« Examinez-vous vous-même »

Thème : « Qui est Jésus-Christ d’après la Bible ? »

 

 « Diniho ny tenanareo na mitoetra amin’ny finoana ianareo na tsia ; izahao toetra ny tenanareo »

2 Korintiana 13.5

 

 

 

Lohahevitra :

 

IZA MOA I JESOA KRISTY ARAKA NY

ANAMBARAN’NY BAIBOLY AZY ?

 

 

IZA I JESOA KRISTY …

 

Moa olona ve Izy ?

 

 

1.        Ahoana no iantsoana an’i Jesoa ao amin’ny 1 Timoty 2.5 ?

 

………………………………………………………………………

 

2.        Naka ny endrik’iza Izy raha tety an-tany ?  (Filipiana 2.8)

 

………………………………………………………………………

 

3.        Ahoana no iantsoana ny fietren-tena toy izany ? (Filipiana 2.7)

 

………………………………………………………………………

 

4.        Moa mitovy amin’ny anjely ve i Jesoa, raha ny maha olona Azy no jerena ? (Hebreo 2.7)

 

………………………………………………………….…………….

 

5.        Moa lehibe noho ny Rainy ve i Jesoa, raha ny maha olona Azy no jerena ? (Jaona 14.28)

 

 

………………………………………………………………………

 

 

6.        Ahoana no niantsoan’i Jesoa an’Andriamanitra, amin’ny maha olona Azy ? (Jaona 20.17)

 

 

………………………………………………………………………

 

 

7.        Iza io lehilahy iray izay hitsaran’Andriamanitra an’izao tontolo izao io ? (Asa 17.31)

 

 

………………………………………………………………………..

 

 

Moa anjely ve Izy ?

 

 

 

8. Moa afaka miseho amin’ny olona amin’ny endrika anjely  ve Andriamanitra - izay tsy anjely velively – (Mpitsara 6.11-14 ; Genesisy 48.15-16 ; Eksodosy 3.2-6), na amin’ny endrika olombelona ? (Genesisy 18.1-5, 9-14, 32 ; 19.1).

 

 

………………………………………………………………………

 

 

9.        Iza io olona tondroin’ny Daniela 10 io (and.5 sy 6), izay hafa amin’ny Arkanjely Mikaela ? (and.12, 13 ary 21).

 

 

………………………………………………………………………

 

 

10.      Moa misy andinin-tSoratra Masina ve izay milaza fa iray ihany i Jesoa sy i Mikaela ? Raha eny dia lazao hoe aiza no misy izany andininy izany .

 

 

………………………………………………………………………

 

 

11.  Moa anjely ve no nilazan’Andriamanitra hoe « Zanako Ianao » ao amin’ny Hebreo 1.5 ?

 

………………………………………………………………………

 

 

12 Moa misy anjely avelan’Andriamanitra hipetraka eo an-kavanany ao amin’ny voninahiny ve ?

 

………………………………………………………………………..

 

13. Moa anjely iray, na maromaro, ve no nanankinan’Andriamanitra ny fiainana ho avy ? (Hebreo 2.5). Iza no nanankinany izany ?

 

………………………………………………………………………

 

14. Tamin’ny alalan’iza no nahariana ny anjely rehetra ?

      (Kolosiana 1.16)

 

……………………………………………………………………….

 

15. Moa manaiky ny homen’olombelona voninahitra ve ny anjely ? 

      (izany hoe ny hiankohofana : teny iray ihany no ilazana an’ireo   

      amin’ny teny grika) (Apokalypsy 22.8-9)

 

………………………………………………………………………

 

16. Moa nanaiky ny  fanomezam-boninahitra nataon’ny olona taminy   

      ve i Jesoa (nanaiky ny hiankohofana) ? (Matio 14.33 ; 28.9 ;   

      Lioka 24.52, …)

 

………………………………………………………….

 

 

Andriamanitra ve Izy ?

 

 

 

17. Andriamanitra no antsoiana hoe «Ilay Voalohany sy Farany »

     (Isaia 44.6), iza no misalotra izany  anarana iantsoana

     an’Andriamanitra izany ao amin’ny Apokalypsy 1.17-18 ?

 

………………………………………………………………………

 

18. Andriamanitra no « Alfa sy Omega », Izy no « Fiandohana sy

      Fiafarana » (Apokalypsy 1.8 ; 21.6). Iza ihany koa no mitafy

      izany anarana izany ao amin’ny Apokalypsy 22.13 (ampitahao

       amin’ny and.16 sy 20) ?

 

………………………………………………………………………

 

19. I Jehovah no Mpahary, araka ny ambaran’ny Salamo 102.25-26

     (Isaia 44.24). Iza kosa no Mpahary ambaran’ny Hebreo 1.10 ?

     (jereo  ny and.8)

 

………………………………………………………….…………..

 

20. I Jehovah no tondroina amin’ny hoe « Fahagola » ao amin’ny

     Daniela 7.9-10. Iza io « Zanak’olona » ambaran’ny Apokalypsy

     1.13-16 izay mitafy ny toetr’ilay Fahagola io ?

