NY VANIMPOTOAMPITONDRANA
na ireo vanimpotoana fito, nanomboka tamin’ny nahariana an’i Adama
ka mandra-pahatonga “ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao”
Ny Soratra Masina dia mizara ny fotoana (nanomboka tamin’ny nahariana an’i Adama ka mandra-pahatonga “ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao” lazain’ny Apokalypsy 21. 1) ho fotoana maromaro tsy mitovy halavana, antsoina amin’ny ankapobeny hoe “vanimpotoampitondrana” [dispensations], fotoanandro, fitantanana, na “fitondrana” [administration] ao amin’ny Efesiana 1. 10, mbola antsoina ihany koa hoe “andro” [“économies”, “âges”, na “siècles”] ao amin’ny Efesiana 2. 7, “andron’ny Tompo”, sns. Azo isaina ho fito ireo vanimpotoampitondrana ireo.
Ao amin’ny Soratra Masina, ireo vanimpotoana ireo dia miavaka amin’ny fiovàn’ny fomba fitondran’Andriamanitra ny zanak’olombelona na ampahany amin’ny zanak’olombelona, manoloana ny ota sy ny andraikitry ny olona. Ny tsirairay amin’ireo vanimpotoampitondrana ireo dia azo raisina ho fizahan-toetra vaovao isedrana ny olona voajanahary, nefa dia miafara hatrany amin’ny fitsarana, izay mampisongadina ny tsy fahombiazana tanteraka eo amin’ny olona voajanahary, isaky ny vanimpotoampitondrana tsirairay.
Ny dimy amin’ireo vanimpotoampitondrana ireo dia efa nifarana ; isika izao dia miaina ao anatin’ny fahenina, izay efa eo amin’ny faramparany, angamba ; ary eo anoloantsika ny fahafito farany, dia ny fanjakana arivo taona (millénium).
1 Ny vanimpotoampitondrana voalohany
— Ny olombelona tsy manan-tsiny
Io vanimpotoampitondrana io dia niantomboka tamin’ny fahariana an’i Adama, ary nifarana tamin’ny nandroahana azy avy tao amin’ny saha Edena. Adama, izay noarìna ho tsy manan-tsiny sy tsy mahalala ny tsara sy ny ratsy, dia napetraka tao amin’ny saha Edena, niaraka tamin’i Eva vadiny. Nodidin’Andriamanitra izy tsy hihinana ny voan’ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy. Nifarana io vanimpotoampitondran’ny tsy fananan-tsiny io tamin’ny tsy fankatoavana voalohany nataon’ny olombelona. Tafiditra ny ota, miaraka amin’ny vokany tena mavesatra. Io vanimpotoampitondrana io dia nifarana tamin’ny fitsarana hoe : “Noroahiny (noroahin’i Jehovah Andriamanitra) ny olona” tsy ho ao amin’ny saha intsony.
“Ary Andriamanitra nanao hoe : Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika ; ary aoka izy hanjaka amin’ny hazandrano ao amin’ny ranomasina sy ny voromanidina sy ny biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany. Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny ; tahaka ny endrik’Andriamanitra no namoronany azy ; lahy sy vavy no namoronany azy” (Genesisy 1. 26-27).
“Ary Jehovah Andriamanitra nitondra an-dralehilahy ka namponina azy tao amin’ny saha Edena, hiasa sy hitandrina azy. Ary Jehovah Andriamanitra nandidy an-dralehilahy ka nanao hoe : Ny hazo rehetra eo amin’ny saha dia azonao ihinanana ihany ; fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana ; fa amin’ny andro izay ihinananao azy, dia ho faty tokoa ianao” (Genesisy 2. 15-17).
“Ary hitan-dravehivavy fa tsara ho fihinana ny hazo sady mahafinaritra ny maso, ary hazo mahatsiriritra hampahahendry, dia nanotazany ny voany ka nihinanany ; ary nomeny koa ny vadiny, ka dia nihinana izy.” (Genesisy 3. 6).
“Ary hoy Jehovah Andriamanitra : Indro, ny olona efa tonga tahaka ny anankiray amintsika, ka hahalala ny tsara sy ny ratsy … ka dia nesorin’i Jehovah Andriamanitra tamin’ny saha Edena izy, hiasa ny tany izay nanalana azy. Eny, noroahiny ny olona” (Genesisy 3. 22, 23, 24).
