai : C’est ici mon peuple ; et lui, dira : L’Éternel est mon Dieu. 9 Ary ho entiko miditra amin'ny afo ny ampahatelony, ary harendrika toy ny fandrendrika volafotsy izy, ary hizahako toetra toy ny fizaha toetra ny volamena izy; hiantso ny anarako izy, ary Izaho hamaly azy; Izaho hanao hoe: Oloko izy ary izy hanao hoe: Jehovah no Andriamanitro.
— v. 6 : litt.: entre.  
Chapitre 14 Chapitre 14
1 Voici, un jour vient pour l’Éternel, et tes dépouilles seront partagées au milieu de toi. 1 Indro, hisy andron'i Jehovah ho avy, ka ny babo aminao hozaraina ao am-povoanao.
2 Et j’assemblerai toutes les nations contre Jérusalem, pour le combat ; et la ville sera prise, et les maisons seront pillées, et les femmes violées, et la moitié de la ville s’en ira en captivité ; et le reste du peuple ne sera pas retranché de la ville. 2 Ary hangoniko ny jentilisa rehetra hamely an'i Jerosalema, dia ho afaka ny tanàna, ka horobaina ny trano, ary hosavihina ny vehivavy; ary ny an-tsasaky ny tanàna dia ho lasan-ko babo, fa ny vahoaka sisa tsy dia hofongorana avokoa amin'ny tanàna.
   
3 Et l’Éternel sortira et combattra contre ces nations comme au jour où il a combattu au jour de la bataille. 3 Dia hivoaka Jehovah ka hiady amin'ireny jentilisa ireny, tahaka ny fameliny amin'ny andro fiadiana.
4 Et ses pieds se tiendront, en ce jour-là, sur la montagne des Oliviers, qui est en face de Jérusalem, vers l’orient ; et la montagne des Oliviers se fendra par le milieu, vers le levant, et vers l’occident, — une fort grande vallée ; et la moitié de la montagne se retirera vers le nord, et la moitié vers le midi. 4 Ary amin'izany andro izany ny tongony hijoro eo an-Tendrombohitra Oliva. izay eo atsinanana tandrifin'i Jerosalema, ary ny Tendrombohitra Oliva hitresaka eo afovoany hiatsinanana sy hiankandrefana, ka hisy lohasaha lehibe; ary ny antsasaky ny tendrombohitra hifindra hianavaratra, fa ny an-tsasany kosa hianatsimo.
5 Et vous fuirez dans la vallée de mes montagnes ; car la vallée des montagnes s’étendra jusqu’à Atsal ; et vous fuirez comme vous avez fui devant le tremblement de terre, aux jours d’Ozias, roi de Juda. — Et l’Éternel, mon Dieu, viendra, [et] tous les saints avec toi. 5 Dia handositra ho any amin*'ny lohasahan'ny tendrombohitro ianareo, fa hipaka hatrany Azela ny lohasahan'ny tendrombohitra; eny, handositra ianareo tahaka ny nandosiranareo ny horohorontany tamin'ny andron'i Ozia, mpanjakan'ny Joda; ary ho avy Jehovah Andriamanitro mbamin'ny masina rehetra momba Azy**. [na: hamaky][heb. Anao]
   
6 Et il arrivera, en ce jour-là, qu’il n’y aura pas de lumière, les luminaires seront obscurcis* ; 6 Ary amin'izany andro izany dia tsy hisy mazava, ary ireo mamirapiratra tsy hiseho intsony;
7 mais ce sera un* jour connu de l’Éternel, — pas jour et pas nuit ; et au temps du soir il y a aura de la lumière. 7 fa hisy andro iray, izay fantatr'i Jehovah, tsy andro na alina; nefa, raha hariva ny andro, dia hisy mazava.
— v. 6 : ou : la lumière ne sera pas clarté et nuage. — v. 7 : un, un seul.  
8 Et il arrivera, en ce jour-là, que des eaux vives sortiront de Jérusalem, la moitié vers la mer orientale, et la moitié vers la mer d’occident* ; cela aura lieu été et hiver. 8 Ary amin'izany andro izany dia hisy rano velona hivoaka avy any Jerosalema, ka ny antsasany hankany amin'ny ranomasina atsinanana, ary ny antsasany hankany amin'ny ranomasina andrefana, na amin'ny fahavaratra na amin'ny ririnina dia samy hisian'izany.
9 Et l’Éternel sera roi sur toute la terre. En ce jour-là, il y aura un Éternel, et son nom sera un. 9 Ary Jehovah ho Mpanjakan'ny tany rehetra; amin'izany andro izany dia iray no Jehovah, sady iray no anarany.
10 Tout le pays, de Guéba à Rimmon [qui est] au midi de Jérusalem, sera changé [pour être] comme l’Araba, et [Jérusalem] sera élevée et demeurera en son lieu, depuis la porte de Benjamin jusqu’à l’endroit de la première porte, jusqu’à la porte du coin, et depuis la tour de Hananeël jusqu’aux pressoirs du roi. 10 Ho tonga tahaka ny tani-hay* ny tany rehetra hatrany Geba ka hatrany Rimona ao atsimon'i Jerosalema; ary hasandratra sy honenana ao amin'ny fitoerany izy hatramin'ny vavahadin'i Benjamina ka hatreo amin'ny vavahady voalohany, hatramin'ny vavahady an-jorony, ary hatramin'ny tilikambo Hananela ka hatramin'ireo famiazam-boaloboky ny mpanjaka. [heb. Arabà]
11 Et on y habitera, et il n’y aura plus d’anathème ; et Jérusalem habitera en sécurité. 11 Dia hisy mponina any, ary tsy hisy ozona* intsony, fa Jerosalema handry fahizay. [heb. herema]
— v. 8 : voir Joël 2:20  
12 Et c’est ici la plaie dont l’Éternel frappera tous les peuples qui auront fait la guerre contre Jérusalem : leur chair se fondra tandis qu’ils seront debout sur leurs pieds, et leurs yeux se fondront dans leurs orbites, et leur langue se fondra dans leur bouche. 12 Ary izao no areti-mandringana hamelezan'i Jehovah ny firenena rehetra izay efa nanafika an'i Jerosalema: Hataony mihalevona am-pitsanganana ny nofony, ary hihalevona eo amin'ny itoerany ny masony, ary ny lelany koa hihalevona ao am-bavany.