………………………………………………………………………

 

 

21. Antsoina hoe « Andriamanitra mahery » i Jehovah ao amin’ny

      Isaia 10.21, iza ihany koa no antsoina hoe « Andriamanitra

      mahery » ao amin’ny toko mialoha an’io ? (9.6)

   

………………………………………………………………………

 

 

22. Raha tsy misy « Andriamanitra hafa » (ary tsy hisy hafa) voaforona fa i Jehovah, dia Izy irery ihany, no Izy, nahoana no lazaina fa : « ny Teny dia tao amin’Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra » ? (Jaona 1.1)

 

……………….………………………………………………………

 

23. Naniraka mpaminany hiteny tamin’ny vahoaka i Jehovah (Jeremia 35.15), fa iza kosa indray no maniraka azy ireny araka ny Matio 23.34) ?

 

……………………………..…………………………………………

 

24. I Jaona mpanao Batisa no hialoha ka hamboatra ny lalan’i Jehovah (Malakia 3.1 ; Lioka 1.76), ny lalan’iza anefa no namboariny, iza no nialohavany ? (Jaona 3.28 ; Marka 1.1-3, 9)

 

……………………………………………...…………………………

 

25. Mahita ny voninahitr’Andriamanitra i Isaia ao amin’ny toko faha-6 amin’ny bokiny (and.5). Ny voninahitr’iza anefa io hitany io raha araka ny Jaona 12.41 ? (ampitahao amin’ny and.36 sy 42)

 

……………………………………………………………..………….

 

26. I Jehovah no hany Mpamonjy (Isaia 43.11). Iza kosa no Mpamonjy resahin’ny Jaona 4.42 sy ny 2 Timoty 1.10 ?

 

………………………………………………………………………

 

27. I Jehovah irery ihany no mpandinika ny fo sy ny voa (Jeremia

17.10), iza ihany koa no mahefa izany ? (Apokalypsy 2.23)

 

………………………………………………………………………

 

28. Milaza i Jehovah ao amin’ny Zakaria 11.12-13 fa notombanan’ny vahoakany sekely volafotsy telopolo Izy (vidin’andevo anankiray izany : Eksodosy 21.32). Iza anefa no namidy tamin’ny vola telopolo, araka ny faminanian’i Zakaria, ao amin’ny Matio 26.15 sy 27.3-10 ?

 

……………………………………………………………………

29. Moa misy zavatra manokana ananan’Andriamanitra ka tsy an’i Jesoa ve ? (Jaona 16.15 sy 17.10) 

 

 

………………………………………………………….……………

 

 

30. Moa misy zavatra hain’Andriamanitra  kanefa tsy vitan’i Jesoa ve ? (Jaona 5.19)

 

 

………………………………………………………………………

 

 

31. Moa nisy zavatra ary ve raha tsy  teo i Jesoa Kristy ? (Jaona 1.3)

 

 

………………………………………………………….…………….

 

 

32. Andriamanitra izy tenany no ho avy hampihatra ny fitsaràny ety ambonin’ny tany (Isaia 35.4). Ny Apokalypsy 19.11-16 kosa maneho amintsika an’Ilay Iray ho avy hanatanteraka izany : iza io ? (ampitahao amin’ny Joda 14, 15)

 

 

……………..…………………………………………………………

 

 

33. Tsy maintsy hampamoahina eo anatrehan’Andriamanitra ny olona rehetra aorian’ny fahafatesany (Hebreo 9.27, Romana 14.12), fa iza kosa no hany tokana afaka ny hitsara azy ? (Jaona 5.22)

 

 

………………………………………………………………………

 

 

34. I Jehovah no « Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo » (1 Timoty 6.15), iza anefa no tena Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo » ? (Apokalypsy 19.16)

 

 

…………….…………………………………………………………..

 

 

35. Nahoana Andriamanitra no mibaiko ny anjely hanome voninahitra ny Tompo Jesoa (= hiankohoka aminy) (Hebreo 1.6), kanefa tsy misy na iza na iza mendrika ny homem-boninahitra

( = hiankohofana) afa-tsy Andriamanitra irery ihany ?

(Apokalypsy 19.10)

 

………………………………………………………………………

 

 

36. Raha tsy tian’Andriamanitra homena olon-kafa ankoatra Azy ny voninahiny (Isaia 42.8, 48.11). Nahoana no ekeny ny hanomezam-boninahitra ny Zanaka tahaka ny hanomezam-boninahitra Azy ? (Jaona 5.23)

 

 

………………………………………….……………………………..

 

 

37. Andriamanitra irery ihany no mendrika handray ny « voninahitra sy haja ary hery » (Apokalypsy 4.11), iza ihany koa anefa no voalaza fa mendrika ny handray izany ? (Apokalypsy 5.12)

 

 

…………………………………………………………….…………

 

 

 

38. Nahoana ireo Jiosy no nitady izay hahafaty an’i Jesoa ?

 (Jaona 5.18).

 

 

………………………………………………………….……………

 

 

39. Ahoana no niantsoan’i Tomasy ny Tompo Jesoa ao amin’ny Jaona 20.28 ?

 

………………………………………………………………………

 

 

40. Fehiny : Mampianatra antsika ny Baiboly fa i Jesoa Kristy dia :

 

 

 

 

Olona ?

 

 

Eny

 

Tsia

 

 

Anjely ?

 

 

Eny

 

Tsia

 

 

Andriamanitra ?

 

 

Eny

 

Tsia

 

 

 

Ho famenon’ity fanadihadiana natao teto ity dia vakio ihany koa ireto andininy manaraka ireto : Jaona 1.1 ; Romana 9.5 ; Kolosiana 2.9 ;

1 Jaona 5.11-13, 20 ; 2 Jaona 9-11.