2 Ny vanimpotoampitondrana faharoa
— Ny olombelona mahatsiaro tena, ka tompon’andraikitra
Noho ny fahalavoana dia nahafantatra ny tsara sy ny ratsy i Adama sy Eva, ary nanome izany fahalalana izany holovain’ny taranany, hany ka, noho ny fahatsiarovan-tena, dia nanjary afaka nitsara ny ara-pitondrantena izy ireo. Koa nanjary nanana andraikitra ny zanak’olombelona hanao ny tsara sy hiala amin’ny ratsy. Io vanimpotoampitondran’ny fahatsiarovan-tena io dia nanomboka tamin’ny nahavoaroaka an’i Adama sy Eva avy tao Edena ka hatramin’ny Safodrano ; tsy nisy fitondrana na lalàna nomen’Andriamanitra, “ny nofo rehetra samy efa nanimba ny làlany avy, tambonin’ny tany” ary “be ny faharatsian’ny olona tambonin’ny tany, ka izay fisainana rehetra avy amin’ny fony dia ratsy ihany, mandritra ny andro” (Genesisy 6. 12, 5). Noho izany dia nofaranan’Andriamanitra tamina fitsarana io fizahan-toetra faharoa nisedrana ny olona voajanahary io : ny Safodrano.
“Ary simba ny tany teo anatrehan’Andriamanitra, sady heni-doza ; dia hitan’Andriamanitra ny tany, ka, indro, efa simba izy ; fa ny nofo rehetra samy efa nanimba ny làlany avy, tambonin’ny tany. Dia hoy Andriamanitra tamin’i Noa : Ny faran’ny nofo rehetra efa mby eto anatrehako, satria efa heni-doza ny tany noho ny amin’ny olona, ka, indro, efa handringana azy mbamin’ny tany Aho. Koa manaova sambofiara ho anao, amin’ny hazo gofera ; ary hasianao efitrefitra ny sambofiara, ka hopetahanao dity ao anatiny sy eo ivelany izy” (Genesisy 6. 11-14).
“Tamin’ny andro fahafito ambin’ny folo tamin’ny volana faharoa tamin’ny faheninjato taona niainan’i Noa, tamin’izany andro izany dia nipoitra ny loharano rehetra amin’ny lalina lehibe, ary nivoha ny varavaran’ny lanitra. Dia nisy ranonorana nivatravatra tamin’ny tany, efapolo andro sy efapolo alina... Ary naringana ny zavatra velona rehetra izay tambonin’ny tany, hatramin’ny olona ka hatramin’ny biby fiompy sy ny zava-mandady na mikisaka ary ny voromanidina ; dia naringana tsy ho amin’ny tany ireny ; ary Noa sy izay niara-nitoetra taminy tao anatin’ny sambofiara ihany no sisa velona” (Genesisy 7. 11-12, 23).
3 Ny vanimpotoampitondrana fahatelo
— Ny olombelona tompon’ny fahefana teto an-tany
Olona valo no novonjen’Andriamanitra ho afaka tamin’io fitsarana mampivarahontsana io, dia ny safodrano izany —“olona vitsy ihany anefa, dia i Noa valo mianaka, no ... voavonjy tamin’ny rano” (1 Petera 3. 20 DIEM). Ary rehefa nisintona ny rano, dia nomen’Andriamanitra azy ireo ny fahefana sy ny fitondrana ny tany. Andraikitr’i Noa sy ny taranany io. Ny fiafaran’io vanimpotoampitondran’ny fitondran’ny olombelona io dia andrana nanevateva an’Andriamanitra, nitady ny tsy hiankina aminy, tamin’ny fananganana ny tilikambo tao Babela, tany amin’ny tany lemaka tany Sinara. Ny fitsaran’Andriamanitra dia ny fanorokoroana ny fiteny, ka nanaparitaka ny olombelona eran’ny tany manontolo izany.
“Ary Andriamanitra nitsodrano an’i Noa sy ny zanany hoe : Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany” (Genesisy 9. 1).