13 Et il arrivera, en ce jour-là, qu’il y aura, de par l’Éternel, un grand trouble parmi eux, et ils saisiront la main l’un de l’autre, et lèveront la main l’un contre l’autre. 13 Ary amin'izany andro izany dia hisy fifanaritahana lehibe avy amin'i Jehovah ao aminy, ary hifampihazon-tanana izy, sady samy hanainga tanana hifamely.
14 Et Juda aussi combattra à* Jérusalem ; et les richesses de toutes les nations d’alentour seront rassemblées, or et argent et vêtements en grande quantité. 14 Ary ny Joda koa hamely an'i* Jerosalema, ary hovorina ny haren'ny firenena manodidina rehetra, dia volamena sy volafotsy ary fitafiana betsaka. [na: hiady any]
15 Et ainsi sera la plaie du cheval, du mulet, du chameau, et de l’âne, et de toute bête qui sera dans ces camps : [elle sera] selon cette plaie-là. 15 Ary ho toy izany koa ny areti-mandringana hamely ny soavaly sy ny ampondra sy ny rameva sy ny boriky mbamin'ny biby fiompy rehetra izay ao amin'ireny toby ireny, eny, ho tahaka izany areti-mandringana izany ihany.
16 Et il arrivera que tous ceux qui resteront de toutes les nations qui seront venues contre Jérusalem, monteront d’année en année pour se prosterner devant le roi, l’Éternel des armées, et pour célébrer la fête des tabernacles. 16 Ary ny sisa rehetra amin'ny jentilisa rehetra, izay niakatra namely an'i Jerosalema, dia hiakatra isan-taona isan-taona hiankohoka eo anatrehan'ny Mpanjaka, dia Jehovah, Tompon'ny maro, sy hitandrina ny andro firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo.
17 Et il arrivera que, celle des familles de la terre qui ne montera pas à Jérusalem pour se prosterner devant le roi, l’Éternel des armées,… sur celle-là, il n’y aura pas de pluie ; 17 Ary na iza na iza amin'ny firenena samy hafa amin'ny tany no tsy hiakatra ho any Jerosalema hiankohoka eo anatrehan'ny Mpanjaka, dia Jehovah, Tompon'ny maro, dia tsy mba hisy ranonorana mivatravatra any aminy.
18 et si la famille d’Égypte ne monte pas et ne vient pas, il n’y en aura pas sur elle : ce sera la plaie* dont l’Éternel frappera les nations qui ne monteront pas pour célébrer la fête des tabernacles. 18 Ary raha ny firenen'i Egypta tsy mba miakatra ka tsy tonga, dia tsy hisy koa any aminy, sady ho tonga ny areti-mandringana izay hamelezan'i Jehovah ny firenena tsy miakatra hitandrina ny andro firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo.
19 Ceci sera la peine du péché* de l’Égypte et la peine du péché de toutes les nations qui ne monteront pas pour célébrer la fête des tabernacles. 19 Izany no fampijaliana an*'i Egypta sy fampijaliana* ny firenena rehetra izay tsy miakatra hitandrina ny andro firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo. [na: fahotana]
20 En ce jour-là, il y aura sur les clochettes* des chevaux : Sainteté à l’Éternel ; et les chaudières dans la maison de l’Éternel seront comme les bassins** devant l’autel. 20 Amin'izany andro izany dia hisy ao amin'ny famohamandrin-tsoavaly manao hoe: HAMASININA HO AN'I JEHOVAH; ary ny vilany ao an-tranon'i Jehovah ho tahaka ny lovia famafazana eo- anoloan'ny alitara.
21 Et toute chaudière dans Jérusalem et en Juda sera une chose sainte, [consacrée] à l’Éternel des armées ; et tous ceux qui offriront des sacrifices viendront et en prendront, et y cuiront. Et il n’y aura plus de Cananéen dans la maison de l’Éternel des armées, en ce jour-là. 21 Eny, ny vilany rehetra any Jerosalema sy Joda dia hohamasinina ho an'i Jehovah, Tompon'ny maro; ary izay rehetra mamono zavatra hatao fanatitra dia ho avy haka amin'ireny ka hahandro aminy. Ary amin'izany andro izany dia tsy hisy Kananita* intsony ao an-tranon'i Jehovah, Tompon'ny maro. [na: mpandranto]
— v. 14 : selon quelques-uns : contre. — v. 18 : selon d’autres : si la famille d’Égypte sur laquelle il n’y a [déjà] pas [de pluie] ne monte pas et ne vient pas, il y aura sur elle la plaie. — v. 19 : la coulpe. — v. 20* : ou : brides. — v. 20** : comme 9:15.