“ Ary ny tany rehetra dia iray fanononana sy iray fiteny. Ary raha nifindrafindra niantsinanana ny olona, dia nahita tany lemaka tany amin’ny tany Sinara izy ka nonina teo. Ary niresadresaka hoe izy : Andeha isika hanao biriky ka handotra azy tsara. Ary ny biriky nataony solom-bato, ary ny asfalta nataony solon-drihitra. Ary hoy izy : Andeha isika hanao tanàna sy tilikambo ho antsika, ka ny tampony hahatakatra ny lanitra, dia hanao izay hahazoantsika laza, fandrao hiely eny ambonin’ny tany rehetra isika” (Genesisy 11. 1-4).
“Dia nidina Jehovah hizaha ny tanàna sy ny tilikambo, izay nataon’ny zanak’olombelona. Ary hoy Jehovah : Indro, iray foko ny olona, sady iray fanononana izy rehetra, ary ity vao fiandohan’ny hataony ; koa izao dia tsy hisy azo sakanana na inona na inona izay saintsaininy hatao. Aoka Isika hidina, ka eny no hanorokoroantsika ny fiteniny, mba tsy hifankahalala teny izy. Dia tao no nampielezan’i Jehovah azy hiala, ho eny ambonin’ny tany rehetra ; dia nitsahatra tsy nanao ny tanàna intsony izy. Koa izany no nanaovana ny anarany hoe Babela ; fa tao Jehovah no nanorokoro ny fitenin’ny tany rehetra ; ary tao no nampielezan’i Jehovah ny olona ho eny ambonin’ny tany rehetra” (Genesisy 11. 5-9).
4 Ny vanimpotoampitondrana fahefatra
— Ny olombelona sy ireo fampanantenan’Andriamanitra
Tao amin’ireo taranaka naely, izay nanorina ny tilikambo tao Babela, dia niseho ny fanompoan-tsampy : “Nanompo andriamani-kafa izy” (Josoa 24. 2). Dia nifidy lehilahy iray Andriamanitra, i Abrama, ary nanome teny fampanantenana azy sy ny taranany. Ny sasany tamin’izany fampanantenana izany dia fahasoavana ranofotsiny sy tsy misy fepetra. Tanteraka ara-bakiteny ireo, na ho tanteraka amin’ny hoavy. Ny fampanantenana sasany kosa dia niankina tamin’ny tsy fivadihan’ny taranak’i Abrahama sy ny fankatoavany. Koa tsy nahazo izany fampanantenana izany izy ireo, noho ny tsy fankatoavany, ary ny vokatr’izany dia fitsarana, tamin’ny fanandevozana tany Egypta.
“Ary hoy Jehovah tamin’i Abrama : Mandehana miala amin’ny taninao sy ny havanao ary ny tranon’ny rainao, hankany amin’ny tany izay hasehoko anao ; dia hahatonga anao ho firenena lehibe Aho, sady hitahy anao sy hahalehibe ny anaranao” (Genesisy 12. 1-2).
“Dia nitondra azy nivoaka teo ivelan’ny lay Izy ka nanao hoe : Jereo ange ny lanitra, ka isao ny kintana, raha mahisa azy ianao. Dia hoy Izy taminy : Ho tahaka izany ny taranakao. Ary nino an’i Jehovah izy” (Genesisy 15. 5, 6).
5 Ny vanimpotoampitondrana fahadimy
— Ny olombelona teo ambanin’ny Lalàna
“Dia nampanompoin’ny Egyptiana fatratra ny Zanak’Israely, ka nataony mangidy ny fiainany tamin’ny fanompoana mafy, dia tamin’ny feta sy ny biriky mbamin’ny fanompoana rehetra any an-tsaha, dia ny fanompoana rehetra izay nampanompoany azy fatratra” (Eksodosy 1. 13-14). Koa niseho indray ny fahasoavan’Andriamanitra, namonjy ny olombelona tsy nahita hatao intsony, ary nanavotra (nanafaka) ilay vahoaka voafidy (Israely) ho afaka tamin’ny tanan’ny mpangeja azy, dia ny mpanjakan’i Egypta.
Nanaraka izany, tany an-taniefitr’i Sinay, dia naroson’Andriamanitra tamin’izy ireo ny fanekena mifototra amin’ny lalàna. Tsy nangataka tam-panetrentena ny hanohizana ny fifandraisana araka ny fahasoavana ny vahoaka, fa natoky tena namaly hoe : “Izay teny rehetra nolazain’i Jehovah dia hataonay.”
Kanefa ny tantaran’i Israely tany an-taniefitra sy tany Kanana, dia tantara lava nampiseho fandikana mibaribary sy tsy misy farany ny Lalàna. Taorianan’ny fampitandremana tsy tambo isaina, dia nofaranan’Andriamanitra io vanimpotoampitondran’ny Lalàna io. Nasehon’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny Lalàna ny tena toetran’ny olona —“fa ny Lalàna no ahazoana ny fahalalana marina ny amin’ny ota” (Romana 3. 20).
Noho izany dia nalefa sesitany tany an-toeran-kafa ny Israely, ary naely tany amin’ny jentilisa. Marina fa nisy olona vitsivitsy (nantsoina hoe “sisa tavela”) niverina, tamin’ny andron’i Ezra sy i Nehemia ; ary avy tamin’izy ireo no niavian’i Kristy, tamin’ny fotoanandrony. Nefa dia nifarana tamin’ny fanomboana an’i Kristy io vanimpotoampitondran’ny Lalàna io, ary naely ny vahoaka manontolo.
“Fa Mosesy nanoratra milaza fa izay olona manao ny fahamarinana avy amin’ny lalàna no ho velona amin’izany” (Romana 10. 5). Ary “voasoratra hoe : ‘Voaozona izay rehetra tsy maharitra mankatò ny zavatra rehetra voasoratra ao amin’ny bokin’ny lalàna’ ” (Galatiana 3. 10).
“Ary ny nahatongavan’izany dia noho ny nanotan’ny Zanak’Israely tamin’i Jehovah Andriamaniny, Izay nitondra azy nivoaka avy tany amin’ny tany Egypta ho afaka tamin’ny tànan’i Farao, mpanjakan’i Egypta, fa natahotra izay andriamani-kafa izy ka nandeha araka ny fanaon’ny jentilisa, izay noroahin’i Jehovah tsy ho eo anoloan’ny Zanak’Israely, sy araka ny didy izay nataon’ny mpanjakan’ny Israely. Ary ny Zanak’Israely dia nanao teny tsy marina hoenti-manakona an’i Jehovah Andriamaniny ka ... nanompo sampy, izay nandraran’i Jehovah azy hoe : Aza manao izany zavatra izany ianareo” (2 Mpanjaka 17. 7-9, 12).
“Ry olona mafy hatoka sady tsy voafora fo sy sofina, ianareo manohitra ny Fanahy Masina mandrakariva ; tahaka ny nataon’ny razanareo ihany no ataonareo koa. Iza no mpaminany izay tsy nenjehin’ny razanareo ? Eny, novonoiny aza izay naminany ny fiavian’Ilay Marina ; ary ankehitriny dia efa tonga mpamadika sy mpamono Azy ianareo, dia olona izay nahazo ny Lalàna tamin’ny nandaharan’anjely azy, nefa tsy nankatò izany” (Asan’ny Apostoly 7. 51-53).
“Ry lehilahy Israely, mihainoa izao teny izao : Jesosy avy any Nazareta, lehilahy nasehon’Andriamanitra teo aminareo tamin’ny asa lehibe sy ny fahagagana ary ny famantarana izay nampanaovin’Andriamanitra Azy teo aminareo... dia nohomboanareo sy novonoinareo tamin’ny tànan’ny olona tsy tan-dalàna ”(Asan’ny Apostoly 2. 22-23).
6 Ny vanimpotoampitondrana fahenina
— Ny olombelona eo ambanin’ny fahasoavan’Andriamanitra
Ny fahafatesan’ny Tompo Jesosy Kristy, izay nanonitra ny fahotantsika, no nanokatra ny vanimpotoampitondran’ny fahasoavana, izany hoe ny tombontsoa omen’Andriamanitra ireo izay tokony hiharan’ny fitsarana. Manome fahamarinana Andriamanitra, fa tsy mitaky izany intsony, toy ny teo ambanin’ny lalàna. Famonjena lavorary sy ho mandrakizay izao no atolotra maimaimpoana ny Jiosy sy ny jentilisa, raha toa izy ireo miaiky ny fahotany, mibebaka ary mino ny Tompo Jesosy.
“Ary aoka ho fantatrareo, ry rahalahy, fa izany Lehilahy izany (Jesosy) no itoriana famelan-keloka aminareo ; ary ao aminy no anamarinana izay rehetra mino, ho afaka amin’ny heloka rehetra, izay tsy azo nanamarinana anareo tamin’ny lalànan’i Mosesy” (Asan’ny Apostoly 13. 38-39).
“Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa : Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay ka tsy hohelohina ; fa tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana izy” (Jaona 5. 24).
“Fahasoavana no namonjena anareo, amin’ny finoana ; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra ; tsy avy amin’ny asa, fandrao hisy hirehareha” (Efesiana 2. 8-9).
Io vanimpotoana fisedrana ny olombelona eo ambany fahasoavana io dia hifarana amin’ny fidinan’ny Tompo avy any an-danitra, mba haka ny mpino izay natsangana tamin’ny maty sy ny mpino izay mbola velona, hitsena Azy eny amin’ny habakabaka :
“Fa ny tenan’ny Tompo no hidina avy any an-danitra, amin’ny fiantsoana sy ny feon’ny arikanjely ary ny trompetran’Andriamanitra, ka izay maty ao amin’i Kristy no hitsangana, aloha ; ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin’ny rahona, hitsena ny Tompo any amin’ny habakabaka ; dia ho any amin’ny Tompo mandrakariva isika” (1 Tesaloniana 4. 16-17).
Dia ho avy ny fitsarana ny tontolo tsy mino sy ny Eglizy niodina :
“Ary tahaka ny tamin’ny andron’i Noa, dia hisy toy izany koa amin’ny andron’ny Zanak’olona : nihinana izy, nisotro izy, nampaka-bady izy, navoaka hampakarina izy, mandra-piavin’ny andro izay nidiran’i Noa tao amin’ny sambofiara, dia tonga ny Safodrano ka nandringana azy rehetra. Ary tahaka ny tamin’ny andron’i Lota koa : nihinana izy, nisotro izy, nividy izy, nivarotra izy, namboly izy, nanao trano izy ; fa tamin’ny andro izay nivoahan’i Lota avy tao Sodoma, dia nisy afo sy solifara nilatsaka avy tany an-danitra ka nandringana azy rehetra. Dia ho tahaka izany koa, amin’ny andro hisehoan’ny Zanak’olona” (Lioka 17. 26-30).
“Fa miasa sahady ny zava-miafina, dia ny tsy fankatoavan-dalàna, kanefa mandra-panaisotra ilay misakana ankehitriny ihany. Ary dia haseho ilay tena mpandika lalàna, izay holevonin’i Jesosy Tompo amin’ny fofonain’ny vavany ary hofoanany amin’ny fisehoan’ny fiaviany ” (2 Tesaloniana 2. 7-8).
“Fantatro ny asanao, fa tsy mangatsiaka na mafana ianao ; aleo ho mangatsiaka na ho mafana ianao. Fa satria matimaty ianao, ka tsy mafana na mangatsiaka, dia efa haloan’ny vavako ianao ” (Apokalypsy 3. 15-16).
Aorianan’izany dia ho avy ilay fotoana fohy antsoina hoe “ny fahoriana lehibe” :
“Fa amin’izany andro izany dia hisy fahoriana lehibe, izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony. Ary raha tsy efa nohafohezina izany andro izany, dia tsy nisy nofo hovonjena ; fa noho ny olom-boafidy, dia hohafohezina izany andro izany” (Matio 24. 21-22).
“Andro fahatezerana izany andro izany, andro fahoriana sy fahalahelovana, andro fandravana sy fanafoanana, andro maizina sy manjombona, andro mandrahona sy maizim-pito. Andro fahaveloman’ny anjomara sy ny akora, hamelezana ny tanàna mimanda sy ny tilikambo avo eny amin’ny zorony. Ary hampahory ny olona Aho, handehanany toy ny jamba” (Zefania 1. 15-17 ).
“Feo mampangovitra no renay ; misy tahotra, fa tsy fiadanana... Indrisy ! fa lehibe izany andro izany, ka tsy misy tahaka azy, andro fahoriana ho an’i Jakoba (anarana hafa iantsoana an’i Israely) izany, nefa ho voavonjy ho afaka amin’izany ihany izy” (Jeremia 30. 5, 6, 7).
“Ary hisy andro fahoriana, izay tsy nisy tahaka azy, hatrizay nisian’ny firenena ka hatramin’izany andro izany ” (Daniela 12. 1 ).
Aorianan’ny fahoriana lehibe, dia ny Tompo Jesosy tenany mihitsy no hiverina, mba hanjaka etỳ an-tany amin’ny fahefana sy ny voninahitra lehibe ; dia mbola hisy ireo fitsarana voalaza ao amin’ny Matio :
“Ary raha vao afaka ny fahoriana amin’ireo andro ireo, ny masoandro dia hohamaizinina, ary ny volana tsy hahazava ; ny kintana hiraraka avy any an-danitra, ary ny herin’ny lanitra hohozongozonina. Ary amin’izany andro izany dia hiseho eo amin’ny lanitra ny famantarana ny Zanak’olona, ka dia hitomany ny firenena rehetra ambonin’ny tany, ary hahita ny Zanak’olona avy amin-kery sy voninahitra lehibe eo amin’ny rahon’ny lanitra izy” (Matio 24. 29-30).
“Ary raha tonga ny Zanak’olona amin’ny voninahiny, arahin’ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin’ny sezafiandrianan’ny voninahiny Izy ; ary ny firenena rehetra hangonina eo anatrehany, dia hanavaka azy Izy, tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy ; ary hametraka ny ondry eo amin’ny ankavanany Izy, fa ny osy eo amin’ny ankaviany.
Ary amin’izany ny Mpanjaka dia hilaza amin’izay eo amin’ny ankavanany hoe : Avia ianareo izay notahin’ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao...
Ary dia hilaza indray amin’izay eo amin’ny ankaviany kosa Izy hoe : Mialà amiko, ianareo izay voaozona, ho any amin’ny afo maharitra mandrakizay, izay voavoatra ho an’ny devoly sy ny anjeliny” (Matio 25. 31-34, 41).
7 Ny vanimpotoampitondrana fahafito
— Ny olombelona eo ambanin’ny fanjakan’i Kristy manokana
Hisy fitsarana tsy nisy toy izany hianjady amin’ny zanak’olombelona, rehefa hiverina eto an-tany Kristy. Hanjaka amin’i Israely naverina tamin’ny toerany sy ny tontolo sisa rehetra i Kristy, mandritra ny 1000 taona —vanimpotoana antsoina hoe “fanjakana arivo taona” [millénium], ary tsy afaka hanisy ratsy intsony i Satana mandritra io vanimpotoana io.
“Ary hitako fa, indro, nisy anjely nidina avy tany an-danitra, nanana ny fanalahidin’ny lavaka tsy hita noanoa sy gadra lehibe eny an-tànany ; dia nisambotra ilay dragona izy (dia ilay menarana ela, ny devoly sy Satana izany) ka namatotra azy arivo taona, dia nanipy azy ho amin’ny lavaka tsy hita noanoa ka nanidy izany, dia nanisy tombo-kase teo amboniny, mba tsy hamitahany ny firenena maro intsony, mandra-pahatapitry ny arivo taona” (Apokalypsy 20. 3).
“Rehefa afaka izany, dia hiverina Aho ka hanangana ny tranolain’i Davida, izay efa nianjera ; ary hanangana izay efa rava ao Aho ka hanamboatra azy indray ; mba hitady ny Tompo ny olona sisa sy ny jentilisa rehetra, izay efa niantsoana ny anarako, hoy Jehovah” (Asan’ny Apostoly 15. 16, 17).
Jerosalema no ho renivohitry ny fanjakan’i Kristy, ary ny mpino, anisan’izany ireo voavonjy nandritra ny vanimpotoampitondran’ny fahasoavana, izany hoe ny Eglizy, dia hiaraka aminy ao amin’ny voninahiny.
“Ary ny sisa rehetra amin’ny jentilisa rehetra, izay niakatra namely an’i Jerosalema, dia hiakatra isantaona isantaona hiankohoka eo anatrehan’ny Mpanjaka, dia Jehovah, Tompon’ny maro, sy hitandrina ny andro firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo” (Zakaria 14. 16).
“Ny fanjakana amin’izao tontolo izao dia efa lasan’ny Tompontsika sy ny Kristiny... Sambatra sy masina izay manana anjara amin’ny fitsanganana voalohany ; ireo tsy mba ananan’ny fahafatesana faharoa fahefana, fa ho mpisoron’Andriamanitra sy Kristy ireo, ka hiara-manjaka aminy arivo taona ” (Apokalypsy 11. 15 ; 20. 6).
Ny fanjakan’i Kristy dia haneran-tany :
“Ary Jehovah ho Mpanjakan’ny tany rehetra ” (Zakaria 14. 9).
“Ry firenena, manomeza an’i Jehovah, eny, manomeza voninahitra sy hery ho an’i Jehovah... Lazao any amin’ny jentilisa fa Jehovah no Mpanjaka ” (Salamo 96. 7, 10).
“Ry Mpanjaka mandrakizay, iza no tsy hatahotra ? Ary iza no tsy hankalaza ny anaranao, Tompo ô ? Fa Ianao ihany no masina, ary ny firenena rehetra ho avy hiankohoka eo anatrehanao ; fa efa naharihary ny fitsarana marina nataonao” (Apokalypsy 15. 3-4).
Aorianan’izany fotoanan’ny fanjakana arivo taona izany, dia “hovahana kelikely” aloha i Satana, ary hahita làlana hahazoany ny fon’olombelona indray, ka hitarika azy ho amin’ny ratsy sy ny fikomiana ary ny ady amin’ny Tompo sy ny olom-boavidiny.
“Ary rehefa tapitra ny arivo taona, dia hovahana Satana ho afaka ao amin’ny tranomaizina nitoerany, ka hivoaka hamitaka ny firenena eny amin’ny vazan-tany efatra, dia Goga sy Magoga, mba hanangona azy ho any amin’ny ady ; tahaka ny fasiky ny ranomasina ny isany. Ary niakatra namaky ny tany izy, dia nanodidina ny tobin’ny olona masina sy ny tanàna malala ; ary nisy afo nidina avy tany an-danitra ka nandany azy” (Apokalypsy 20. 7-9).
Izany no hiafaran’io vanimpotoampitondrana farany io, toy ireo talohany ihany, amin’ny fitsarana.
Dia hajoro ny “sezafiandrianana fotsy lehibe” : eo no hatsangana ireo maty rehetra izay tsy voasoratra anarana ao amin’ny bokin’ny fiainana, ka hotsaraina ho mandrakizay.
“Ary hitako fa, indro, nisy sezafiandrianana fotsy lehibe sy Ilay mipetraka eo amboniny ; ny tany sy ny lanitra nandositra ny tavany, ka tsy nisy hitoerany intsony. Ary nahita ny maty aho, na ny lehibe na ny kely, nitsangana teo anoloan’ny sezafiandrianana ; ary novelarina ny boky ; ary nisy boky iray koa novelarina, dia ny bokin’ny fiainana izany ; ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin’ny boky, araka ny asany. Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny ; ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsy hita namoaka ny maty tao aminy ; dia samy notsaraina araka ny asany izy. Ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsy hita dia natsipy tany amin’ny farihy afo. Izany no fahafatesana faharoa, dia ny farihy afo. Ary raha nisy tsy hita voasoratra teo anatin’ny bokin’ny fiainana, dia natsipy tany amin’ny farihy afo izy” (Apokalypsy 20. 11-15).
Dia ho avy ny “lanitra vaovao sy tany vaovao” (2 Petera 3. 13), ary hanomboka ny mandrakizay. “Tsy hisy fototra sy antony afa-tsy Andriamanitra ihany” (1 Korintiana 15. 28).
“Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho ; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany, ary ny ranomasina dia tsy misy intsony.
Ary nahita aho fa, indro, ny tanàna masina, dia Jerosalema vaovao, nidina avy any an-danitra tamin’Andriamanitra, voaomana tahaka ny ampakarina efa mihaingo hihaona amin’ny vadiny.
Ary nahare feo mahery avy teo amin’ny sezafiandrianana aho, nanao hoe : Indro, ny tabernakelin’Andriamanitra dia eo amin’ny olona, ary Izy hitoetra eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony ; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana ; fa efa lasa ny zavatra taloha...” (Apokalypsy 21. 1-4).
Ity asasoratra ity dia nalaina avy tamin’ireo lohahevitra lehibe —nofintinin’i JCK— ao amin’ny bokin’i C. I. Scofield, mitondra ny lohateny hoe : “Mizara marina ny Tenin’ny fahamarinana [Dispensant correctement la Parole de la vérité]”.